Seminera
Nomery 11–14: Misafidy ny finoana toy izay ny tahotra


“Nomery 11–14: Misafidy ny finoana toy izay ny tahotra,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Nomery 11–14: Misafidy ny finoana toy izay ny tahotra,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Nomery 11–14; 20–24; 27: Lesona 56

Nomery 11–14

Misafidy ny finoana toy izay ny tahotra

The spies have returned from exploring Canaan and are giving their report to Moses. They showed him beautiful fruit. The land is rich with milk and honey. The people are strong and their cities are large and walled. Three spies are standing next to Moses and one is kneeling on the ground next to a lot of fruit. Most of the spies discouraged the people from going into Canaan except for Joshua and Caleb who had faith that they could conquer the Canaanites.

Mety ho sarotra indraindray ny mandroso amim-pinoana toy izay amin’ny tahotra. Niatrika izany fanamby izany ny zanak’ Isiraely. Nitarika ny Isiraelita ho any amin’ny sisin-tanin’ny tany nampanantenaina ny Tompo rehefa avy nandeha tany an-tany foana izy ireo. Nanome toromarika an’i Mosesy ny Tompo mba handefa lehilahy 12 any amin’ilay tany ary hangataka azy ireo hitondra tatitra momba ilay tany sy ireo mponina eo aminy. Ny maro tamin’ireo 12 dia natahotra rehefa nieritreritra ny fomba handresena ny tany nampanantenaina, saingy nanana finoana i Kaleba sy i Josoa fa hanampy azy ireo ny Tompo. Afaka manampy ny mpianatra hieritreritra ireo olana amin’ny finoana lehibe kokoa an’i Jesoa Kristy ity lesona ity.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ireo sakana na olana atrehin’izy ireo amin’izao fotoana izao. Azon’izy ireo atao ny misaintsaina ny fomba hiatrehan’izy ireo azy ireny amin’ny tahotra na amim-pinoana ny Tompo.

Sahanasa fianarana azo atao

Miatrika ireo fanamby amim-pinoana

Hevero ny hanoratra lohateny roa eo amin’ny sisiny roa mifanohitra eo amin’ny solaitrabe: Finoana sy Tahotra. Asehoy tsirairay ireto zavatra niainana manaraka ireto, na ohatra hafa mifandraika amin’izany. Asao ny mpianatra hisaintsaina raha toa ka mijery ny ohatra tsirairay amim-pinoana an’i Jesoa Kristy na amin’ny tahotra izy ireo.

Fanadinana lehibe na tetikasa any an-tsekoly

Fibebahana

Ny hoavy

Fizarana ny filazantsara

  • Ahoana no ahafahantsika milaza fa miatrika toe-javatra iray amim-pinoana an’i Jesoa Kristy na amin’ny tahotra isika?

  • Inona no fahasamihafana misy raha miatrika toe-javatra iray amim-pinoana na amin’ny tahotra isika?

  • Nahoana no mety ho sarotra indraindray ny miatrika toe-javatra tahaka ireo amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy?

Manohiza misaintsaina ireo fanontaniana ireo rehefa mandalina ianao anio. Asao handray anjara amin’ny fianaranao ny Fanahy Masina rehefa mieritreritra ny fomba hijerena ireo olanao amim-pinoana lehibe kokoa an’i Jesoa Kristy ianao.

Ny tatitr’ireo lehilahy mpisafo tany momba an’i Kanana

Rehefa avy nandeha tany an-tany foana ny zanak’ Isiraely, dia nentin’ny Tompo tany amin’ny sisin-tanin’ny tany nampanantenaina izy ireo. Ny tany Kanana izany. Nilaza tamin’izy ireo ny Tompo fa mila mandresy ilay tany izy ireo. Nanome toromarika an’i Mosesy ny Tompo mba hisafidy mpikambana iray, avy amin’ny tsirairay amin’ny foko roa ambin’ny folo. Nodidiana ireo lehilahy ireo mba hizaha ny tany ary hiverina hanao tatitra momba ny zavatra hitan’izy ireo. Rehefa afaka 40 andro nanadihadiana momba ilay tany dia niverina nanao tatitra ireo lehilahy 12 niaraka tamin’ny voankazo avy tany amin’ilay tany (jereo ny Nomery 13:1–25).

Hevero ny hizara telo ny kilasy. Asao ny vondrona tsirairay hamaky ny iray amin’ireto tantara manaraka ireto. Angataho ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe misolo tena ireo olona izay novakiany ny momba azy izy ireo. Afaka manomana ny valin’ireo fanontaniana manaraka eto izy ireo. Afaka mizara ny valin-teniny ny vondrona tsirairay avy eo, na koa azonao atao ny manasa mpianatra iray na roa ho eny aloha ary hampiasa ireo fanontaniana mba hifampitafana amin’ny vondrona tsirairay.

1. Nomery 13:26–29, 31–33: Ny tatitr’ireo lehilahy mpisafo-tany miisa 10 momba ilay tany sy ny vahoaka

  • Ahoana no hamaritanareo ny tany Kanana sy ireo olona hitanareo?

  • Inona no fahatsapana nanananareo rehefa nahita ny vahoaka ianareo? Nahoana?

2. Nomery 14:1–4: Ny nasetrin’ny Isiraelita ny tatitr’ireo lehilahy mpisafo tany miisa 10

  • Inona no fahatsapana nanananareo rehefa nihaino ny tatitr’ireo lehilahy mpisafo tany 10 ianareo? Nahoana?

  • Inona no natoronareo mba hataon’ny olona ho solon’ny fanarahana an’i Mosesy tany amin’ny tany nampanantenaina? Nahoana?

3. Nomery 13:30; 14:6–9: ny tatitr’i Josoa sy Kaleba mikasika ilay tany sy ny vahoaka

  • Ahoana no hamaritanareo ny tany Kanana sy ireo olona hitanareo?

  • Resy lahatra ireo mpisafo-tany hafa fa tsy afaka mandresy ny vahoakan’i Kanana i Isiraely. Nahoana ianareo no tena mahazo antoka fa vitan’ny Isiraely izany?

Rehefa avy namaly ny fanontanian’izy ireo ny vondrona tsirairay dia isaory izy ireo noho ny fandraisan’izy ireo anjara.

Avereno jerena ny Nomery 13:30; 14:8–9, hitadiavana ireo teny sy andian-teny izay maneho ny finoan’i Kaleba sy i Josoa ny Tompo.

  • Inona no lesona ianaranao avy amin’i Kaleba sy i Josoa?

    Ao anatin’ireo valin-teny isan-karazany mety homen’ireo mpianatra dia ampio izy ireo hamantatra ilay fahamarinana hoe: afaka manampy antsika hiatrika ireo olantsika amim-pinoana fa tsy amin’ny tahotra ny fitokiana amin’ny Tompo.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe manao asa am-pinoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa miatrika olana isika?

Finoana ampitahaina amin’ny tahotra

Nanazava zavatra azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’ny zanak’ Isiraely ao amin’ny Nomery 13–14 ny Loholona Kevin R. Duncan ao amin’ny Fitopololahy:

Official Portrait of Elder Kevin R. Duncan.  Photographed in March 2017.

Tahaka ny zanak’ Isiraely mihitsy, dia miatrika ireo sakana mahavalalanina isika. … Tsy ratsy ho antsika ny mamantatra ireo sakana ireo. Saingy zava-dehibe ny hiatrehantsika izany amim-pinoana. …

… Fahafahana iray hisafidy, tahaka ny nataon’i Josoa sy i Kaleba, mba hiantehitra amin’ny Tompo ny fanamby tsirairay sy ny sakana tsirairay atrehantsika. Ny hoe: “Fa aza miodina … , ary aza matahotra” (Nomery 14:9) dia torohevitra tsara ho an’ny zanak’ Isiraely, ary mbola torohevitra tsara ho antsika tsirairay avy izany ankehitriny. (“Ne soyez pas rebelles et ne craignez pas,” Liahona, Avr. 2022, 47)

  • Inona avy ireo zavatra niainan’ny zanak’ Isiraely teo aloha niaraka tamin’ny Tompo? Ahoana no ahafahan’ny fahatsiarovana ireo zavatra niainana ireo hampitombo ny finoan’izy ireo Azy?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manadino ny zavatra fantany momba ny Tompo ny olona sasany rehefa miatrika olana?

Nanohy nimonomonona ny Isiraelita na dia teo aza ireo fahagagana maro natolotry ny Tompo, sy ny tenivavolombelon’i Kaleba sy i Josoa. Nanambara ny Tompo, vokatr’izany, fa tsy ho azo avela hiditra ny tany nampanantenaina ny maro an’isa tamin’ireo olon-dehibe Isiraelita noho ny fimonomononana sy ny ahiahin’izy ireo (jereo ny Nomery 14:26–39).

Vakio ny Nomery 14:24, 30, hitadiavana ny fomba nitahian’ny Tompo an’i Kaleba sy i Josoa satria nametraka ny finoan’izy ireo Taminy izy ireo.

Hevero ny hampiseho ity tabilao manaraka ity eny amin’ny solaitrabe mba hanampiana ireo mpianatra hiatrika ireo fanambin’izy ireo amim-pinoana. Asao izy ireo handika ilay tabilao ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

Olana:

Teny ambara mifono tahotra

Teny ambara mifono finoana

Teny ambara mifono tahotra

Teny ambara mifono finoana

Asao ny mpianatra hizara ireo fanamby amin’izao andro maoderina izao izay mety atrehan’izy ireo sy ireo fomba ahafahan’izy ireo mamaly amin’ny tahotra na amin’ny finoana.

Azonao atao ny manome ohatra toy ny hoe:

Fanamby: Miteny eny imasom-bahoaka

Teny ambara mifono tahotra: “Tsy afaka miteny eo anatrehan’ny olon-kafa aho satria mampifangaro ny teniko amin-tebiteby foana.”

Teny ambara mifono finoana: “Sarotra ho ahy ny miteny eo imasom-bahoaka, saingy mino aho fa afaka manome herim-po sy hery ho ahy hanaovana izany ny Tompo.”

Azon’ny mpianatra atao ny mampiasa ireo toe-javatra niseho tany am-piandohan’ny lesona.

Hevero ny hanome tapaka taratasy ho an’ireo mpianatra ho an’ity sahanasa manaraka ity.

Saintsaino ny fanamby iray atrehanao, na mety hatrehanao eo amin’ny fiainanao. Soraty ao amin’ny tabilaonao ilay fanamby miaraka amin’ny teny ambara mifono tahotra izay zavatra mety ho eritreretinao na inoanao momba izany fanamby izany.

Diniho ny zavatra nampianarin’ny Fanahy Masina anao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy ao amin’ny soratra masina, ny tenin’ireo mpaminany, ary ireo zavatra ara-panahy niainanao manokana. Eritrereto ny fomba ahafahan’io fahalalana io manampy anao hiatrika ireo fanamby miaraka amin’ny Tompo. Manorata teny ambara mifono finoana iray ao amin’ny diarinao avy eo. Azonao atao ihany koa ny manoratra ilay teny ambara mifono finoana amin’ny tapaka taratasy iray izay azonao entina mody dia apetraho amin’ny toerana izay ho hitanao matetika izany. Na alaovy sary amin’ny findainao ilay teny ambara. Azonao atao mihitsy aza ny manao ilay sary ho lafi-tsarinao amin’ny findainao.

Hevero ny hanasa mpianatra vitsivitsy terem-panahy hizara ireo eritreriny sy ireo fahatsapany momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Afaka mizara ny fomba anampian’ny Tompo azy ireo hiatrika olana amim-pinoana izy ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa hitahy antsika ny Tompo rehefa miatrika amim-pahatokiana ireo fanambintsika isika.