“Nomery 11–14; 21: Topimaso ankapobeny”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Nomery 11–14; 21: Topimaso ankapobeny”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Nomery 11–14; 20–24; 27
Nomery 11–14; 20–24; 27
Topimaso ankapobeny
Rehefa avy naniraka mpisafo-tany 12 i Mosesy mba hiverina hanome ny tatitra momba ny tanin’i Kanana, dia roa tamin’izy ireo ihany, i Kaleba sy i Josoa, no nanana finoana fa afaka manampy azy ireo hahazo izany amim-pahombiazana ny Tompo, araka ny nampanantenainy. Ho valin’izany dia nanambara ny Tompo fa hirenireny any an-tany foana ny zanak’ Isiraely mandra-pahafatin’ireo olon-dehibe, afa-tsy ireo mpisafo-tany roa ireo. Rehefa nanohy nirenireny namakivaky ny tany foana ny vahoaka ary nimonomonona tamin’ny Tompo, dia nandefa menarana misy poizina Izy. Raha toa ireo voakaikitry ny menarana ireo ka mijery menarana varahina eo amin’ny hazo lava iray, izay fanehoana an’ohatra ny Mpamonjy, dia ho sitrana izy ireo.
Mijoroa ho vavolombelona matetika ary asao ny mpianatra hizara ny zavatra tsapany sy ny zavatra niainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany. Rehefa mizara ny zavatra tsapany sy ny zavatra iainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany ny mpianatra dia hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ny zavatra lazain’izy ireo ny Fanahy Masina, na ao an-tsain’izy ireo na ao am-pony ary koa amin’ny hafa. Mba hianarana misimisy kokoa momba ny herin’ny fizarana fijoroana ho vavolombelona dia jereo ny “Ny Mpamonjy dia nijoro ho vavolombelona tamin’ireo izay nampianariny” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, p. 18). Ahitana ohatra iray amin’ny fomba hanaovana izany ao amin’ny Lesona 57: “Nomery 21”.
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Nomery 11–14
Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba hijerena ny olany amim-pinoana kokoa an’i Jesoa Kristy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ireo sakana na olana atrehin’izy ireo amin’izao fotoana izao. Azon’izy ireo atao ny misaintsaina ny fomba hiatrehan’izy ireo azy ireny amin’ny tahotra na amim-pinoana ny Tompo.
-
Fitaovana ho an’ny mpianatra: Taratasy zaraina ho an’ny mpianatra tsirairay
Nomery 21
Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hijery an’i Jesoa Kristy amim-pinoana.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny Nomery 21:7–9 sy ny Almà 33:18–21, ka hitady ny zavatra azontsika ianarana avy amin’io tantara io ao amin’ny Testamenta Taloha. Amporisiho ny mpianatra mba hiomana hizara ny zavatra nianarany.
-
Sary haseho: Sarina menarana misy poizina, i Jesoa Kristy teo amin’ny hazofijaliana, i Mosesy sy ilay menarana varahina
-
Horonan-tsary “L’Expiation - Ce n’est pas quelque chose de ponctuel” (3:00)