“Eksodosy 19–20; 24; 31–34: Topimaso ankapobeny”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Eksodosy 19–20; 24; 31–34: Topimaso ankapobeny”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Eksodosy 19–20; 24; 31–34
Eksodosy 19–20; 24; 31–34
Topimaso ankapobeny
Rehefa avy nanafaka ny Isiraelita avy tany Egypta i Jehovah dia nitondra azy ireo tany amin’ny Tendrombohitra Sinay. Tao Izy no nanasa azy ireo hanao fanekempihavanana Aminy mba ho lasa “firenena masina” (Eksodosy 19:6). Nandeha niakatra tany an-tendrombohitra i Mosesy mba handray ny tenin’ny Tompo ho an’ny vahoaka. Nanambara ny Didy Folo ny Tompo ary nampanantena ny hankatò ny vahoaka. Niverina tany an-tendrombohitra i Mosesy mba handray torolalana misimisy kokoa. Raha mbola teny an-tendrombohitra izy dia nandika ny fanekempihavanan’izy ireo tamin’ny Tompo ny sasany tamin’ireo Isiraelita tamin’ny alalan’ny fanamboarana sy ny fitsaohana ombilahy kely volamena. Niverina i Mosesy ary niteny mafy ny vahoaka noho ny faharatsian’izy ireo. Rehefa avy niaritra ireo vokatry ny fandikana ny fanekempihavanan’izy ireo ny Isiraelita dia nampahatsiahy azy ireo ny Tompo fa marina sy be famindram-po ary mahari-po Izy.
Ampio ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindrampony eo amin’ny fiainan’izy ireo. Tsy hoe mila mahafantatra momba ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindram-pony fotsiny isika, fa mila miaina izany ihany koa. Rehefa mampianatra ianao dia mitadiava fahafahana hanampiana ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindram-pony. Ampio izy ireo hamantatra ohatra ao amin’ny soratra masina sy ireo zavatra niainany teo amin’ny fiainan’izy ireo manokana. Ny fampifantohana ny mpianatra amin’ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindram-pony dia hanampy azy ireo hahatakatra sy hahatsapa ny fomba ahafahan’ny Tompo mitahy sy manampy azy ireo. Ahitana ohatra iray amin’ny fomba hanaovana izany ao amin’ny Lesona 51: “Eksodosy 24; 31–34”. Mba hahalalana misimisy kokoa dia jereo ny “Ampio ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindram-pony eo amin’ny fiainan’izy ireo” ( Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022], 8).
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay:
Eksodosy 19
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatsapa ny fanirian’ Andriamanitra hanana fifandraisana ao amin’ny fanekempihavanana amin’izy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra mahatonga ny fifandraisana ho manan-danja na zava-dehibe. Afaka mieritreritra olona iray izay ananany fifandraisana manan-danja izy ireo, ary afaka mitondra ny sarin’io olona io izy ireo mba hozaraina any am-piandohan’ny fotoam-pianarana.
-
Zavatra haseho: Sarin’olona iray izay manana fifandraisana manan-danja aminao, toy ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na ny mpanoro hevitra iray
Eksodosy 20:1–11
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hitia sy hanome voninahitra an’ Andriamanitra mihoatra ny zavatra hafa rehetra.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitanisa ny sasany amin’ireo didin’ Andriamanitra. Asao izy ireo hifanakalo hevitra amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na amin’ny namana iray ny fomba nanampian’ireo didy notanisain’izy ireo azy ireo haneho ny fitiavany an’ Andriamanitra sy hametraka Azy ho lohalaharana eo amin’ny fiainan’izy ireo.
-
Taratasy zaraina: “Ireo didy izay manampy antsika hitia an’ Andriamanitra sy hametraka Azy ho lohalaharana”
Eksodosy 20:12–17
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatakatra ireo fomba hitandremana ireo didy izay hanampy azy ireo hitia an’ Andriamanitra sy ny namany.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitsapa ny fahalalany ny Didy Folo. Azon’izy ireo atao ny manao lisitra azy ireo na manao tsianjery am-bava izany.
-
Fitaovana ho an’ny mpianatra: Tahadikan’ny Ho Zatovo Mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (2022)
-
taratasy zaraina: “Ireo didy izay manampy antsika hitia ny namantsika”
Eksodosy 24; 32–34
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatakatra fa ny Tompo dia marina, be famindram-po ary mahari-po.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba nahitan’izy ireo ny fahamarinan’ny Tompo sy ny fitiavany ary ny fahari-pony (faharetana) teo amin’ny fiainan’izy ireo. Azonao atao ny manasa azy ireo hiresaka amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na ny namana iray mikasika ny fomba hiarahan’ny fahamarinan’ny Tompo sy ny famindram-pony miasa mba hitahiana ny zanany rehetra.
-
Sary: Sarin’ny Mpamonjy anankiray
-
Horonan-tsary: “Aoka ianareo ho mahatoky eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny asany” (13:53) manomboka eo amin’ny minitra faha-11:05 hatramin’ny faha-11:42