“Eksodosy 14–18: Topimaso ankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Eksodosy 14–18: Topimaso ankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Eksodosy 14–18
Eksodosy 14–18
Topimaso ankapobeny
Taorian’ny nandaozan’ny zanak’ Isiraely an’i Egypta dia hitan’izy ireo fa tafalatsaka teo anelanelan’ny Ranomasina Mena sy ny tafik’i Farao izy ireo. Nanafaka azy ireo tamin’ny fomba mahagaga ny Tompo tamin’ny alalan’ny fanokafana lalana namakivaky ny ranomasina tamin’ny tany maina. Nampianatra sy niaro ary namatsy ny Isiraelita ny Tompo tamin’ny alalan’ny fampatanjahana azy ireo nandritra ny ady sy tamin’ny alalan’ny fanomezana rano sy sakafo mahagaga tany an-tany foana, anisan’izany ny mana.
Ampio ireo mpianatra handray andraikitra amin’ny fianaran’izy ireo. Rehefa mampiasa ny fahafahany misafidy ny mpianatra mba handray anjara mavitrika amin’ny dingan’ny fianarana, dia ho mora kokoa amin’izy ireo ny hahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay mampiova fo. Jereo ny “Ny Mpamonjy dia nanampy ny hafa ho tompon’andraikitry ny fianaran’izy ireo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022], 24–25) mba hianarana misimisy momba ny fomba nanaovan’ny Mpamonjy izany. Hita ao amin’ny Lesona 46: “Eksodosy 15, 17” ny ohatra iray amin’ny fanampiana ny mpianatra handray andraikitra amin’ny fianarana.
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Eksodosy 14
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatsapa faniriana hametraka ny fitokiany amin’ny Tompo mba hahazoana hery sy fanafahana.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra handalina ny Eksodosy 14:13–14 ary hieritreritra lafin-javatra eo amin’ny fiainan’izy ireo izay ahafahan’ireo andinin-tsoratra masina ireo manampy.
-
Sary: Sarintany ao amin’ny Baiboly, lah. 2, “Ny fifindran’ny Isiraely avy tany Egypta sy fidirana tao Kanana”; ny Ranomasina Mena; i Jesoa Kristy
-
Votoatin-javatra haseho: Fanontaniana hifanakalozana hevitra ataon’olona roa na ataona vondrona kely maromaro.
-
Horonan-tsary: “La Pâque” (2:55) (sary miaina) manomboka eo amin’ny minitra faha-1:28 hatramin’ny faha-2:32
Eksodosy 15, 17
Tanjon’ny lesona: Hanampy ireo mpianatra hizatra hamantatra ireo fahamarinana avy amin’ Andriamanitra ao amin’ny tantara ao amin’ny soratra masina sy hampifandray ireo fahamarinana ireo amin’ny fiainan’izy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo tantara nohalalinin’izy ireo tao amin’ny Testamenta Taloha sy ny Voahangy Lafo Vidy hatreto tamin’ity fe-potoam-pianarana ity. Angataho izy ireo mba ho tonga ao an-dakilasy efa vonona hizara ny fomba hamenoan’izy ireo ity fehezan-teny manaraka ity: “Tiako ilay tantaran’ satria mampianatra ahy izany fa .”
-
Sary: I Abrahama miaraka amin’i Isaka eo amin’ny alitara; I Josefa avy any Egypta; I Mosesy manasaraka ny Ranomasina Mena
-
Taratasy zaraina: “Famantarana ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ao amin’ny Eksodosy 15, 17”
Eksodosy 16
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hiantehitra amin’ny Tompo isan’andro.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitady ny porofon’ny herin’ny Tompo eo amin’ny fiainan’izy ireo ao anelanelan’izao fotoana izao sy ny fotoam-pianarana manaraka. Amporisiho izy ireo haka fotoana ao anatin’ny vavaka ataon’izy ireo manokana na miaraka amin’ny fianakaviany mba hisaotra ny Ray any An-danitra noho ny fanampiany.
-
Zavatra haseho: Mofo dipaina
-
Taratasy zaraina: “Mofo avy any an-danitra”
-
Horonan-tsary: “Le pain quotidien: Modèle” (2:51)