“Eksodosy 25; 35–40: -Ny voninahitr’i Jehovah nameno ny Tabernakely-”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Eksodosy 25; 35–40: -Ny voninahitr’i Jehovah nameno ny tabernakely-”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Eksodosy 35–40; Levitikosy 1; 4; 16; 19: Lesona 52
Eksodosy 25; 35–40
“Ny voninahitr’i Jehovah nameno ny tabernakely”
Ho fankatoavana ny didin’ny Tompo dia nanangana tabernakely, na tempoly tany an-tany foana ny Isiraelita. Io tabernakely io dia toerana masina azo nentina nifindrafindra izay nahafahan’ny Tompo nitoetra teo anivon’ny vahoakany rehefa nandeha izy ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa faniriana misimisy kokoa hitsaoka ny Tompo ao amin’ny tempoliny.
Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hampiasa ny Médiathèque de l’Évangile na ny temples.ChurchofJesusChrist.org mba hahitana sarina tempoly na horonan-tsary mifandray amin’ny tempoly. Asao ny mpianatra hieritreritra ny zavatra tsapany momba ny tempolin’ny Tompo. Asao izy ireo handinika ny fomba hanampian’ireo tempoly amin’izao andro maoderina izao azy ireo hahatsiaro ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Sahanasa fianarana azo atao
Inona no tanjon’ny tempoly?
Hevero ny hanomboka ny lesona amin’ny alalan’ny fizarana ity rafi-tantara manaraka ity. Azonao atao avy eo ny mampiseho ireo fanontaniana aorian’ilay rafi-tantara ary manasa ny mpianatra hifanakalo hevitra momba izany miaraka amin’ny namana iray.
Alaovy sary an-tsaina hoe hisy tempoly iray hatokana tsy ho ela eo amin’ny faritra misy anao. Manasa namana iray ianao hanatrika ny varavarana misokatra ho an’ilay tempoly miaraka aminao. Manaiky ilay fanasanao ny namanao saingy nilaza izy fa tsy mahafantatra na inona na inona momba ny tempoly.
-
Inona no tianao ho takatr’ilay namanao momba ny tempoly sy ny tanjom-pisian’izy ireny?
-
Inona no mety havalinao raha toa ka manontany anao ny antony maha-manan-danja ny tempoly aminao ilay namanao?
Rehefa avy nifanakalo hevitra momba ny valin-teniny tamin’ny namany ny mpianatra dia asao izy ireo hieritreritra ny valin-tenin’izy ireo amin’ity fanontaniana manaraka ity.
-
Amin’ny alalan’ny fampiasana maridrefy manomboka amin’ny 1 (ambany) ka hatramin’ny 5 (ambony), dia firy no isa handrefesanao ny fanirianao hitsaoka tsy tapaka ny Tompo ao amin’ny tempoly?
Hevero ny hanasa ny mpianatra hieritreritra ny antony namalian’izy ireo ilay fanontaniana teo aloha tamin’ny fomba namaliany izany.
Rehefa mandalina ianao anio, dia jereo tsara ny zavatra azon’ny Fanahy Masina ampianarina anao momba ny tempoly sy ny fomba ampifandraisan’izany antsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Mikatsaha ny fitaoman’ny Fanahy mba hanampiana anao hahatsapa faniriana misimisy kokoa hitsaoka ny Tompo ao amin’ireo tempoliny.
Nandidy ny Israelita hanangana tabernakely ny Tompo
Raha niresaka tamin’i Mosesy teo amin’ny Tendrombohitra Sinay ny Tompo dia nangataka ny hanoloran’ny Isiraelita ny volamenany sy ny volafotsiny ary ireo fitaovana sarobidy hafa mba hanorenana toerana masina na tabernakely ho Azy. Amin’izao androntsika izao dia nasaina ihany koa isika hanorina tempoly mba ho toerana masina na ho toeran’ny fahamasinana.
Vakio ny Eksodosy 25:8, ary tadiavo ny antony nandidian’ny Tompo ny Isiraelita hanangana tabernakely.
-
Inona no hitanao?
-
Inona no ampianarin’ny anton’io didy nomen’ny Tompo io anao momba Azy sy ny zavatra tsapany momba antsika?
Ny tandindona asehon’ny tabernakely
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa misy tandindona maro ao amin’ny soratra masina izay afaka mampianatra antsika momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ny fianarana avy amin’ireo tandindona dia fahaiza-mandalina izay afaka manampy azy ireo hianatra kokoa avy amin’ny soratra masina.
Mba hahitana fiofanana fanampiny amin’ny fampiasana tandindona dia jereo ny “Tadiavo ireo tandindona izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra (2022), 9.
Ireo zavatra sy ôrdônansy ao amin’ny tabernakely dia tandindona. Natao hampianatra an’ Isiraely momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izy ireny ary ny fomba hanaovana ny dia eto an-tany hiverina any amin’ Izy Ireo.
Mba hanampiana ny mpianatra hianatra momba ireo tandindon’ny tabernakely dia hevero ny hizara ilay taratasy zaraina izay mitondra ny lohateny hoe “Ny tabernakely ao amin’ny Testamenta Taloha”. Azonao atao ihany koa ny mametraka “scotch” na kofehy eo amin’ny tany ao amin’ny efitrano fianarana mba hamerenana ilay kisary ao amin’ilay taratasy zaraina.
Hevero ny hanasa ny mpianatra handalina ireo zavatra ao amin’ny tabernakely ao anatina vondrona kely. Azo omena zavatra samihafa ny vondrona tsirairay mba hohalalinina. Azon’ny vondrona atao avy eo ny mizara izay hitan’izy ireo amin’ny iray kilasy. Ampahatsiahivo ny mpianatra mba hikatsaka fitarihana avy amin’ny Fanahy rehefa mandinika ny zavatra ampianarin’ireo zavatra ireo azy ireo momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izy ireo. Afaka manolotra fanampiana araka izay ilaina ianao, saingy amin’ny ankapobeny dia mety tsara kokoa ny mamela ny mpianatra hahita sy hanao ezaka samirery hampisy fifandraisana rehefa mianatra manokana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izy ireo.
Ho solon’ilay taratasy zaraina dia azonao atao ny manasa ny mpianatra handalina ilay lahatsoratra hoe “Visite de l’ancien tabernacle” (Liahona, Mar. 2018, 52–53) na jereo ny horonan-tsary “Le Tabernacle” (7:18), azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
Rehefa nomena fotoana ampy handalinana ny mpianatra dia asao izy ireo mba hizara ny zavatra nianarany. Azonao atao ny mametraka fanontaniana toy ireto manaraka ireto ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo.
-
Inona avy ireo tandindona izay toa manan-danja manokana na mahaliana anao?
-
Inona no ampianarin’ireo tandindona ao amin’ny tabernakely anao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
Tempoly maoderina
Hevero ny hampiseho sarina tempoly maoderina iray. Hazavao fa ny tempoly ankehitriny dia ahitana ireo ôrdônansin’ny Fisoronana Melkizedeka izay nohazonin’ Andriamanitra tsy nomeny an’ireo Isiraelita fahiny noho ny fikomian’izy ireo. Na dia eo aza izany fahasamihafana izany dia misy fitoviana maro izay ifampizaran’ny tempolintsika amin’ny tabernakely fahiny.
-
Inona avy ireo fitoviana hitanao eo amin’ny tempolintsika sy ny tabernakely fahiny?
-
Inona avy ireo fahamarinana ianaranao avy amin’ireo fitoviana ireo?
Amporisiho ny mpianatra hizara valiny isan-karazany amin’ilay fanontaniana teo aloha. Azonao tanisaina eny amin’ny solaitrabe ireo fahamarinana hitan’ny mpianatra. Afaka mamantatra fahamarinana toy izao manaraka izao ireo mpianatra amin’ny fampiasana ny teniny manokana:
-
Mandidy antsika hanorina tempoly ny Tompo mba hahafahany mitoetra eo anivontsika.
-
Mampianatra momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ireo ôrdônansy sy tandindona ao amin’ny tempoly.
-
Manampy antsika hiomana hiverina any amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny tempoly.
Hazavao fa, tahaka ny tabernakely fahiny, ireo tempoly maoderina dia ahitana tandindona izay mampianatra antsika momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
-
Inona avy ireo fomba anampian’ireo tempoly maoderina anao hahatsiaro ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo momba ilay fanontaniana teo aloha dia hevero ny hampiseho sarina efitrano manokana ao anatin’ireo tempoly maoderina. Ohatra, rehefa avy miresaka momba ny sarin’ny dobo fanaovana batisa iray ao amin’ny tempoly ianao dia azonao anontaniana ny mpianatra hoe inona no azon’ny ôrdônansin’ny batisa ho an’ny maty ampianarina antsika momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Azonao atao ny mampiasa ireo sary etsy ambony na ireo sary hita ao amin’ny lahatsoratra “L’intérieur des temples,” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
ChurchofJesusChrist.org
11:45 -
Mety hiova toy ny ahoana ny faniriantsika hitsaoka any amin’ny tempoly rehefa fantatsika fa mampianatra antsika momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny tempoly?
-
Oviana ianao no nahatsapa ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy noho ny tempoly na tamin’ny alalan’ny fandraisana anjara tamin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny fanaovana tantaram-pianakaviana?
Raketo ireo zavatra tsapanao
Mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra nianarany sy tsapany avy amin’ny Fanahy Masina androany, dia hevero ny hanasa azy ireo hamaly ity fanontaniana manaraka ity ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.
-
Inona no nianaranao na tsapanao androany avy amin’ny Fanahy Masina ka nisy fiantraikany teo amin’ny fanirianao hitsaoka ny Tompo any amin’ny tempoly?
Afaka manasa mpianatra vitsivitsy izay vonona hizara ny zavatra nosoratany ianao. Ampahafantaro ny mpianatra fa hanana fahafahana hisaintsaina ny faniriany hitsaoka ny Tompo ao amin’ny tempoly izy ireo ao amin’ny Lesona 80: “Tombano ny fianaranao 5”.
Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fahamarinana noresahinareo androany.