Seminera
Mpitsara 2–4: Mitodika amin’ny Tompo mba hahazo fanafahana


“Mpitsara 2–4: Mitodika amin’ny Tompo mba hahazo fanafahana,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Mpitsara 2–4: Mitodika amin’ny Tompo mba hahazo fanafahana,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Mpitsara 2–4; 6–8; 13–16: Lesona 65

Mpitsara 2–4

Mitodika amin’ny Tompo mba hahazo fanafahana

Jesus healing a lame man.  Outtakes include some of the other cast members, Jesus and disciples, and Jesus helping the lame man up by the hand.

Rehefa niditra ny tany nampanantenaina ny zanak’Isiraely dia nisafidy ny tsy hankatò ny didin’ny Tompo mba handroaka tanteraka ireo mponina ratsy fanahy tao izy ireo. Vokatr’izany dia maro tamin’ny Isiraelita no nanaraka ny fomba ratsin’ireo vahoaka ireo, koa dia nanary ny fiarovana avy amin’ny Tompo izy ireo. Na izany aza anefa, isaky ny mitalaho amin’ny Tompo hanafaka azy ireo ny Isiraelita dia “nanangana mpanavotra” ho azy ireo Izy (Mpitsara 3:9). Afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny anjara asan’ny Tompo amin’ny maha-Mpanafaka antsika Azy ity lesona ity.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra fotoana nanavotan’ny Mpamonjy (nanavotra na nanafaka) olona tao amin’ny soratra masina, na olona fantatr’izy ireo, na ny tenany. Azon’ny mpianatra atao ny mijery ny zavatra nataon’ilay olona, na ireo olona mba hanatona ny Mpamonjy hahazoana fanafahana.

Sahanasa fianarana azo atao

Lamina

Mba hanomanana ny mpianatra hianatra momba ny lamina ara-panahy hita ao amin’ny bokin’ny Mpitsara dia asehoy ireto lamina ara-tarehimarika manaraka ireto. Asao ny vondrona maromaro ahitana mpianatra vitsivitsy hameno ny laharana banga.

Tadiavo ny isa roa manaraka ao amin’ny tsirairay avy amin’ireto andian-tarehimarika ireto:

A. 2, 4, 6, 8, 10, 12, ,

B. 1, 3, 7, 13, 21, 31, ,

D. 1, 4, 3, 6, 5, 8, 7, ,

E. 10, 11, 6, 8, 4, 7, 4, ,

Raha mila fanampiana ny mpianatra dia azonao atao ny mizara ireto lamina arahina manaraka ireto:

A: +2

B: +2, +4, +6, sy ny sisa sy ny sisa

D: +3, −1, +3, −1

E: +1, −5, +2, −4, +3, −3, sy ny sisa sy ny sisa

  • Amin’ny fotoana manao ahoana eo amin’ny fianantsika no mety manampy ny mamantatra ireo lamina toky harahina?

  • Inona no maha zava-dehibe ny mamantatra ireo lamina ara-panahy eo amin’ny fiainantsika?

Raha mandalina ny lamina ara-panahy niainan’ny Isiraelita ao amin’ny bokin’ny Mpitsara ianao androany, dia saino ny fomba mety hampiharana izany eo amin’ny fiainanao. Angataho ny Fanahy Masina hampianatra anao kokoa momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy eo am-pandalinana io lamina io.

Ny fiverimberenan’ny fahotana sy ny fanafahana

Rehefa niditra ny tany nampanatenaina ny Isiraelita dia nandidy azy ireo handroaka ny mponina ratsy fanahy tao amin’ilay tany ny Tompo (jereo Deoteronomia 7:1–4). Maro tamin’ireo Isiraelita no tsy nankatò tanteraka izany didy izany. Namela ny sasany tamin’ireo mponina ratsy fanahy nonina tao izy ireo (jereo Mpitsara 1:21, 27–28). Ao amin’ny Mpitsara 2–4 isika dia mianatra momba ny lamina ara-panahy, na fitamberenan-javatra izay niainan’ny Isiraelita satria niverimberina tsy nahomby tamin’ny fanarahana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izy ireo.

Hevero ny haneho eo amin’ny solaitrabe ireto fitamberenan-javatra manaraka ireto. Asao ny mpianatra handika izany ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

A diagram depicting the cycle of sin and deliverance in the book of Judges with four sections connected by blue arrows.

Asao ny mpianatra handalina ireo andinin-tsoratra masina manaraka miaraka amin’ny namana iray na ao anaty vondrona kelikely ka hitady ny lamina ahitana ny fitondrantena hita teo amin’ny Isiraelita. Azon’ny mpianatra atao ny mamintina amin’ny teny na andian-teny ireo andiana andinin-tsoratra masina tsirairay. Azon’izy ireo atao avy eo ny manoratra izany teny na andian-teny izany ao amin’ny tsanganana mifanaraka amin’izany eo amin’ny sori-tsary nataon’izy ireo.

1. Mpitsara 3:5–7 (Fanamarihana: ireo Bala dia fomba ilazana ireo karazana Bala, izay andriamanitra sandoka notompoin’ny Kanantita. Ny teny hoe aseraha dia ilazana “hazo maniry na vatan-kazo ampiasaina ho fitaovana fanompoana” [Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Aseraha”].)

2. Mpitsara 3:8

3. Mpitsara 3:9 (andian-teny voalohany amin’ny andininy)

4. Mpitsara 3:9–11

Rehefa avy nandalina ireo andinin-tsoratra masina ny mpianatra dia asao hizara ireo teny na andian-teny nampidiriny tao amin’ilay sori-tsary nataony izy ireo. Raha ilaina dia azonao atao ny manome ireto sosokevitra manaraka ireto ho an’ny tsanganana tsirairay avy: 1. Fahotana; 2. Vokatra aterany; 3. Mitaraina amin’ny Tompo; 4. Fanafahana amin’ny alalan’ny Tompo. Mba hanampiana ny mpianatra hirakitra an-tsoratra io fitamberenana io ao amin’ny soratra masin’izy ireo dia azonao atao ny manasa azy ireo hanoratra ilay teny na andian-teny avy amin’ny tsanganana tsirairay eo akaikin’ny andiana andinin-tsoratra masina tsirairay.

Asehoy ity toromarika manaraka ity avy eo. Omeo minitra vitsy ny mpianatra handalinana ny sasany na izy rehetra amin’ireo toko sy andinin-tsoratra masina ireo.

Raha hijery ohatra hafa momba io fitamberenana ao amin’ny Mpitsara 2–4 io dia alalino ny sasany amin’ireto toko sy andinin-tsoratra masina manaraka ireto. Rehefa mahatsikaritra singa samihafa ao amin’ilay fitamberenana ianao dia azonao atao ny manisy anarana izany ao amin’ny soratra masinao. (Fanamarihana: Tsy ny singa rehetra mandrafitra ilay fitamberenana no hipoitra ao amin’ny andiana andinin-tsoratra masina tsirairay.)

Mpitsara 2:10–18

Mpitsara 3:12–15, 26–30

Mpitsara 4:1–4, 14–16

  • Inona no azontsika ianarana mikasika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy amin’ilay fitamberenana ao amin’ny Mpitsara 2–4?

    sary famantarana ny semineraRehefa mizara ny valin’ilay fanontaniana teo aloha ny mpianatra dia hevero ny hiresaka ny hevi-baovao hitan’izy ireo izay mampiseho ny fitiavana sy ny toetran’ Andriamanitra. Fomba iray hanaovana izany ny filazana zavatra tsotra rehefa avy mizara hevitra ny mpianatra. Azonao atao ny milaza hoe: “Misaotra ny amin’ny hevi-baovaonao momba ny toetra be famindram-pon’i Jesoa Kristy” na hoe: “Maha velom-pankasitrahana ahy ny fampahatsiahivanao ny herin’ny Mpamonjy entiny manafaka antsika” na koa hoe “Nahoana no zava-dehibe ny mahalala fa ny Ray any An-danitra ihany koa dia manana io toetra izay tsikaritrao fa ananan’ny Mpamonjy io?” (Raha mila fiofanana fanampiny amin’ny fanampiana ny mpianatra hanatona an’i Jesoa Kristy dia jereo ny “Ampio ny mpianatra hanamafy orina ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra [2022], 9.)

    Sasatsasany amin’ireo fahamarinana mety ho hitan’ny mpianatra momba ny Tompo ao amin’ireo andalana ireo ny hoe:

    Raha misafidy handà ny Tompo isika dia tsy hahazo intsony ny fitarihany sy ny fiarovany antsika eo amin’ny fiainantsika.

    Rehefa misafidy ny hitodika amin’ny Tompo ary hiantso ny anarany isika dia hanafaka antsika izy.

  • Inona araka ny hevitrao no mety ho fiantraikan’ny fahatakarana izany fahamarinana izany eo amin’ny fiainanao?

Ilay Mpanafaka

Hazavao fa iray amin’ireo anarana fiantsoana ny Mpamonjy ny hoe Mpanafaka (jereo 2 Samoela 22:2). Azon’ny mpianatra atao ny mamaky sy mampitaha ny Môzià 7:33 sy ny Mpitsara 3:9. Angataho izy ireo hizara ny maha tandindon’i Jesoa Kristy ireo olona nanampy tamin’ny fanafahana ny Isiraelita tao amin’ny bokin’ny Mpitsara.

Mba hanampiana ny mpianatra hiato sy hampihatra amin’ny tenany manokana izay nianarany dia azonao atao ny manoratra ny teny hoe “izaho” eny amin’ny solaitrabe, eo afovoan’ilay fitamberenan-javatra. Asao ny mpianatra hisaintsaina ny toerana mety hisy azy ireo amin’izao fotoana izao eo amin’ilay fitamberenana. Asao izy ireo hieritreritra toe-javatra eo amin’ny fiainany izay ilan’izy ireo ny fanafahan’ny Mpamonjy.

Ny Loholona Kyle S. McKay ao amin’ny Fitopololahy dia nijoro ho vavolombelona amin’ny maha Mpanafaka Lehibe an’i Jesoa Kristy:

11:40
Elder Kyle S. McKay of the General Authority Seventy Official Portraits. Taken March 2018.

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no ilay Mpanafaka Lehibe, ary mampanantena aho, amin’ny anarany, fa rehefa mitodika Aminy amin-kitsim-po sy tanjona fenon’ny fo ianareo, dia hanafaka anareo amin’izay rehetra mandrahona ny hampihena na handrava ny fiainanareo na ny fifalianareo Izy. (“Ny hatsaram-pon’ Andriamanitra mivantana,” Liahona, Mey 2019, 107)

  • Inona no eritreritra na fahatsapana ao anatinao rehefa misaintsaina izany teny nambara izany ianao?

    Hevero ny hanome fotoana ny mpianatra hanaovany lisitra ao amin’ny diariny na eo amin’ny solaitrabe izay mety ho fampitahorana rehetra mety “hampihena na handrava [ny] fiainany na ny fifaliany.” Raha manampy dia azon’ny mpianatra atao ny mandalina ny lahatsoratra “Le Sauveur peut nous délivrer” (Jessica Z. Strong, Jeunes, soyez forts, dec. 2022, 2–4) ary mijery ohatra.

    Azon’ny mpianatra atao ny manoratra valinteny amin’ity fanontaniana manaraka ity eo akaikin’ny lisitra izay nataony.

  • Inona avy ny fomba azon’ny Mpamonjy hanafahana antsika rehefa mitodika aminy isika?

Ampio ny mpianatra hijery fomba hafa izay azon’ny Mpamonjy atao hanafahana antsika rehefa mitodika Aminy isika. Afaka mieritreritra ohatra momba ny fanafahan’ny Mpamonjy ao amin’ny soratra masina, na eo amin’ny fiainany manokana, na amin’ny fiainan’ny olona fantany izy ireo. Azonao tao ny manasa ny mpianatra hitady soratra masina mampianatra momba ny herin’ny Tompo hanafaka toy ny Almà 36:27–29; 38:5. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mamaky ny “Sept façons qu’a le Seigneur de te délivrer” (David A. Edwards, Jeunes, soyez forts, avr. 2022, 18–20).

Asao izay mpianatra terem-panahy hizara ny hevi-baovao hitany. Azonao atao ihany koa ny manasa azy ireo hanazava ny fomba hahafahan’ny fahatsiarovana izany ohatra izany manampy azy ireo hanamafy orina ny finoany sy ny fitokiany ny Mpamonjy.

Mampiseho ny fahatakaran-javatra

Mba hanampiana ny mpianatra hampiseho ny fahatakarany ny anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny maha-Mpanafaka Azy dia azonao atao ny mampiseho ireto toromarika manaraka ireto. Azon’izy ireo atao ny mamita ity sahanasa ity miaraka amin’ny namany na anatina vondrona kely.

  1. Mamoròna rafi-tantara momba ny tanora iray izay mila ny fanafahan’ny Mpamonjy manoloana ny toe-javatra iray.

  2. Manorata andiam-pehezan-teny iray mamintina izay nianaranao mikasika ny fomba azon’ny Mpamonjy hanafahana io olona io.

Asao ny mpianatra hamita ny dingana 1 ary avy eo dia hizara amin’ny namany hafa na vondrona hafa ny rafi-tantara nataony. Azon’izy ireo atao avy eo ny mamita ny dingana 2 mba hamaliana ny rafi-tantara nataon’ny vondrona hafa.

Azonao faranana amin’ny fizarana traikefa na fijoroana ho vavolombelona mikasika ny hery manafaky ny Mpamonjy ity lesona ity.