Seminera
Tombano ny fianaranao 4: Nomery–Mpitsara


“Tombano ny fianaranao 4: Nomery–Mpitsara,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Tombano ny fianaranao 4: Nomery–Mpitsara,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Mpitsara 2–4; 6–8; 13–16: Lesona 67

Tombano ny fianaranao 4

Nomery–Mpitsara

Series of images of young men and adult males playing sports basketball and soccer in Congo

Ny fisaintsainana sy ny fanombanana ny fandalinantsika ara-panahy dia afaka manampy antsika hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hanao tombatombana ny tanjona napetrany sy ny fitomboana niainan’izy ireo nandritra ny fianarana ny Testamenta Taloha nataony farany.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra ho tonga omban’ny fahavononana hizara ny zavatra nianarany na ny fomba nitomboany ara-panahy hatramin’ny nanombohan’ny fandalinany ny Testamenta Taloha tamin’ity taona ity. Azonao atao ny manome sosokevitra azy ireo hamerina hijery ny diary fandalinany na ireo fanamarihana ao amin’ny soratra masiny mba hanampiana azy ireo hahatsikaritra ny zavatra nianarany sy ny fitomboany.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny fandalinana nataon’ny kilasinao momba ny Testamenta Taloha dia mety nifantoka tamin’ny vokatra hafa ankoatra izay notombanana ato amin’ity lesona ity. Raha izany no izy dia amboary hifanaraka amin’ny zava-misy ireo sahanasa mba hanombanana ny fivoaran’ireo mpianatra avy amin’ireo vokatra nifantohana tao amin’nykilasy.

Hanana fahafahana hanombana ny fivoarany ireo mpianatra amin’ity lesona ity, eo amin’ny lafiny:

  1. Fanazavana ireo fanehoana an’ohatra sy tandindon’i Jesoa Kristy ao amin’ny Testamenta Taloha. (Fanamarihana: Mifandray amin’ny lesona samihafa ao amin’ny Testamenta Taloha ity sahanasa ity, anisan’izany ny Lesona 57: “Nomery 21.”)

  2. Mahatsapa faniriana mitombo hitia ny Tompo amin’ny fony rehetra. (Fanamarihana: Ity sahanasa ity dia mifandray amin’izay nataon’ny mpianatra tao amin’ny Lesona 58: “Deoteronomia 6:1–6.”)

  3. Mankatò ny didin’ny Tompo. (Fanamarihana: Ity sahanasa ity dia mifandray amin’izay nataon’ny mpianatra tao amin’ny Lesona 49: “Eksodosy 20:1–11,” Lesona 58: “Deoteronomia 6:1–6,” Lesona 59: “Deoteronomia 6:6-25; 7:1–26; 8:1–20,” sy ny Lesona 60: “Deoteronomia 15.”)

Ny maha zava-dehibe ny lalan-kizorantsika mihoatra noho ny hafainganam-pandeha

Mba hanampiana ny mpianatra hiomana hifanakalo hevitra momba ny maha zava-dehibe ny fitomboana ara-panahy dia asao izy ireo hifanakalo hevitra mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto, na ny kilasy manontolo na ao anaty vondrona kelikely:

  • Inona avy ny ohatra amin’ny fanatanjahantena na eo amin’ny fiainana izay maha-manan-danja kokoa ny lalan-kizoranao raha oharina amin’ny hafainganam-pandehanao?

Asehoy ity teny nambara manaraka ity ary asao ny mpianatra hijery ny maha zava-dehibe ny lalan-kizorana raha ny fitomboana ara-panahy no resahina.

Nampianatra momba ny fitomboantsika ara-panahy ny Loholona Larry R. Lawrence ao amin’ny Fitopololahy.

Official Portrait of Elder Larry R. Lawrence.  Photographed March 2017.

Fantatry ny Ray any An-danitra ny fahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra. Faly Izy isaky ny mandroso isika. Ny lalana alehantsika no manan-danja bebe kokoa Aminy noho ny hafainganam-pandehantsika.

Mikiriza, ry rahalahy sy anabavy, kanefa aza kivy na oviana na oviana. (“Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?Liahona, nôv. 2015, 35)

  • Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe kokoa amin’ny Raintsika any An-danitra ny lalan-kizorana amin’ny fitomboantsika ara-panahy noho ny hafainganam-pandehantsika?

    Mety ho sarotra amin’ny mpianatra sasany ny mamantatra ny fitomboany ara-panahy. Hazavao fa ny fisaintsainana ny toerana misy antsika amin’izao fotoana izao raha ampitahaina amin’ny toerana nisy antsika teo aloha—eny fa na dia kely fotsiny aza ny fivoarantsika—dia afaka manampy antsika hamantatra ny fitomboana ara-panahy. Ny mpianatra dia afaka mitadidy izay nianarany mikasika ny Tompo, ireo fahazarana mifono fahamarinana nivoarany, na ireo fomba hikirizany mba hiaina tahaka ny an’i Jesoa Kristy.

    Azonao atao ny manasa ny mpianatra haka minitra vitsy hijereny ny diary fandallinany na ireo fanamarihana nataony tao amin’ny soratra masiny. Azon’izy ireo atao ny mijery izay nosoratany mikasika ny Mpamonjy, ireo fahatsapana ara-panahy na hevi-baovao, na drafitra nokasainy hotanterahina.

    Asao ny mpianatra hizara ny zavatra hitany. Asao izy ireo avy eo hamaly fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany:

  • Ahoana no fahitanao ny fitomboana sy ny fivoarana hatramin’ny fiatombohan’ny taom-pianarana, teo amin’ny ezaka nataonao hanarahana an’i Jesoa Kristy?

  • Inona no nianaranao na nampiharinao avy tamin’ny fandalinanao ny Testamenta Taloha?

Asao ny mpianatra izay terem-panahy hizara ny valinteniny amin’ny iray kilasy.

Eo am-panaovana fanombanana ny fianaranao androany dia meteza handray ny fitaoman’ny Fanahy Masina mba hanampy anao amin’ny famantarana ny fitomboana ara-panahy amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy—eny fa na dia dingana iray mandroso fotsiny aza izany.

Hazavao ireo fanehoana an’ohatra sy tandindon’i Jesoa Kristy ao amin’ny Testamenta Taloha

Omeo fahafahana ny mpianatra hizatra hanazava fa ny sasany amin’ireo fanehoana an’ohatra na tandindona izay nohalalinin’izy ireo tato ho ato tao amin’ny Testamenta Taloha dia mitondra antsika mankany amin’i Jesoa Kristy (jereo Mosesy 6:63).

Fomba iray ahafahana manao izany ny fampisehoana ity sary manaraka ity ary manontany ny mpianatra izay tsaroany momba io tantara io tao amin’ny soratra masina. Raha mila fanampiana ny mpianatra dia azonao atao ny manasa azy ireo hijery ny Nomery 21:4–9. Azon’ny mpianatra atao avy eo ny mizatra manazava ny fomba hampifantohan’ireo tandindona ireo ny saintsika amin’ny anjara asa sy ny iraka nampanaovina an’i Jesoa Kristy, amin’ny alalan’ny fifanakalozan’izy ireo hevitra momba ny valinteniny amin’ireto fanontaniana roa manaraka ireto:

The Old Testament prophet Moses pointing to a staff with a brass serpent attached to the top.  The painting illustrates the event wherein Moses promised the Israelites that they would be saved from the fiery serpents if they looked at the brass serpent.
  • Inona no ampianaran’ilay tandindon’ny menarana varahina teo amin’ny hazo lava mikasika an’i Jesoa Kristy?

  • Amin’ny fomba ahoana no hanatanterahan’i Jesoa Kristy io anjara asa io eo amin’ny fiainantsika?

    Mety hiteny ny mpianatra fa ny Mpamonjy dia manana hery hanasitrana antsika tsy amin’ireo aretina ara-batana fotsiny fa amin’ireo fanamby ara-panahy tahaka ny tsy finoana na ny hamafisan’ny fo ihany koa. Raha ilaina dia ampahatsiahivo ny mpianatra fa ao amin’ny Lesona 57: “Nomery 21” dia nianatra izy ireo fa ny menarana varahina dia mampianatra antsika fa hanasitrana antsika ny Mpamonjy rehefa mibanjina Azy amim-pinoana isika.

    Mety ho tianao ny manome fahafahana indray ny mpianatra hizatra hanazava ireo tandidona hafa ao amin’ny Testamenta Taloha izay mampifantoka ny saintsika amin’ny anjara asa sy ny iraka nampanaovina an’i Jesoa Kristy. Ny ambin’ity fizarana ity dia miresaka momba ny fomba ahafahanao manao izany.

  • Inona avy ireo fanehoana an’ohatra na tandindon’i Jesoa Kristy tsaroanao tamin’ny fandalinana ny Testamenta Taloha?

Tanisao eny amin’ny solaitrabe ny valiny avy amin’ny mpianatra. Mety hilaza biby natao sorona (jereo Mosesy 5:5–7; Levitikosy 1), Abrahama sy Isaka (jereo Genesisy 22:1–19), tandindona avy amin’ny Paska (jereo Eksodosy 12), rano (jereo Eksodosy 15:23–26; 17:1–6), mana (jereo Eksodosy 16), mpitsara na mpanafaka (jereo Mpitsara 3:9), na hafa ihany koa ny mpianatra.

Asao ny mpianatra hanazava ny fomba ahafahan’ny fahatakarana ireo fanehoana an’ohatra sy tandindona maneho ny Mpamonjy ireo manampy antsika amin’izao fotoana izao. Mba hhafahana manao izany dia asehoy ireto toromarika manaraka ireto ary asao ny mpianatra hiara-miasa amin’ny namany.

Misafidiana iray amin’ireo fanehoana an’ohatra sy tandindona ao amin’ny Testamenta Taloha ary hazavao ireto manaraka ireto:

  1. Ny zavatra nampianarin’izany fanehoana an’ohatra na tandindona izany anao mikasika an’i Jesoa Kristy.

  2. Ny fomba hanatanteran’i Jesoa Kristy izany anjara asa izany eo amin’ny fiainantsika.

Rehefa nahazo fotoana ampy ny mpianatra, dia asao hizara ny valinteniny amin’ilay namany na amin’ny iray kilasy.

Mahatsapa faniriana mitombo ny hitia ny Tompo amin’ny fontsika manontolo

Mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny faniriany hitia ny Tompo amin’ny fony manontolo amin’izao fotoana izao dia azonao atao ny manao sary fo, toy izao manaraka izao eny amin’ny solaitrabe. Aza mbola soritana aloha ilay tsipika ary aza mbola fenoina ny ampahany amin’ilay sary fo. Atombohy amin’ny fanampiana ny mpianatra hieritreritra ny fitiavany zavatra na olona eo amin’ny fiainany ity fizarana ity. Fomba iray ahafahanao miresaka izany ity manaraka ity:

  • Inona ny zavatra na iza no olona tianao? Inona no fomba ahafahanao maneho fa tena tianao izy ireny?

Heart Half Filled

Afaka misafidy mpianatra iray hizara momba ny zavatra tiany ianao. Azonao angatahina ho eny amin’ny solaitrabe ary hanoritra tsipika iray eo amin’ilay fo ho mariky ny halehiben’ny fitiavany izany zavatra izany izy ireo. Aza avela hizara ny halehiben’ny fitiavany olona manokana izy ireo.

Vakio ny Deoteronomia 6:4–6 hijerena ny fomba tokony hitiavantsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Krsity.

  • Ahoana no mety hanehoanao izany eo amin’ilay fo?

Mety ho azonao atao ny mameno ny ambin’ilay fo, arakaraka izay zavatra lazain’ny mpianatra.

Ao amin’ny Lesona 58: “Deoteronomia 6:1–6,” dia nasaina ny mpianatra hifanakalo hevitra ny amin’ny fahasamihafan’ny fanehoam-pitiavan’ny olona an’ Andriamanitra, amin’ny lafiny samihafa. Ampahatsiahivo ny mpianatra ny fifanakalozan-kevitra nataon’izy ireo teo aloha raha hitanao fa mety.

Iza amin’ireto manaraka ireto no nisy fiantraikany tamin’ny fitiavanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tato ho ato:

  • Traikefa teo amin’ny fiainanao na teo amin’ny fiainan’ny hafa?

  • Soratra masina nohalalininao manokana tato ho ato, niaraka tamin’ny fianakaviana, tany am-piangonana na nandritra ny seminera?

Azonao atao ny manentana mpianatra terem-panahy vitsivitsy mba hizara. Mba hanampiana ny mpianatra hanombana ny faniriany ankehitriny hitia ny Tompo amin’ny fony manontolo dia azonao atao ny manentana azy ireo hanao sary fo ao amin’ny diary fandalinany ary hanoratra ao anatin’ilay fo hoe toy ny ahoana ny fitiavany an’ Andriamanitra amin’ny fony amin’izao fotoana izao. Azon’izy ireo atao ny misaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampy azy.

Saintsaino ny fihetseham-ponao manolona ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’izao fotoana izao amin’ny alalan’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Tao anatin’izay herinandro vitsivitsy lasa izay, nitombo ve, nihena sa tsy niova ny fahatsapanao ny fitiavanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Inona no nanova ny zavatra tsapanao ankehitriny momba Azy Ireo?

  • Inona no azonao atao mba hiezahana mitia Azy Ireo amin’ny fonao, ny fanahinao ary ny herinao manontolo?

mankatò ny didin’ny Tompo

Mety ho nianatra didin’ Andriamanitra maro ny mpianatra nandritra ny fandalinana ny Testamenta Taloha nataony tato ho ato. Hevero ny hanao sary efajoro lehibe 1 eny amin’ny solaitrabe hanampiana ny mpianatra hanombana ny ezaka nataony amin’ny fankatoavana ny didin’ny Tompo. Afaka mampiseho ny fanirian’izy ireo hametraka an’ Andriamanitra ho laharam-pahamehana eo amin’ny fiainany amin’ny alalan’ny fankatoavana ny didiny ity 1 ity.

Placing God First

Mety efa nanao sary 1 tao amin’ny Lesona 49: “Eksodosy 20:1–11” ny mpianatra ary nanao drafitra hankatoavana ny iray amin’ny didin’ Andriamanitra teo akaikin’ny 1 tao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Raha izany dia asao ny mpianatra hamerina hijery ny drafitra nataony.

Raha tsy mbola nanao izany sary izany na tsy mbola namolavola drafitra ny mpianatra dia hevero ny hanentana azy ireo hanao izany.

Saintsaino ny fivoarana nisy teo aminao amin’ny famaliana ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinanao:

  • Manao ahoana ny fivoaran’ny ezakao hankatò io didy io? Inona ny fitahiana, fitomboana, sakana na fahasahiranana tsikaritrao?

  • Ahoana no nahatsapanao ho akaiky kokoa an’ Andriamanitra raha niezaka nankatò io didy io ianao? Na mety hanao ahoana ny fahatsapanao ho akaiky Azy raha miezaka mankatò izany ianao?

Asao ny mpianatra hanohy hiezaka hametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainany. Afaka manao sary 1 vaovao ihany koa ny mpianatra ary manoratra ao anatiny na eo akaikiny ny didy vaovao izay tiany hifantohana.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny lalana hizorany ara-panahy dia manan-danja kokoa amin’ny Ray any An-danitra noho ny hafainganam-pandehany. Mijoroa ho vavolombelona momba ny fanampiany ary amporisiho izy ireo hanohy hibosesika handroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana na dia toa miadana aza ny fivoaran’izy ireo.