“1 Samoela 1: -Nomen’i Jehovah ahy izay nangatahiko Taminy-”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“1 Samoela 1: -Nomen’i Jehovah ahy izay nangatahiko Taminy-”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Rota; 1 Samoela 1–7: Lesona 69
1 Samoela 1
“Nomen’i Jehovah ahy izay nangatahiko Taminy”
Efa nisy fotoana ve nitalahonao tamin’ny Ray any An-danitra mba hahazo fitahiana avy Aminy kanefa toa mitaky ny faharetanao sy ny finoanao izany? I Hana, vehivavy Israelita marina iray dia naniry mafy ny hanan-janaka. Na dia tsy tanteraka tao anatin’ny taona maro aza izany faniriany mendrika izany (1 Samoela 1:7) dia nitohy niasa tamim-pinoana ary nangataka fitahiana tamin’ny Ray any An-danitra hatrany i Hana. Nivaly ny vavaka tamim-panetrentena nataon’i Hana raha nandray fiadanam-po, fifaliana, ary zanaka nantsoiny hoe Samoela izy. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra fa haheno ny vavaka amim-panetrentena ataon’izy ireo ny Ray any An-danitra ary hitahy azy ireo.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaina zavatra niainana izay nandraisany na nandraisan’ny olona fantany valim-bavaka. Afaka miomana hizara izany traikefa izany ho ampahany amin’ny sahanasa fandalinana ny mpianatra.
Sahanasa fianarana azo atao
Rehefa toy ny tsy mivaly ny vavaka
Ny hira feno fanajana dia afaka manasa ny Fanahy Masina ho ao an-dakilasinao ary manomana ny fo sy ny sain’ny mpianatra ho amin’ny traikefa amin’ny fianarana. Azonao atao ny manomboka ny fampianarana amin’ny fanasana ny mpianatra hisafidy hira fihirana tiany indrindra izay mampianatra ny herin’ny vavaka atao amin’ny Ray any An-danitra. Alohan’ny vavaka fanokafana dia afaka mihira na mihaino ny andininy voalohany amin’ny hira toy ny “Vavaky ny ankizy,” (Bokin-kiran’ny ankizy, 6–7) na “Moa nivavaka?,” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, p. 96) ny iray kilasa. ChurchofJesusChrist.org
Eo am-panombohanao ny lesona dia asehoy ity rafi-tantara manaraka ity, na zavatra hafa mitovy amin’izany, izay mifanaraka tsara amin’ny zavatra ilain’ny mpianatra. Azonao atao ny manoratra izany eny amin’ny solaitrabe.
Rehefa vita ny lesona seminera iray mikasika ny vavaka dia misy namana manatona anao ary miaiky hoe “Mivavaka aho nefa tsy tena azoko antoka raha hivaly izany.” Rehefa mandeha ny resakareo dia mametraka fanontaniana telo izy.
-
Ahoana no ahafantarako fa maheno sy mamaly ny vavaka ataoko ny Ray any An-danitra?
-
Inona avy ireo fomba vitsivitsy hamalian’ny Ray any An-danitra ny vavaka?
-
Inona no azoko hatao mba hahatonga ny vavaka ataoko amin’ny Ray any An-danitra ho manan-danja kokoa?
Fanombanan-tena ity sahanasa manaraka ity. Ity fotoana ity dia ahafahan’ny mpianatra manombana ny fahatakarany ny fahamarinana amin’izao fotoana izao, izay hohalalininy ao an-dakilasy. Afaka manampy ny mpianatra hahita zavatra mety ho ilainy na tiany hianarana ihany koa izany.
Raha ampitahaina amin’ny mari-drefy 1 (ambany) ka hatramin’ny 5 (ambony) dia omeo isa ny fahatokisan-tenanao mamaly ireo fanontaniana tsirairay avy amin’ilay rafi-tantara ireo.
Mifantena fanontaniana iray izay tianao halalinina kokoa androany. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao izany fanontaniana izany. Eo am-pandalinanao dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy hanampy anao hamaly ny fanontaniana izay nofantenanao.
Naniry mafy ny hanan-janaka i Hana
Nisy lehilahy Isiraelita marina iray antsoina hoe Elkana nonina tao Efraima niaraka tamin’ny vadiny roa, Penina sy Hana (fanaon’ny maro ary neken’ny Tompo ny fanambadiana maro tamin’izany fotoana izany).
Vakio ny 1 Samoela 1:1–8 ka tadiavo ny olana natrehan’i Hana. (Mety ho Penina ilay “rafiny” ao amin’ny andininy 6.)
-
Inona no hitanao?
-
Raha mandalo olana manokana tahaka an’i Hana ianao dia inona no mety ho eritreritrao na ho tsapanao?
Na samihafa tanteraka aza ny toe-javatra misy azy ireo dia azonao atao ny manontany ny mpianatra hoe inona no mety hitovizan’izy ireo amin’i Hana.
Rehefa mandalina ny andalana manaraka ny mpianatra dia mety ho tsikaritr’izy ireo fa tsy nahazo ny vavaka tamim-panetrentena nataon’i Hana i Ely, mpisorona avo, tamin’ny voalohany. Ampio ny mpianatra hifantoka amin’i Hana, ny fomba namaliany an’i Ely sy ny fitahiana izay voarainy avy amin’ny Tompo (jereo andininy 20). Raha ilaina dia lazao fa rehefa nifampiresaka tamin-kitsim-po izy ireo dia nanitsy haingana ny fahadisoana nataony i Ely.
Azon’ny mpianatra atao ny mijery ny horonan-tsary “La foi d’Anne” (3:08) izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org sady manaraka ao amin’ny soratra masiny ihany. Azonao atao ny mampiato izany eo amin’ny minitra faha-1:03 ary manasa ny mpianatra hizara ny heviny mikasika ny andininy 9–13 ary hiato indray eo amin’ny minitra faha-1:30 mba hanasana ny mpianatra hizara ny heviny mikasika ny andininy 14–20.
Vakio ny 1 Samoela 1:9–20 sy 2:1–2 ary tadiavo ny zavatra nataon’i Hana manolona ny olana natrehany.
-
Inona no hitanao?
-
Inona no azontsika ianarana mikasika ny Ray any An-danitra sy ny vavaka avy amin’ity tantara ity?
Mety hizara hevitra samihafa ny mpianatra. Hisaory izy ireo ary antontanio ny antony maha manan-danja ny fahafantarana ny zavatra hitany. Raha tsy milaza ity fahamarinana manaraka ity ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe izany ary anontanio ny maha porofon’izany ny tantaran’i Hana: Rehefa mangataka vavaka amin’ny Ray any An-danitra amim-panetrentena isika dia maheno sy mitahy antsika Izy.
-
Inona no sasany tamin’ny teny na andian-teny ao amin’ny 1 Samoela 1:9–20 izay mampiseho fa natao tamim-panetrentena ary manan-danja ny vavaka nataon’i Hana?
-
Araka ny andininy 17–18, dia inona ny fampiononana nomen’ny Tompo an’i Hana nandritra ny fotoana niandrasany hahazo zanaka?
Mety hanampy ny manamarika fa tahaka an’i Hana, dia mety ho mila mahatoky ny Tompo ary miandry ny fitahiany amin’ny faharetana isika. Mety tsy amin’ny fomba antenaintsika hatrany no hamaliany izany kanefa dia afaka matoky isika fa mamaly vavaka araka ny sitrapony sy izay tsara indrindra ho antsika Izy.
Azonao atao ny mizara ohatra ana vavaka amim-panetrentena sy manan-danja kanefa tsy nivaly araka izay nieritreretana azy toy ny “Comment je l’écoute : D. Todd Christofferson (#ÉcoutezLe)” (2:25) ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Azonao atao ihany koa ny mizara ohatra iray avy amin’ny fiainanao manokana.
Maheno ny vavaka ataontsika ny Ray any An-danitra ary mitahy antsika
Azonao ampiasaina ity sahanasa manaraka ity hampitomboana ny fahatakaran’ny mpianatra ny fahamarinana izay nianarana tetsy ambony ary hamaliana ireo fanontaniana telo tany am-piandohan’ny lesona. Fomba iray hanaovana izany ny fanomezana na fampisehoana ireto tari-dalana manaraka ireto ho an’ny fanontaniana tsirairay (A, B, sy D). Azonao atao ny manome safidy ho an’ny mpianatra raha handalina samirery na anaty vondrona kelikely miaraka amin’ny mpianatra hafa izay nifantina fanontaniana mitovy amin’ny azy. Azonao atao ihany koa ny mampiaraka ny mpianatra ho tsitelotelo, izay ahitana olona tsirairay nisafidy fanontaniana samy hafa hohalalinina. Azon’izy ireo atao ny mizara amin’ny vondrona izay zavatra hitany.
Fanontaniana A: Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny tantaran’i Hana olona iray hino fa ny Ray any An-danitra dia maheno ny vavaka ataony ary mitahy azy ireo?
Mampiasà ireo fitaovana fandalinana soratra masina toy ny Sujets de l’Évangile sy ny Torolalana ho an’ny soratra masina ary ny Bibliothèque de l’Évangile ahitana andalan-tsoratra masina vitsivitsy na teny nambara iray avy amin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay mety hanampy ny olona hahatakatra fa ny Ray any An-danitra dia mamaly vavaka (ohatra, Jakôba 1:5–6; Enôsa 1:2–10; 3 Nefia 18:20; Fotopampianarana sy Fanekempiavanana 90:24).
Fanontaniana B:Amin’ny fomba ahoana no mety hanampian’ny tantaran’i Hana olona iray hahatakatra ny fomba sasany ampiasain’ny Ray any An-danitra hamaliana vavaka?
Mampiasà ireo fitaovana fandalinana soratra masina toy ny Sujets de l’Évangile sy ny Torolalana ho an’ny soratra masina ary ny Bibliothèque de l’Évangile ahitana tantara ao amin’ny soratra masina vitsivitsy na teny nambaran’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay mety hanampy ny olona hahatakatra ny fomba hamalian’ny Ray any An-danitra vavaka (ohatra, Lioka 22:39–44; 2 Korintiana 12:7–9; Môzià 24:10–16; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:22–23; 8:2–3).
Fanontaniana D:Ahoana no mety hanampian’ny tantaran’i Hana olona iray hiezaka hanao izay hahatonga ny vavaka ataony ho amim-panetrentena sy amin’ny fomba manan-danja kokoa?
Mampiasà ireo fitaovana fandalinana soratra masina toy ny Sujets de l’Évangile sy ny Torolalana ho an’ny soratra masina ary ny Bibliothèque de l’Évangile ahitana andalan-tsoratra masina vitsivitsy na teny nambaran’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay mety hanampy ny olona maniry hanao vavaka amim-panetrentena sy ho manan-danja kokoa (ohatra, Enôsa 1:2–10; Almà 5:45–46; Etera 3:1–5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:30).
Mampiseho ny fahatakaran-javatra
Mba hanampiana ny mpianatra hizara izay nianarany sy tsapany androany dia azony atao ny miaraka amin’ny namana izay nandalina iray tamin’ireo fanontaniana hafa ary avy eo izy ireo dia mifampianatra. Azonao alefa lavitra kokoa ny fifanakalozan-kevitra amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra hizara ny heviny amin’ny iray kilasy ary amporisiho ny mpianatra nandalina fanontaniana hafa hanome hevi-baovao fanampiny.
Eo am-pamaranana ny fotoam-pianarana dia ampaherezo ny mpianatra fa tahaka an’i Hana, dia mila miandry ny Ray any An-danitra hamaly ny vavaka ataontsika isika indraindray. Mihaino ny vavak’izy ireo sy mitahy azy ireo amin’ny fombany sy amin’ny fotoanany ny Ray any An-danitra.