“Mpitsara 2–4; 6–8; 13–16: Topimaso ankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Mpitsara 2–4; 6–8; 13–16: Topimaso ankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Mpitsara 2–4; 6–8; 13–16
Mpitsara 2–4; 6–8; 13–16
Topimaso ankapobeny
Rehefa niditra ny tany nampanantenaina ny zanak’Isiraely dia nisafidy ny tsy hankatò ny didin’ny Tompo mba handroaka tanteraka ireo mponina ratsy fanahy tao izy ireo. Rehefa nandeha ny fotoana dia maro tamin’ny Isiraelita no nanaraka ny faharatsian’ny olona tao amin’izany tany izany koa dia tsy nahazo ny fiarovan’ny Tompo intsony izy ireo. Rehefa nitalaho fanafahana tamin’ny Tompo ny Isiraelita dia nanangana mpanavotra ho azy ireo Izy, toa an’i Otniela, Ehoda, Debora ary Gideôna.
Ampio ny mpianatra hanamafy orina ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ny fanampiana ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainany dia hanamafy ny fifandraisan’izy ireo Amin’Izy Ireo. Raha mila mandalina kokoa dia jereo ny “Manampy ny mpianatra hanamafy orina ny fifandraisany amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy” ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022], 9. Hita ao amin’ny Lesona 65 ny ohatra iray hanaovana izany: “Mpitsara 2–4.”
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety ilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Mpitsara 2–4
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatakatra ny anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny maha Mpanafaka antsika Azy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra fotoana nanavotan’ny Mpamonjy (nanavotra na nanafaka) olona tao amin’ny soratra masina, na olona fantatr’izy ireo, na ny tenany. Azon’ny mpianatra atao ny mijery ny zavatra nataon’ilay olona, na ireo olona mba hanatona ny Mpamonjy hahazoana fanafahana.
-
Votoatin-javatra haseho: Isa mifanaraka, toromarika sy andalan-tsoratra masina hoalalinina, ary toromarika entina mamorona na mamaly rafi-tantara
-
Sary haseho: “Ny fiverimberenan’ny fahotana sy ny fanavotana ao amin’ny bokin’ny Mpitsara”
-
Horonan-tsary: “Ny hatsara-pon’ Andriamanitra mivantana” (11:39, manomboka amin’ny minitra faha-10:33 ka hatramin’ny faha-10:54)
-
Fitaovana ho an’ny mpianatra: Fahafahana miditra ao amin’ny lahatsoratra “Le Sauveur peut nous délivrer” (Jeunes, soyez forts, dec. 2022, 2–4) sy ny “Sept façons qu’a le Seigneur de te délivrer” (Jeunes, soyez forts, avr. 2022, 18–20)
Mpitsara 6–8
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatsapa faniriana lehibe kokoa hiantehitra amin’i Jesoa Kristy mba hahazo hery.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitady soratra masina iray mampiseho ny hery azontsika raisina avy amin’ny Tompo. Tongava ao an-dilasy omban’ny fahavonona hizara izany.
-
Sary haseho: Fanehoana an-tsary ny fianteherana amin’ny herin’ny tena manokana na amin’ny herin’ Andriamanitra, ny kisary “Ny fiverimberenan’ny fahotana sy ny fanafahana ao amin’ny bokin’ny Mpitsara” izay nampiasaina tamin’ny Lesona 65: “Mpitsara 2–4”
-
Taratasy zaraina: “Mahita ny herin’ny Tompo ao amin’ny tantaran’i Gideona”
-
Horonan-tsary: “Manohy mandroso fotsiny—amim-pinoana” (11:04, manomboka amin’ny minitra faha-6:08 ka hatramin’ny 9:47)
Tombano ny fianaranao 4
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hisaintsaina ny tanjona napetrany sy ny fitomboana hitany teo amin’ny fiainany nandritra ny fandalinany ny Testamenta Taloha tato ho ato.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra ho tonga omban’ny fahavononana hizara ny zavatra nianarany na ny fomba nitomboany ara-panahy hatramin’ny nanombohan’ny fandalinany ny Testamenta Taloha tamin’ity taona ity. Azonao atao ny manome sosokevitra azy ireo hamerina hijery ny diary fandalinany na ireo fanamarihana ao amin’ny soratra masiny mba hanampiana azy ireo hahatsikaritra ny zavatra nianarany sy ny fitomboany.
-
Votatin-javatra haseho: Teny nambaran’ny Loholona Larry R. Lawrence, toromarika ho amin’ny fifanakalozan-kevitra miaraka amin’ny namana ao amin’ny fizarana “Manazava ny fanehoana an’ohatra sy ny tandidon’i Jesoa Kristy ao amin’ny Testamenta Taloha”
-
Sary haseho: Mosesy miaraka amin’ilay menarana varahina