“Eksodosy 15; 17: Famantarana ireo fahamarinana avy amin’Andriamanitra ao amin’ny soratra masina” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Eksodosy 15; 17: Famantarana ireo fahamarinana avy amin’Andriamanitra ao amin’ny soratra masina,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Eksodosy 14–18: Lesona 46
Eksodosy 15; 17
Famantarana ireo fahamarinana avy amin’Andriamanitra ao amin’ny soratra masina
Matetika Andriamanitra no mampiasa zavatra iainana ara-batana mba hampianarana lesona manan-danja ara-panahy. Nampiasain’Andriamanitra ohatra ny filan’ny Isiraelita rano sy fanampiana tamin’ny ady mba hampianarana azy ireo sy isika. Amin’ny alalan’ny fanaovana fampiharana sy ny fitarihan’ny Fanahy no ahafahantsika mianatra mamantatra sy mampihatra fahamarinana ara-panahy ao amin’ny tantara ao amin’ny soratra masina eo amin’ny fiainantsika. Afaka manampy ny mpianatra hizatra hamantatra ireo fahamarinana avy amin’Andriamanitra ao amin’ny tantara ao amin’ny soratra masina sy hampifandray ireo fahamarinana ireo amin’ny fiainany ity lesona ity.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo tantara nohalalinin’izy ireo tao amin’ny Testamenta Taloha sy ny Voahangy Lafo Vidy hatreto tamin’ity fe-potoam-pianarana ity. Angataho izy ireo mba ho tonga ao an-dakilasy efa vonona hizara ny fomba hamenoan’izy ireo ity fehezan-teny manaraka ity: “Tiako ilay tantaran’ satria mampianatra ahy izany fa .”
Sahanasa fianarana azo atao
Mitady fahamarinana ao amin’ny filazantsara ao amin’ny soratra masina
Hanana fahafahana hitady sy hizara fahamarinana ao amin’ny filazantsara isan-karazany ny mpianatra ao anatin’ity lesona ity. Tsara ny mampahatsiahy ny mpianatra fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy no loharanon’ny fahamarinana rehetra ao amin’ny filazantsara. Hazavao fa ny fianarana ny fomba hahitana sy hampiharana ny fahamarinana ao amin’ny filazantsara dia afaka manampy antsika hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Mba hanombohana ny lesona dia anontanio ny mpianatra ny fomba hamenoany ny banga ao amin’ny fehezan-teny etsy ambany. Raha hanampy ny fampahatsiahivana amin’ny alalan’ny fahitana ny sasany amin’ireo tantara izay nianaranao dia azonao atao ny mampiseho sary toa ireo eo ambany ireo. Na asao ny mpianatra hijery sary ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], izay hita ao amin’ny Médiathèque de l’Événgile eo ambanin’ny “Horonan-tsary sy Sary.”
Fenoy amin’ny tantara ao amin’ny soratra masina izay tianao ity fehezan-teny manaraka ity:
“Tiako ny tantara momba ny satria mampianatra ahy izany fa .”
Rehefa mizara amin’ny iray kilasy ireo izay manolotena hanao izany dia afaka manoratra ireo fahamarinana hitany eny amin’ny solaitrabe izy ireo. Azo lazaina amin’ny endrika fotopampianarana ireo fahamarinana zarain’izy ireo, toy ny hoe “Zanak’Andriamanitra isika” (jereo Mosesy 1:1–7). Na azo lazaina amin’ny endrika fitsipika azo ampiharina izany, toy ny hoe “Raha vonona ny hotarihin’Andriamanitra isika dia hampitombo ny fahaizantsika manatanteraka ny asany Izy” (jereo Mosesy 6:31–36). Azonao atao ihany koa ny mangataka ireo mpianatra izay mizara hevitra mba hanazava ny antony maha-zava-dehibe eo amin’ny fiainan’izy ireo ny fahamarinana nosoratany.
Amin’ny maha mpampianatra anao dia ezaho ny tsy hanome ny valinteninao manokana amin’ny fanehoan-kevitry ny mpianatra tsirairay. Mety hanampy ny mangataka ny kilasy hizara ny zavatra nianarany avy amin’ny fanehoan-kevitra nataon’ny mpianatra hafa. Izany dia afaka manampy ny mpianatra hamantatra ny eritreriny manokana sy ny zavatra tsapany amin’ny alalan’ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Raha mila fampiofanana fanampiny momba izany dia jereo ny “Ampio ny mpianatra mba ho tompon’andraikitra amin’ny fianarana ataony” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra [2022].
Rehefa mizara ny mpianatra dia azonao atao ny mampahafantatra fa misy fahasamihafana lehibe eo amin’ny fitiavana tantara ao amin’ny soratra masina sy ny fitadiavana fahamarinana manan-danja avy amin’Andriamanitra ao amin’ilay tantara. Hazavao fa rehefa mikatsaka amim-bavaka ny fitarihan’ny Fanahy amin’ny fandalinany soratra masina izy ireo dia hanampy azy ireo hahita fahamarinana izay manan-danja indrindra amin’izy ireo ny Ray any An-danitra.
Rehefa vita ny fizarana hevitra ataon’ny mpianatra dia asao izy ireo hisaintsaina ny ezaka nataony mba hamantarana ireo fahamarinana tao anatin’ny fandalinany soratra masina manokana. Azonao ampiasaina ireto teny famporisihana manaraka ireto.
Raketo an-tsoratra ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valinteninao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.
-
Manampy anao hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ve ny fandalinana soratra masina manokana ataonao? Nahoana raha eny na nahoana raha tsia?
-
Impiry ianao no miato mandritra ny fandalinanao soratra masina mba hitadiavana fahamarinana izay tsapanao fa tian’ny Ray any An-danitra hifantohanao?
-
Moa ve ianao mikatsaka ny hahatakatra ny fomba ampiharana ireo tantara ao amin’ny soratra masina eo amin’ny fiainanao?
Rehefa mandalina ny tantara ao amin’ny Eksodosy 15 sy 17 ianao androany, dia henoy tsara ny eritreritra sy fahatsapana nentanin’ny Fanahy tonga ao aminao. Mikatsaha fahatsapana afaka manampy anao hahazo tombony kokoa avy amin’ny fandalinanao manokana ny soratra masina.
Famantarana ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara avy amin’ny Eksodosy 15, 17
Hanana fahafahana hamantatra sy hitady fahamarinana manan-danja ao amin’ilay tantara miresaka ny Tompo niahy ny Isiraelita tany an’efitra ny mpianatra ao anatin’ny fizarana amin’ny lesona ity.
Hevero ny hizara ireo mpianatra mba ho lasa olon-droa mpiara-miasa. Zarao hitovy ny isan’ny mpiara-miasa omena andraikitra handalina ireo tantara ao amin’ilay taratasy zaraina. Azonao ampiarahana manao izany ny mpianatra efa manana traikefa amin’ny fianarana soratra masina sy ny mpianatra tsy dia mbola manana traikefa firy.
Ataovy ampy tsara ny fotoana omena ireo mpiara-miasa mba hanaovana fifanakalozan-kevitra sy hiomanana. Afaka mivezivezy ianao ary manampy ny mpianatra izay mila tari-dalana fanampiny manokana.
Rehefa ampy ny fotoana nandalinana sy nifanakalozana hevitra ary niomanana, dia omeo fahafahana hizara izay nianarany ireo mpiara-miasa. Ireto misy fomba azon’ny mpianatra ampiasaina hizarana arakaraka ny fotoana ananana:
-
Mizara hevitra amina olon-droa mpiara-miasa iray izay nandalina tantara hafa ny olon-droa mpiara-miasa tsirairay avy. Avy eo izy ireo dia mifamadika indray mandeha mba hizara amin’ny mpiara-miasa hafa izay nandalina ny ambin’ilay tantara.
-
Mivondrona aloha ireo olon-droa mpiara-miasa dia mifampizara hevitra amin’ireo hafa izay nandalina tantara mitovy amin’ny azy. (Afaka manome hevi-baovao fanampiny ho an’ny mpianatra mikasika ny tantara nasaina niandraiketany izany.) Avy eo dia miaraka daholo indray ny mpianatra ary mifampizara hevitra ao anatina vondrona ahitana olona enina, ka samy nandalina tantara samy hafa daholo ny mpiara-miasa tsirairay avy ao anatin’izany.
-
Mifandimby mizara izay nomaniny amin’ny iray kilasy ireo mpiara-miasa.
Mampifanaraka ny lesona amin’izay ilain’ilay tsirairay
Mba hamaranana ny lesona dia azonao atao ny mampiasa famporisihana hisaintsaina tahaka ity manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hampifanaraka ny zavatra nianarany amin’izay ilain’ny tenany.
Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ny eritreritrao momba ireto manaraka ireto:
-
Inona no tsapanao fa tian’ny Ray any An-danitra hotsaroanao avy amin’ity lesona ity? Nahoana?
-
Aahoana no ahafahanao mampiasa ny fahaiza-manao amin’ny famantarana ireo fahamarinana avy amin’ireo tantara ao amin’ny soratra masina mandritra ny fandalinanao manokana ny soratra masina? Inona no mety ho fiantraikan’ny fampiasana izany fahaiza-manao izany amin’ny traikefanao amin’ny soratra masina?
Azonao atao ny manasa izay vonona hanolotena hizara ny ampahany amin’izay nosoratany tao amin’ny diary fandalinany soratra masina.
Hevero ihany koa ny hitady totoana ao amin’ny lesona manaraka mba hanasana ny mpianatra hizara ireo fahamarinana izay nianarany avy amin’ny fandalilnany manokana ny soratra masina.