Seminera
Eksodosy 16: Hanina sahaza isan’andro


“Eksodosy 16: Hanina sahaza isan’andro,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Eksodosy 16: Hanina sahaza,isan’andro,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Eksodosy 14–18: Lesona 47

Eksodosy 16

Hanina sahaza isan’andro

Israelites at gathering of manna

Taorian’ny nanavotan’ny Tompo ny vahoakany avy tany Egypta dia niatrika olana vaovao sy fahafahana hivoatra izy ireo. Tsy afaka niantehitra tamin’ny Egyptiana intsony ny Isiraelita mba hamatsy izay nilaina toy ny sakafo sy rano. Nila nianatra niantehitra tamin’ny Tompo izy ireo tamin’ny zavatra nilain’izy ireo isan’andro. Afaka manampy ny mpianatra hiantehitra amin’ny Tompo isan’andro ity lesona ity.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitady ny porofon’ny herin’ny Tompo eo amin’ny fiainan’izy ireo ao anelanelan’izao fotoana izao sy ny fotoam-pianarana manaraka. Amporisiho izy ireo haka fotoana ao anatin’ny vavaka ataon’izy ireo manokana na miaraka amin’ny fianakaviany mba hisaotra ny Ray any An-danitra noho ny fanampiany.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny filàna ara-tsakafo isan’andro

Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra momba ireo zavatra ilain’ny vatantsika isan’andro. Ohatra, azonao atao ny mampiseho mofo vitsivitsy. Manasà mpianatra iray izay noana mba hijoro eny alohan’ny mpianatra rehetra ka hihinana amin’ilay mofo. Rehefa mihinana ilay mpianatra dia apetraho aminy ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Oviana ianao no nisakafo farany?

  • Raha vao haingana ianao no nisakafo dia nahoana ianao no noana amin’izao?

  • Fa maninona isika no tsy maintsy misakafo isan’andro?

Nampitaha ny famahanana ny vatantsika amin’ny fikarakarana ny fanahintsika ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Portrait of Elder D. Todd Christofferson.  Photographed in March 2020.

Samy miaiky avokoa isika fa ilaina ny sakafo ho an’ny vatana. Mampahatsiahy antsika mafy ny hanoanana sy ny hetaheta raha toa ka manadino izany isika. Fa mafy mitovy amin’izany koa ny filàn’ny fanahy sakafo. (“Le pain quotidien: Modèle,” Médiathèque de l’Évangile)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny filàna mamahana ny fanahintsika tahaka ny fikarakarana ny vatantsika?

  • Nahoana no mety ho mora ny manadino ireo zavatra ilaintsika ara-panahy?

Makà fotoana hisaintsainana ireto fanontaniana manaraka ireto. Hevero ny hirakitra ireo eritreritrao ao anatin’ny diary fandalinanao:

  • Mahatsapa faniriana hikarakara ny fanahinao isan’andro toy ny ataonao ho an’ny vatanao ve ianao? Nahoana no eny, na nahoana no tsia?

  • Inona no tsapanao fa tian’ny Ray any An-danitra ataonao isan’andro mba hikarakarana ny fanahinao?

Mikatsaha fitaomam-panahy hahafantarana ny zavatra azonao atao hatrany, na ny zavatra azonao ovaina, mba hamatsiana ny fanahinao amin’ny hery izay ilainy isan’andro avy amin’ny Tompo.

Miantehitra amin’ny Tompo isan’andro

Taorian’ny niampitana ny Ranomasina Mena, ny Isiraelita dia “nino an’i Jehovah sy Mosesy mpanompony” (Eksodosy 14:31). Nihira sy nandihy izy ireo mba hidera ny Tompo noho ny nanafahany azy ireo (jereo ny Eksodosy 15:1–21). Tsy naharitra ela anefa ny fideran’ny Isiraelita ny Tompo. Nandritra ny fotoana nitarihan’i Mosesy azy ireo hankany amin’ny Tendrombohitra Sinay dia niatrika olana maro isan-karazany izy ireo, ary nosedraina ny finoan’izy ireo.

Vakio ny Eksodosy 16:2–4, 11–15, hitadiavana ny fomba namatsian’ny Tompo ny zavatra nilain’ireo Isiraelita.

  • Inona no hitanao?

Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika ny teny hoe “mana” ao amin’ny Eksodosy 16:15 ary hampifandray na hampifandrohy izany amin’ny Jaona 6:47–51.

Vakio ny Jaona 6:31–35, 47–51, hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Jesoa momba ny mana.

  • Inona no itovizan’ny mana amin’i Jesoa Kristy?

  • Ahoana no maha-tsara lavitra ny zavatra atolotr’i Jesoa antsika raha ampitahaina amin’ny mana?

sary famantarana ny seminera Amporisiho ny mpianatra hifantoka amin’i Jesoa Kristy rehefa mandalina momba ny mana. Fomba iray hanaovana izany ny manome ireo mpianatra ilay taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe: “Mofo avy any an-danitra.” Azon’ny mpianatra atao ny mameno samirery ny taratasy zaraina na mameno izany ao anatina vondrona kely.

Ho solon’izany dia azonao atao koa ny manasa vondrona maromaro ahitana mpianatra vitsivitsy hamaky ny Eksodosy 16:14–31, 35 ary hamorona andiam-panontaniana momba ny mana. Azon’izy ireo atao ny manoratra fanontaniana 3–4 izay azo valiana amin’ny alalan’ny famakiana ireo andinin-tsoratra masina. Avy eo dia azon’ny vondrona atao ny mifanakalo ireo andiam-panontaniana amin’ny vondrona iray hafa.

Zarao ny valiny marina rehefa nahavita ireo mpianatra: 1. Marina; 2. Diso; 3. Diso; 4. Marina; 5. Marina; 6. Diso; 7. Marina; 8. Diso.

  • Ahoana no mety hifandraisan’ireo antsipiriany momba ny mana ireo amin’ny filantsika sakafo ara-panahy?

  • Inona no azon’ireo antsipiriany momba ny mana ireo ampianarina anao momba ny fandraisana ny sakafo ara-panahy avy amin’i Jesoa Kristy?

Mety nahita fahamarinana sarobidy maro ireo mpianatra. Azon’izy ireo atao ny mizara ny antony ahatsapan’izy ireo fa manan-danja ireo fahamarinana hitan’izy ireo. Azonao atao ihany koa ny mametraka fanontaniana hafa fanaraha-maso ny fahatakarana. Hifantoka amin’ity fahamarinana manaraka ity ny ambin’ity lesona ity: rehefa miantehitra amin’ny Tompo isan’andro isika dia hanome antsika ny sakafo ara-panahy ilaintsika Izy. (Fanamarihana: Hisaintsaina ny fanirian’izy ireo hiantehitra amin’ny Tompo ny mpianatra ao amin’ny Lesona 55: “Tombano ny fianaranao 3.” Raha mahatsapa ianao fa voasarika hifantoka amin’ny fahamarinana hafa ho an’ny ambin’ity lesona ity, dia ataovy izay hanaovana fampifanarahana mifandray amin’izany rehefa mampianatra ny Lesona 55 ianao.)

Azonao atao ny mizara ity teny nambara manaraka ity mba hampitomboana ny fahatakaran’ny mpianatra ny filantsika an’i Jesoa Kristy isan’andro, na jereo ny “Le pain quotidien: Modèle” (2:51), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

2:52

Niresaka momba ny filantsika sakafo ara-panahy isan’andro avy amin’ny Tompo ny Loholona Christofferson:

Portrait of Elder D. Todd Christofferson.  Photographed in March 2020.

Tsy tokony hieritreritra isika hoe afaka ny ho velona herinandro sy volana maromaro tsy misy sakafo ara-panahy sy tsy hijaly, ary tsy hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny fiainantsika ara-panahy izany. Manampy antsika hanana herim-po misimisy kokoa hanao ny tsara sy hanompo ny hafa, mihoatra noho izay mety ho ananantsika raha toa ka tsy niraharaha an’ Andriamanitra isika, ny fanekena ny fisian’ny filantsika ny fivokisana ara-panahy, na mana isan’andro. (“Le pain quotidien: Modèle,” Médiathèque de l’Évangile)

  • Nahoana no tsara kokoa noho ireo traikefa ara-panahy mahery vaika sy tsindraindray ny fianteherana amin’ny Tompo isan’andro?

Hanina sahaza isan’andro

Omeo ireto torolalana manaraka ireto. Azon’ny mpianatra atao ny mitady ireo teny nambaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fikarohana teny na andian-teny toy ny hoe “isan’andro” na “andavanandro” ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile ankoatra ireo andalan-tsoratra masina aroso.

Asio anarana hoe “Mofo isan’andro: Jesoa Kristy” ny pejy iray ao amin’ny diary fandalinanao. Manaova sarina mofo dipaina eo afovoan’ilay pejy. Halalino ireto soratra masina manaraka ireto, hitadiavana ireo zavatra azontsika atao isan’andro mba hianteherana amin’ny Tompo sy handraisana sakafo ara-panahy. Soraty manodidina ny sarina mofo dipaina nataonao ny zavatra hitanao.

  • Deoteronomia 8:3

  • 1 Nefia 17:3

  • 2 Nefia 32:3

  • Almà 37:36–37

    Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny zavatra hitany amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy ireto manaraka ireto. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hanampy ireo hevitra ao amin’ny diary fandalinany rehefa mianatra avy amin’ny mpiara-mianatra aminy izy ireo.

  • Iza amin’ireo zavatra natao ireo no nanampy anao hanasa an’i Jesoa Kristy, ilay Mofon’aina eo amin’ny fiainanao isan’andro? Ahoana no namahanany na nampatanjahany anao vokatr’izany?

  • Inona avy ireo zavatra hafa ezahinao atao isan’andro mba hianteherana amin’ny Tompo ankoatra ny zavatra hitanao tao amin’ny soratra masina?

  • Inona no holazainao amin’ny olona izay mahatsapa fa tsy mila manao ireo zavatra ireo izy ireo?

Hevero ny hihira fihirana iray miaraka amin’ny iray kilasy momba ny filantsika ny Tompo raha mbola misy ny fotoana, toy ny “Mila Anao aho” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 23). Azon’ny mpianatra atao ny mizara ireo andalana izay manan-danja amin’izy ireo avy ao amin’ilay hira.

Jereo ilay lisitra izay nosoratanao manodidina ilay mofo dipaina ao anatin’ny diary fandalinanao. Ataovy anaty faribolana ny hevitra iray na roa izay tsapanao fa tian’ny Tompo hatombokao hatao na hataonao amin’ny fomba hafa mba hianteherana tsara kokoa Aminy isan’andro. Dia valio izao manaraka izao avy eo:

  • Oviana ary aiza no hanaovanao izany zavatra izany isan’andro?

  • Inona avy ireo olana hilainao resena mba hahatonga io fahazarana io ho isan’ny zavatra fanaonao isan’andro? Ahoana no hahafahanao mandresy ireo olana ireo?

  • Ahoana, araka ny eritreritrao, no ahafahan’ny fanaovana izany isan’andro hisy fiantraikany eo amin’ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa mandeha ny fotoana?

Farano ny lesona amin’ny fizarana ireo eritreritra sy fahatsapanao momba ny filantsika miantehitra amin’ny Tompo isan’andro. Mitadiava fotoana amin’ny lesona manaraka mba hanarahana maso ny ezaka ataon’ny mpianatra. Azonao atao ihany koa ny manome an’ireo mpianatrao fampahalalana vaovao matetika mahakasika ny ezaka ataonao isan’andro mba hiantehitra amin’ny Tompo.