“Rota: -Homen’i Jehovah, … valim-pitia lehibe anie ianao-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Rota: -Homen’i Jehovah, … valim-pitia lehibe anie ianao,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Rota; 1 Samoela 1–7: Lesona 68
Rota
“Homen’i Jehovah, … valim-pitia lehibe anie ianao”
Satria lafo vidy loatra ka tsy hefantsika samirery ny famonjena dia mila avotana isika tsirairay avy. Ny tantaran’i Rota, Naomy ary Boaza ao amin’ny Testamenta Taloha dia tantara momba ny fanavotana ara-batana izay tandidon’ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpanavotra antsika manokana Azy. Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanana faniriana kokoa hatoky an’i Jesoa Krsity sy ny heriny manavotra.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny antony nahatonga ny anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy ho Mpanavotra. Entano izy ireo hisaintsaina ny fomba hanavotan’i Jesoa Kristy ho antsika amin’ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy. (Mety hijery ny “Fanavotana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina izy ireo.) Amporisiho izy ireo mba ho tonga vonona hizara ny eritreriny amin’ny iray kilasy.
Sahanasa fianarana azo atao
Inona no hevitry ny hoe i Jesoa Kristy no Mpanavotra antsika?
Azonao atao ny manomboka ny kilasy amin’ny fanehoana ity sarin’i Jesoa Kristy ity na sary hafa izay safidinao ary manoratra ny teny hoe Mpanavotra eo amin’ny solaitrabe.
Asehoy ny teny nindramina avy amin’ny Loholona Christofferson ary asao ny mpianatra hamaly ireo fanontaniana roa ao amin’ny diary fandalinany.
Nanazava toy izao ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Tao anatin’ireo anarana faran’izay manan-danja niantsoana an’i Jesoa Kristy ny hoe Mpanavotra. … Ny teny hoe manavotra dia midika hoe, manefa adidy iray na mandoa trosa. Ny teny hoe manavotra koa dia mety midika hoe mamonjy na manafaka. (“Fanavotana,” Liahona, Mey 2013, 109)
-
Amin’ny zavatra toy ny ahoana no mety hilanao sy ny hafa ny ho avotan’i Jesoa Kristy?
-
Hatraiza no tianao hatokianao ny hery manavotr’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainanao? Nahoana?
Asao ny mpianatra hieritreritra ny fatokian-tena ananan’izy ireo ao anatin’ny valinteniny sy izay zavatra tiany ho takatra na ho tsapany kokoa momba ny Mpamonjy sy ny heriny manavotra.
Azonao atao ny mamintina ity andiam-pehezan-teny manaraka ity amin’ny teninao manokana. Azonao atao ihany koa ny manoratra ilay fahamarinana amin’ny soratra matevina eny amin’ny solaitrabe akaikin’ny teny hoe Mpanavotra.
Iray amin’ireo lohahevitra mibahan-toerana ao amin’ny tantaran’i Rota ny fanavotana. Eo am-pandalinana ny tantaran’i Rota dia hevero ny fomba ahafahan’ny fampitahana ity tantara ity amin’ny tenantsika manampy antsika hianatra fa raha manatona an’i Jesoa Kristy isika dia hanavotra antsika Izy. Katsaho ny fanampian’ny Fanahy Masina hahalalana ireo fomba itovizantsika amin’i Rota sy ny filantsika fanavotana ary ny itovizan’i Boaza amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy ny anavotany antsika.
Ny tantaran’i Rota
Azonao atao ny mamaky na manazava ity famintinana manaraka ity.
Tamin’ny fotoanan’ny mosary iray, dia nifindra avy tany Betlehema nankany Moaba, firenena teo akaiky teo, izay nanana ny kolontsainy sy ny finoana ara-pivavahany ny vehivavy Isiraelita iray antsoina hoe Naomy sy ny vadiny ary ny zanany roalahy. Raha mbola tany izy ireo dia samy nanambady vehivavy moabita ny zanany roa lahy dia i Rota sy Orpa.
Indrisy anefa fa maty ny vadin’i Naomi sy ny zanany roalahy ary namela azy telo vavy ho lasa mpitondratena. Nisafidy ny hiverina tany Betlehema i Naomy. Noho ny tsy fahafahany mikarakara ny vinantony dia namporisika azy ireo i Naomy hiverina tany amin’ny fianakaviany tany Moaba. Niverina tany amin’ny fianakaviany i Orpa.
Vakio Rota 1:8–9, 14–17 hijerena ny valinteny nasetrin’i Rota an’i Naomy.
-
Inona avy ireo zavatra sasantasany nampisalasala sy olana mety natrehin’i Rota raha niverina tany Betlehema niaraka tamin’i Naomy izy?
Rehefa re ny hevitry ny mpianatra dia azonao atao ny manazava ny sasantsasany amin’ireto manaraka ireto:
-
Rehefa nandeha niaraka tamin’i Naomy i Rota dia tsy manitsy nandao ny fianakaviany tany Moaba.
-
Ho vahiny any amin’ny tany tsy fantany izay manana kolontsaina hafa i Rota.
-
Hiatrika fahantrana lalina i Rota sy i Naomy noho izy ireo tsy misy vady.
-
Nampiseho ny fahavononany hanompo sy hiantehitra amin’i Jehovah (Jesoa Kristy) i Rota, fa tsy amin’ireo andriamanitra sandoky ny Moabita. (Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanisy marika ny andian-teny hoe “ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro” ao amin’ny andininy 16.)
-
-
Noho ny fahatakaranao ny toe-javatra nolalovan’i Rota dia inona no manan-danja aminao momba ny valinteniny?
Nanavotra an’i Rota i Boaza
Mba hanohizana ny tantaran’i Rota dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hameno ilay taratasy zaraina hoe “Voavotra i Rota sy i Naomy.” Afaka miasa tsiroaroa ny mpianatra mba hanoratra ny antsimpiriany manan-danja ao amin’ny tantara. Azonao atao ihany koa ny manome andian-tsoratra masina ao amin’ilay taratasy zaraina ary manasa azy ireo hamintina ireo andininy amin’ny teniny manokana amin’ny namana mpiara-miasa iray.
Rehefa avy nofenoin’ny mpianatra ilay taratasy zaraina dia azonao hazavaina izay hitanao fa manampy amin’ireto manaraka ireto:
-
Tafiditra tao anatin’ny Lalàn’i Mosesy ny nitakiana ny Isiraelita hamela vokatra tsy jinjaina eny an-tsaha ho an’ny mahantra (jereo Levitikosy 19:9–10).
-
Niteny tamin’i Rota i Naomy fa “havan’izy ireo akaiky” i Boaza (jereo Rota 2:20) na koa fianakaviana akaiky. Ny teny hoe “havana akaiky” dia avy amin’ny teny Hebreo hoe go-el, izay midika hoe “mpanavotra.” Andraikitry ny “havana akaiky” ny mikarakara (na maka vady mihitsy aza) ny vehivavy mpitondratena ao amin’ny fianakaviany mba hananan’izy ireo indray fiainana azo antoka sy hahazo fiarovana.
-
Koa satria nisy havana akaiky kokoa izay nanan-jo hampakatra an’i Rota ho vady dia novidian’i Boaza taminy izany zo izany (jereo Rota 3:12–13) talohan’ny nampakarany an’i Rota ho vady (jereo Rota 4:9–10, 13).
Mety hanampy ny fanaovana tabilao misy tsanganana roa eny amin’ny solaitrabe. Asio anarana hoe Rota/Isika ny tsanganana voalohany ary Boaza/Jesoa Kristy ny tsanganana faharoa. Azon’ny mpianatra atao ny manao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny zavatra hitany.
-
Inona ireo zavatra hitovizantsika amin’i Rota?
Raha tsy mahita havaly ny mpianatra dia hevero ny hangataka azy ireo hieritreritra ny fomba mety tsy ahafahany manana ny ampy na mahavita tena samirery. (Ao anatin’izany ny tsy fananany fahamarinana na fankatoavana ampy, tsy fananana hery ampy entina mandresy fahotana na fahalemena, tsy fananana fanohanana ampy hanohizana manao ny marina, sy ny sisa.) Azonao atao ny manontany ny zavatra nataon’i Rota mba hikatsahana fanavotana sy ny mety hitovizantsika amin’izany.
-
Amin’ny fomba ahoana avy no hitovizan’i Boaza amin’i Jesoa Kristy?
Raha tsy mahita havaly ny mpianatra dia asao izy ireo hamerina hijery ny Rota 2:12, 15–16. Azonao atao ihany koa ny milaza fa niditra tao anatin’ny fanekempihavanan’ny fanambadiana na ny fifandraisana tamin’i Rota i Boaza mba hitia sy hikarakara azy.
Raha ilaina dia azavao fa manavotra antsika amin’ny lafiny rehetra ilantsika izany ny Mpamonjy. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamaky Môzià 15:7–9 na ny Helamàna 5:9–11 mba hahitany ny fomba hanavotan’ny Mpamonjy antsika. Azonao atao ihany koa ny manampy fa anisan’ny asam-panavotana ataon’ny Mpamonjy ny fanampiana antsika amin’ireo olana ety an-tany (jereo D. Todd Christofferson, “Fanavotana,” Liahona, Mey 2013, 109–110).
-
Ahoana no hamariparitanao ny fahasamihafan’ny toe-javatra niainan’i Rota taloha sy taorian’ny nanampian’i Boaza sy nanambadiany azy?
-
Inona no lesona azontsika ianarana mikasika ny fifandraisantsika amin’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny tantaran’i Rota sy i Boaza?
Jesoa Kristy no ilay Mpanavotra antsika
Hanasa ny Fanahy Masina ny fanomezana fahafahana ny mpianatra hamaly ireto fanontaniana telo manaraka ireto. Rehefa mifampizara sy mifampihaino izay zaraina ny mpianatra dia afaka manampy azy ireo ahatsapa faniriana lehibe kokoa hatoky an’i Jesoa Kristy sy ny heriny manavotra ny Fanahy Masina. ChurchofJesusChrist.org
-
Oviana ianao na ny olona fantatrao no nahatsapa ny hery manavotr’i Jesoa Kristy?
-
Tahaka an’i Rota, nahoana ianao no mila matoky an’i Jesoa Kristy sy ny heriny manavotra any aoriana any?
-
Inona no azon’ny olona iray hatao hampitomboana ny faniriany hatoky ny hery manavotry ny Mpamonjy araka ny hevitrao?
Hamaranana azy dia asao ny mpianatra hieritreritra izay hevitra na fahatsapana nomen’ny Fanahy Masina azy ireo mikasika ny fitokiana amin’ny Tompo sy ny heriny manavotra. Azon’izy ireo atao ny manampy hevitra amin’ny fanontaniana novaliany tao amin’ny diary fandalinany teny ampiandohan’ny lesona.