Seminera
Tombano ny fianaranao 3: Eksodosy sy Levitikosy


“Tombano ny fianaranao 3: Eksodosy sy Levitikosy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Tombano ny fianaranao 3: Eksodosy sy Levitikosy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Eksodosy 35–40; Levitikosy 1; 4; 16; 19: Lesona 55

Tombano ny fianaranao 3

Eksodosy sy Levitikosy

A young black man sitting as he thinks and ponders.  He has a worried or contemplative expression.

Ny fisaintsainana sy ny fanombanana ny fianarantsika ara-panahy dia afaka manampy antsika hanakaiky kokoa ny Mpamonjy. Afaka manampy ny mpianatra hisaintsaina lalina ireo tanjona napetrany sy ny fivoarana izay niainan’izy ireo nandritra ny fandalinany vao haingana ny Testamenta Taloha ity lesona ity.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra ho tonga amim-pahavononana hizara ny zavatra nianaran’izy ireo na ny fomba nitomboan’izy ireo ara-panahy rehefa nianatra ny Testamenta Taloha tamin’ity taona ity. Azonao atao ny mandroso hevitra ny hamakian’izy ireo ny diary fandalinany na ireo fanamarihana ao amin’ny soratra masin’izy ireo mba hanampiana azy ireo hahatsikaritra ny fivoarany sy ny fianarany.

Sahanasa fianarana azo atao

Mety nifantoka tamin’ny vokatra hafa noho ireo izay notombanana tamin’ity lesona ity ny fandalinan’ny mpianatrao ny Eksodosy sy ny Levitikosy. Raha izany no izy dia amboary hifanaraka amin’izay ilaina ireo sahanasa mba hanombanana ny fivoarana niainan’ireo mpianatra avy amin’ireo vokatra nifantohana tao amin’ny kilasinao.

Hanombana ireto vokatra manaraka ireto ny mpianatra ato amin’ity lesona ity:

  1. Hazavao ny anjara asan’ireo mpaminanin’ny Tompo. (Fanamarihana: Ity sahanasa ity dia mamela ny mpianatra hampiasa ny zavatra nianarany momba ny anjara asan’ireo mpaminany, avy amin’izay mety ho mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha hatreto, toa an’i Adama, Enoka, Noa, ary Mosesy.)

  2. Mahatsapa faniriana miha-mitombo mba hiantehitra amin’ny Tompo hahazoana hery sy fanafahana. (Fanamarihana: Mifandray manokana amin’ny Lesona 47: “Eksodosy 16” ity sahanasa ity, saingy mety hanampy ihany koa ireo lesona hafa, toy ny Lesona 42: “Eksodosy 12–13, tapany 1” sy ny lesona 45: “Eksodosy 14.”)

  3. Manaraka ireo mpaminanin’ny Tompo. (Fanamarihana: Mifandray manokana amin’ny Lesona 39: “Eksodosy 2–4” ity sahanasa ity.)

Fanombanana ny fivoarantsika ara-panahy

Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fanaovana sary na kisarisarina olona telo vita amin’ny tsipika eo ambony tsipika iray. Maneho an’ireo mpianatra amin’ny toetra telo samy hafa mety hisehoan’ny maha-izy azy ireo ireo sary ireo, ary ilay tsipika kosa dia maneho ny lalam-piainan’izy ireo. Soraty eo ambanin’ny kisary vita amin’ny tsipika tsirairay mifandraika amin’izany ny anarana hoe: lasa, ankehitriny, ary hoavy. Manasà mpianatra iray avy eo, hamaky mafy ity teny nambara manaraka ity:

Line art image of three stick figure people with a horizontal line passing through them.

Namariparitra fampitahana iray azontsika atao mba hanampiana antsika hamantatra ny fivoarantsika ara-panahy ny Loholona J. Devn Cornish ao amin’ny Fitopololahy:

Former Official Portrait of Elder J. Devn Cornish.  Photographed August 2017.  Replaced June 2021.

Raha tsy maintsy manao fampitahana isika dia ndeha isika taloha sy isika amin’izao fotoana izao no ampitahaintsika—ary izay tiantsika hahatongavana amin’ny ho avy mihitsy aza. (“Manana fahatsarana ampy ve aho? Ho tonga any ve aho?,” Liahona, nôv. 2016, 33)

Asao ny mpianatra hieritreritra ireo fomba maha-hafa azy ireo ankehitriny raha ampitahaina amin’ny taloha na ireo fomba antenain’izy ireo fa ho hampiavaka azy amin’ny hoavy. Azonao atao ny manontany azy ireo hoe nahoana no manampy ny misaintsaina lalina na mikatsaka fivoarana. Asao ireo mpianatra, avy eo, hikatsaka ny fanampian’ny Fanahy Masina rehefa mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

  • Inona no nianaranao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny fandalinanao ny Testamenta Taloha izay nanamafy orina ny fifandraisanao tamin’ Izy Ireo?

  • Inona no azonao atao mba hanamafisana orina ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa manohy mandalina ny Testamenta Taloha ianao?

Hevero ny hanasa izay mpianatra terem-panahy hizara hevitra rehefa avy nomena fotoana ampy tsara hisaintsainana lalina sy hanoratana ny mpianatra. Hazavao fa hanome azy ireo fahafahana hisaintsaina lalina ireo zavatra manokana nianarany sy nampihariny avy tamin’ny fandalinany vao haingana ny Testamenta Taloha ny lesona ambiny.

Hazavao ny anjara asan’ny mpaminanin’ny Tompo

Mba hanampiana ny mpianatra hiomana hanazava ny anjara asan’ireo mpaminanin’ny Tompo dia hevero ny hanasa azy ireo hitadidy ireo mpaminany sasany izay nohalalinin’izy ireo hatreto tao amin’ny Testamenta Taloha. Azonao atao ny mampiseho ny sarin’ireo mpaminany izay efa nohalalininareo, raha mila fanampiana amin’ny fahatsiarovana ireo mpaminany izy ireo.

Hevero ny handamina ireo mpianatra ho ao anatina vondrona vitsivitsy mba hamita ilay sahanasa etsy ambany avy eo. Azonao omena andraikitra ny olona iray avy ao amin’ny vondrona tsirairay mba hanoratra ny valin-tenin’ilay vondrona.

Enoch, Noah and Moses Compilation

Halalino ny sasany, na izy rehetra, amin’ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto mba hamerenana mijery ireo anjara asa samihafa sahanin’ireo mpaminanin’ny Tompo. Ataovy lisitra izay mety ho anjara asa na andraikitra rehetra hitanao fa omen’ny Tompo ireo mpaminaniny. Eritrereto ny antony maha-zava-dehibe ny fahatakarana ireo anjara asa ireo rehefa mandalina ianareo.

Rehefa avy mandalina ny mpianatra dia omeo fahafahana izy ireo hanazava ireo anjara asa samihafan’ny mpaminany sy ny fomba hampifandraisan’ireo mpaminany antsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ireo anjara asa ireo. Azonao sy ny mpianatra rehetra atao ny mifantoka amin’ny iray amin’ireto sahanasa manaraka ireto mba hanaovana izany, na azonao atao ny mampiseho safidy roa na maromaro ary mamela ny mpianatra hisafidy iray.

  • Hazavao ny anjara asan’ireo mpaminanin’ny Tompo amin’ny kilasin’ny Kilonga iray ho an’ny ankizy fito taona.

  • Hazavao ny anjara asan’ireo mpaminanin’ny Tompo amin’ny olona iray mitovy taona aminao, izay tsy mahafantatra ny atao hoe mpaminany.

  • Manorata teny iditra iray ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina ho an’ny “Mpaminany.”

  • Manorata famariparitana ny fepetra takina amin’ny asa iray ho ana mpaminany iray.

  • Mamoròna volavolan-tsarintany iray. Manorita faribolana eo afovoan’ny pejy iray, ary soraty ny hoe: Ireo mpaminany ao anatin’izany. Manaova sarina faribolana vitsivitsy hafa manodidina izany faribolana izany ary soraty ao anatin’ny faribolana tsirairay ny anjara asa irain’ny mpaminany na ny antony iray maha-manan-danja ny mpaminany. Manaova tsipika miainga avy amin’ilay faribolana fototra mankamin’ny tsirairay avy amin’ireo faribolana ireo.

Mahatsapa faniriana miha-mitombo mba hiantehitra amin’ny Tompo hahazoana hery sy fanafahana

Mampisehoa sarina mofo dipaina iray mba hanampiana ny mpianatra hitadidy ny zavatra nianarany teo aloha momba ny fianteherana amin’ny Tompo mba hahazo hery sy fanafahana. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra tsaroany momba ny fanomezan’ny Tompo ny mana ho an’ny Isiraelita. (Azonao atao ny mampiasa ilay andiam-panontaniana mitaky valiny hoe marina na diso avy ao amin’ny Lesona 47: “Eksodosy 16,” mba hanampiana ny mpianatra hanao famerenana. Angataho izy ireo hitadidy ireo fahamarinana nianaran’izy ireo momba ny Tompo tamin’ny alalan’ny fandalinana ireo antsipiriany momba ny mana.)

Bread
  • Ahoana no hampitahanao ny fanirianao ankehitriny hiantehitra amin’ny Tompo isan’andro amin’izay zavatra tsapanao herinandro vitsivitsy lasa izay? Raha nahatsikaritra fivoarana ianao dia inona araka ny eritreritrao no nahatonga izany fiovana izany? Raha tsy nahatsikaritra fivoarana ianao dia inona no azonao atao amin’ny fomba hafa?

Isan’ireo fanontaniana hafa azonao apetraka ny hoe: “Inona no nianaranao momba ny hoe manao ahoana izany mahita na mahatsapa fa miantehitra amin’ny Tompo isan’andro izany?” ary “Rehefa nanao ezaka mba hiantehitra amin’ny Tompo isan’andro ianao dia inona no nianaranao momba Azy?”

Manaraka ireo mpaminanin’ny Tompo

Hevero ny hampiseho sary irain’ny mpaminany ankehitriny. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tamin’ny lesona teo aloha (Lesona 39: “Eksodosy 2–4”), dia nanao tanjona izy ireo hanaraka ny fampianaran’ireo mpaminanin’ny Tompo amin’ny andro farany. Asao ny mpianatra hisaintsaina mangina ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no nianaranao momba ny Tompo sy ireo mpaminaniny rehefa nanao zavatra araka ny fampianaran’ireo mpaminany maoderina ianao?

  • Inona no nety tsara tamin’ny ezaka nataonao mba hanarahana ireo mpaminanin’ny Tompo?

  • Inona avy ireo sakana sendra anao? Inona no azonao atao mba handresena ireo sakana ireo?

    Omeo fahafahana ny mpianatra hizara hevitra rehefa avy nomena fotoana ampy. Azon’izy ireo atao miaraka amin’ny namana iray izany, na azonao atao ny manasa mpianatra terem-panahy hizara amin’ny iray kilasy.

    Samy manana ny toerana misy azy eo amin’ny diany ara-pinoana ny mpianatra. Mety hahatsapa ho misalasala amin’ny fanarahana ny mpaminany ny mpianatra sasany ao an-dakilasy. Afaka manampy ireo mpianatra hilaza ny zavatra nianarany sy hizara fijoroana ho vavolombelona izay mety hitaona ireo mpiara-mianatra izay mety mahatsapa ho misalasala ity fanontaniana manaraka ity.

  • Inona no tianao ho fantatry ny namana iray izay misalasala amin’ny fanarahana ny mpaminanin’ny Tompo?

Asao ireo mpianatra hikatsaka ny fanampian’ny Fanahy Masina rehefa miezaka ny hanohy hitombo ara-panahy, hiantehitra amin’ny Tompo ary hanaraka ny mpaminanin’ny Tompo.