“Eksodosy 35–40; Levitikosy 1; 4; 16; 19: Topimaso ankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Eksodosy 35–40; Levitikosy 1; 4; 16; 19: Topimaso ankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Eksodosy 35–40; Levitikosy 1; 4; 16; 19
Eksodosy 35–40; Levitikosy 1; 4; 16; 19
Topimaso ankapobeny
Nandidy ny Isiraelita ny Tompo mba hanangana tabernakely na tempoly iray azo afindrafindra tany an-tany foana. Nanatanteraka sorona biby ny Isiraelita ho isan’ny fitsaohan’izy ireo tao amin’ny tabernakely. Samy nampianatra ara-tandindona momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avokoa ny tabernakely sy ny ôrdônansin’ny fanaovana sorona.
Tadiavo ireo fanehoana an’ohatra izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Mitadiava fanehoana an’ohatra mahery vaika izay mijoro ho vavolombelona momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, rehefa mandalina ireo votoatin-desona amin’ity herinandro ity miaraka amin’ny mpianatrao ianao. Omeo fahafahana ny mpianatra hianatra avy amin’ny Fanahy Masina rehefa misaintsaina ny zavatra mety asehon’ireo sary ohatra ireo. Hita ao amin’ny Lesona 52: “Eksodosy 25; 35–40” ny ohatra iray amin’ny fomba hanaovana izany. Mba hahazoana fahalalana kokoa dia jereo ny “Karohy ireo tandindona mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022], 7).
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Eksodosy 25: 35–40
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatsapa faniriana misimisy kokoa hitsaoka ny Tompo ao amin’ny tempoliny.
-
Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hampiasa ny Médiathèque de l’Évangile na ny temples.ChurchofJesusChrist.org mba hahitana sarina tempoly na horonan-tsary mifandray amin’ny tempoly. Asao ny mpianatra hieritreritra ny zavatra tsapany momba ny tempolin’ny Tompo. Asao izy ireo handinika ny fomba hanampian’ireo tempoly amin’izao andro maoderina izao azy ireo hahatsiaro ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
-
Taratasy zaraina: “Ny Tabernakely ao amin’ny Testamenta Taloha”
-
Horonan-tsary: “Le Tabernacle” (7:18)
-
Votoatin-javatra haseho: Avereno soritana eo amin’ny tany ao an-dakilasy ny kisarin’ny tabernakely fahiny ao amin’ny taratasy zaraina ao amin’ny lesona, amin’ny alalan’ny fampiasana scotch na tady kely.
-
Sary: Tempoly amin’izao andro maoderina izao; ireo efitrano manana ny anjara asany manokana ao anatin’ireo tempoly
Levitikosy, tapany 1
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatsapa fankasitrahana an’i Jesoa Kristy sy ny sorona fanavotana nataony.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny torohevitra homen’izy ireo olona iray izay tsy mety mahatakatra tsara ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy ho azy ireo. Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hanontany olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana iray ny torohevitra homen’izy ireo.
-
Horonan-tsary: “Inona no nataon’ny Mpamonjintsika ho antsika?” (12:44) manomboka amin’ny minitra faha-0:00 ka hatramin’ny faha-0:34; “Se souvenir toujours de lui” (5:27)
-
Votoatin-javatra haseho: Ireo fanontaniana momba ny diary fandalinana any amin’ny fiandohan’ny lesona
-
Sary: Sarina biby iray atao sorona eo akaikin’ny sarin’ny Mpamonjy eo amin’ny hazofijaliana
-
Taratasy zaraina: “Sorona natao fahiny: Tandindon’i Jesoa Kristy”
Levitikosy, tapany 2
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hamantatra ireo fahafoizan-tena azon’izy ireo atao mba ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy kokoa.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanao zavatra izay tsapan’izy ireo fa ho fahafoizan-tena tsara iray ho an’ny Tompo. Mety ahitana ny fandoavana fahafolonkarena na fanatitry ny fifadian-kanina, fotoana fanaovana fahafoizan-tena mba hanampiana olona iray sahirana, na fahafoizana minitra vitsy fanampiny alohan’ny hatory (na alohan’ny fifohazana) mba handalinana ny soratra masina ireo ohatra sasany. Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fiantraikan’io fahafoizan-tena io eo amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Tompo.
-
Votoatin-javatra haseho: Ireo toromarika hitarihana ny fandalinan’ny mpianatra ao amin’ny fizarana mitondra ny lohateny hoe: “Miaina ny lalàn’ny fahafoizan-tena amin’izao androntsika izao”; ireo toromarika ho an’ny sahanasa atao ao amin’ny diary fandalinana any amin’ny faran’ny lesona
-
Horonan-tsary: “Mitondra ny hazofijaliantsika” (14:47) manomboka amin’ny minitra faha-3:23 hatramin’ny faha-3:49
Tombano ny fianaranao 3
Tanjon’ny lesona: Hanampy ireo mpianatra hisaintsaina lalina ireo tanjona napetrak’izy ireo sy ny fitomboana izay niainan’izy ireo nandritra ny fandalinany vao haingana ny Testamenta Taloha.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra ho tonga amim-pahavononana hizara ny zavatra nianaran’izy ireo na ny fomba nitomboan’izy ireo ara-panahy rehefa nianatra ny Testamenta Taloha tamin’ity taona ity. Azonao atao ny mandroso hevitra ny hamakian’izy ireo ny diary fandalinany na ireo fanamarihana ao amin’ny soratra masin’izy ireo mba hanampiana azy ireo hahatsikaritra ny fivoarany sy ny fianarany.
-
Sary: Ireo mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha toa an’i Enoka, sy i Noa, ary i Mosesy; mofo dipaina; mpaminany amin’izao fotoana izao