Seminera
Eksodosy 24; 32–34: Ny fahamarinana sy ny famindram-po ary ny fahari-pon’ny Tompo


“Eksodosy 24; 32–34: Ny fahamarinana sy ny famindram-po ary ny fahari-pon’ny Tompo”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Eksodosy 24; 32–34: Ny fahamarinana sy ny famindram-po ary ny fahari-pon’ny Tompo”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Eksodosy 19–20; 24; 31–34: Lesona 51

Eksodosy 24; 31–34

Ny fahamarinana sy famindram-po ary fahari-pon’ny Tompo

Mural depicting prophets and events from the Old Testament and the Book of Mormon.  This part of the mural depicts Moses holding the stones of the Ten Commandments.  The Israelites can be seen in the background with the golden calf.

Tamin’ny fomba ahoana no niarahan’ny fahamarinan’ny Mpamonjy sy ny famindram-pony ary ny fahari-pony niasa mba hitahiana ny fiainanao? Rehefa niverina avy teo anatrehan’ny Tompo i Mosesy dia hitany fa nandika ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo ny Isiraelita ary nitsaoka ombilahy kely volamena iray. Niaritra ny vokatr’izany fahotana izany ny Isiraelita, saingy nampiseho ny fahamarinany sy ny famindram-pony ary ny fahari-pony tamin’ireo izay nibebaka sy niverina Taminy ny Tompo. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra fa ny Tompo dia marina sy be famindram-po ary mahari-po.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba nahitan’izy ireo ny fahamarinan’ny Tompo sy ny fitiavany ary ny fahari-pony (faharetana) teo amin’ny fiainan’izy ireo. Azonao atao ny manasa azy ireo hiresaka amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na ny namana iray mikasika ny fomba hiarahan’ny fahamarinan’ny Tompo sy ny famindram-pony miasa mba hitahiana ny zanany rehetra.

Sahanasa fianarana azo atao

Marina sy be famindram-po ary mahari-po ny Tompo.

Hevero ny hampiseho sarin’ny Mpamonjy iray. Ifanakalozy hevitra izao fanontaniana manaraka izao.

  • Inona no teny ho ampiasainao mba hamaritana ny toetoetran’ny Mpamonjy?

Asao ny mpianatra hanoratra ny tenin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe. Hevero ny hisafidy ohatra vitsivitsy sy hanasa ireo mpianatra izay nanoratra ireo teny mba hamariparitana ny antony nisafidianany izany toetran’ny Mpamonjy izany.

Mba hanampiana ny zanak’ Isiraely hahatakatra ny Aminy dia nanambara singa manan-danja sasantsasany ao amin’ny toetrany ny Tompo.

Vakio ny Eksodosy 34:6–7, dia tadiavo ireo toetran’ny Mpamonjy.

  • Inona no hitanao?

Ao anatin’ireo toetra mety ho hitan’ny mpianatra, dia antitrantero ilay fahamarinana hoe marina sy be famindram-po ary mahari-po ny Tompo. Azonao atao ny manampy ny mpianatra hahatakatra fa ny “mahari-po” (andininy 6) dia mamaritra ny faharetan’ny Tompo amintsika.

Azonao zaraina amin’ny mpianatra fa handalina ny fomba niainan’ny zanak’ Isiraely ny fahamarinan’ny Tompo sy ny famindram-pony ary ny fahari-pony izy ireo. Handalina ihany koa ny antony maha-zava-dehibe ny fahatakarantsika ireo fahamarinana momba ny Tompo izy ireo.

Vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo ireo Isiraelita

Ity rafi-tantara manaraka ity dia ampiasaina mandritra ny lesona mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba mety hifandraisan’ny tantaran’ny Isiraelita amin’ny fiainan’ny zatovo ankehitriny. Mampiasa ny anarana hoe “Kylie” ilay rafi-tantara, saingy azonao atao ny manasa ny mpianatra hisafidy anarana iray sy hanampy na hanova ny antsipirian’ilay tantara.

I Kylie, zatovovavy iray ao amin’ny sekoly misy anao, dia nianatra momba ny filazantsaran’ny Mpamonjy ary nanapa-kevitra ny hanao ireo fanovana ilaina mba hahafahana atao batisa ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Maniry ny hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra mba hitandrina ny didiny izy.

Ampio ny mpianatra hahatsiaro fa taorian’ny fanafahana azy ireo tany Egypta dia nentin’ny Tompo tany an-tendrombohitra Sinay ny zanak’ Isiraely mba hanao fanekempihavanana Taminy.

Vakio ny Eksodosy 24:3–8, dia tadiavo ny mety ho fahatsapana nananan’ireo Isiraelita tahaka izay nananan’i Kylie.

  • Inona no manan-danja aminao ao anatin’izany?

Mety hanampy ny fanazavana amin’ny mpianatra fa ny famafazana ra eo amin’ny alitara sy eo amin’ny vahoaka (jereo ny Eksodosy 24:6, 8) dia tandindona sy fanehoana ara-batana fa ny Isiraelita dia vonona ny ho vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo.

Naniry ny hitahy ny zanak’ Isiraely amin’ireo ôrdônansin’ny Fisoronana Melkizedeka ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–23). Niverina tany an-Tendrombohitra Sinay i Mosesy mba handray ny torolalan’ny Tompo mahakasika ireo ôrdônansy ireo sy ny drafitra ho an’ny tabernakely.

Fandikana ny fanekempihavanantsika sy ny vokatra aterak’izany

Vakio ny Eksodosy 32:1–8, dia tadiavo ny zavatra nataon’ireo Isiraelita raha mbola teo an-tendrombohitra nandray fitarihana avy tamin’ Andriamanitra i Mosesy.

  • Inona no hitanao?

Composite of images of Moses, the golden calf and the Israelites in the wilderness.
  • Nahoana araka ny eritreritrao no fahotana goavana toy izany ny fanamboarana sy ny fitsaohana ilay ombilahy kely volamena? (Jereo ny Eksodosy 20:2–17.)

Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra fa nandika ny fanekempihavanana izay vao nataon’izy ireo tamin’ny Tompo ny Isiraelita.

Azonao atao ny mizara ampahany hafa amin’ilay rafi-tantara izay mitovitovy amin’ny zava-nitranga tamin’ny zanak’ Isiraely ary manan-danja kokoa amin’ny zatovo. Azon’ny mpianatra atao ny manome ohatra amin’ny zavatra mety ho nataon’i Kylie ka nandikany ny fanekempihavanana nataony tamin’ny batisa mba hankatò ny didin’ Andriamanitra.

Taorian’ny batisany dia nanomboka niaraka tamin’ireo namany taloha i Kylie ary nitarika nankany amin’ny fahazarana taloha izany. Toa kely ireo fahadisoana nataony tamin’ny voalohany. Kanefa tsy ela akory dia niverina tamin’ny fomba taloha sy nahazatra izy. Nandika ny fanekempihavanana nataony tamin’ny batisa izy.

  • Inona no mety ho nanosika ny fanapahan-kevitra noraisin’i Kylie?

Ny lalàn’ny Tompo momba ny fahamarinana

Vakio ny Eksodosy 32:15–20, dia tadiavo ireo voka-dratsy niaretan’ Isiraely noho ny fahotan’izy ireo.

  • Inona no hitanao?

    Ampio ny mpianatra hahatakatra fa na dia afaka mampiasa ny fahafahantsika misafidy mba hanota aza isika dia marina ny Tompo. Noho izany dia tsy afaka miala amin’ny vokatry ny fahotantsika isika. Mety hanampy ny fanazavana fa i Mosesy dia namaky ireo vato fisaka izay nirakitra ireo torolalana ho an’ireo ôrdônansin’ny Fisoronana Melkizedeka (jereo ny Eksodosy 32:15–19; Dikantenin’i Joseph Smith, Eksodosy 34:1–2 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina]). Noho ny fanapahan-kevitr’izy ireo dia tsy mendrika ny handray ireo fitahiana avy amin’ny Tompo ireo ny zanak’ Isiraely. Niverina teo anatrehan’ny Tompo i Mosesy. Nanome torolalana an’i Mosesy ny Tompo mba hampiditra ireo ôrdônansin’ny Fisoronana Aharôna, ho solon’izay (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:24–26). Azonao atao ihany koa ny manazava fa napetrak’i Mosesy teo ivelan’ny toby ny tabernakely (jereo ny Eksodosy 33:7), izay tandindon’ny tsy fahafahan’i Isiraely hianoka ny fanatrehan’ny Tompo intsony.

  • Inona avy ireo voka-dratsy ara-panahy sy ara-batana mety hatrehin’i Kylie noho ny fandikana ny fanekempihavanan’ny batisa nataony?

  • Ahoana no hanehoan’ireo vokatra ireo ny fahamarinan’ny Tompo sy ny famindram-pony ary ny fahari-pony?

Azonao atao ny mampahafantatra fa, tahaka ny Isiraelita, dia mety tsy hahazo ireo fitahiana izay azo avy amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana i Kylie. Mety tsy hanana ny Fanahin’ny Tompo ho namana mandrakariva intsony ihany koa izy.

Ny lalàn’ny Tompo momba ny famindram-po

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa nanome toky an’i Isiraely ny Tompo fa mbola vahoakany izy ireo (jereo ny Eksodosy 33:12–19).

Avereno jerena ny Eksodosy 34:6–7, ary eritrereto ny antony mety naha-zava-dehibe ho an’ny Tompo ny mampahatsiahy ny zanak’ Isiraely fa marina sy be famindram-po ary mahari-po Izy.

  • Ahoana no nanehoan’ny Tompo ny famindram-pony sy ny fahari-pony tamin’ny zanak’ Isiraely?

  • Ahoana no mety hahitan’i Kylie ny famindram-pon’ny Tompo sy ny fahari-pony eo amin’ny fiainany?

Ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny fomba anefan’ny famindram-pon’ny Mpamonjy ny lalàn’ny fahamarinana:

13:53
Official portrait of Elder Quentin L. Cook.  Called to the Quorum of the Twelve Apostles on 6 October 2007.

Raha tsy nisy ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia ho nitaky famaizana ny fitsipika mandrakizain’ny fahamarinana. Noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia afaka manjaka ny famindram-po ho an’ireo izay nibebaka ary afaka mamela azy ireo hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra. Tena tsara raha saintsainintsika io fotopampianarana mahatalanjona io.

Tsy misy afaka miverina any amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny asa tsara ataon’ny tenany irery fotsiny; mila ilay tombontsoa avy amin’ny sorona nataon’ny Mpamonjy isika rehetra. Efa nanota ny rehetra, ary amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy irery ihany no ahafahantsika mahazo famindram-po sy miaina miaraka amin’ Andriamanitra. (“Aoka ianareo ho mahatoky eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny asany”, Liahona, nôv. 2022, 119)

  • Ampahany inona amin’io teny nambara io no mety hozarainao amin’i Kylie?

    sary famantarana ny semineraNy fametrahana fanontaniana izay manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba hanehoan’ny Tompo ny fitiavany sy ny heriny ary ny famindram-pony eo amin’ny fiainan’izy ireo dia afaka mampitombo ny fifandraisan’izy ireo Aminy. Fomba iray azo anaovana izany ny manasa azy ireo hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto.

    Mba hahazoana fiofanana fanampiny dia jereo ny “Ampio ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindram-pony eo amin’ny fiainan’izy ireo”, ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.

  • Inona no porofo hitanao fa naneho ny fahamarinan’ny Tompo sy ny famindram-pony ary ny fahari-pony teo amin’ny fiainanao na ny fiainan’ny olon-kafa izay fantatrao?

Mampisehoa fahatakarana

Afaka manampy ny mpianatra hamintina ny zavatra nianarany androany ity sahanasa ity. Azonao atao ny manasa azy ireo hamarana ny tantaran’i Kylie. Hevero ny hampiseho ireto tolo-kevitra manaraka ireto mba hofenoin’ny mpianatra.

  • Noho ny zavatra niainany dia mety ho nianatra i Kylie fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia .

  • Noho ny zavatra nianarany momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia nanapa-kevitra i Kylie fa .

Hevero ny hanasa mpianatra vitsivitsy izay vonona hizara amin’ny iray kilasy ny fomba mety hamaranan’izy ireo ny tantaran’i Kylie. Rehefa avy nomena fahafahana hizara ny valin-teniny ny mpianatra dia azonao atao ny mizara ny fomba nahitanao ny fahamarinan’ny Tompo sy ny famindram-pony ary ny fahari-pony teo amin’ny fiainanao.