Seminera
Deoteronomia 6:6–25; 7:1–26; 8:1–20: “Tsarovy Jehovah Andriamanitrao”


“Deoteronomia 6:6–25; 7:1–26; 8:1–20: -Tsarovy Jehovah Andriamanitrao-”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera(2026)

“Deoteronomia 6:6–25; 7:1–26; 8:1–20: -Tsarovy Jehovah Andriamanitrao-”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Deoteronomia 6–8; 15, 18; 29–30; 34: Lesona 59

Deoteronomia 6:6–25; 7:1–26; 8:1–20

“Tsarovy Jehovah Andriamanitrao”

A young man folds his arms and prays in his home in Brazil.

Taorian’ny taona maro nitarihan’ Andriamanitra sy niarovan’ Andriamanitra azy ireo tany an-tany foana dia efa mby hanorim-ponenana tao amin’ny tany nampanantenaina ny Isiraelita. Na dia ho fiovana ankasitrahana aza ny fahatongavany ao amin’ny toerana vaovao hipetrahan’izy ireo dia mety haka fanahy azy ireo koa hanadino an’ Andriamanitra ny filaminam-piainana hisy. Tamin’ny alalan’i Mosesy no nampianaran’ny Tompo ny Isiraelita ny maha-zava-dehibe ho azy ireo ny mahatsiaro ny zavatra nataony ho azy ireo. Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hampitombo ny faniriany hahatsiaro ny zavatra nataon’ Andriamanitra ho azy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra zavatra dimy izay tsapan’izy ireo fa nataon’ny Tompo ho azy ireo tamin’ny herinandro lasa. Asao izy ireo hisaintsaina ny fomba ahafahan’ny fahitana ny zavatra ataon’ny Tompo ho azy ireo mitahy ny fiainan’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Mety ho mora ny “[manadino an’i] Jehovah”

Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra momba ny fakam-panahy hanadino an’ Andriamanitra rehefa milamina ny zava-drehetra eo amin’ny fiainantsika. Fomba iray hanaovana izany ny fampisehoana sary toy ireto manaraka ireto sy ny fametrahana ireto fanontaniana eto ambany ireto.

Friends at a beach socializing.  They are singing, talking, walking on the beach and just having fun together.
A missionary is lying on a hospital bed. He is sleeping.
House
House with roof damage, tree branches, and debris as result from tornado on Jan 22, 2017 in Albany, Georgia. (horiz)
  • Ao amin’ny iza amin’ireto toe-javatra iainana ireto no mety hahatonga ny olona hahatsiaro sy hiantehitra kokoa amin’ Andriamanitra? Nahoana?

  • Nahoana no mety ho sarotra kokoa ny mahatsiaro an’ Andriamanitra sy miantehitra Aminy rehefa milamina tsara ny fiainantsika?

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahatsiaro an’ Andriamanitra amin’ny toe-javatra rehetra?

Asao ny mpianatra hameno ireto fehezan-teny manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

Fenoy ireto fehezan-teny manaraka ireto eo am-pieritreretana manokana momba ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy:

Rehefa milamina ny zava-drehetra eo amin’ny fiainako dia manana fironana aho ny .

Rehefa misafotofoto ny zava-drehetra eo amin’ny fiainako dia manana fironana aho ny .

Amporisiho ny mpianatra hikatsaka ny Fanahy mba hanampy azy ireo hahatakatra kokoa ny lanjan’ny fahatsiarovana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny zavatra natao’izy ireo ho azy ireo.

Mahatsiaro ny Tompo

Hevero ny hamaky na hamintina ity andiam-pehezan-teny manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny zava-nitranga teo amin’ny fiainan’ny Isiraelita tao amin’ny bokin’ny Deoteronomia.

Rehefa avy nitarika ny zanak’ Isiraely nandritra ny 40 taona tany an-tany foana ny Tompo dia vonona ny hitondra azy ireo handalo eo amin’ny Reniranon’i Jordana ho any amin’ny tany nampanantenaina. Hatramin’ny nandaozana an’i Egypta dia niantehitra tamin’ny Tompo ny Isiraelita tamin’ny sakafo sy ny rano ary ny fiarovana. Efa lasa tafika mahery ny Isiraelita ankehitriny, ary ny tany nampanantenaina dia nanana loharanon-karena voajanahary maro izay hahatonga ny fiainan’izy ireo hilamina kokoa.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hamaky ireto andininy manaraka ireto ary hifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana etsy ambany miaraka amin’ny namana mpiara-miasa iray na ao anatina vondrona kely.

Vakio ny Deoteronomia 4:7–9; 6:10–13; ary ny 8:7–14, ka tadiavo ny fampitandremana miverimberina nomen’i Mosesy ny Isiraelita.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nanahy momba izany i Mosesy?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mbola ilain’ireo mpikamban’ny Fiangonan’ny Mpamonjy amin’izao fotoana izao ny torohevitr’i Mosesy?

Raha ilaina dia ampio ny mpianatra hahita fa natahotra i Mosesy fandrao hahatonga ny Isiraelita hanadino an’ Andriamanitra ny firoboroboana.

Asehoy ireto teny nambara manaraka ireto mba ho hitan’ny mpianatra rehefa mamantatra ireo fahamarinana nosoratana tamin’ny tarehin-tsoratra matevina izy ireo.

Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny antony itiavan’ny Ray any An-danitra antsika hahatsiaro Azy sy ny Zanany.

Elder Dale G. Renlund takes an official portrait in 2021.

Tian’ny Raintsika any An-danitra hahatsiaro ny hatsaram-pony sy ny hatsaram-pon’ny Zanaka Malalany isika, tsy noho ny fanomezam-boninahitra Azy Ireo fa noho ny fiantraikan’izany fahatsiarovana izany eo amintsika. Mivelatra ny fomba fijerintsika sy ny fahatakarantsika rehefa misaintsaina ny hatsaram-panahin’Izy Ireo. Lasa manetry tena kokoa, mivavaka kokoa, mazoto kokoa isika rehefa misaintsaina ny famindram-pon’ Izy Ireo. …

Isaky ny mampiasa ireny fanomezana ireny isika, na mahazo tombontsoa avy amin’ireny, na koa mieritreritra azy ireny fotsiny, dia tokony hosaintsainintsika ny sorona, ny fahalalahan-tanana, ary ny indrafon’ireo mpanome azy ireny. Ny fanajana lalina ireo mpanome dia mitondra zavatra mihoatra noho ny hoe mahatonga antsika ho be fankasitrahana fotsiny. Afaka manova antsika ary tokony hanova antsika ny fisaintsainana momba ireo fanomezana avy amin’ Izy Ireo. (“Saintsaino ny hatsaram-po sy ny halehibeazan’ Andriamanitra”, Liahona,, mey 2020, 41–44)

  • Inona no manan-danja aminareo avy amin’ny teny nambaran’ny Loholona Renlund?

    Raha miainga avy amin’ny zavatra manan-danja amin’izy ireo dia asao ireo mpianatra hameno ity teny nambara manaraka ity ao amin’ny diarin’izy ireo:

    Amin’ny alalan’ny fahatsiarovana ny hatsaram-pon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, dia…

    Mety hahita fomba maro hamenoana ilay fehezan-teny ny mpianatra. Anisan’ny ohatra amin’izany ireto:

    … mivelatra ny fomba fijerintsika sy ny fahatakarantsika.

    … lasa manetry tena kokoa sy mivavaka ary miorina mafy kokoa isika.

    … afaka miova isika.

    Azonao atao ny manoratra ny valin-tenin’ny mpianatra eny amin’ny solaitrabe. Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra ny dikan’ireo fitahiana ireo. Fomba iray hanaovana izany ny manontany hoe manao ahoana izany mandray ireo fitahiana ireo izany. Ohatra, mety ho toy ny ahoana izany hoe mivavaka lalandava izany na miorina mafy kokoa?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mitondra fitahiana lehibe toy izany ny fahatsiarovana ny Tompo?

  • Tamin’ny fomba ahoana no niainanao ireo fahamarinana izay nozarain’ny Loholona Renlund?

Ny fahatsiarovana ny Tompo dia afaka manampy antsika hiatrika olana

Mba hahazoana ny tany nampanantenaina dia niatrika fanamby ny Isiraelita. Nilaza tamin’izy ireo ny Tompo fa tsy maintsy handresy firenena mahery kokoa izy ireo (Deoteronomia 7:1). Ny fahafantaran’ny Isiraelita fa mahery kokoa noho izy ireo ireo firenena dia mety ho nahatonga ny maro tamin’izy ireo hatahotra.

Mba hanampiana ny mpianatra hampifandray ny soratra masina amin’ny fiainany manokana dia asao izy ireo hitanisa eny amin’ny solaitrabe ireo toe-javatra izay iainan’izy ireo na hatrehan’izy ireo ka fantatr’izy ireo fa ilany ny fanampian’ny Tompo.

Vakio ny Deoteronomia 7:17–21; 8:2–4, 15 mba hahitana ny zavatra tian’ny Tompo hotsaroan’ny Isiraelita rehefa miatrika olana amin’ny hoavy izy ireo.

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatsiarovana ny zavatra nataon’ny Tompo taloha manampy rehefa miatrika olana amin’ny hoavy?

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hitanisa toe-javatra iainana izay nahafantarany fa nanampy azy ireo na ny hafa ny Tompo tany aloha tany. Raha nanasa ny mpianatra hanao ny fanomanana ny mpianatra ianao dia mety ho fotoana tsara hanontaniana azy ireo ny zavatra nataon’ny Tompo ho azy ireo tamin’ny herinandro lasa izany.

Angataho ny mpianatra mba hizara ny fomba ahafahan’ny fahatsiarovana ny zavatra nataon’ny Tompo taloha manampy azy ireo rehefa miatrika fahasarotana amin’izao fotoana izao sy amin’ny hoavy izy ireo.

Ny fomba ahafahantsika mahatsiaro ny Tompo

Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny lanjan’ny fahatsiarovana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary hahita fomba iray hanampiana antsika hahatsiaro Azy ireo, dia hevero ny hampiseho ny horonan-tsary “Oh ! souvenez-vous, souvenez-vous” (1:28) hita ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hitady ny zavatra nataon’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany mba hahitana ny tanan’ny Tompo sy ny vokatra azo taty aoriana.

1:28
  • Raha mahita ny tanan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao isan’andro ianao dia inona no mety ho fiantraikan’izany eo aminao?

Ho famaranana dia hevero ny hanasa ny mpianatra hanoratra fomba iray na roa ahafahan’izy ireo mahatsiaro kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy sy ahafahany manasa ireo fitahiana tokony ho azony eo amin’ny fiainan’izy ireo.