Seminera
Eksodosy 12–13, Fizarana 1: Ny Paskan’ny Tompo


“Eksodosy 12–13, Fizarana 1: Ny Paskan’ny Tompo” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Eksodosy 12–13, Fizarana 1: Ny Paskan’ny Tompo,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Eksodosy 7–13: Lesona 42

Eksodosy 12–13, Fizarana 1

Ny Paskan’ny Tompo

Ny Sakafo Harivan’ny Paska

Nandefa ny loza farany i Jehovah (Jesoa Kristy) hanafahana ny Isiraelita—fahafatesan’ny lahimatoa rehetra tao Egypta. Nanome toromarika Izy avy eo mba “handalo” fotsiny ny loza ho an’ireo rehetra izay nametraka tamim-pankatoavana ny fitokisany Taminy (jereo ny Eksodosy 12:13). Nametraka ny sakafon’ny Paska i Jesoa Kristy ho marika fampahatsiahivana ny heri-pamonjen’ny Sorompanavotany. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny tandindon’i Jesoa Kristy izay nohalalininy teo aloha. Angataho izy ireo handinika ny zavatra ampianarin’ireo tandindona ireo momba Azy. Asao izy ireo hisafidy tandindona iray avy eo ary hanazava amin’ny olona ny zavatra ampianarin’izany mikasika an’i Jesoa Kristy.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny filàna ho voavonjy

Atombohy amin’ny famakiana na ny famintinana tantaran’olona iray voafandrika ka tsy afaka manavotra ny tenany ny fotoam-pianarana. Fomba iray hanaovana izany ity tantara manaraka ity. (Raha mila ny antsimpiriany dia jereo “Timeline: Thai cave rescue that transfixed the world for 17 days,” Jona 24, 2019, reuters.com.)

Tamin’ny 23 Jona 2018, dia nanapa-kevitra ny hijery ny rafitra nanamboarana ny zohy iray tany avaratr’i Thailand rehefa avy nanao fanazarantena ny mpikambana miisa 12 tao amina ekipa mpilalao baolina kitra iray, izay 11 ka hatramin’ny 16 taona sy ny mpanazatra mpanampy azy ireo izay, 25 taona. Fotoana fohy taorian’ny nidiran’izy ireo dia nisy oram-be mikija naha-tondraka ireo zohy ka naharaikitra azy ireo tany amin’ny efatra kilometatra tao anatin’ireo zohy ka tsy nahafahany nifandray tamin’ny manodidina ivelany intsony nandritra ny herinandro mahery.

  • Inona no mety ho tsapanao raha ianao no niaina ny toe-javatra nisy azy ireo?

Hitan’ny mpanao antsitrika matihanina ihany ireto vondrona tanora ireto ny 2 Jolay. Kanefa noho ny rano tondraka sy ny orana fanampiny dia tsy afaka natao ny nanavotra azy ireo avy hatrany. Rehefa nahazo fanampiana tamin’ny fameloman’aina ireo tovolahy sy ilay mpanazatra azy ireo dia niady hevitra momba ny safidy hafa azo atao ireo manam-pahaizana. Azon’izy ireo natao ny namoaka ireo tovolahy ireo tao tamin’ny fampiasana fitaovana fanaovana antsitrika saingy sarotra ny lalana sady nila fahaiza-manaon’ny matihanina. Azon’izy ireo natao ihany koa ny nanandrana nandavaka ny vato, nitady lalana hafa, na niandry volana maromaro hidinan’ny rano. Noho ny orambe izay mbola hitohy dia tsy fantatra izay fomba hanafahana ireto ekipa mpanao baolina kitra ireto hivoaka ireo zohy.

  • Raha jerena amin’ny heviny ara-panahy dia amin’ny inona isika no mety hahatsapa ho voafandrika, raikitra tsy afa-miala na tsy misy fanantenana?

Mety hilaza ny mpianatra fa samy mila ny fanampian’ny Mpamonjy avokoa isika rehetra hanavotra antsika amin’ny fahotana, ny fahafatesana, ary ny zava-manahirana hafa eo amin’ny fiainantsika.

Mba hanampiana ny mpianatra hanombana ny fianteherany amin’ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany dia azonao asaina izy ireo hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany soratra masina.

Makà fotoana hisaintsainana ny fahotana na ny zava-tsarotra izay manahirana anao amin’izao fotoana izao. Eritrereto ny zavatra tsapanao momba ireo fahotana na zava-tsarotra ireo. Avy eo dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no inoako mikasika ny fahaizan’ny Tompo manafaka ahy amin’ny fahotako sy ireo zava-tsarotra hafa mety holalovako?

  • Inona no tsapako mikasika izay nataony sy ananany fahavononana hatao ho ahy?

Hianatra ny fomba nanavotan’ny Mpamonjy ny Isiraelita tamin’ny fanandevozana tany Egypta ianao ato amin’ity lesona ity. Rehefa mandalina ianao dia asao ny Fanahy Masina hanampy anao hahatakatra fa ny Mpamonjy ihany koa dia Mpanafaka anao.

Ny tandindon’ny Paska

Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hitantara ny fomba nampiasan’ny Tompo ireo loza sivy mba handresena lahatra ny Isiraelita sy ny Egyptiana fa Izy no Andriamanitra.

Vakio ny Eksodosy 11:4–6, ary tadiavo ny loza fahafolo sady farany.

  • Inona no hitanao?

Nampanantena ny Isiraelita ny Tompo fa raha mankatò amim-pahatokiana ny toromarika omeny izy ireo dia hataony “mandalo” azy ireo fotsiny ny loza ary tsy ho faty ny zanaka lahimatoan’izy ireo (jereo ny Eksodosy 12:13, 23). Izay no nahatonga ny Tompo niantso ity fotoana ity hoe Paska (jereo ny Eksodosy 12:43). Tao anatin’ny toromarika nomen’ny Tompo ny sakafo, ny sakafo karakaraina sy ny fomba fihinanana izany. Nampiasa tandindona ny Tompo tamin’ny sakafon’ny Paska mba hampianarana ny Isiraelita momba Azy.

Manomeza sahanasa hanampiana ny mpianatra hamantatra ny toromarika nomen’ny Tompo ny Isiraelita ho an’ny sakafon’ny Paska. Ampio ihany koa ny mpianatra hamantatra izay zavatra mety ho ampianarin’izany toromarika izany mikasika ny Tompo sy ny fanafahana atolony. Afaka mamorona tabilao eny amin’ny solaitrabe ianao miaraka amin’ireto lohateny manaraka ireto. Azon’ny mpianatra adika ao amin’ny diary fandalinany soratra masina ary fenoiny ao anatina vondrona kely maromaro izany tabilao izany. Misy valiny mety ho hita nampidirina eto mba ho ampiasainao. Vitao miaraka amin’ny iray kilasy ny ampahany iray amin’ny sahanasa mba ho ohatra ahafahan’ny mpianatra mameno ilay tabilao ao amin’ny vondrona misy azy.

Halalino ny Eksodosy 12:3–8, 15, 21–23 ary fenoy ao amin’ny diary fanadalinana soratra masinao ity tabilao ity.

Inona no toromarika nomen’ny Tompo ny Isiraelita?

Mety ho tandindon’ny inona izany toromarika izany?

Inona no toromarika nomen’ny Tompo ny Isiraelita?

Mamonoa zanak’ondry lahy tsy misy kilema hatao sakafo (3–6, 21).

Mety ho tandindon’ny inona izany toromarika izany?

I Jesoa Kristy, ilay “Zanakondrin’ Andriamanitra” (Jaona 1:36), dia tonga lafatra ary nanolotra ny ainy ho antsika.

Inona no toromarika nomen’ny Tompo ny Isiraelita?

Hatenteo amin’ny tolanam-baravaran’ny trano ny ran’ny zanak’ondry (7, 22).

Mety ho tandindon’ny inona izany toromarika izany?

Ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy dia afaka miaro antsika rehefa ampiharintsika eo amin’ny fiainantsika ireo fepetran’ny fibebahana.

Inona no toromarika nomen’ny Tompo ny Isiraelita?

Hohano miaraka amin’ny ananana mangidy sy ny mofo tsy misy masirasira ny zanak’ondry, esory tsy ho ao an-trano ny masirasiara (leviora) (8, 15).

Mety ho tandindon’ny inona izany toromarika izany?

Ny anana mangidy dia fampatsiahivana ny fanandevozana mangidy nahazo ny Isiraelita tany Egypta ary mitovy amin’ny ngidin’ny fahotana.

Ny masirasira, na leviora dia natao ahatonga ny mofo ho bobongolo. Azontsika esorintsika amin’ny fiainantsika izay zavatra rehetra mety handoto ny fanahintsika ao anatin’ny fibebahantsika.

Rehefa mahavita ny mpianatra dia omeo fahafahana izy ireo hizara ny zavatra nianarany. Azonao atao ny mampiseho ilay sary tany am-piandohan’ny lesona. Azon’ny mpianatra atao ny mampahafantatra ireo zavatra samihafa nampiasaina tamin’ny Paska izay aseho ao amin’ny sary ary mifanakalo hevitra ny amin’izay mety asehon’izany an’ohatra.

Manafaka antsika amin’ny fahafatesana ara-panahy sy ara-nofo i Jesoa Kristy

Vakio ny Eksodosy 12:50–51; 13:3 mba hahitana izay nitranga rehefa nitandrina ny Paska ny zanak’Isiraely.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Manafaka ny olony amin’ny fahafatesana ara-panahy sy ara-batana ny Mpamonjy.

Hazavao fa tandindon’izany fahamarinana izany ny Paska. Ao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra, ny olona rehetra dia mila havotana amin’ny fahafatesana ara-nofo (fisarahan’ny vatana sy ny fanahy; jereo ny 2 Nefia 9:6, 11) sy ny fahafatesana ara-panahy (fisarahana amin’Andriamanitra noho ny fahotana; Jereo Helamàna 14:16–19). Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny herim-pamonjen’i Jesoa Kristy, dia azonao asaina ny mpianatra hamaky ny sasany amin’ireto andininy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ireto. Azonao atao ihany koa ny mamaky na mamintina ny ampahany sisa amin’ilay tantaran’ireo ekipa mpanao baolina kitra Tailandey.

Ampahatsiahivo ilay tantara teo aloha momba ireo mpialalao baolina kitra voafandrika. Rehefa afaka andro maromaro izay henjana tokoa dia nahita fomba hanavotana azy ireo ireo matihanina avy amin’ny lafivalon’izao tontolo izao. Niditra tao anatin’ilay rano mampidi-doza tao anatin’ilay firafitra miolikolik’ilay zohy ny mpanao antsitrika matihanina ary nanavotra ireo zazalahy sy ny mpanazatra azy ireo tsirairay tamin’ilay zohy tondraky ny rano.

  • Ahoana no mety hanehoan’ny zavatra nataon’ireo mpanao antsitrika matihanina an’ohatra ny zavatra azon’ny Mpamonjy atao ho antsika?

Manan-danja amiko ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy

Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra sy hahatsapa ny maha zava-dehibe ny herin’ny Mpamonjy hanavotra antsika. Zarazarao hiaraka tsiroaroa ny mpianatra. Asao ny mpiara-miasa tsiroaroa isan’isany avy mba hilalao an-tsehatra ity rafi-tantara manaraka ity. Raha tsapanao fa mety ho sarotra amin’ny mpianatrao ny maka sary an-tsaina hoe Isiraelita fahiny izy ireo, dia dingano izany ampahany ao amin’lay sahanasa izany, ary asao ireo mpiara-miasa mba hifanakalo hevitra momba ilay fanontaniana ho an’ny zatovo amin’izao vanim-potoana izao.

Miaraha tsiroaroa dia alaovy sary an-tsaina hoe zatovo Isiraelita vao avy nandray anjara tamin’ny Paska tany Egypta ny iray aminareo ary ny iray kosa dia zatovo amin’izao vanin’andro izao. Mifametraha ireto fanontaniana manaraka ireto.

Fanontaniana ho an’ilay zatovo Isiraelita

  • Ahoana no fomba hamariparitanao ny zavatra niainanao tao anatin’ny fanandevozana talohan’ny Paska?

  • Inona no nianaranao avy tamin’ny zavatra niainanao ny alin’ny Paska? Ahoana no fomba nanovan’i Jehovah ny fiainanao?

  • Inona no hozarainao momba an’i Jehovah ho an’ireo olona izay mety misalasala ny hanaraka Azy?

Fanontaniana ho an’ilay zatovo amin’izao vanin’andro izao

  • Inona no hitovizan’ny fahotana amin’ny fanandevozana? Inona no hitovizan’ny fitsapana amin’ny fanandevozana?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanovan’i Jesoa Kristy ny fiainanao?

  • Inona no tianao ho fantatry ny hafa mikasika ny herim-pamonjen’i Jesoa Kristy?

Asao ny mpianatra hamerina hijery ny valinteniny tamin’ireo fanontaniana fanombanan-tena tany am-piandohan’ny lesona. Angataho izy ireo handinika izay zavatra tsapany avy amin’ny Fanahy momba ny Mpamonjy sy ny heriny entiny manafaka azy ireo. Azon’ny mpianatra anampiana ny zavatra efa nosoratany teo aloha ny hevi-baovao azony. Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara ny heviny mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny heriny manavotra entiny manafaka.