Seminera
Rota; 1 Samoela 1–7: Topimaso ankapobeny


“Rota; 1 Samoela 1–7: Topimaso ankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Rota; 1 Samoela 1–7: Topimaso ankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Rota; 1 Samoela 1–7

Rota; 1 Samoela 1–7

Topimaso ankapobeny

Tantara momba ny fanavotana ny tantaran’i Rota sy Naomia ary Boaza. Mampiseho izany fa afaka manavotra antsika ny Mpamonjy. Manome ohatra antsika amin’ny fivavahana amim-panetrentena i Hana, rehefa nangataka zanakalahy tamin’ Andriamanitra izy. Namaly ny vavaka nataony Andriamanitra. Rehefa nihalehibe i Samoela, zanak’i Hana, dia nahare feo izy. Rehefa nampian’i Ely, ilay mpisorona izy dia fantatry Samoela fa feon’ny Tompo izany.

sary famantarana ny semineraMitadiava fomba iray mety indrindra hanehoanao ny fitiavanao. Maro ny fomba mety indrindra anehoanao amin’ny mpianatra ny fitiavanao. Rehefa mahatsapa ny fitiavanao ny mpianatra dia hahazo aina kokoa izy ireo ao andakilasy ary hanokatra ny fony amin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Ny Mpamonjy no ohatra tonga lafatra amin’ny fanehoam-pitiavana. Raha handalina bebe kokoa dia jereo ny “Naneho ny fitiavany an’ireo izay nampianariny ny Mpamonjy” ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Mba hanaovana fanazaran-tena amin’ny fomba iray mety indrindra hanehoana fitiavana dia jereo ny fanofanana “Mandefasa hafatra any amin’ny ray na renin’ny mpianatra iray mikasika ny zavatra tsara tsikaritrao momba ny zanany.” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety ilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Rota

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra ahatsapa faniriana lehibe kokoa hatoky an’i Jesoa Kristy sy ny heriny manavotra.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny antony nahatonga ny anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy ho Mpanavotra. Entano izy ireo hisaintsaina ny fomba hanavotan’i Jesoa Kristy ho antsika amin’ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy. (Mety hijery ny “Fanavotana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina izy ireo.) Amporisiho izy ireo mba ho tonga vonona hizara ny eritreriny amin’ny iray kilasy.

  • Votoatin-javatra haseho: Sarin’i Jesoa Kristy

  • Taratasy zaraina:Voavotra i Rota sy i Naomy

1 Samoela 1

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatakatra fa mihaino ny vavaka ataon’izy ireo amim-panetrentena ny Ray any An-danitra ary hitahy azy ireo.

1 Samoela 3

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hitady sy hamantatra fanambarana ho an’ny tena manokana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Apetraho amin’ny mpianatra ny fanontaniana hoe: “Ahoana ny fomba handrenesanao ny feon’ny Tompo eo amin’ny fiainanao?” Asao izy ireo hieritreritra izay mety ho valinteniny. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mametraka ilay fanontaniana amin’ny namany na ny fianakaviany.

  • Fitaovana homanina: Tampi-maso iray

  • Taratasy zaraina:Ahoana no hamantarako ny feon’ny Tompo?