“Levitikosy, tapany 2: Manao fahafoizan-tena ho an’ny Tompo”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Levitikosy, tapany 2: Manao fahafoizan-tena ho an’ny Tompo”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Eksodosy 35–40; Levitikosy 1; 4; 16; 19: Lesona 54
Levitikosy, tapany 2
Manao fahafoizan-tena ho an’ny Tompo
Nanatanteraka fombafomba izay naneho an’ohatra an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany i Isiraely fahiny. Anisan’ireo fombafomba ireo ny fanaovana sorona ho fanatitra odorana. Ireo fanatitra ireo ihany koa dia naneho ny fanolorantenan’i Isiraely tsy tapaka hahafoy izay rehetra nangatahin’ny Tompo tamin’izy ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hamantatra ireo fahafoizan-tena azon’izy ireo atao mba ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy kokoa.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanao zavatra izay tsapan’izy ireo fa ho fahafoizan-tena tsara iray ho an’ny Tompo. Mety ahitana ny fandoavana fahafolonkarena na fanatitry ny fifadian-kanina, fotoana fanaovana fahafoizan-tena mba hanampiana olona iray sahirana, na fahafoizana minitra vitsy fanampiny alohan’ny hatory (na alohan’ny fifohazana) mba handalinana ny soratra masina ireo ohatra sasany. Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fiantraikan’io fahafoizan-tena io eo amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Tompo.
Sahanasa fianarana azo atao
Finiavana hanao fahafoizan-tena
Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fanampiana ny mpianatra hahita ny lanjan’ny finiavana hanao fahafoizan-tena ho an’ny Tompo. Azonao atao izany amin’ny fanoratana ity fehezan-teny manaraka ity eny amin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana nampiarahina amin’izany.
Ny fanalahidy ahafahana mampahomby ny androntsika dia …
-
Ahoana no hamarananao io fehezan-teny io?
-
Nahoana araka ny fahatsapanao no afaka manampy olona iray hanana andro mahomby ny valin-teninao?
Ny Loholona Taylor G. Godoy ao amin’ny Fitopololahy dia nizara izao manaraka izao mikasika ny andro iray nahomby:
Ny fanalahidy ahafahana mampahomby ny androntsika dia ny finiavana hanao fahafoizan-tena. (“Andro iray sisa”, Liahona, mey 2018, 34)
-
Nahoana araka ny eritreritrao no afaka mahatonga ny androntsika hahomby ny finiavana hanao fahafoizan-tena?
Hevero ny hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’ny mpianatra amin’ity fanontaniana manaraka ity. Azonao atao ny miresaka ireo valin-teny ireo amin’ny fotoana samihafa mandritra ny lesona.
-
Inona avy ireo fahafoizan-tena sasantsasany izay angatahan’ny Tompo amintsika ka tsapanao fa mety hitarika ho amin’ny andro na herinandro na fiainana mahomby?
Hevero ny hanasa ny mpianatra hisaintsaina ny finiavan’izy ireo hanao fahafoizan-tena ho an’ny Tompo. Fomba iray ahafahanao manao izany ny mampiseho amin’ny mpianatra tabilao miendrika faribolana iray. Omeo ireto torolalana manaraka ireto.
Mamoròna tabilao iray miendrika faribolana ao amin’ny diary fandalinanao. Fenoy amin’ny isan-jato (0 isan-jato ka hatramin’ny 100 isan-jato) izay tsapanao fa maneho ny finiavanao hanao fahafoizan-tena ho an’ny Tompo nandritra ny herinandro lasa izany. Saintsaino avy eo ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Raha tsapanao fa ambony ny isan-jatonao, dia nahoana ianao no nanana finiavana ny hanao fahafoizan-tena ho an’ny Tompo?
-
Raha tsapanao fa ambany ny isan-jatonao dia inona no mety nanakana anao tsy hanana finiavana kokoa hanao fahafoizan-tena?
Hevero ny hanolotra vavaka mangina. Angataho ny Ray any An-danitra mba hanampy anao hahatakatra ny zavatra tiany ho fantatrao sy hataonao mikasika ny fahafoizan-tenanao manokana. Henoy tsara ireo eritreritra sy fahatsapana izay mety ho tonga aminao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mandritra ity lesona ity.
Fanatitra odorana
Nanome torolalana ny Isiraelita ny Tompo ao amin’ny Levitikosy 1 mba hanao fanatitra odorana. Nataon’ireo mpisorona isan’andro ireo fanatitra ireo. Ireo fanatitra ireo dia tandindon’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Ireo fanatitra ireo koa dia famantarana ny fanolorantenan’i Isiraely tsy tapaka ho an’ny Tompo.
Vakio ny Levitikosy 1:3, 8–9, ary tadiavo ireo teny na andian-teny izay mety mifandray amin’ny fahafoizan-tena mety ataontsika ho an’ny Tompo ankehitriny.
-
Inona no hitanao?
Raha mila fanampiana ny mpianatra dia azonao atao ny mampahafantatra ny sasany amin’ireto manaraka ireto:
-
“Lohany”, “saborany”, “taovany”, ary “tongony” (andininy 8–9). Ireo ampahany samy hafa amin’ny vatan’ilay biby ireo dia mety ho tandindon’ny fanolorana ho an’ny Tompo izay zavatra angatahiny amintsika, anisan’izany ny fontsika sy ny saintsika ary ny vatantsika.
-
“Hodora[na]… izy rehetra eo amin’ny alitara” (andininy 9). Ny fandorana ilay biby manontolo eo ambony alitara dia naneho fanoloran-tena tanteraka amin’ny Tompo.
-
“Hanitra ankasitrahana ho an’i Jehovah” (andininy 9). Mety hidika izany fa ny fahafoizan-tenantsika dia mamy sy mahafaly ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy.
I Jesoa Kristy no ohatra tsara indrindra eo amin’ny fanaovana fahafoizan-tena.
-
Ahoana no ahafahan’ny finiavantsika hanao fahafoizan-tena manampy antsika ho lasa tahaka ny Mpamonjy kokoa?
Lesona iray azontsika ianarana amin’ny alalan’ny fahatakarana momba ireo fanatitra odorana ny hoe afaka ny ho tonga kokoa tahaka ny Mpamonjy antsika isika rehefa manana finiavana ny hahafoy izay zavatra angatahin’ny Ray any An-danitra amintsika.
Miaina ny lalàn’ny fahafoizana amin’izao androntsika izao
Taorian’ny nahavitan’ny sorona fanavotana nataon’i Jesoa Kristy dia nanova ny karazana sorona asainy hataon’ny vahoakany Izy (jereo ny 3 Nefia 9:19–20). Na dia tsy manao sorona biby aza isika amin’izao fotoana izao dia mbola mangataka ny olony hanao fahafoizan-tena ihany ny Tompo. Ireo fahafoizan-tena ireo dia ahitana zavatra mihoatra noho ny fanomezana ireo fananantsika ara-nofo.
Asehoy ireto torolalana sy andalan-tsoratra masina ary fanontaniana manaraka ireto. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamita izany samirery.
Halalino ny roa na ny maromaro amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto, ka tadiavo ireo hevi-baovao izay afaka manampy anao hamaly ireo fanontaniana etsy ambany.
-
Romana 12:1–2
-
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:2
-
Ahoana no ahafahanao mampiasa ireo andalan-tsoratra masina ireo mba hanampiana olona iray hahatakatra ny zavatra tian’ny Tompo hafointsika amin’izao androntsika izao?
-
Ahoana no hahafahan’ny fanaovana fahafoizan-tena toy izany manampy antsika ho lasa tahaka ny Mpamonjy kokoa?
-
Nahoana araka ny eritreritrao no mety ho sarotra ho an’ny olona sasany ny manana finiavana hahafoy ny zavatra angatahan’ny Tompo amin’izy ireo?
-
Manasà mpianatra terem-panahy hizara ny zavatra nianarany sy ny fomba hamalian’izy ireo ireo fanontaniana roa etsy ambony ireo. Azonareo atao ihany koa ny mifanakalo hevitra momba ny fomba ahafahan’ireo andininy ireo mihatra amin’ireo fahafoizan-tena izay nosoratan’izy ireo teny amin’ny solaitrabe tany am-piandohan’ny lesona. Ity fifanakalozan-kevitra ity dia afaka mitarika any amin’ilay fanontaniana manaraka.
Fitahiana avy amin’ny fahafoizan-tena
Hevero ny hizara ny mpianatra ho vondrona kely. Asao izy ireo hampiasa ny valin-teniny amin’ilay fanontaniana teo aloha mba hamoronana rafi-tantara iray izay ahitana olona iray mety misalasala ny hahafoy ny zavatra angatahan’ny Tompo amin’izy ireo. Ohatra tsotra iray ity manaraka ity. Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra mikasika ilay fanontaniana nampiarahana tamin’ny lesona ao anatin’ny vondrona misy azy. Mba hanampiana amin’io fifanakalozan-kevitra io dia azon’ny mpianatra atao ny mandalina ny “Fahafoizan-tena” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina.
Alaivo sary an-tsaina hoe manana namana iray ianao izay mahatsapa fa tsy ampy ny fotoana hanaovana ny sasantsasany amin’ireo fahafoizan-tena angatahin’ny Tompo aminy.
-
Inona no azonao zaraina ka mety hanampy amin’ny famahana ny sasany amin’ireo olan’ilay namanao?
Asao ny vondrona vitsivitsy hizara ny hevi-baovao ananany. Eo am-pizaran’izy ireo izany dia hevero ny hametraka fanontaniana fanaraha-maso ny fivoarana toy ny hoe “Inona no tianao ho fantatry ny namanao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ka afaka manampy azy hanana finiavana kokoa hanao fahafoizan-tena ho Azy Ireo?” na hoe “Inona avy ireo zavatra niainana manokana azonao zaraina izay nampianatra anao ny lanjan’ny fanaovana fahafoizan-tena ho an’ny Tompo?”
Mba hampahalalina ny fahatakarana momba ny fahafoizan-tena dia azonao atao ny mampiseho ity teny nambara manaraka ity.
Ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ny fitahiana sasantsasany omen’ny Tompo rehefa manao fahafoizan-tena ho Azy isika:
Ny fahavononantsika hanary izay rehetra mifanohitra amin’ny sitrapon’ Andriamanitra sy hahafoy izay rehetra angatahina amintsika ary hiezaka hanaraka ireo fampianarany dia hanampy antsika haharitra eo amin’ny lalan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy—eny na dia eo anatrehan’ny fahoriana, na ny fahalemen’ny fanahintsika, na ny faneren’ny fiarahamonina sy ireo fihevitra araka izao tontolo izao izay manohitra ireo fampianarany aza. (“Mitondra ny hazo fijaliantsika”, Liahona, nôv. 2019, 114)
-
Inona no nianaranao momba ny Tompo sy ny antony nangatahany antsika hanao fahafoizan-tena?
Fahafoizan-tena ataon’ny tena manokana
Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo fahatsapana azony. Hevero ny hampiseho ireto torolalana manaraka ireto. Raha manampy dia azon’ny mpianatra atao ny mijery ny lisitr’ireo fahafoizan-tena eny amin’ny solaitrabe rehefa mamita ity sahanasa ity izy ireo.
Manaova iray amin’ireto manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinanao:
-
Ny fahafoizan-tena iray izay efa ataoko ho an’ny Ray any An-danitra dia …
Ny zavatra nianarako androany izay hanampy ahy hanohy na hivoatra amin’io fahafoizan-tena io dia …
-
Ny zavatra iray izay hatomboko na hatsahatro mba hanehoana ny finiavako hanao fahafoizan-tena ho an’ny Tompo dia …
Ny zavatra nianarako androany izay hanampy ahy hitondra io fiovana io dia …
Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara ny zavatra nosoratany miaraka amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny zavatra nianarany na tsapany.