“Levitikosy, tapany 1: -Ity zavatra ity dia tandindona-”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Levitikosy, tapany 1: -Ity zavatra ity dia tandindona-”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Eksodosy 35–40; Levitikosy 1; 4; 16; 19: Lesona 53
Levitikosy, tapany 1
“Ity zavatra ity dia tandindo[na]”
Na dia toa hafahafa aza ny fanaovana sorona biby amin’izao fotoana izao, ireo sorona ireo dia nanampy an’ Isiraely fahiny hahafantatra sy hankasitraka ny zavatra izay nanaovan’ny Mpamonjy fanekempihavanana fa hataony ho azy ireo. Torak’izany koa, ny fianarana momba ireo sorona fahiny ireo dia afaka manampy antsika hahafantatra sy hankasitraka ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho antsika. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa fankasitrahana an’i Jesoa Kristy sy ny sorona fanavotana nataony.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny torohevitra homen’izy ireo olona iray izay tsy mety mahatakatra tsara ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy ho azy ireo. Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hanontany olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana iray ny torohevitra homen’izy ireo.
Sahanasa fianarana azo atao
Inona no nataony ho ahy?
Mba hanomanana ny mpianatra hiresaka momba an’i Jesoa Kristy dia hevero ny hizara ity zavatra niainana manaraka ity.
Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nizara ity fifaneraserany tamin’ny mpikambana iray ato amin’ny Fiangonana manaraka ity:
Nandritra ny fivoriana sabotsy hariva tamin’ny fihaonamben’ny tsatòka iray taona maro lasa izay dia nihaona tamin’ny vehivavy iray izay aho izay nilaza fa nangataka azy hiverina ato am-piangonana ny namany iray taorian’ny taona maro nampalaindaina azy, saingy tsy nahita antony tokony hanaovany izany izy. Mba hamporisihana azy dia hoy aho hoe: “Rehefa eritreretinao ireo zava-drehetra nataon’ny Mpamonjy ho anao, dia manana antony maro hiverenana hitsaoka sy hanompo Azy ianao.” Gaga aho rehefa namaly izy hoe: “Fa inona no nataony ho ahy?” (“Inona no nataon’ny Mpamonjintsika ho antsika?”, Liahona, mey 2021, 75)
Saintsaino ny zavatra holazainao amin’ilay vehivavy raha toa ka nametraka io fanontaniana io taminao izy.
-
Raha toa isika ka tsy mahafantatra na mahatsiaro ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho antsika dia inona no mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny fiainantsika?
Mba hanampiana ireo mpianatra hampifandray amin’ny tenany manokana ny lesona anio, dia hevero ny hampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto. Omeo fotoana ny mpianatra hirakitra an-tsoratra ny valin-tenin’izy ireo ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.
-
Inona no nataon’ny Mpamonjy ho anao?
-
Inona no zavatra tsapanao momba an’i Jesoa Kristy manoloana ny zavatra nataony ho anao?
Rehefa mandalina ny Levitikosy ianao anio dia mikatsaha fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina mikasika ny fomba ahafahanao mampiorom-paka ny fankasitrahanao noho ny zavatra nataon’ny Tompo ho anao.
Mahita an’i Kristy ao amin’ireo sorona
Mba hanomanana ny mpianatra handalina ny Levitikosy dia hevero ny hampiseho ireo sary tany am-piandohan’ny lesona. Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra ny amin’ny zavatra fantany momba ny ôrdônansin’ny fanaovana sorona biby fahiny. Ohatra, azonao atao ny manontany azy ireo hoe oviana no nandidian’ Andriamanitra voalohany ireo zanany mba hanao sorona biby sy ny antony nanomezany izany didy izany. Raha ilaina dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hijery ny Mosesy 5:6–7. Mametraha an’ity fanontaniana manaraka ity avy eo.
-
Naneho inona ireo sorona ireo?
Ampio ny mpianatra hahatakatra fa nanomboka tamin’ny andron’i Adama sy i Eva dia nandidy ny vahoakany Andriamanitra hanao sorona biby mba hanampiana azy ireo hiandrandra ny Mpamonjy sy ny sorona fanavotana hataony. Nifarana tamin’ny fahafatesan’i Jesoa Kristy io fomba fanao io, Izy izay ilay “sorona lehibe sady farany” (Almà 34:10).
Ny bokin’ny Levitikosy dia mirakitra ny torolalan’ny Tompo mikasika ny sorona biby sy ireo karazana sorona hafa izay notakiany tamin’ny vahoakany. Ny Levitikosy dia toy ny boky torolalana izay manome torolalana ho an’ireo ôrdônansy sy fombafomba ary andraikitra masina nataon’i Isiraely fahiny.
Omeo fahafahana handalina ny sasantsasany amin’ireo sorona voafariparitra ao amin’ny Levitikosy ny mpianatra. Fomba iray hanaovana izany ny fizarana ilay taratasy zaraina izay mitondra ny lohateny hoe “Sorona fahiny: Tandindon’i Jesoa Kristy”. Azonao zaraina mitokana ireo sahanasa roa ao amin’ilay taratasy zaraina, na azonao zaraina ho toy ny taratasy zaraina tokana ihany izany.
Hevero ny handamina ireo mpianatra ho tsiroaroa. Azonao omena andraikitra ny ekipa tsirairay hamita ny iray amin’ireo sahanasa ireo. Azon’ny mpianatra atao avy eo ny mampianatra ny zavatra nianaran’izy ireo amin’ny ekipa iray hafa izay namita sahanasa hafa. Na azonao atao ny manasa olona iray ao amin’ny ekipan’olon-droa isan’isany mba hamita ny Sahanasa fandalinana 1 ary ilay mpiara-miasa iray hafa hamita ny Sahanasa fandalinana 2. Rehefa mahavita samirery ny sahanasa nampiandraiketina azy ny mpianatra dia afaka mifampianatra izy ireo.
Rehefa nahavita ny fandalinany ny mpianatra dia asao izy ireo hizara ny sasany amin’ny valin-teniny tamin’ireo fanontaniana ao amin’ilay taratasy nozaraina. Azonao ampiasaina ity fanontaniana manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hamintina ny zavatra nianarany.
-
Ahoana no hamintinanao ao anatin’ny fehezan-teny tsotra iray ny zavatra nianaranao androany momba ny Mpamonjy sy ny sorona fanavotana nataony?
Mety hizara karazana fahamarinana maro ny mpianatra, toy ny hoe:
-
Nanolotra ny Tenany an-tsitrapo ho sorona ho antsika i Jesoa Kristy.
-
Afaka ny ho voavela ny fahotantsika noho i Jesoa Kristy.
-
Tamin’ny alalan’ny sorona fanavotana nataony no nanoneran’i Jesoa Kristy ny fahotantsika tamin’ny alalan’ny fitondrana izany teo Aminy.
Mba hampahalalina ny fankasitrahan’ny mpianatra noho ireo fahamarinana ireo dia hevero ny hampiasa ireto teny nambara sy fanontaniana manaraka ireto. Mety nampiasa ity teny nanambara ity ianao tao amin’ny Lesona 27: “Genesisy 22”.
Nanazava ny antony nanatanterahan’i Jesoa Kristy ny Sorompanavotana ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:
Nataon’i Jesoa Kristy izany rehetra izany satria tiany ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Ny fitiavana no manosika izany rehetra izany, ary efa toy izany hatrany am-boalohany. …
Mivavaka [aho] mba hahatsiarovantsika rehetra ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho antsika tsirairay avy. (“Inona no nataon’ny Mpamonjintsika ho antsika?”, Liahona, mey 2021, 77)
-
Manampy anao amin’ny fomba ahoana ny fahafantaranao fa namela ny Tenany ho sorona i Jesoa Kristy noho ny fitiavany anao?
-
Inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahantsika mahatsiaro ny Tompo sy ny sorona nataony?
Ampio ny mpianatra hahatakatra fa fomba iray hahatsiarovantsika ny sorona nataon’ny Mpamonjy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro.
Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny fifandraisana misy eo amin’ny sorona fahiny sy ny fanasan’ny Tompo, dia hevero ny hampiseho ny horonan-tsary “Se souvenir toujours de lui” (5:27), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Afaka mametraka ireto fanontaniana manaraka ireto ianao avy eo.
5:27 -
Inona no mampitovy ny fanasan’ny Tompo amin’ny sorona fahiny?
-
Ahoana no hiezahanao hahatsiaro ny Mpamonjy eo amin’ny fiainanao isan’andro?
Ny zavatra nataon’i Jesoa ho ahy
Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ny zavatra tsapany momba an’i Jesoa Kristy. Mba hanomanana azy ireo hanao izany dia azonao atao ny manasa ny iray kilasy hihira ny “Endrey mahagaga ahy” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, pejy 44). Azon’ny mpianatra atao ny mamantatra andian-teny avy ao amin’ilay hira izay ahitana taratra ny fahatsapan’izy ireo momba ny Mpamonjy.
Raha tsy izany dia azonao atao koa ny manasa ny mpianatra hisafidy hira hafa ao amin’ny fihirana na soratra masina iray momba ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany. Azon’izy ireo atao ny mizara andian-teny izay ahitana taratra ny fahatsapan’izy ireo momba Azy.
Asao ny mpianatra avy eo hamaly ity fanontaniana manaraka ity ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.
-
Inona no tsapanao momba ny Mpamonjy sy ny zavatra nataony ho anao?
Afaka maneho ny eritreriny sy ny fahatsapany momba ny Mpamonjy ireo mpianatra izay vonona ny haneho izany. Hevero ny hizara ny eritreritra sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao manokana momba Azy.