“Eksodosy 12–13, Fizarana 2: -Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Eksodosy 12–13, Fizarana 2: -Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Eksodosy 7–13: Lesona 43
Eksodosy 12–13, Fizarana 2
“Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy”
Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ny mahatsiaro ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Nametraka ny Andro firavoravoan’ny Paska ny Tompo mba hanampiana ny zank’Isiraely hahatsiaro fa nanafaka azy ireo tany Egypta Izy. Nanome antsika fomba vaovao i Jesoa Kristy ahatsiarovantsika Azy mandrakariva rehefa nametraka ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo Izy. Afaka manampy ny mpianatra hahatsiaro ny Mpamonjy ity lesona ity, rehefa miomana ho amin’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo sy mandray anjara amin’izany izy ireo.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hiomana hizara zavatra iray izay nanampy azy ireo hahatsiaro ny Mpamojy mialoha, mandritra ary aorian’ny fanasan’ny Tompo. Mety ho isan’izany ny sary, soratra masina, hira ao amin’ny fihirana, na teny nindramina izay tiany indrindra.
Sahanasa fianarana azo atao
Tsarovy mandrakariva
Mba hanampiana ny mpianatra hiaiky ny maha-zava-dehibe ny fahatsiarovana dia asehoy ny sary na zavatra iray izay manampy anao hahatsiaro zavatra na olona manan-danja aminao. Mety ho peratra mariazy, na sary, na fahatsiarovana ohatra izany. Zarao fohy ny fomba hanampian’io zavatra io anao ahatsiaro ilay olona na ilay fotoana. Avy eo dia asao hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra.
-
Inona ny zavatra na iza no olona tianao hotsarovana mandritra ny androm-piainanao manontolo? Nahoana?
-
Inona ny zavatra ataonao na efa nataonao ka nanampy anao ahatsiaro io zavatra na olona io?
Azonao atao avy eo ny mampiseho ny sarin’i Jesoa Kristy. Asao ny mpianatra hijery ilay sary eo am-pieritreretan’izy ireo ny Mpamonjy ombam-bavaka. Azonao atao avy eo ny mampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto mba hovalian’ny mpianatra ao anatin’ny diary fandalinany.
-
Inona no zavatra tsapanao momba ny Mpamonjy?
-
Inona no tsapanao fa zava-dehibe tokony hotsaroana momba Azy? Nahoana?
Rehefa mandalina ianao androany, dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahafantatra ny zavatra azonao atao mba hahatsiarovana ny Mpamonjy sy izay nataony taminao.
“Izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo”
Tao amin’ny lesona teo aloha momba ny “Eksodosy 12–13, Fizarana 1,” dia nianatra ny fomba nanafahan’ny Tompo ny Isiraelita tany Egypta ny mpianatra. Azonao atao ny manoratra ny teny hoe Paska eny amin’ny solaitrabe. Azonao aseho ny sarin’ny Paska nampiasaina tao amin’ny lesona teo aloha. Asao ny mpianatra avy eo hamintina izay tsaroany mikasika ny fahagagana nitranga tamin’ny Paska voalohany (jereo Eksodosy 12:1–13).
Azonao atao ny mandamina ny mpianatra ho vondrona ahitana olona telo. Asao ny mpianatra tsirairay handalina ny iray amin’ireto andala-tsoratra masina ireto ary hizara izay nianarany avy tamin’ireo olona hafa ao amin’ilay vondrona.
Nandidy ny olony ny Tompo hamerina ny sakafon’ny Paska “hatramin’ny taranak’[izy ireo] fara mandimby” (Eksodosy 12:14). Vakio ireto andininy manaraka ireto ary jereo ny teny sy ny andian-teny manondro izay tian’ny Tompo hotsarovan’izy ireo sy hataony:
Eksodosy 12:14, 17
Eksodosy 12:25–27
Eksodosy 13:3, 8–10
-
Natao mba hanampiana ny Isiraelita ahatsiaro inona momba ny Tompo ny fanomanana sy ny fihinanana ny sakafon’ny Paska?
-
Tamin’ny fomba ahoana, araka ny hevitrao, no nitahian’ny Tompo ny Isiraelita noho ny fitandremany tamim-pankatoavana ny Andro firavoravoan’ny Paska?
Ny Paska sy ny fanasan’ny Tompo
Asehoy ny sarin’i Jesoa Kristy sy ny Fanasana Farany. Hazavao amin’ny mpianatra fa ny hariva talohan’ny nijaliany tao Getsemane sy teo amin’ny hazofijaliana dia niara-nankalaza ny Andro firavoravoan’ny Paska niaraka tamin’ny mpianany ny Mpamonjy.
Mba hanampiana ny mpianatra haka sary an-tsaina io fotoana io dia azonao atao ny mampiseho ny horonan-tsary “La dernière Cène” manomboka amin’ny minitra faha-0:00 ka hatramin’ny 1:18. Izany horonan-tsary izany dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Rehefa avy mamaky ireo andininy ao amin’ny Lioka 22 ny mpianatra dia azonao alefa manomboka eo amin’ny minitra faha-2:13 ka hatramin’ny 3:15 ny horonan-tsary.
Vakio ny Lioka 22:13–15, 19–20, dia tadiavo ny ôrdônansy vaovao napetraky ny Mpamonjy.
-
Ahoana no mampitovy ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo amin’ny Paska? Inona no tsy mampitovy azy amin’izany?
Ity fanontaniana manaraka ity dia manampy ny mpianatra hamantatra ireo fahamarinana mifandray amin’ny fiainany. Afaka manampy ny mpianatra ahita zavatra manan-danja amin’ny tenany manokana ao amin’ny soratra masina halalininy ny fanontaniana toy izany. Ny fanontaniana toy izany ihany koa dia mamela ny Ray any An-danitra hampianatra sy hanome fitaomam-panahy ny mpianatra tsirairay.
Raha mila fampiofanana fanampiny momba ny fanampiana ny mpianatra ahita zavatra manan-danja aminy ao amin’ny soratra masina dia jereo ny “Ianaro avy amin’ny ezakao manokana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra [2022], 29.
-
Inona no fahamarinana azontsika ianarana rehefa mandinika ny antony nanomezan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy antsika ôrdônansy tahaka ny Paska fahiny sy ny fanasan’ny Tompo ankehitriny isika?
Mety hizara fahamarinana isan-karazany ny mpianatra. san’ny fahamarinana mety ho hitan’izy ireo ny hoe Nomen’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy antsika ny ôrdônansy toy ny Paska sy ny fanasan’ny Tompo mba hanampiana antsika ahatsiaro Azy Ireo.
Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava antony iray mahatonga ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mamporisika antsika hahatsiaro Azy Ireo:
Tian’ny Raintsika any An-danitra hahatsiaro ny hatsaram-pony sy ny hatsaram-pon’ny Zanaka Malalany isika … noho ny fiantraikan’izany fahatsiarovana izany eo amintsika. Mivelatra ny fomba fijerintsika sy ny fahatakarantsika rehefa misaintsaina ny hatsaram-panahin’Izy Ireo. Lasa manetry tena kokoa, mivavaka kokoa, mazoto kokoa isika rehefa misaintsaina ny famindram-pon’Izy ireo. (“Saintsaino ny hatsaram-po sy ny halehibeazan’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2020, 41)
-
Inona no fiantraikan’ny fatsiarovana ny hatsaram-pon’Andriamanitra teo aminao?
Fahatsiarovana ny Mpamonjy mialoha, mandritra ary aorian’ny fanasan’ny Tompo
Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hiomana hahatsiaro ny Mpamonjy mialoha, mandritra ary aorian’ny fanasan’ny Tompo. Azonao atao ny manome taratasy sy fitaovana fanaovana zava-kanto. Asao ny mpianatra mba hamorona zavatra toy ny afisy, bokikely, meme, na zavatra hafa mampatsiahy ny fanasan’ny Tompo. Amporiisiho ny mpianatra hampiasa ny fahaizany mamorona amin’ny fanaovana izany.
Afaka mamela toerana malalaka ao ambadiky ny taratasin’izy ireo ny mpianatra mba hampiasaina amin’ny faran’ny lesona. Any fiafaran’ny lesona ny mpianara dia hanao drafitra hanaovan-javatra mba hahatsiarovany tsara kokoa ny Mpamonjy mialoha, mandritra ary aorian’ny fanasan’ny Tompo.
Mba hanampiana anao ahatsiaro ny hatsaram-pon’Andriamanitra eo am-piomanana ho amin’ny fanasan’ny Tompo, sy rehefa mandray anjara amin’izany, ary rehefa mahatsiaro ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo, dia ataovy ny iray na ny maromaro amin’ireto manaraka ireto:
-
Ataovy lisitra ireo tandindon’ny Andro firavoravoan’ny Paska izay nohalalininao. Soraty ny fomba ahafahan’ireo tandindon’ny Paska ireo manampy anao ahatsiaro ny Mpamonjy alohan’ny handraisanao ny fanasan’ny Tompo.
-
Vakio ireo vavaka amin’ny fanasan’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79. Ataovy lisitra ireo fampanantenana ataontsika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika. Avy eo dia ataovy lisitra ny fampanantenan’ny Tompo. Manorata andiam-pehezan-teny fohy momba ny hoe manampy anao hahatsiaro ny Mpamonjy mandritra ny fanasan’ny Tompo amin’ny fomba ahoana ny fieritreretana ireo fampanantenana ireo.
-
Ataovy lisitra ny andalan-tsoratra masina vitsivitsy na ny teny nambaran’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana izay tianao hovakina sy hosaintsainina mandritra ny fanasan’ny Tompo. Misafidiana andalan-tsoratra masina na teny nambara izay afaka manampy anao ahatsiaro ny Mpamonjy.
-
Misafidiana hiran’ny fanasan’ny Tompo tianao indrindra. Ataovy lisitra ny lohateny sy ny andalana roa na telo ao amin’ilay fihirana. Misafidiana andalana manan-danja aminao izay afaka manampy anao hahatsiaro ny Mpamonjy aorian’ny fanasan’ny Tompo.
Azon’ny mpianatra atao ny mizara ny zavatra noforoniny amin’ny namana mpiara-miasa aminy, amin’ny vondrona na ny mpianatra rehetra. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hanampy izany amin’ireo hevitra izay zarain’ny mpiara-mianatra hafa.
Manaova drafitra hahatsiarovana ny Mpamonjy
Saintsaino mangina izay nianaranao sy tsapanao androany. Asao ny Fanahy Masina hanampy anao hamantatra ny zavatra azonao atao mba hahatsiarovana tsara kokoa an’i Jesoa Kristy mialoha, mandritra ary aorian’ny fanasan’ny Tompo.
Asao ny mpianatra hampiasa faritra vitsivitsy ao ambadiky ny taratasiny hamaliany ity fanontaniana manaraka ity.
-
Inona ny zavatra manokana azonao atao mba hahatsiarovana tsara kokoa ny Mpamonjy rehefa miomana, mandray anjara ary misaintsaina ny fanasan’ny Tompo ianao?
Afaka mizara izay zavatra tsapany fa asain’ny Fanahy ataony ny mpianatra vitsivitsy vonona hanao izany. Asao ny mpianatra hitondra ny taratasiny any amin’ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo mba hanampy azy ireo hahatsiaro izay nianarany sy tsapany. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ny hery izay mety ho tonga eo amin’ny fiainantsika rehefa mahatsiaro tsara kokoa ny Mpamonjy isika eo am-piomanana ho amin’ny fanasan’ny Tompo sy eo am-pandraisana anjara amin’izany.