“1 Samoela 3: -Mitenena Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao-”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“1 Samoela 3: -Mitenena Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Rota; 1 Samoela 1–7: Lesona 70
1 Samoela 3
“Mitenena Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao”
Hatraiza raha ny fahatsapanao no fahafahanao mamantatra tsara ny feon’ny Tompo eo amin’ny fiainanao? Indray alina dia niteny tamin’ilay zazalahy antsoina hoe Samoela ny Tompo. Noho ny fanampian’i Ely dia nahafantatra ny feon’ny Tompo i Samoela nony farany. Novaliany hoe “Mitenena Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao” (1 Samoela 3:9). Miteny amintsika ihany koa ny Tompo ary mila mianatra mamantatra ny feony isika, tahaka an’i Samoela. Afaka manampy ny mpianatra hikatsaka sy hamantatra fanambarana ho an’ny tena manokana ity lesona ity.
Fanomanana ny mpianatra: Apetraho amin’ny mpianatra ny fanontaniana hoe: “Ahoana ny fomba handrenesanao ny feon’ny Tompo eo amin’ny fiainanao?” Asao izy ireo hieritreritra izay mety ho valinteniny. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mametraka ilay fanontaniana amin’ny namany na ny fianakaviany.
Sahanasa fianarana azo atao
Mandre ny feon’ny Tompo
Mangataha mpianatra terem-panahy hijoro eny anoloana mba ho tampena-maso. Tampeno ny mason’ilay mpianatra. Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hiantso indray miaraka ny anaran’io mpianatra io. Ataovy mamantatra ny anaran’ny mpianatra niantso ny anarany ilay mpianatra notapena-maso.
-
Nahoana no mora kokoa ny namantatra ny feo sasany?
-
Inona ny lesona ara-panahy izay azo ampifandraisina amin’ity sahanasa ity?
Mety hizara, na tsia, ny fitsipika mitovy amin’ny fahamarinana narindra ato amin’ity lesona ity ny mpianatra. Raha manao izany izy ireo dia asaivo mitady porofo na mamantatra bebe kokoa mikasika ireo fahamarinana ireo eo am-pandalinana ny 1 Samoela 3. Raha tsy nanao izany izy dia tsy maninona. Ankasitraho ny mpianatra rehetra ny amin’izay nozarainy.
Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Miteny amintsika Andriamanitra ary mila antsika hamantatra ny feony. Hazavao fa miteny amintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2). Fantatra amin’ny hoe fanambarana ho an’ny tena manokana izany. Hamantatra fitsipika fanampiny mikasika ny fanambarana ho an’ny tena manokana amin’ny alalan’ity lesona ity ny mpianatra.
Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:
Anisan’ireo zavatra napetraky ny Fanahy imbetsaka tato an-tsaiko … ny hoe hatraiza ny fahavononan’ny Tompo hanambara ny sainy sy ny sitrapony. Ny tombontsoa noho ny fandraisana fanambarana dia anisan’ireo fanomezana lehibe indrindra avy amin’ Andriamanitra ho an’ireo zanany. …
Tena te hiresaka aminareo ve Andriamanitra? Eny! (“Fanambarana ho an’ny Fiangonana, Fanambarana ho an’ny Fiainantsika manokana,” Liahona, mey 2018, 94–95)
Asao ny mpianatra hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Mino ve ianao fa tena te hiresaka aminao Andriamanitra? Nahoana no eny, na nahoana no tsia?
-
Manao ahoana ny fatokian-tenanao amin’ny fahaizanao mamantatra fanambarana?
-
Inona no maha mora na maha sarotra aminao ny mamantatra ny feon’ Andriamanitra (na ny fanambarana ho an’ny tena manokana) eo amin’ny fiainanao?
Asehoy ny fatokianao fa te hiresaka amin’ny mpianatrao Andriamanitra.
Miezaha mikatsaka sy mamantatra hafatra avy amin’ny Tompo mandritra ny lesona. Ezaho fantarina ny fomba hiresahany aminao.
Fitsipiky ny fanambarana
Avy amin’ny valim-bavaka nataon’i Hana no niterahany an’i Samoela. Fony mbola zaza i Samoela dia nentin’i Hana tao amin’ny tabernakely mba hokarakarain’i Ely. Indray alina dia nahare ny feon’ny Tompo i Samoela zazalahy.
Alohan’ny hanomezana ireo torolalana etsy ambany dia hazavao fa lazaina an-kolaka ny sasany amin’ny fitsipika ao amin’ny soratra masina. Midika izany fa tsy ambara mivantana ao amin’ireo andininy izy ireo. Afaka manampy antsika hamantatra fitsipika tsy ambara mivantana ny Fanahy Masina rehefa manontany tena momba ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto isika “Inona no tian’ny mpanoratra ity andininy ity hianarako?” na hoe “Inona ny sasany amin’ireo lesona manan-danja tian’ity andininy ity ampianarina ahy?”
Halalino ny 1 Samoela 3:1–10, 19 ary jereo ny hevi-baovao sy fahamarinana mikasika ny fandraisana fanambarana avy amin’ Andriamanitra.
Rehefa vita ny fandalinan’ny mpianatra dia asao izy ireo hanoratra izay fitsipika hitany eny amin’ny solaitrabe. Mety hahita fitsipika toy ny voalaza etsy ambany ireo mpianatra fa amin’ny ny teniny manokana no ilazany azy. Raha sarotra amin’izy ireo ny mahita fitsipika dia azonao atao ny manao lisitra an’ireto manaraka ireto ary manasa azy ireo hamantatra andian-teny na andininy mampianatra izany.
-
Manatona antsika amim-paharetana ny Tompo eny fa na dia tsy mamantatra ny feony aza isika amin’ny voalohany (jereo ny andininy 4, 6, 8, 10).
-
Miresaka amin’ny zatovo ny Tompo (jereo ny andininy 4, 6, 8, 10).
-
Mitaky fotoana sy fampiharana matetika vao lasa zatra mandre ny feon’ny Tompo (jereo andininy 7, 10, 19).
-
Afaka manampy antsika hamantatra ny feon’ny Tompo ny olona hafa (jereo andininy 8–9).
-
Rehefa mampiseho fahavononana hihaino sy hanao zavatra isika dia hanambara zavatra bebe kokoa ny Tompo. (jereo andininy 10, 19)
-
Nahoana no mety manampy be ireo fitsipika ireo rehefa miezaka mamantatra ny feon’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika isika?
-
Nahoana no porofon’ny fitiavan’ Andriamanitra antsika izy ireny?
Mamantatra ny feon’ny Tompo
Miteny amintsika amin’ny fomba maro amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny Tompo. Ny fianarana ny fomba mety hiresahany aminao dia manampy anao hamantatra kokoa ny feony eo amin’ny fiainanao.
Omeo ilay taratasy zaraina hoe “Ahoana no hamantarako ny feon’ny Tompo? ny mpianatra” Azonao atao ny mameno ny tsivalana voalohany amin’ny tabilao miaraka amin’ny iray kilasy alohan’ny hanasana ny mpianatra hameno ireo tsivalana ambiny. Tsara ny manasa ny mpianatra hameno izany samirery mba hananan’izy ireo fotoana manokana handinihina. Raha hitanao fa tsy ho ampy ny fotoana hanaovana ity sahanasa ity, dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hameno tsivalana vitsivitsy fotsiny ihany na tohizo amin’ny fotoana manaraka ny lesona.
Rehefa vita ny fandalinana ataon’ny mpianatra dia omeo fotoana izy hifanakalozany hevitra mikasika izay hitany ary hametrahany fanontaniana. Ampiasao io fotoana io hizaran’ny mpianatra ny fomba handrenesany ny feon’ny Tompo eo amin’ny fiainany. Azonao atao ihany koa ny mizara zavatra niainanao manokana sy manazava ny fomba hendrenesanao Azy.
Ankasitraho ny mpianatra amin’ny zavatra izay nozarainy. Ampahafantaro azy ireo fa zava-dehibe ao an-dakilasy ny fandraisany anjara.
Lasa mahafantatra ny feon’ny Tompo
Tahaka an’i Samoela dia mety mitaky fotoana sy fampiharana ho antsika ny izany hoe lasa mahafantatra ny feon’ny Tompo izany sy mahafantatra fanambarana ho an’ny tena manokana (jereo 1 Samoela 3:7, 10, 19).
-
Inona avy ireo fomba azontsika hanaovana ezaka mba hamantarana ny feon’ny Tompo, tahaka an’i Samoela?
Ao anatin’izany ohatra ny firesahana amin’ny ray aman-dreny na mpampianatra azo itokiana mikasika ny fomba handraisna fanambarana tahaka ny niresahan’i Samoela tamin’i Ely. Hoy i Samoela, “Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao” (1 Samoela 3:10). Azontsika atao koa ny manambara mazava amin’ny Tompo fa vonona ny hihaino ny hafatra avy Aminy isika amin’ny fanokanana fotoana hisaintsainana sy hihainoana rehefa vita ny vavaka na mandritra ny tontolo andro. Na azontsika atao ny manoratra ao amin’ny diary ireo fomba sasany handraisantsika hafatra avy amin’ny Ray any An-danitra, tahaka ireo ao amin’ny taratasy zaraina.
Manaova drafitra momba ny zavatra tianao hatao hikatsahana sy hamantarana fanambarana avy amin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao ao amin’ny diary fandalinanao.
Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa manao ezaka mifantoka amina tanjona ny mpianatra rehefa mandeha ny fotoana dia hitombo ny fahaizany mamantatra fanambarana ho an’ny tena manokana. Ilazao ny mpianatra fa homena fotoana handinihany ny ezaka ataony amin’ny famantarana ny fanambarana ho an’ny tena manokana izy ireo ao amin’ny Lesona 80: “Tombano ny fianaranao 5.”