Seminera
Fampiharana fifehezana fotopampianarana 3: Fanaovana tsianjery ireo andian-teny manan-danja sy fampiharana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy


“Fampiharana fifehezana fotopampianarana 3: Fanaovana tsianjery ireo andian-teny manan-danja sy fampiharana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Fampiharana fifehezana fotopampianarana 3: Fanaovana tsianjery ireo andian-teny manan-danja sy fampiharana ireo fitisipika hahazoana fahalalana ara-panahy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Eksodosy 7–13: Lesona 44

Fampiharana fifehezana fotopampianarana 3

Fanaovana tsianjery ireo andian-teny manan-danja sy fampiharana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy

Young man (seminary student) in gray sweater, holding and reading scriptures at desk in seminary class. (horiz)

Ny fifehezana fotopampianarana dia afaka manampy ny mpianatra hanorina ny fototry ny fiainan’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanao tsianjery ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ao amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy hampihatra ny fitsipik’Andriamanitra hahazoana fahalalana ara-panahy.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisafidy andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miisa iray na roa ao amin’ny Testamenta Taloha ary hanao tsianjery ny toko sy andininy sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Raha tiany dia azony atao ihany koa ny manao tsianjery ilay andalana manontolo. Asao izy ireo hisaintsaina ny fomba ahafahan’ny fanaovana tsianjery ireo andian-teny manan-danja na andalan-tsoratra masina manampy azy ireo eo amin’ny fiainany.

Sahanasa fianarana azo atao

Famerenana fifehezana fotopampianarana: Fanaovana tsianjery

Ny fizarana voalohany amin’ity lesona ity dia hampitaha ny fanaovana tsianjery soratra masina amin’ny fahazoana namana vaovao. Mieritrereta sahanasa hanomanana ny mpianatra amin’io fampitahana io. Ohatra, raha betsaka ny mpianatrao sady tsy mifankahalala tsara izy ireo dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hanonona anarana mpianatra ao an-dakilasy betsaka indrindra araka izay vitany. Azon’izy ireo atao ny manao izany samirery na anatina vondrona kely. Asao ny mpianatra hisaintsaina izay mpiara-mianatra tena fantany indrindra.

  • Inona avy ireo antony mahatsara ny mahalala olona ato am-pianarana?

  • Inona no tombon-tsoa azo avy amin’ny fananana namana?

Vakio ity teny nambaran’ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Final official portrait of Elder Richard G. Scott of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004.  Passed away 22 September 2015.

“Misy hery lehibe azo avy amin’ny fanaovana tsianjery ny soratra masina. Toy ny manomboka finamanana vaovao ny fanaovana tsianjery soratra masina.” (“Ny herin’ny soratra masina,” Liahona, nôv. 2011, 6)

  • Ahoana araka ny eritreritrao no mety haha-toy ny namana ny fanaovana tsianjery andian-teny na andalana ao amin’ny soratra masina?

Rehefa mizara hevitrany mpianatra dia azonao atao ny manoratra ny valinteniny eny amin’ny solaitrabe. Entano ny mpianatra hamaky misimisy kokoa amin’izay nolazain’ny Loholona Scott ato amin’ity teny nambara manaraka ity, ary hitady valiny fanampiny. Azonao atao ihany koa ny mampahafantatra fa ny tenin’ny soratra masina dia avy amin’ny Tompo ary nentanim-panahy avy Aminy. Amin’ny lafiny maro ny soratra masina dia toy ny fananana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho toy ny namana mpitari-dalana.

Manohy ny Loholona Scott hoe:

Toy ny fiezahana mamantatra olona iray vaovao izay afaka manampy amin’ny fotoana ilana fanampiana izany, sy afaka manome fitaomam-panahy sy fankaherezana, ary ho loharano hahazoana risi-po hanaovana ny fanovana izay ilaina. (Richard G. Scott, “Ny herin’ny soratra masina,” Liahona, nôv. 2011, 6)

  • Oviana ny soratra masina na andian-teny izay nataonao tsianjery no toy ny namana ho anao tamin’ny iray tamin’ireo fomba ireo?

  • Inona ny zavatra ataonao na azonao hatao izay mety hanampy anao hanao tsinjery ireo andian-teny na andalana manan-danja ao amin’ny soratra masina?

Mety ho isan’ireo valinteny ny famerenana ilay andian-teny na andalana, ny fanoratana azy ireo, na ny fampiasana karatra kely na ilay taratasy noforonin’ny mpianatra tao amin’ny Lesona 15: “Fampiharana fifehezana fotopampianarana 1.”

Asehoy ilay andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay nianaran’izy ireo hatreto na omeo izany ny mpianatra tsirairay. Azo jerena ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023) ny lisitr’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotompampianarana ao amin’ny Testamenta Taloha sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Asao ny mpianatra haka minitra maromaro hanaovana ireto sahanasa manaraka ireto:

Araho ny torohevitry ny Loholona Scott amin’ny hoe “manomboka … [ireo] finamanana vaovao” ny fanaovana tsianjery toko sy andininy sy ireo andian-teny manan-danja ho an’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana maromaro. Azonao atao ihany koa ny manao tsianjery andalana manontolo.

Misafidiana iray amin’ireo andian-teny na andalan-tsoratra masina nataonao tsianjery ary valio ity fanontaniana manaraka ity:

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hahatonga io andian-teny na andalana io ho namana ho anao? (Ahoana no hahafahan’izany manampy amin’ny fotoan-tsarotra, hanomezan’izany fitaomam-panahy na fampaherezana, na hahafahan’izany ho loharano hakana hevitra amin’izay fiovanamila hatao?)

Manasà mpianatra maromaro hizara hevitra. Hevero ny hizara ihany koa ny hevitrao manokana. Mitadiava fomba hamporisihana ny mpianatra hanohy hanao tsianjery ireo soratra masina.

Mianatra sy mampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy

Ny sisa tavela amin’ny lesona dia mifantoka amin’ny fanampiana ireo mpianatra hampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny toe-javatra iainana mifandray amin’izany. Alohan’ny hanohizana dia tsara ny manasa ny mpianatra hamerina hijery ireto fitsipika ireto. Ny fahaizan’ny mpianatra mitadidy sy mampihatra avy hatrany ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy dia hitombo amin’ny alalan’ny famerenana sy ny fampiharana mivermberina. Ireo sahanasa famerenana naroso dia azo jerena ao amin’ny fizarana ao amin’ny tovana mitondra ny lohateny hoe “Sahanasa famerenana fifehezana fotopampianarana.” Ny famariparitana ireo fitsipika dia hita ao amin’ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023).

Saintsaino ny zavatra ilain’ny mpianatrao ary mangataha fanampiana avy amin’ny Tompo hisafidianana ny iray amin’ireto rafi-tantara manaraka ireto na amboary izany na mamorona iray mba hifanaraka tsara amin’ny zavatra ilain’ny mpianatrao. Na vakio mafy ny roa na telo amin’ireo rafi-tantara ary asao ny mpianatra hisafidy iray izay tsapan’izy ireo fa hanampy azy indrindra raha hifantohany.

  • “Reko ny zatovo hafa miresaka fizarana sarin’ny tenan’izy ireo na ny hafa izay tsy maotina, tsy mendrika na miboridana mihitsy aza tao amin’ny findain’izy ireo. Fantatro fa tsy mieritreritra izy ireo hoe olana be izany. Mety ho ampahan-javatra fahita mahazatra ao anatina fifandraisana fotsiny angamba izany na mety hoe te hiadaladala amin’ny resaka firaisanaara-nofo fotsiny izy ireo.”

  • “Tahaka ny hoe tsy maha-taitra ny mahita sy mandre zavatra momba ny firaisana ara-nofo. Ahitana zavatra momba ny firaisana ara-nofo avokoa na ny vazivazy, na ireo ampahany lalaovina anaty horonan-tsary, na ireo ny horonan(tsary an-jotra, sy ny sisa. Ny zavatra eritreretin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ho mety dia hafa mihitsy raha oharina amin’ny zavatra lazain’ny ankamaroan’ny olona fa tsy maha-taitra. Heveriko fa efa hafa ny zava-misy ankehitriny ary tsy dia olana goavana tahaka ny taloha intsony izany.”

  • “Nandray fampianarana mikasika ny lalan’ny fahadiovam-pitondrantena aho teo aloha, kanefa toa betsaka amin’ireo zatovo eo amin’ny toerana misy ahy no efa manao firaisana ara-nofo, na farafaharatsiny tsy mikasa ny hiandry mandra-pahatonga azy ireo ao anatin’ny fanambadiana. Mieritreritra aho hoe azoko ny antony mahatonga ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana miteny amintsika mba ho madio ara-pitondrantena, ary misy soa maro azo avy amin’izany, kanefa indraindray aho dia manontany tena raha tena mendrika ny ho arahina tokoa izany.”

    Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina fa miaraka aminy eo ilay olona ao anatin’ilay rafi-tantara. Hazavao fa io olona io dia mahitsy fo. Ampatsiahivo ny mpianatra fa mila miezaka isika hitondra ny olona rehetra amin’ny fitiavana sy fanajana tahaka izay ataon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Inona no fiheverana ananan’ny olona mikasika ny lalan’ny fahadiovam-pitondrantena tsikaritrao ao amin’ilay rafi-tantara?

    Hazavao fa hiomana hanampy io olona io ny iray kilasy. Rehefa mifanakalo hevitra momba ity fanontaniana manaraka ity ny mpianatra dia omeo toky izy ireo fa tsy misy valinteny diso akory.

  • Raha te hanampy io olona io ianao dia inona amin’ny fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy no hifantohanao voalohany indrindra? Nahoana?

Manomàna fomba hampiasana io fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy io mba hanampiana ilay olona. Mety ho tafiditra ao anatin’izany:

  • Ny fanontaniana mety hapetrakao amin’io olona io.

  • Ny soratra masina, isan’izany ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana, na teny nambaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay mety hanampy.

  • Ny hevitrao, ny fahatsapana anananao, na ny fijoroana ho vavolombelona anananao.

Raha ilaina dia asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra. Ho solon’izany dia azon’ny mpianatra atao ny manomana samirery fomba iray hampiasana fitsipika iray hahazoana fahalalana ara-panahy. Avy eo dia azon’izy ireo ampiasaina ireto fanontaniana manaraka ireto hanomanana fomba hampiasana fitsipika hafa fanampiny.

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Ahona no ahafahan’ny fahatakarana ny fihetseham-pon’ Andriamanitra mikasika ny fahadiovana ara-pitondrantena manampy io olona ao amin’ny rafi-tantara io? (jereo Genesisy 39:9; 1 Korintiana 6:18–19; Jakôba 2:28).

  • Araka ny hevitrao, dia mety hitarika azy ireo hanao safidy toy ny ahoana ny fihetsik’io olona io?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

Manao asa amim-pinoana

  • Tahaka ny ahoana ny manao asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy Mpamonjy ao amin’ity toe-javatra ity araka ny hevitrao?

  • Raha sendra toe-javatra tahaka izany ianao dia inona no azonao atao hanasana ny fanampiana sy ny herin’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainanao?

Rehefa avy nomena fotoana ampy niomanana ny mpianatra dia angatao izy ireo hizara. Mametraha fanontaniana fanaraha-maso ny fivoarana toy ny hoe “Misy te hanampy an’izay efa nozaraina teo ve?” “Ahoana no mety ho fihetsik’ilay olona tiantsika ampiana manolona ny zavatra nozaraina araka ny hevitrao?” “Inona no azontsika atao hanampiana ity olona ity ahatsapa kokoa ny fitiavan’ny Tompo ary ahatonga azy hikatsaka ny fanampiany?” ary “Ahoana no mety hanampian’ny fitsipika iray hafa hahazoana fahalalana ara-panahy?”

Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra nianaranao avy tamin’ity zavatra niainana ity ka tianao ho tsaroana. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny fomba ahafahan’ny dingana amin’ny fampiasana ny fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy manampy anao amin’ireo fanontaniana sy fanahiana rehetra mety hanananao.