“1 Samoela 8–10; 13; 15–16: Topimaso ankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“1 Samoela 8–10; 13; 15–16: Topimaso ankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
1 Samoela 8–10; 13; 15–16
1 Samoela 8–10; 13; 15–16
Topimaso ankapobeny
Nikatsaka ny hanana mpanjaka “tahaka ny firenena rehetra” ny Isiraelita (1 Samoela 8:5) fa tsy ny Tompo no navelany nanjaka tamin’izy ireo. Rehefa tsy nankatò ny torohevitr’i Samoela mpaminany i Saoly, izay mpanjakan’izy ireo voalohany dia nifidy an’i Davida ho mpanjakan’i Isiraely manaraka ny Tompo. Tamin’ny alalan’izany zavatra niainana izany no nianaran’i Samoela fa tsy tahaka ny fomba fijerintsika sy hifampitsarantsika mahazatra no hizahan’ny Tompo ny fontsika.
Miomàna ianao ara-panahy. Rehefa manoman-tena sy manomana ny sahanasa fianaran’ny mpianatra amim-panentretena ny mpampianatra dia afaka mitarika ny fiomanan’izy ireo ny Fanahy Masina. Raha mila fanazavana fanampiny momba ny fomba hanomanan’ny Mpamonjy ny tenany rehefa mampianatra dia jereo ny “Ny Mpamonjy dia nanoman-tena ara-panahy mba hampianatra” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022], 16–17).
Raha mila fanofanana momba ny fanasana ny Fanahy hanatsara ny fiomananao hampianatra dia jereo ny fahaiza-manao “Ampiasao ilay tahirin-kevitra -Mivoatra amin’ny maha-mpampianatra tahaka an’i Kristy: Fanombantombanana ny tena manokana- mba hanasana ny Fanahy Masina hanampy anao hanatsara ny fiomananao hampianatra” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety ilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
1 Samoela 8
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatakatra ny maha zava-dehibe ny misafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy fa tsy hanaraka ny fitaoman’izao tontolo izao.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanao lisitra ahitana izay mety ho tsindry avy amin’ny namana mahazo azy ireo mba tsy hankatò ny fenitra sy ny didy avy amin’ny Tompo. Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fiovana mety hitranga eo amin’ny fiainany raha manaraka an’i Jesoa Kristy izy ireo fa tsy milefitra amin’izany tsindry izany.
-
Sary: Kisary vita amin’ny tsipika hanampiana ny mpianatra hisaintsaina hoe i Jesoa Kristy sa izao tontolo izao no tena mitaona azy ireo amin’ny fandraisan’izy ireo fanapahan-kevitra
-
Horonan-tsary: “Safidio ny fiainana mandrakizay” (10:09) manomboka amin’ny minitra faha-0:00 ka hatramin’ny faha-2:08 ary manomboka amin’ny minitra faha-5:08 ka hatramin’ny faha-6:43
-
Votoatin-javatra haseho: Torolalana ho an’ny sahanasa ao amin’ny fizarana “Misafidy ny Tompo fa tsy ny tsindry avy amin’izao tontolo izao”
1 Samoela 15
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatakatra ny maha zava-dehibe ny fiezahana hankatò ny didin’Andriamanitra rehetra.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra antony mety mahatonga ny olona hisafidy ny tsy hankatò ny didin’ Andriamanitra. Azon’ny mpianatra atao ny manoratra lisitra ao amin’ny findainy na manoratra izany amin’ny taratasy kely. Asao ny mpianatra hitondra ny listra nataony ao an-dakilasy.
-
Zavatra haseho: Karazan-tsakafo (na sarin-tsakafo isan-karazany)
-
Horonan-tsary: “Hatreho am-pinoana ny ho avy” (14:29) manomboka amin’ny minitra faha-5:16 ka hatramin’ny minitra faha-6:07; “L’honnêteté : À prendre au sérieux !” (4:46); “Ny fitiavan’ Andriamanitra” (13:11) manomboka amin’ny minitra faha-7:58 ka hatramin’ny minitra faha-8:48
-
Votoatin-javatra haseho: Torolalana ho an’ireo sahanasa any amin’ny faran’ny lesona
1 Samoela 16
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatsapa ny maha zava-dehibe ny fahitany ny tenany sy ny hafa tahaka ny fahitan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izany.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny 1 Samoela 16:7. Asao izy ireo hitanisa eo akaikin’ilay andininy ny fahasamihafana eo amin’ny fanomezan-danja omen’ny hafa ny olona sasany sy ny fanomezan-danja omen’ny Ray any An-danitra antsika.
-
Zavatra haseho: Zavatra roa mitovy anaty fonony samy hafa na zavatra roa tsy mitovy vidy anaty fonony mitovy
-
Votoatin-javatra haseho: Fehezan-teny mampandini-tena any ho any amin’ny fiantombohan’ny lesona; teny nambaran’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf sy Rahavavy Michelle D. Craig; torolalana amin’ny fanaovana diary any amin’ny faran’ny lesona
-
Horonan-tsary: “Notre véritable identité” (3:39)