“Eksodosy 14: -Aza matahotra hianareo,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Eksodosy 14: -Aza matahotra hianareo,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Eksodosy 14–18: Lesona 45
Eksodosy 14
“Aza matahotra hianareo”
Mety hahatsapa hakiviana isika indraindray, toy izay nahazo ny Isiraelita fony izy ireo raikitra teo anelanelan’ny Ranomasina Mena sy ny miaramilan’i Farao. Kanefa mbola mihatra amintsika amin’izao fotoana izao ny torohevitra nomen’i Mosesy azy ireo tamin’izany hoe: “Aza matahotra hianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen’i Jehovah” (Eksodosy 14:13). Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa faniriana hametraka ny fitokisany amin’ny Tompo mba hahazoana tanjaka sy fanafahana.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra handalina ny Eksodosy 14:13–14 ary hieritreritra lafin-javatra eo amin’ny fiainan’izy ireo izay ahafahan’ireo andinin-tsoratra masina ireo manampy.
Sahanasa fianarana azo atao
Hodidinin’ny fitsapana
Ampio ny mpianatra hisaintsaina ireo olana eo amin’ny fiainany izay mety hahatonga azy ireo hahatsapa ho tototr’izany na voafandrik’izany. Fomba iray hanaovana izany ny fizarana ity teny nambaran-dRahalahy Milton Camargo ao amin’ny Fiadidian’ny Sekoly Alahady Maneran-tany ity. Azonao soratana eo afovoan’ny solaitrabe ny torohevitra nomen’ny rainy.
Rahalahy Milton Camargo, Mpanolontsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Sekoly Alahady Maneran-tany dia nizara toro-evitra avy amin’ny rainy:
Mazàna ny raiko no niteny tamiko hoe: “Aza diso mifantoka loatra amin’ny olanao fa manjary tsy afaka mahita ny vahaolana ianao.” (“Mifantoha amin’i Jesoa Kristy,” Liahona, mey 2023, 64)
Angataho ny mpianatra hizara izay heveriny fa nampianarin’ny rain’i Rahalahy Camargo. Avy eo dia asao izy ireo hanoratra manodidina ilay teny nambara eny amin’ny solaitrabe izay olana, fanamby sy fitsapana ka mety ho sarotra ho azy ireo ny hahita vahaolana hamahana izany.
Afaka mamaly amin’ny feo mafy ny voalohany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra. Tena mety tsara ny manasa azy ireo hieritreritra am-pahanginana ny valinteniny amin’ny fanontaniana faharoa.
Saintsaino ireo fotoana mety nahatsapanao fa tsy nisy vahaolana azo namahana ny olana nolalovanao.
-
Inona avy ny zavatra mety hataon’ny olona iray raha miaina toe-javatra tahaka izany?
-
Inona ny zavatra ataonao mahazatra raha miaina toe-javatra toy izany?
Eo am-pandalinanao ny Eksodosy 14 androany dia mikatsaha fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hampitombo ny fanirianao hatoky ny Tompo eo am-piatrehanao na eo am-piomananao hiatrika ireo fanamby na fitsapana.
Ny zava-tsarotra nanjo ny Isiraelita
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny toe-javatra niainan’ny Isiraelita ao amin’ny Eksodosy 14, dia asehoy azy ireo na ampio izy ireo hahita ny toerana misy ny sarintany 2 ao amin’ny sarintany ao amin’ny Baiboly, hita ao amin’ny edisiona King James navoakan’ny Olomasin’ny Andro Farany. Eo ampizaranao ity andiam-pehezan-teny manaraka ity dia asao ny mpianatra hitady ny Pi-hahirota (#3) ao amin’ny sarintany.
Rehefa nandao an’i Egypta ny zanak’Isiraely dia nandidy an’i Mosesy ny Tompo hitondra azy ireo ho any Pi-hahirota (Eksodosy 14:2). Fotoana fohy taorian’ny namelana ny Isiraelita handeha dia takatr’ i Farao fa “voahidin’ny efitra” izy ireo (Eksodosy 14:3), koa dia nanamafy ny fony izy ary nanenjika azy.
Ny Filoha Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava izao manaraka izao mikasika ny toe-javatra nandalovan’ny Isiraelita.
[Tao] anatin’ny toe-javatra tena nahatsiravina ireo zanak’Isiraely. … Kalesy maro no taorian’izy ireo, dongom-pasika ny manodidina rehetra, ary rano be nanoloana azy ireo. … Teto dia tena hoe na velona na maty no zava-nisy niainana. (“Cast Not Away Therefore Your Confidence,” Ensign, Mar. 2000, 9)
Mba hanampiana ny mpianatra haka sary an-tsaina ity tantara ity dia azonao ato ny mampiseho azy ireo ity sarin’ny Ranomasina Mena manaraka ity. Asao izy ireo haka sary an-tsaina fa niaraka tamin’ny Isiraelita tamin’io fotoana io.
-
Inona no mety ho nataonao raha niaina izany toe-javatra izany?
Asao ny mpianatra hampitaha sy hampifanohitra ny zavatra nataon’ny Isiraelita sy izay nataon’i Mosesy tao anatin’ilay toe-javatra. Fahaizana manan-danja amin’ny fandalinana soratra masina ny fijerena ny fitoviana sy fahasamihafahana eo amin’ny olona, ny fampianarana ary ny zava-nitranga ao amin’ny soratra masina. Ny fanaovana ireo fampitahana ireo dia afaka manampy ny mpianatra hamantatra ireo fahamarinana manan-danja ao amin’ny filazantsara izay mety tsy ho hitany amin’ny fomba hafa. Azonao atao ny manazava fohifohy ny fahaizana mampitaha sy mampifanohitra. Entano ny mpianatra hanao fanazaran-tena amin’izany ao amin’ity sahanasa fandalinana manaraka ity.
Manaova tabilao kely iray ahitana tsanganana roa ao amin’ny diary fandalinanao. Omeo anarana hoe Isiraelita ny tsanganana iray ary Mosesy ilay iray hafa.
Vakio ny Eksodosy 14:10–14, dia tadiavo ny zavatra nolazain’ny Isiraelita sy izay nolazain’i Mosesy. Fintino ao amin’ny tsanganana tokony hisy azy ny zavatra hitanao.
-
Inona no nifantohan’ny Isiraelita tao anatin’ireo toe-javatra niainana ireo? Inona no nifantohan’i Mosesy?
-
Inona no tsikaritrao tamin’ny fampitahana izay nolazain’izy ireo?
-
Inona no ianaranaoavy amin’io tantara io ka mety hanampy anao amin’ireo olanao?
Ampio ny mpianatra hahita ity manaraka ity ao anatin’ireo fahamarinana mety ho zarain’izy ireo: Ny fifantohana amin’i Jesoa Kristy dia afaka mampitombo ny fanantenantsika ao anatin’ny olana sy ny fitsapana.
-
Inona no olana mety hitranga, araka ny hevitrao raha ny olana sy ny fitsapana lalovantsika ihany no ifantohantsika?
Fifantohana amin’i Kristy
Hevero ny hizara ny sisa tavela amin’ny teny nambaran-dRahalahy Camargo tany ampiandohan’ny lesona.
Nizara izao manaraka izao Rahalahy Camargo mikasika ny hery avy amin’ny fifantohana amin’i Jesoa Kristy:
Mazàna ny raiko no niteny tamiko hoe: “Aza diso mifantoka loatra amin’ny olanao fa manjary tsy afaka mahita ny vahaolana ianao.”
Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy Tompo no vahaolana na dia amin’ireo olantsika izay saro-bahana indrindra aza. (“Mifantoha amin’i Jesoa Kristy,” Liahona, mey 2023, 64)
-
Nahoana araka ny hevitrao no manampy ny mifantoka amin’i Jesoa Kristy rehefa mahatsapa ho voahodidina na voafandriky ny olana na ny fitsapana isika?
Mba hanehoana ny zavatra nampianarin-dRahalahy Camargo dia asao ny mpianatra hampifantoka ny sain’izy ireo amin’ireo olana nosoratany teny amin’ny solaitrabe aloha. Asao izy ireo hifantoka amin’ireo olana ireo mandritra ny 30 segondra. Avy eo dia angataho izy ireo hisaintsaina izay zavatra tsapany.
Avy eo dia apetraho eny aloha ao an-dakilasy ny sarin’i Jesoa Kristy. Asao ny mpianatra hampifantoka fotsiny ny sain’izy ireo amin’ny heriny sy ny fitiavany mandritra ny 30 segondra. Asao ny mpianatra mba hanoratra ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany.
-
Inona no mety ho fahasamihafana tsikaritrareo rehefa mifantoka amin’i Jesoa Kristy sy ny heriny mihoatra noho ny fifantohanareo amin’ireo olana lalovanareo ianareo?
Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto ary tsinjarao hiaraka tsiroaroa na anaty vondrona kely ny mpianatra. Asao izy ireo hisafidy roa na telo amin’ireo olana eny amin’ny solaitrabe ary hifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana ireo.
-
Amin’ny fomba ahoana no mety ahatonga an’i Jesoa Kristy ho vahaolana amin’ireo olana, fanamby na fitsapana izay nosafidianareo?
-
Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny olona iray miasa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy mandritra izany olana, fanamby na fitsapana manokana izany?
Asao ny mpianatra izay vonona mba hizara izay zavatra nianarany na tsapany.
Ny hery lehiben’ny Tompo
Hevero ny hanasa ny mpianatra hamaky samirery ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto na miaraka amin’ny namany. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny manao sary ny zavatra novakiny ao amin’ny diary fandalinany.
Raha mahasoa ny mpianatrao dia azonao atao ny manasa ny maromaro amin’izy ireo mba hilalao an-tsehatra vetivety ny andininy 19–22. Azonao atao ohatra ny mamorona sakana kely azo esorina na sarahina ka ahafahan’ny mpianatra mandalo eo.
ChurchofJesusChrist.org
Vakio ny Eksodosy 14:15–31, dia tadiavo ny fomba nentin’ny Tompo niady sy nanafaka ny Isiraelita.
-
Inona no manentana ny fanahinao momba ity tantara ity?
-
Inona no hitanao tao ka manampy anao hametraka ny fitokisanao amin’ny Tompo?
Tanjaka ho an’ny tena manokana sy fanafahana
Mety ho sarotra amin’ny mpianatra ny mamaly ity fanontaniana manaraka ity amin’ny voalohany. Ny fihainoan’izy ireo ny zavatra niainan’ny hafa dia afaka manampy azy ireo hieritreritra ny azy ihany koa. Azonao atao ny mizara ny zavatra niainanao na niainan’ny olona fantatrao ka mety hanampy amin’ny famaliana ilay fanontaniana.
ChurchofJesusChrist.org
-
Ahoana no nanampian’ny fifantohana tamin’i Jesoa Kristy anao na ny olona fantatrao rehefa nandalo olana na fitsapana?
Ampio ny mpianatra hahita fa indraindray isika dia mety tsy hahazo fanafahana aminireo olana amin’ny fomba izay andrasantsika. Na izany aza anefa, ny fifantohana amin’i Jesoa Kristy dia afaka manampy antsika hahazo fanantenana sy hery na inona na inona atrehintsika.
Hevero ny hamarana ny lesona amin’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy sy ny maha-zava-dehibe ny fifantohana Aminy ao anatin’ny fitsapana lalovantsika. Hevero ny hampiditra ilay teny nambara etsy ambany ao anatin’ny fijoroanao ho vavolombelona.
Nijoro ho vavolombelona Rahalahy Camargo fa afaka manampy antsika ny mpamonjy:
Velona ny Tompo Jesoa Kristy amin’izao fotoana izao. Afaka ny ho eo amin’ny fiainantsika foana sy isan’andro Izy. Izy no vahaolana amin’ireo olantsika, kanefa mila mijery ambony sy manandratra ny masontsika isika mba hahita Azy. Hoy Izy, “Banjino aho amin’ny saina rehetra, aza manahy ary aza matahotra” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36]. (“Mifantoha amin’i Jesoa Kristy,” Liahona, mey 2023, 67)