Seminera
Deoteronomia 6–8; 15; 18; 29–30; 34: Topimaso ankapobeny


“Nomery 11–14; 21: Topimaso ankapobeny”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Nomery 11–14; 21: Topimaso ankapobeny”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Deoteronomia 6–8; 15; 18; 29–30; 34

Deoteronomia 6–8; 15; 18; 29–30; 34

Topimaso ankapobeny

Nanome toromarika ny Isiraelita mba hanangana toby eo amin’ny sisin-tanin’ny tany nampanantenaina i Mosesy rehefa avy nanompo tamin’ny maha-mpaminanin’ Andriamanitra azy nandritra ny 40 taona. Tsy ho ela dia hitarika azy ireo hamakivaky ny sisin-tany i Josoa (jereo ny Deoteronomia 31:23). Ny Deoteronomia dia mirakitra ny torohevitr’i Mosesy farany ho an’ny vahoaka, anisan’izany ny torohevitra momba ny fitiavana an’ Andriamanitra, ny fahatsiarovana Azy, ary ny fikarakarana ny olona miaina fahantrana.

sary famantarana ny semineraMampianara avy amin’ireo soratra masina sy ireo tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany. Mora kokoa ny hahatsapan’ireo mpianatra ny Fanahy Masina mijoro ho vavolombelona momba ireo fahamarinana izay ianarany rehefa mifototra amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany ny fampianarana. Jereo ny “Nampianatra avy tao amin’ny soratra masina ny Mpamonjy” ao amin’ny (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, p. 21) raha te hahalala kokoa momba ny fomba nanaovan’ny Mpamonjy izany. Hita ao amin’ny Lesona 60: “Deoteronomia 15” ny ohatra iray amin’ny fomba hanaovana izany.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Deoteronomia 6:1–6

Tanjon’ny lesona: Hanampy ireo mpianatra hahatakatra ny fomba hahafahany maneho ny fitiavany an’ Andriamanitra.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hangataka ray aman-dreny, na mpiantoka, na mpitarika ao amin’ny Fiangonana mba hizara ny sasantsasany amin’ireo fomba tsy am-bava tian’izy ireo indrindra mba hanehoana fa tia olona izy ireo. Mety hanampy ny milaza amin’ny mpianatra fa hifantoka amin’ny fomba ahafahantsika maneho ny fitiavantsika an’ Andriamanitra ny lesona.

  • Sary haseho: I Mosesy mijoro eo ambony tendrombohitra iray manao tazan-davitra ny tany nampanantenaina

  • Votoatin-javatra haseho: Teny nambaran’ny Filoha Jeffrey R. Holland, torolalana ho an’ny sahanasa ataon’ny vondrona iray sy fanontaniana ho an’ireo vondrona mba hifanakalozana hevitra

  • Horonan-tsary:Rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo ny Tompo” (19:24) manomboka eo amin’ny minitra faha-12:53 hatramin’ny faha-13:48

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Taratasy misy toerana mahazatra eo aminy, ho an’ny vondrona kely vitsivitsina mpianatra

Deoteronomia 6:6–25; 7:1–26; 8:1–20

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hampitombo ny fanirian’izy ireo hahatsiaro ny zavatra nataon’ Andriamanitra ho azy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra zavatra dimy izay tsapan’izy ireo fa nataon’ny Tompo ho azy ireo tamin’ny herinandro lasa. Asao izy ireo hisaintsaina ny fomba ahafahan’ny fahitana ny zavatra ataon’ny Tompo ho azy ireo mitahy ny fiainan’izy ireo.

  • Sary haseho: Sary mifanohitra ana zavatra izay mandeha tsara sy ireo zavatra izay tsy mandeha amin’ny tokony ho izy

  • Votoatin-javatra haseho: Teny nambaran’ny Loholona Dale G. Renlund

  • Horonan-tsary:Oh ! souvenez-vous, souvenez-vous” (1:28)

Deoteronomia 15

Tanjon’ny lesona: Hanampy ireo mpianatra hahatsapa filana lehibe kokoa ny hanaraka ny didin’ny Mpamonjy mba hizara izay zavatra nomeny azy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hihira na handalina ombam-bavaka ny tonon’ilay hira “Seigneur, j’ai tant reçu” (Cantiques, no. 139) na ny Matio 25:31–40. Azon’ireo mpianatra atao ny mangataka ny Ray any An-danitra hanampy azy ireo hahita fomba hahafahan’izy ireo mizara amin’ny hafa ny zavatra nomeny azy ireo.

  • Sary haseho: sarin’i Jesoa Kristy

  • Lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana: Lovia baolina feno zavatra toy ny serealy maina, tsaramaso, na vatomamy madinika

  • Horonan-tsary:Le manteau” (2:07)