Seminera
Deoteronomia 15: “Sokafy tsara aminy ny tananao”


“Deoteronomia 15: -Sokafy tsara aminy ny tananao,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Deoteronomia 15: -Sokafy tsara aminy ny tananao,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Deoteronomia 6–8; 15; 18; 29–30; 34: Lesona 60

Deoteronomia 15

“Sokafy tsara aminy ny tananao”

I Jesoa mamelatra ny tanany

Ahitana ny famelana ny mpitrosa, ny famotsorana ny olona amin’ny fanandevozana, ary ny fanamaivanana ny enta-mavesatry ny mahantra ny didin’ny Mpamonjy ho an’ny Isiraelita ao amin’ny Deoteronomia. Manana andraikitra ihany koa isika ao amin’ny fanekempihavanana mba hizara malalaka ny zavatra nomen’ny Mpamonjy antsika mba hanamaivanana ny enta-mavesatry ny mahantra, amin’ny maha-vahoakany antsika. Afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa faniriana lehibe kokoa hanaraka ny didin’ny Mpamonjy mba hizara ny zavatra nomeny azy ireo ity lesona ity.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hihira na handalina ombam-bavaka ny tonon’ilay hira “Seigneur, j’ai tant reçu” (Cantiques, no. 139) na ny Matio 25:31–40. Azon’ireo mpianatra atao ny mangataka ny Ray any An-danitra hanampy azy ireo hahita fomba hahafahan’izy ireo mizara amin’ny hafa ny zavatra nomeny azy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy

Hevero ny hampiseho sarin’i Jesoa Kristy iray izay tiana indrindra mba hanombohana ny fotoam-pianarana. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ity teny nambara tsy feno avy amin’ny Filoha Nelson ity. Azonao atao ny mampahafantatra fa mety misy fomba marina maro hamenoana ilay teny nambara.

Nampianatra toy izao ny Filoha Russell M. Nelson:

Sary tapaky ny Fil. Nelson

Ny iray amin’ireo fomba mora indrindra hamantarana ny mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy dia ny . (“Ilaina ny mpampihavana,” Liahona, mey 2023, 98)

  • Inona avy ary ireo fomba sasantsasany ahafahantsika mameno ny teny nambaran’ny Filoha Nelson?

Rehefa avy mamaly ireo mpianatra dia asao izy ireo hizara ny antony ahatsapany fa mameno ilay teny nambara ny valin-tenin’izy ireo. Azonao atao ny mandoka ny zavatra zarain’ny mpianatra sy milaza fa marina izany. Avy eo dia asehoy feno ny teny nambaran’ny Filoha Nelson.

Sary tapaky ny Fil. Nelson

Ny iray amin’ireo fomba mora indrindra hamantarana ny mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy dia ny fangorahana asehony eo amin’ny fitondrany ny olona hafa. (“Ilaina ny mpampihavana,” Liahona, mey 2023, 98)

  • Nahoana izany no fomba tsara hamantarana ireo mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy?

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahan’ny mpianatr’i Jesoa Kristy hitondra ny olona amim-pangorahana?

    Azonao atao ny mizara ny sasany amin’ireto teny nambara manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hanombana hoe hatraiza ny hatsaran’ny fomba hitondran’izy ireo ny hafa amin’izao fotoana izao, ary asao ny mpianatra hisaintsaina hoe mihatra amin’izy ireo toy ny ahoana ny teny nambara tsirairay.

  • Mampiseho ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa Kristy ahy ny fomba fitondrako ny hafa.

  • Manana fangorahana ho an’ny hafa aho ary te hanao izay azoko atao mba hanampiana azy ireo.

  • Mahatsapa fahavononana ny hizara amin’ny hafa ny zavatra nomen’ny Tompo ahy aho.

Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fanarahana ny didin’ny Mpamonjy amin’ny fomba hitondranao ny hafa rehefa mandalina ianao anio.

Mikarakara ireo olona sahirana

Azonao atao ny manazava alohan’ny hamakian’ny mpianatra ity andalan-tsoratra masina manaraka ity fa ao anatin’ireo toromarika nomena ao amin’ny Deoteronomia dia nandidy ny Tompo fa ho voavela ireo trosa rehetra isaky ny taona fahafito.

Vakio ny Deoteronomia 15:7–11, hitadiavana ny fomba tian’ny Tompo hitondrantsika ny olona manodidina antsika.

  • Inona no hitanao?

    Rehefa mizara ny mpianatra dia ampio izy ireo hamantatra fahamarinana iray toy ny hoe mandidy antsika hizara ireo fitahiana nomeny antsika ny Tompo.

    Mety hanampy ny hanaovana lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana tsotra iray mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny dikan’ny hoe “sokafy tsara [amin’ny hafa] ny tananao” (andininy 8 sy 11). Mety hampiasa lovia baolina misy serealy maina, tsaramaso, na vatomamy madinika eny aloha ao amin’ny efitrano ianao mba hanaovana izany. Manasà mpianatra roa haneho io andian-teny io. Afaka mandroaka iray tanana amin’ilay zavatra ny mpianatra iray ary mihazona izany mihevaheva eo ambonin’ireo tanan’ilay mpianatra iray hafa. Angataho ilay mpianatra mba hanokatra “kely” ny tanany, ary avy eo hanokatra izany “misimisy kokoa,” ka hamela sakafo kely hiraraka eo amin’ireo tanan’ilay mpianatra iray hafa. Farany dia asao ny mpianatra hamaky ny andininy 8 indray, ary asaivo maneho amin’ny fihetsika ilay lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana hoe “sokafy tsara … ny tananao” ilay mpianatra.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe tokony hanokatra tsara ny tanantsika amin’ny fikarakarana ny mahantra isika?

  • Inona no azontsika ianarana mikasika ny Mpamonjy avy amin’ny didiny? Amin’ny fomba ahoana no hanokafany tsara ny tanany amintsika?

  • Amin’ny toe-javatra inona no mety hahatonga antsika ho alaim-panahy hamihina ny tanantsika amin’izay mila fanampiana?

Azonao atao ny manazava fa nandidy ihany koa ny Tompo fa isaky ny taona fahafito, izay mety ho mpanompo naniry fahafahana dia nafahana tamin’ny fanandevozana, alohan’ny hamakian’ny mpianatra ity andalan-tsoratra masina manaraka ity.

Vakio ny Deoteronomia 15:12–15, hitadiavana ny fomba nilazan’ny Tompo tamin’ireo Isiraelita ny tokony hitondran’izy ireo ny mpanompo iray izay naniry ny hafahana tamin’ny fanandevozana.

  • Raha miainga avy amin’ny zavatra nianaranao momba ireo Isiraelita dia tamin’ny fomba ahoana no naha-tao anatin’ny fanandevozana ara-batana sy ara-panahy azy ireo? Ahoana no mety hahatonga ny olona iray ho ao anatin’ny fanandevozana ara-panahy amin’izao fotoana izao?

  • Inona no mety ho fiantraikan’ny fahatsiarovana ny fomba nanafahan’ny Mpamonjy antsika tamin’ny fanandevozana ara-panahy sy ara-batana eo amin’ny fomba hitondrantsika ny hafa?

“Moa tsy mpangataka avokoa va isika?”

Asao ireo mpianatra handinika hoe mety manao ahoana ho an’ny zatovo iray izany hoe “mahantra”, tsy ara-bola fotsiny fa ara-panahy ihany koa, ara-batana, ara-pihetseham-po, ary ara-piarahamonina.

  • Ahoana no ahafahantsika manokatra ny tanantsika tsara amin’ny olona mila fanampiana amin’ny tsirairay amin’ireo lafin-javatra ireo?

Ampiasao ireo fitaovana fandalinana soratra masina mba hitadiavana andalan-tsoratra masina na teny nambara avy amin’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana izay afaka manampy olona iray hanaraka ny didin’ny Mpamonjy mba hikarakara ny mahantra

Raha mila fanampiana ankoatra izay ny mpianatra dia azonao atao ny manolotra andalan-tsoratra masina toy ny Lioka 6:30–38; Môzià 4:16–27; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:15–18; Mosesy 7:18. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mikaroka ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile ny teny toy ny hoe “mahantra.”

Rehefa avy nomena fotoana nikarohana soratra masina na teny nambara iray ny mpianatra dia asao izy ireo hizara ny zavatra hitany amin’ny namana iray na ao anatina vondrona kely iray. Azon’ireo mpianatra atao koa ny mifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no mety hampiharana io soratra masina na teny nambara io amin’ny fomba ikarakarantsika olona iray izay “mahantra” ara-bola, ara-panahy, ara-batana, ara-pihetseham-po, na ara-piarahamonina?

  • Oviana ianao no nanana traikefa hoe voatahy noho ny fahalalahan-tananan’ny hafa?

Azonao atao ny mampiseho ilay horonan-tsary “Le manteau” (2:07) avy ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile mba hanampiana ireo mpianatra hampitombo ny fanirian’izy ireo hanome amim-pahalalahan-tanana ny hafa. Azonao atao ny manazava amin’ny mpianatra fa mamariparitra ny zavatra niainan’ny Filoha Heber J. Grant tamin’ny fahazazany io tantara io. Hevero ny hampiato kely ilay horonan-tsary aorian’ny fahitan’i Heber kely an’ilay zazalahy kely tsy nanana palitao. Asao ny mpianatra hamerina hijery ny Deoteronomia 15:7–8 ary hizara ireo zavatra mety hataon’i Heber raha toa izy ka “hanokatra tsara ny tanany” sy ny fomba mety hitahian’ny Tompo azy noho ny fahalalahan-tanany. Jereo ny ambin’ilay horonan-tsary avy eo.

2:8

Mampitombo ny faniriantsika hizara amin’ny hafa

Vakio ny Matio 25:31–40, hitadiavana ny zavatra tsapan’ny Mpamonjy momba ny ezaka ataontsika hikarakarana ireo olona mila fanampiana.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hamaky ny tonony na hihira ny fihirana hoe: “Seigneur, j’ai tant reçu” (Cantiques, no. 139). Asao izy ireo hitady teny sy andian-teny ao amin’ireo tonon-kira izay manampy azy ireo hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny didin’ny Mpamonjy mba hizara amin-kalalahan-tanana amin’ny hafa.

sary famantarana ny seminera Azonao atao ny mampahatsiahy ny mpianatra ilay teny nambaran’ny Filoha Nelson tany am-piandohan’ny lesona alohan’ny hizarana ireto fanontaniana manaraka ireto. Afaka manampy azy ireo hampifandray ireo fahamarinana nianarany sy tsapany androany amin’ny tenin’ireo mpaminany ny fampahatsiahivana ny mpianatra io teny nambara io. (Mba hahitana fiofanana fanampiny amin’ireo fanasana izay manampy mampifandray ny mpianatra amin’ny tenin’ireo mpaminany dia jereo ny “Mampianara avy amin’ny soratra masina sy avy amin’ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.)

Azon’ny mpianatra valiana ao amin’ny diary fandalinany ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no nianaranao na tsapanao androany ka nanampy anao hampitombo ny fanirianao ho mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanomezana amim-pahalalahan-tanana ny hafa?

  • Nahatsapa ho voatosika hanao inona ianao?

Mizarà fotoana iray izay nitahiana ny fiainanao tamin’ny alalan’ny fahalalahan-tanana nataon’ny hafa izay nikatsaka ny ho mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hikatsaka ny fitarihan’ny Ray any An-danitra mba hitady olona iray hotompoina sy ny fomba hanaovana izany.