“Nomery 21: Mitodika amin’ny Mpamonjy amim-pinoana,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Nomery 21: Mitodika amin’ny Mpamonjy amim-pinoana,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Nomery 11–14; 20–24; 27: Lesona 57
Nomery 21
Mitodika amin’ny Mpamonjy amim-pinoana
Rehefa nanohy namakivaky ny tany foana ny zanak’ Isiraely dia nimonomonona nitsikera ny Tompo izy ireo. Nalefany teo anivon’izy ireo ny menaran’afo ho valin’izany. Nanome torolalana an’i Mosesy ny Tompo avy eo, mba hametaka menarana varahina iray tamin’ny hazo lava iray ho sary ohatra maneho ny Mpamonjy, ary nampanantena fa ho sitrana ireo rehetra izay mijery izany. Afaka manampy ny mpianatra hitodika amin’i Jesoa Kristy amim-pinoana ity lesona ity.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny Nomery 21:7–9 sy ny Almà 33:18–21, ka hitady ny zavatra azontsika ianarana avy amin’io tantara io ao amin’ny Testamenta Taloha. Amporisiho ny mpianatra mba hiomana hizara ny zavatra nianarany.
Sahanasa fianarana azo atao
Kaikitra bibilava
Hevero ny hanomboka ny kilasy amin’ny alalan’ny fampisehoana sarina bibilava iray.
-
Araka ny hevitrao dia mety ho toy ny ahoana izany hoe voakaikitry ny bibilava misy poizina izany?
Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny hoe voakaikitry ny bibilava misy poizina dia mety hiteraka fivontosana, fibontsinan-drano, fanaintainana mafy ary aretina. Mety ho mahafaty mihitsy aza izany raha tena ratsy ny vokatry ny kaikitra.
-
Inona avy ireo fihetsika samihafa mety hasehon’ny olona rehefa voakaikitra?
Mety ho valiny amin’izany ny hoe: mikoropaka, mikatsaka ny hamaly faty ilay bibilava sy mamono azy, miandry mba hijery izay ho ataon’ny vatany noho ilay kaikitra, na miantso vonjy avy hatrany.
Soraty eo akaikin’ilay bibilava ny hoe: fahotana. Asao ny mpianatra hampitaha ny fomba mety hitovian’ny fahotana sy ireo vokany amin’ny kaikitry ny bibilava iray.
-
Inona avy ireo fihetsika mety hasehon’ny olona rehefa avy nanota?
Ny sasany amin’ireo valin-teny mety ho azo dia ny fanamarinan-tena amin’ireo zavatra ataon’izy ireo, ny fiezahana mafy hampangina ireo fihetseham-pony, ny fanafenana ny zavatra nataony noho ny fahamenarana na ny fahafaham-baraka, ny fiandrasana hahita voka-dratsy hafa izay hozakain’izy ireo, na ny fitodihana amin’ny Tompo mba hahazo fanampiana.
Makà fotoana kely hisaintsainana izay ho fihetsikao. Mitodika amin’ny Tompo ve ianao mba hahazo fanampiana? Nahoana no eny, na nahoana no tsia? Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hitodika amin’ny Mpamonjy mba hahazo fanampiana eo amin’ny fiainanao, rehefa mandalina ity lesona ity ianao. Afaka mitady fanampiana ihany koa ianao amin’ireo fanontaniana na olana anananao momba ny fitodihana any amin’ny Mpamonjy.
Ny menaran’afo
Nimonomonona tamin’ny Tompo ny zanak’ Isiraely rehefa nandeha namakivaky ny tany foana izy ireo, toy izay efa nataony im-betsaka teo aloha. Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary valio ireo fanontaniana miaraka amin’izany.
Hevero ny hampiseho na hanoratra ireto andinin-tsoratra masina sy fanontaniana manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe: Azonao atao ny manasa ny mpianatra hiara-handalina azy ireo ao anatina vondrona kely vitsivitsy, na koa asao ny mpianatra handalina samirery ireo andinin-tsoratra masina ireo, ary avy eo dia hizara ireo valin-teniny amin’ny namana iray na vondrona kely iray mba hanamafisana ireo valin-tenin’izy ireo. Hazavao raha ilaina, fa tsy navela hamakivaky ny tanin’i Edoma ny zanak’ Isiraely, fa tsy maintsy nandeha nanodidina izany (jereo ny Nomery 21:4), midika izany fa ho lava sy ho sarotra kokoa ny dian’izy ireo.
Nomery 21:4–5. Nahoana ny zanak’ Isiraely no niteny nanohitra ny Tompo sy i Mosesy?
Nomery 21:6. Inona no nalefan’ny Tompo ho valin’izany?
Nomery 21:7–9. Inona no nasain’ny Tompo nataon’i Mosesy sy ny zanak’ Isiraely mba ho sitrana?
1 Nefia 17:41; Almà 33:18–21. Nahoana no tsy nijery ny zanak’Isiraely sasany?
Hevero ny hanasa ny mpianatra hanoratra ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna mba ho soratra masina mifandray amin’ny Nomery 21:9..
-
Inona no nanan-danja taminao manokana avy amin’io tantara io?
-
Ahoana no mety hitovizantsika amin’ny zanak’ Isiraely indraindray?
Sary ohatra iray maneho ny Mpamonjy
Nanampy antsika hahatakatra ny tandindona nasehon’ilay menarana varahina teo amin’ilay hazo lava ny Mpamonjy nandritra ny asa fanompoany teto an-tany. Vakio ny Jaona 3:14–16, hitadiavana ny valiny. (Azonao atao ny manisy marika izany ho soratra masina mifandray amin’ny Nomery 21:7–9.)
Hevero ny hampiseho ireto sary manaraka ireto rehefa avy mizara ny zavatra hitany ny mpianatra.
-
Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo tantara ireo?
Mety hizara fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra: Rehefa mitodika amin’ny Mpamonjy amim-pinoana isika, dia hanasitrana antsika ara-panahy Izy. Hevero ny hanoratra io fitsipika io eny amin’ny solaitrabe.
Asao ny mpianatra hamaky ireto teny nambara manaraka ireto mba hahatakarana tsara kokoa io fitsipika io.
Nampianatra toy izao ny Filoha Russell M. Nelson:
Miangavy anareo aho mba hanatona Azy mba hahafahany manasitrana anareo! Hanasitrana anareo amin’ny fahotana Izy rehefa mibebaka ianareo. Hanasitrana anareo amin’ny alahelo sy ny tahotra Izy. Hanasitrana anareo amin’ireo fahoriana iainana mandritra ity fiainana ity Izy. (“I Jesoa Kristy mandrakariva no valiny,” Liahona, mey 2023, 127)
-
Inona no zavatra tianao na nianaranao avy amin’io teny nambara io?
-
Ahoana no mety hitovian’ny fahasitranana amin’ny poizina amin’ny fahasitranana noho ny Mpamonjy amin’ireo vokatry ny fahotana?
Mitodika amin’ny Mpamonjy
Asao ny mpianatra haka minitra iray hijerena ny sarin’ny Mpamonjy teo amin’ny hazofijaliana ary hisaintsaina ireo fomba ahafahantsika mitodika any Aminy amim-pinoana ankehitriny. Asao izy ireo avy eo hanao toy izao manaraka izao anatina vondrona kely vitsivitsy.
-
Mitanisà fomba maromaro ahafahantsika mitodika amin’ny Mpamonjy amim-pinoana amin’izao fotoana izao.
-
Ifanakalozy hevitra ireo antony mety hanahirana antsika amin’ny fanaovana ireo zavatra ireo. (Azonareo atao ny mifanakalo hevitra momba ny antony mahatonga antsika, tahaka ny zanak’ Isiraely, mety halaim-panahy hino ireo fomba hitodihana any amin’ny Mpamonjy ireo ho tsotra loatra na tsy hanampy antsika.)
-
Ifanakalozy hevitra ny antony maha-zavatra mendrika ny ho atao ny fitodihana any amin’ny Mpamonjy na dia eo aza izany tolona rehetra izany. (Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny fizarana ireo ohatra ao amin’ny soratra masina mikasika ireo fanasitranana nataon’ny Mpamonjy, ireo fahatsapanao na ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fitodihana amin’ny Mpamonjy, na ireo zavatra niainanao rehefa nitodika tamin’ny Mpamonjy tamim-pinoana, sy ny zavatra nitranga.)
Raha mila hevitra vitsivitsy momba ny fomba ahafahantsika mitodika amin’ny Mpamonjy ny mpianatra dia asao izy ireo hitady ireo ohatra avy amin’ilay zatovolahy ao amin’ny “L’Expiation - Ce n’est pas quelque chose de ponctuel” (3:00).
Angataho ny mpianatra hizara ny sasantsasany tamin’ireo zavatra nisongadina tamin’ny fifanakalozan-kevitr’izy ireo. Raha toa ka tsy toy ny fanaony mahazatra rehefa miresaka no hizaran’ny mpianatra fahatsapana, fijoroana ho vavolombelona, na ireo zavatra niainana, dia hevero ny hanome azy ireo ity fehezan-teny manentana hitady hevitra ity:
Mino aho fa mendrika ny ho atao ny mitodika amin’ny Mpamonjy amim-pinoana satria .
Ohatra iray amin’ny fanampiana ny mpianatra handinika ny fahatsapan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy ity sahanasa eto ambony ity. Afaka mamela ny Fanahy Masina hijoro ho vavolombelona momba Azy ny fanampiana ireo mpianatra hanao izany.
(Raha mila fiofanana fanampiny dia jereo ny: “Mijoroa ho vavolombelona matetika, ary asao ny mpianatra hizara ireo zavatra tsapany sy ireo zavatra niainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany,” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra).
Rehefa mizara ny mpianatra dia ataovy izay hampazava tsara fa hanampy sy hanasitrana antsika amin’ny fomba sy araka ny fandaharam-potoana izay tsara indrindra ho antsika ny Mpamonjy.
Ny zavatra inoanao
Katsaho ny fanampian’ny Fanahy Masina rehefa manoratra fomba iray izay inoanao fa tian’ny Tompo hitodihanao Aminy ianao, na anohizanao mitodika Aminy eo amin’ny fiainanao. Azonao atao ihany koa ny manoratra hoe nahoana no mety ho sarotra izany kanefa mbola mendrika ny hatao ihany.