Seminera
Tombano ny fianaranao 5: Rota–1 Mpanjaka 11


“Tombano ny fianaranao 5: Rota–1 Mpanjaka 11,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Tombano ny fianaranao 5: Rota–1 Mpanjaka 11,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

2 Samoela 11–12; 1 Mpanjaka 3; 6–9; 11: Lesona 80

Tombano ny fianaranao 5

Rota1 Mpanjaka 11

Hand holding seed and progression of seedling growth

Ny fisaintsainana sy ny fanombanana ny fianarantsika ara-panahy dia afaka manampy antsika hanakaiky kokoa ny Ray any an-danitra sy an’i Jesoa Kristy. Ity lesona dia natokana mba hanampy ny mpianatra hisaintsaina ireo tanjona napetrany sy ny fivoarana izay niainany nandritra ny fandalinany ny Testamenta Taloha tato ho ato.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny fivoarany ara-panahy mandritra ny seminera amin’ity taona ity. Amporisiho izy ireo hanombantombana ny ezaka nataon’izy ireo amin’ny alalan’ny famerenana mamaky ireo zavatra nosoratana tao amin’ny diary, ireo soratra masina nasian’izy ireo marika, ary ireo fanamarihana noraketin’izy ireo an-tsoratra.

Sahanasa fianarana azo atao

Mety nifantoka tamin’ny vokatra hafa noho ireo izay notombanana tamin’ity lesona ity ny fandalinan’ny mpianatrao ny Testamenta Taloha. Raha izany no izy dia amboary hifanaraka amin’izay ilaina ireo sahanasa mba hanombanana ny fivoarana niainan’ireo mpianatra avy amin’ireo vokatra nofantenanao ho an’ny kilasinao.

Ao anatin’ity lesona ity dia hanana fahafahana hanombana ny fivoarany amin’ny alalan’ireto vokatra avy amin’ny fianarana manaraka ireto ny mpianatra:

  1. Manazava ireo anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy sy ireo anjara asany izay nohalalinin’ny mpianatra tamin’ity taona ity. (Fanamarihana: It sahanasa ity dia manome fahafahana ny mpianatra mba hampiasa ny zavatra nianarany momba ireo anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy sy ireo anjara asany, toy ny hoe Mofon’aina, Mpanjakan’i Ziona, Mpahary, Mpanafaka ary Mpanavotra).

  2. Mahatsapa faniriana lehibe kokoa mba hitsaoka ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy any amin’ny tempoly. (Fanamarihana: Ireo sahanasa fianarana avy ao amin’ny Lesona 52: “Eksodosy 25, 35–40” sy ny Lesona 79: “1 Mpanjaka 6–9” dia manomana ny mpianatra amin’ity sahanasa fanombantombanana ity.)

  3. Mampivoatra ny fahafahan’izy ireo mandray sy mamantatra fanambarana ho an’ny tena manokana. (Fanamarihana: Ity sahanasa ity dia manampy ny mpianatra hisaintsaina ny tanjona napetrak’izy ireo ao amin’ny Lesona 70: “1 Samoela 3” sy mamporisika ny mpianatra hanao jery todika ireo fahafahana azo araraotina rehefa ao an-dakilasy mba hanasana ny Fanahy Masina hanatanteraka ny anjara asany ao anatin’ny dingan’ny fianarana.)

Manombantombana ny fivoarantsika ara-panahy sy ny fandrosoantsika

Hevero ny hampiseho ilay sary etsy ambony, na zavatra mitovitovy amin’izany, izay mampiseho ny fitombon’ny voa iray ho lasa zavamaniry na hazo mandritra ny lesona. Isaky ny sahanasa tsirairay, dia hampiasa io sary io ny mpianatra mandritra ny fisaintsainana na mba hamaliana fanontaniana toy ireto manaraka ireto.

  • Nahoana no manampy ny maka fotoana handinihana tsy tapaka ny fitombon’ny zavamaniry iray?

  • Mety ho hafa toy ny ahoana ny fikarakarana ilay zavamaniry isaky ny dingana lalovana? Inona no mety hitovy?

    Mety hilaza ny mpianatra hoe ny fanondrahana, na ny fanesorana ahi-dratsy, na ny fampiasana zezika, na ny fanaovana izay hananan’ilay zavamaniry masoandro na alokaloka ampy, miankina amin’ilay dingan’ny fivoarana. Azonao atao ny manazava fa ny voa kely iray dia mety mila fikarakarana sy masoandro ary rano hafa noho ilay hazo efa lehibe iray.

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany mety hitovian’ny fitombon’ny zavamaniry amin’ny fivoarantsika ara-panahy?

Zarao amin’ny mpianatra fa ny tanjon’ireo lesona Tombano ny fianaranao dia ny hiato kely ary hanasa ny Fanahy Masina mba hanampy azy ireo hamantatra ny ezaka nataon’izy ireo sy ny fivoarany mba ho tonga tahaka ny Mpamonjy kokoa. Afaka misaintsaina ireo fanovana ilain’izy ireo atao ny mpianatra eo am-pivoaran’izy ireo eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana mankany amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Azonao atao ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa ny fivoarantsika ara-panahy dia manamafy orina ny fifandraisantsika amin’Izy ireo ary manampy antsika ho tonga tahaka Azy ireo kokoa.

Saintsaino hoe taiza ho aiza no nahatsapanao fa nisy anao ara-panahy rehefa nanomboka ny fandalinanao ny Testamenta Taloha ianao ary aiza no misy anao amin’izao fotoana izao. Ampitahao amin’ny sarin’ilay voa mitombo ny fivoaranao ara-panahy. Vitao ao amin’ny diary fandalinanao ity fampiharana manaraka ity:

  • Ataovy sary eo amin’ny pejy havia ao amin’ny diary fandalinanao ilay zavamaniry (A, B, D, E, na F) izay tena maneho ny toerana izay tsapanao fa nisy anao ara-panahy tany am-piandohan’ny taona.

  • Ataovy sary eo amin’ny pejy havanana ao amin’ny diary fandalinanao ilay zavamaniry (A, B, D, E, na F) izay tena maneho ny toerana izay tsapanao fa misy anao ara-panahy ankehitriny.

Manorata andiam-pehezan-teny fohy izay mamaritra ny ezaka ataonao mba handrosoana mankany amin’i Jesoa Kristy eo amin’ny fivoaranao ara-panahy ao amin’ny seminera amin’ity taona ity. Avy eo dia asao ny Fanahy Masina hanampy anao hamantatra fanovana iray na roa izay azonao atao mba hanakaikezana kokoa ny Mpamonjy. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ireo fanovana ireo.

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara ny zavatra nosoratany raha toa ka tsy tsiambaratelo izany. Hevero ny hamporisika ireo mpianatra izay tsy mahatsapa fa nahita fivoarana ara-panahy amin’ny alalan’ny fampahafantarana azy ireo fa, toy ny voa mitombo, dia mitaky fotoana sy ezaka ny fivoarana ara-panahy. Omeo toky ireo mpianatra fa tia azy ireo ny Tompo ary manasa azy ireo mba hanana faharetana sy hiezaka foana.

Manazava ireo anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy sy ireo anjara asany

Asao ny mpianatra hamerina hijery ny soratra masiny sy ny diary fandalinany mba hitadiavana ireo anarana sasantsasany fiantsoana an’i Jesoa Kristy izay nohalalinin’izy ireo tao amin’ny Testamenta Taloha.

Mba hanampiana ny mpianatra haneho ny fahatakarany dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny sasany amin’ireo anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy na ireo anjara asany izay nohalalininao tamin’ity taona ity. Mety hanampy ny fanomezana ny mpianatra ny andinin-tsoratra masina mifandray amin’izany ao amin’ny Testamenta Taloha. Azonao atao ny mizara ireo anarana fiantsoana sy ireo anjara asa toy ireto:

  • Mpanavotra (Rota)

  • Mpanafaka (Mpitsara 2–4)

  • Mpahary (Genesisy 1:1–23)

  • Mpanome lalàna (Eksodosy 20)

  • Mpanjakan’i Ziona (Mosesy 7)

Alaivo sary an-tsaina hoe nangatahina ianao amin’ny alahady mba hizara eritreritra fohy momba ny fomba hanatanterahan’ny Mpamonjy io anjara asa io na io anarana fiantsoana io. Manorata rindran-damina fohy izay mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto:

  1. Inona no ampianarin’ilay anarana fiantsoana na anjara asa antsika momba an’i Jesoa Kristy?

  2. Ahoana no fomba nanehoan’i Jesoa Kristy izany anarana fiantsoana na anjara asa izany ao amin’ny Testamenta Taloha (mampidira andininy iray na tantara iray mba hanehoana ny anjara asany)?

  3. Ahoana no ahafahan’ny zatovo ho voatahy amin’ny alalan’ny fanatanterahan’ny Mpamonjy io anjara asa io eo amin’ny fiainan’izy ireo?

Azonao omena fahafahana hizara ny rindran-damina nataony ny mpianatra. Tsara raha manasa mpianatra vonona vitsivitsy mba hizara ny eritreriny amin’ny iray kilasy.

Mahatsapa faniriana bebe kokoa mba hitsaoka ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy any amin’ny tempoly

Mba hanampiana ny mpianatra hiomana amin’ity sahanasa fanombantombanana ity dia hevero ny hampiseho sarina tempoly iray. Mety ho tempolin’i Solomona izany, na tempolin’i Kirtland, na tempoly akaikin’ny misy anao.

Tadiavo ao anatin’ny diary fandalinanao ireo fanamarihana noraketinao an-tsoratra na soratra masina izay nasianao marika izay nanampy anao hahatakatra bebe kokoa momba ny tempoly amin’ny maha-tranon’ny Tompo izany na ny fanirianao hitsaoka Azy any.

Ny soratra masina sasany momba ny tempoly izay mety ho nohalalinin’ny mpianatra vao haingana dia ahitana ireto manaraka ireto:

Rehefa avy namerina mijery ny zavatra noraketiny an-tsoratra sy ny soratra masiny ny mpianatra dia azonao atao ny manasa ny vitsivitsy amin’izy ireo hizara zavatra izay nisarika ny sain’izy ireo. Azonao apetraka ny fanontaniana toy izao:

  • Inona avy ireo fiovana tsikaritrao tao anatin’ireo zavatra tsapanao momba ny tranon’ny Tompo tamin’ity taona ity?

  • Raha nahatsikaritra fiovana ianao, inona araka ny eritreritrao no nahatonga ireo fiovana ireo?

Hevero ny hanome fahafahana ireo mpianatra izay vonona hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny tranon’ny Tompo.

Mandray sy mamantatra fanambarana ho an’ny tena manokana

The boy Samuel in bed watching an oil lamp burn.

Hevero ny hampiseho sarin’i Samoela ilay mpaminany tanora mihaino ny feon’ny Tompo. Nandritra ny fandalinan’izy ireo ny 1 Samoela 3 dia nasaina ny mpianatra mba hanao fanazaran-tena hihaino ny feon’ny Tompo eo amin’ny fiainan’izy ireo isan’andro. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara ny zavatra tsaroan’izy ireo avy tao amin’io tantara io na hamerina hamaky ny 1 Samoela 3:1–16.

sary famantarana ny seminera Ny fanomezana fahafahana ny mpianatra hamerina hijery tanjona iray izay napetrak’izy ireo teo aloha dia afaka manasa ny Fanahy Masina mba hamporisika azy ireo hanohy ny ezaka ataony na hanampy azy ireo hanao ireo fanovana ilaina amin’izany tanjona izany. Ny fomba iray hanaovana izany dia ny fanomezana fahafahana ny mpianatra hamerina hijery ny tanjona napetrany nandritra ny Lesona 70: “1 Samoela 3.” (Mba hahitana fanofanana fanampiny mikasika ny fanaraha-maso an’ireo fanasana natolotra tany an-dakilasy dia jereo ny “Asao ny mpianatra hiaina ny zavatra izay ianarany” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra).

Tao anatin’ny fandalinanao ny 1 Samoela 3 dia mety nametraka tanjona ianao mba hanatsara ny fahaizanao mamantatra sy mandray fanambarana ho an’ny tena manokana avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Avereno dinihina ilay tanjona ary valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny roa farafahakeliny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona avy ireo zavatra mahakasika ny fanambarana ho an’ny tena manokana izay niainanao tato ho ato?

  • Inona no nanampy anao hahafantatra fa avy tamin’ny Ray any An-danitra ilay fanambarana?

  • Inona no nitondra fiantraikany teo amin’ny fahaizanao mamantatra sy mandray fanambarana?

  • Raha nisy olona nahatsapa fa tsy nandray fanambarana ho an’ny tena manokana izy dia inona no zavatra nianaranao na tsapanao ka afaka manampy azy?

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamerina hanolo-tena amin’ny fanatanterahana ny tanjon’izy ireo. Mba hanampiana ny mpianatra hahatsiaro ny tanjony dia mety tsara raha angatahina izy ireo mba hanoratra izany eo amin’ny zavatra izay azon’izy ireo entina mody, toy ny taratasy azo araikitra na taratasy kely. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mandefa amin’ny tenan’izy ireo ihany ilay tanjona ao anatina hafatra fohy. Azonao omena toky ireo mpianatra fa mitaky fotoana sy fanazaran-tena ny famantarana fanambarana ho an’ny tena manokana avy amin’ny Ray any An-danitra. Derao izy ireo noho ny ezaka ataon’izy ireo sy ny fahavononany hanohy hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy.