“Eksodosy 7–13: Topimaso ankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Eksodosy 7–13: Topimaso ankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Eksodosy 7–11
Eksodosy 7–13
Topimaso ankapobeny
Naneho ny heriny teo anatrehan’i Farao imbetsaka tamin’ny andiana loza nifanesy ny Tompo. Ny loza farany izay hanafaka ny Isiraelita dia ny fahafatesan’ny lahimatoa rehetra tao Egypta. Nanome torolalana anefa ny Tompo mba “handalo” ny olona izay nahatoky Azy tamim-pankatoavana fotsiny ilay loza (jereo ny Eksodosy 12:13). Mba hanampiana ny zanak’Isiraely ahatsiaro ny nanafaka azy ireo hiala tany Egypta ny Tompo dia nametraka ny andro Firavoravoan’ny Paska Izy. Ahitana lesona Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana koa ao anatin’ity herinandro ity.
Ampio ny mpianatra hahita zavatra manan-danja amin’izy ireo manokana ao amin’ny fotopampianarana izay ampianarinao. Ny fanampiana ny mpianatra hamantatra ny maha-zava-dehibe amin’izy ireo manokana ny fotopampianaran’ny Mpamonjy dia afaka manampy mba hahatonga ny zavatra ianaran’izy ireo ho manan-danja sy mahasoa. Ahitana ohatra amin’ny fomba hanaovana izany ao amin’ny Lesona 43: “Eksodosy 12–13, Fizarana 2.” Raha te hianatra misimisy kokoa dia jereo ny “Nanampy ny olona hahita ny lanjan’ny fotopampianarany eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana ny Mpamonjy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022], 23).
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety ilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Eksodosy 7–11
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba hamantarana ny herin’ny Tompo sy hino Azy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hijery porofon’ny herin’ny Tompo eo amin’ny fiainany manomboka izao ka mandrapahatongan’ny fotoam-pianarana manaraka.
-
Votoatin-javatra haseho: Ilay tabilao mampiseho ireo loza sy ireo fanontanina roa aorian’izany
Eksodosy 12–13, Fizarana 1
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatsapa ny maha zava-dehibe ny Mpamonjy sy ny sorom-panavotany eo amin’ny fiainan’izy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny tandindon’i Jesoa Kristy izay nohalalininy teo aloha. Angataho izy ireo handinika ny zavatra ampianarin’ireo tandindona ireo momba Azy. Asao izy ireo hisafidy tandindona iray avy eo ary hanazava amin’ny olona ny zavatra ampianarin’izany mikasika an’i Jesoa Kristy.
-
Sary: Sakafo harivan’ny Paska
Eksodosy 12–13, Fizarana 2
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianara hahatsiaro ny Mpamonjy eo am-piomanan’izy ireo sy handraisan’izy ireo anjara amin’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hiomana hizara zavatra iray izay nanampy azy ireo hahatsiaro ny Mpamojy mialoha, mandritra ary aorian’ny fanasan’ny Tompo. Mety ho isan’izany ny sary, soratra masina, hira ao amin’ny fihirana, na teny nindramina izay tiany indrindra.
-
Fitaovana haseho: Sary na zavatra iray manampy anao hahatsiaro zavatra na olona manan-danja aminao
-
Sary: Sarin’i Jesoa Kristy; sakafo harivan’ny Paska; Jesoa Kristy nandritra ny Fanasana Farany
-
Horonan-tsary: “La dernière Cène” (5:55) manomboka amin’ny minitra faha-0:00 ka hatramin’ny minitra 1:18 ary manomboka amin’ny minitra faha-2:13 ka hatramin’ny 3:15
-
Fitaovanana ho an’ny mpianatra: Taratasy sy fitaovana fanaovana zavakanto
Fampiharana fifehezana fotopampianarana 3
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hitadidy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina avy ao amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ary hampihatra ireo fitsipika avy amin’Andriamanitra ahazoana fahalalana ara-panahy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisafidy andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miisa iray na roa ao amin’ny Testamenta Taloha ary hanao tsianjery ny toko sy andininy sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Raha tiany dia azony atao ihany koa ny manao tsianjery ilay andalana manontolo. Asao izy ireo hisaintsaina ny fomba ahafahan’ny fanaovana tsianjery ireo andian-teny manan-danja na andalan-tsoratra masina manampy azy ireo eo amin’ny fiainany.
-
Votoatin-javatra haseho: Lisitry ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana efa nianaran’ny mpianatra hatreto. Azo jerena ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023) ny lisitr’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotompampianarana ao amin’ny Testamenta Taloha sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.
-
Fitaovana ho an’ny mpianatra: ny bokikely Ho zatovo mahery!; ilay fizarana mitondra ny lohateny hoe “Ireo fitahiana avy amin’ny fahadiovam-pitondrantena” ao amin’ny lahateny nataon’ny Loholona David A. Bednar tamin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany “Mino Isika fa tokony ho Madio Fitondrantena” (Liahona, mey 2013, 43–44)