“Eksodosy 19: -Rakitra soa ho Ahy-”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Eksodosy 19: -Rakitra soa ho Ahy-”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Eksodosy 19–20; 24; 31–34: Lesona 48
Eksodosy 19
“Rakitra soa ho Ahy”
Tia ny zanany rehetra ny Ray any An-danitra ary maniry ny hanana fifandraisana ao amin’ny fanekempihavanana amintsika tsirairay avy Izy. Ny famantarana ny zavatra tsapany momba ny Isiraelita dia afaka manampy antsika hahatakatra ny zavatra tsapany momba antsika. Rehefa avy nitarika ny zanak’ Isiraely hiala tao Egypta ny Tompo dia nentin’ny Tompo tany an-tendrombohitra Sinay izy ireo mba hanao fanekempihavanana Taminy. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa ao am-pon’izy ireo ny fanirian’ Andriamanitra hanana fifandraisana ao amin’ny fanekempihavanana amin’izy ireo.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra mahatonga ny fifandraisana ho manan-danja na zava-dehibe. Afaka mieritreritra olona iray izay ananany fifandraisana manan-danja izy ireo, ary afaka mitondra ny sarin’io olona io izy ireo mba hozaraina any am-piandohan’ny fotoam-pianarana.
Sahanasa fianarana azo atao
Fifandraisana miavaka
Hevero ny hampiseho sarin’olona iray izay manana fifandraisana manan-danja aminao, toy ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na ny mpanoro hevitra iray. Zarao ny antony maha-zava-dehibe aminao ny fifandraisanao amin’io olona io. Asao ny mpianatra hieritreritra olona iray manan-danja eo amin’ny fiainan’izy ireo. Raha nitondra sary tao an-dakilasy ny mpianatra dia azon’izy ireo atao ny mizara izany amin’izao fotoana izao.
-
Inona no mahatonga ny fifandraisanao amin’io olona io ho manan-danja?
Asao ireo mpianatra hisaintsaina ombam-bavaka ireto fanontaniana manaraka ireto: Asao izy ireo hirakitra an-tsoratra ny eritreriny sy ireo zavatra tsapany ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.
-
Hatraiza ny maha-zava-dehibe aminao ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
-
Inona no maha samy hafa ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ireo fifandraisana hafa anananao?
-
Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no mety hiovan’ny fiainanao rehefa manamafy orina hatrany ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ianao?
Mikatsaha fitarihana avy amin’ny Fanahy mba hahatakarana ny zavatra azonao atao mba hanamafisana orina ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
“Rakitra soa ho Ahy”
Taorian’ny nandaozan’ny zanak’ Isiraely an’i Egypta dia nitarika azy ireo ho any amin’ny Tendrombohitra Sinay ny Tompo (indraindray ny soratra masina dia manondro ny Tendrombohitra Sinay ho ny Tendrombohitra Horeba; jereo ny Eksodosy 3:1), araka ny nampanantenainy (jereo ny Eksodosy 3:7–12; 19:1–4). Ho an’i Mosesy sy ny zanak’ Isiraely dia toy ny tempoly ny Tendrombohitra Sinay: toerana izay hanaovan’izy ireo fanekempihavanana amin’ Andriamanitra.
Vakio ny Eksodosy 19:3–6, dia tadiavo ireo teny sy andian-teny izay mampianatra momba ny karazana fifandraisana tian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy hananana amintsika.
-
Inona no hitanao?
Nohazavain’ny Filoha Russell M. Nelson ny dikan’ny hoe ho “rakitra soa” an’ Andriamanitra (andininy 5):
Ao amin’ny Testamenta Taloha, ny teny hebreo izay niavian’ny dikan’ny hoe soa dia ny hoe segullah, izay midika hoe “fananana sarobidy,” na “harena sarobidy.” …
Hitantsika amin’izany fa ny teny ao amin’ny soratra masina hoe miavaka dia midika hoe “harena sarobidy”, “natao” na “nosafidian’ Andriamanitra.” Ho antsika, ny maha-mpanompon’ny Tompo antsika miavaka dia dera faran’izay avo. (“Children of the Covenant,” Ensign,, May 1995, 34)
Mba hanampiana ny mpianatra hamantatra fitsipika iray dia azonao atao ny mampahafantatra ireo teny hoe raha sy dia ao amin’ny andininy 5.
-
Inona avy ireo fitsipika hitanao avy amin’ireo andininy ireo?
Mety hahita fitsipika isan-karazany ny mpianatra, anisan’izany ny hoe raha mankatò ny feon’ny Tompo isika ary mitandrina ny fanekempihavanana nataontsika Taminy dia ho lasa vahoakany masina.
Nampianatra momba ny fifandraisana ao amin’ny fanekempihavanana izay azontsika ananana amin’ Andriamanitra ny Filoha Russell M. Nelson:
Rehefa manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra izaho sy ianao, ny fifandraisantsika Aminy dia lasa tena akaiky kokoa noho ny talohan’ny fanekempihavanantsika. Mifamatotra isika izao. Noho ny fanekempihavanantsika amin’ Andriamanitra, dia tsy ho reraka mihitsy Izy amin’ny ezaka ataony hanampiana antsika, ary tsy ho lany mihitsy ny faharetany feno famindram-po amintsika. Samy manana anjara toerana manokana ao am-pon’ Andriamanitra isika tsirairay avy. Avo dia avo ny fanantenany ho antsika. (Russell M. Nelson, “Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay”, Liahona, ôkt. 2022, 6).
-
Inona no nanan-danja taminao avy amin’io fanambarana io?
Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto, dia tadiavo ny porofo fa te hanana fifandraisana ao amin’ny fanekempihavanana aminao Andriamanitra. Azonao atao ny mampifandrohy na mampifandray ireo andininy ireo amin’ny Eksodosy 19:5–6.
Matio 11:28–30
Titosy 2:11–14
1 Petera 1:15–16
Asao ny mpianatra hizara teny na andian-teny avy amin’ireo andininy ireo izay mampiseho fa te hanana fifandraisana ao amin’ny fanekempihavanana amintsika Andriamanitra. Mety hilaza ny mpianatra fa manasa antsika hanatona Azy ny Mpamonjy mba hahafahany manampy antsika sy manome antsika fitsaharana (jereo ny Matio 11:28–30). Mety hilaza izy ireo fa nanolotra ny Tenany ny Mpamonjy mba hanavotra sy hanadio antsika amin’ny maha-vahoaka soany antsika (jereo ny Titosy 2:14) na hoe afaka ny ho masina isika satria masina ny Mpamonjy (jereo ny 1 Petera 1:16).
Ny fifandraisako amin’ Andriamanitra
Mba hanomanana ny mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo dia azonao atao ny mizara ireo fomba nahatsapanao fa te hanana fifandraisana ao amin’ny fanekempihavanana aminao Andriamanitra. Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra niainan’izy ireo manokana rehefa mizara ianao.
Azonao atao ihany koa ny milaza porofo hafa manamarina fa te hanana fifandraisana ao amin’ny fanekempihavanana amintsika Andriamanitra. Anisan’ireo ohatra ireo ny fahatsapana ny fitiavan’ Andriamanitra na ny fandraisana fahatsapana ara-panahy izay mamporisika antsika hanao ny tsara sy ho lasa tsaratsara kokoa.
Eritrereto izay fahatsapana voarainao avy amin’ny Fanahy, ary valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny iray na ny maromaro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no nianaranao na tsapanao ka manampy anao haniry hanao sy hitandrina fanekempihavanana amin’ Andriamanitra?
-
Rehefa fantatrao fa te hifandray akaiky aminao ao amin’ny fanekempihavanana Andriamanitra dia inona no fiantraikan’izany eo amin’ny fanirianao hanatona Azy kokoa?
-
Ahoana no nitahian’ Andriamanitra anao noho ny fiezahana hitandrina ireo fanekempihavanana izay nataonao Taminy?
Rehefa avy nomena fotoana ampy dia asao ny mpianatra izay vonona mba hizara ny eritreritr’izy ireo sy ny fahatsapany amin’ny iray kilasy. Hevero ny hizara ny fomba nitahian’ Andriamanitra anao noho ny nanaovanao sy nitandremanao fanekempihavanana Taminy.
Miomana hanao fanekempihavanana ny Isiraelita
Ity famintinana manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny zavatra nataon’i Isiraely mba hiomanana hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra. Azonao atao ny milaza fa taorian’izany dia nanambara ny Didy Folo ny Tompo, izay hohalalinin’ny mpianatra ao amin’ireo lesona roa manaraka. Rehefa mamarana ny lesona ianao dia azonao atao ihany koa ny mizara ny eritreritrao sy ny zavatra tsapanao momba ny fomba izay maneho ny fomba tian’ Andriamanitra hanaovana fanekempihavanana amintsika.
Nanaiky ny hanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra ny Isiraelita mba ho lasa vahoakany masina. Avy eo ny Tompo dia nilaza fa ho avy Izy ary hiresaka amin’ny vahoaka (jereo ny Eksodosy 19:7–9). Nandidy an’i Mosesy ny Tompo mba hanamasina ny vahoaka, na hahatonga azy ireo ho masina, ary ny vahoaka kosa hanadio ny fitafiany ho fiomanana amin’ny fotoana “hidinan’i Jehovah ho eo imason’ny olona rehetra eo an-tapon’ny tendrombohitra Sinay” (Eksodosy 19:11). Nanomana ny tenany ny vahoaka ary niangona teo an-tendrombohitra Sinay “mba hihaona amin’ Andriamanitra” (Eksodosy 19:17). Tao no nahitan’izy ireo porofon’ny fanatrehan’ny Tompo teo an-tendrombohitra. Niantso an’i Mosesy hiakatra tany an-tampon’ny tendrombohitra ny Tompo mba hiresaka Aminy sy hanambara ny sitrapony ho an’ny vahoaka (jereo ny Eksodosy 19:18–25).