“1 Samoela 8: Naniry hanana mpanjaka i Isiraely,’” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“1 Samoela 8: Naniry hanana mpanjaka i Isiraely,’” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
1 Samoela 8–10; 13; 15–16: Lesona 71
1 Samoela 8
Naniry hanana mpanjaka i Isiraely
Tahaka ny ankamaron’ny olona amin’izao vanin’andro misy antsika izao dia sahirana tamin’ny fanoherana ny fakam-panahy mba hanan-toerana eo anivon’ny hafa fa tsy hankatò ny Tompo ny Isiraelita fahiny. Nandritra ny taona maro dia notarihin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpitsara tahaka an’i Samoela tao amin’ny tany nampanantenaina i Isiraely. Taty aoriana, nandritra ny fotoam-pahaveloman’i Samoela, dia naniry hanana mpanjaka “tahaka ny firenena rehetra” ny Isiraelita (1 Samoela 8:5) toy izay hamela ny Tompo hanjaka teo amin’izy ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny maha zava-dehibe ny misafidy hanaraka an’i Jesoa Kristy fa tsy hanaraka ny fitaoman’izao tontolo izao.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanao lisitra ahitana izay mety ho tsindry avy amin’ny namana mahazo azy ireo mba tsy hankatò ny fenitra sy ny didy avy amin’ny Tompo. Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fiovana mety hitranga eo amin’ny fiainany raha manaraka an’i Jesoa Kristy izy ireo fa tsy milefitra amin’izany tsindry izany.
Sahanasa fianarana azo atao
Fandraisana fanapahan-kevitra
Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny manaraka ity hanampiana ny mpianatra hieritreritra hoe inona no mitaona ny fanapahan-kevitr’izy ireo. Azon’ny mpianatra fenoina ilay fehezan-teny ary valian’ny iray kilasy na ny vondron’olona kelikely ireo fanontaniana miaraka aminy.
Ny tanora sasany dia te satria “manao izany avokoa ny rehetra.”
-
Inona no olana mety lalovan’ny zatovo iray raha izany no antony hanaovany zavatra?
-
Inona no mety ho fiantraikan’izany antony hanaovany zavatra izany amin’ny fifandraisany amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ny mety ho fiantraikan’ny tsindry avy amin’ny namana eo amin’ny fiainany. Fomba iray hanaovana izany ny fanomezana ny mpianatra ireto torolalana manaraka ireto ary mampiseho ilay mari-drefy.
Eritrereto hoe inona no mitaona ny fanapahan-kevitra raisinao eo amin’ny fiainana. Ataovy sary ao anatin’ny diary fandalinanao ity mari-drefy manaraka ity. Manaova kisarin’olona tsotsotra maneho ny toerana mety hametrahanao ny tenanao eo amin’ilay mari-drefy.
Mba hanampiana ny mpianatra hamantatra ny zavatra mety mitaona ny fanapahan-keviny manokana eo amin’ny fiainany dia azon’izy ireo atao na azonao atao ny manome ohatra ana fanapahan-kevitra atrehany. Ohatra azo raisina amin’izany ny fomba fiakanjon’izy ireo, ny fialam-boliny na ny zavatra jereny sy henoiny, sy ny fomba handaniany ny fotoany. Azonao zaraina tsirairay izany ohatra izany ary asao ny mpianatra hanao sary olona fanampiny eo amin’ny mari-drefy isaky ny ohatra omena.
Asao ny mpianatra hikatsaka ny fitaoman’ny Fanahy Masina rehefa misaintsaina ny fanapaha-keviny eo am-pandalinana ny 1 Samoela 8.
Mpanjaka “tahaka ny an’ny firenena rehetra”
Nandritra ny taona maro dia notarihin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpitsara tahaka an’i Samoela tao amin’ny tany nampanantenaina ny Isiraelita. Rehefa nandroso fahanterana i Samoela dia nanatona nanao fangatahana taminy ireo loholon’ny Isiraely.
Vakio ny 1 Samoela 8:4–7 ary tadiavo ny mety ho namenoan’ny zanak’Isiraely ilay fehezan-teny tany ampiandohan’ny lesona.
-
Inona no notadiavin’ny zanak’Isiraely?
-
Nahoana araka ny hevitrao no tsy hahafaly an’i Samoela ny antony nanirian’izy ireo mpanjaka?
Mety ho mahagaga ny nitenenan’ny Tompo tamin’i Samoela hihaino ny safidy ratsin’ny vahoakany (jereo ny andininy 7). Ny Ray any An-danitra dia manaja ny fahafahana misafidy ary tsy hanery antsika hisafidy ny tsara. Kanefa alohan’ny handraisan’ny Isiraelita ny fanapahan-kevitra farany dia tian’ny Tompo izy ireo ka nomeny fampitandremana tamin’ny alalan’i Samoela momba ny vokatra ateraky ny safidy ataon’izy ireo.(jereo ny 1 Samoela 8:9).
Fomba iray azonao hanampiana ny mpianatra ahita ny fomba fanehoan’ny soratra masina ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ny manoratra fahamarinana iray eny amin’ny solaitrabe. Asao hitady andalan-tsoratra masina ny mpianatra avy eo hitadiavany profo momba ilay fahamarinana.
Hevero ny hampiseho eny amin’ny solaitrabe ireto fahamarinana manaraka ireto. Azon’ny mpianatra atao ny mamaky miaraka amin’ny namana iray ireo andalan-tsoratra masina miaraka amin’izany, dia mitsahatra kely isaky ny andalana vitsivitsy ary mifanakalo hevitra ny amin’ny zavatra hitany.
Ny safidy hanaraka an’izao tontolo izao toy izay ny torohevitra feno fitiavana omen’ny Tompo dia hitondra fijaliana sy nenina.
Eo am-pandalinana ny 1 Samoela 8:10–18 dia jereo ny teny na andian-teny izay manampy amin’ny fampianarana izany fahamarinana izany.
Rehefa mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra dia ampahatsiahivo azy ireo ny tsy hilazana ny anarana na ny antsimpiriany manokana momba ny olona izay fantany manokana. Azony raisina avy amin’ny fiainany, na fiainan’ny olona fantany, na tantara ao amin’ny soratra masina na tantaran’ny Fiangonana ny ohatra.
-
Inona no ohatra hitanao tamin’ny safidy hanaraka izao tontolo izao ka nitondra fijaliana na nenina?
-
Ahoana no nahitanao fa ny safidy hanaraka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia nitondra fifaliana sy fifandraisana matanjaka kokoa amin’Izy Ireo?
Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny maha zava-dehibe ny fanarahana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy toy izay ny tsindry avy amin’izao tontolo izao dia asehoy ny lahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana nataon’ny Loholona Randall K. Bennett ny ôktôbra 2011 “Safidio ny fiainana mandrakizay,” hitanao ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny minitra faha-0:00 ka hatramin’ny minitra faha-2:08. Mizara ny voka-dratsy niainany ny Loholona Bennett noho ny fanaovany tsinontsinona ireo fampitandremana.
Avy eo dia azonao aseho io horonan-tsary io manomboka amin’ny minitra faha-5:08 ka hatramin’ny minitra faha-6:43 izay ampianaran’ny Loholona Bennett ny mety ho fampiharana ny zavatra niainany amin’ny fironan’izao tontolo izao izay mety hakana fanahy antsika mba harahintsika sy ny fomba ahafahantsika miala amin’izany.
Misafidy ny Tompo fa tsy ny tsindry avy amin’izao tontolo izao
Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hahita torohevitra nomen’ny Tompo mba hiarovana azy ireo tsy hilefitra amin’ny fakam-panahy izay mety hahatsapany tsindry mba hanao na hino izany. Azonao atambatra anaty vondrona kelikely hamita ny dingana 1 sy 2 ny mpianatra. Afaka mamita ny dingana 3 samirery izy ireo avy eo.
Asehoy ireto torolalana manaraka ireto.
-
Misafidiana zavatra izay mety hahatsapan’ny zatovo mpikambana ao amin’ny Fiangonana tsindry mba hataony na hinoany.
-
Mampiasà soratra masina, fanampiana amin’ny fandalinana soratra masina Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy, na ny application Médiathèque de l’Évangile mba hamaliana ireto fanontaniana manaraka ireto mikasika ny tsindry nosafidianao:
-
Inona no torohevitra nomen’ny Tompo antsika mikasika izany?
-
Inona ny fitahiana nampanantenain’ny Tompo ho an’ireo olona izay misafidy Azy fa tsy misafidy ny fitaoman’izao tontolo izao?
-
-
Eritrereto hoe inona no inoanao mikasika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Manorata fehezan-teny roa mikasika ny fanampiana entin’izany fahalalana izany ho anao mba hanaraka Azy Ireo toy izay ny tsindry avy amin’izao tontolo izao.
Rehefa nomena fotoana ampy ny mpianatra dia omeo fahafahana izy ireo hizara amin’ny hafa izay zavatra nianarany avy tamin’ilay fandalinana nataony.
Mampiseho ny fahatakaran-javatra
Ity fizarana ity dia natao hanomezana fahafahana ny mpianatra haneho ny fahatakarany ny zavatra nianarany androany.
Vakio ny 1 Samoela 8:19–22 ka tadiavo ny nasetrin’ny Isiraelita ny fampitandremana nomen’ny Tompo mikasika ny fanirian’izy ireo hanana mpanjaka.
-
Avy amin’ny zavatra nianaranao androany dia inona no tianao holazaina amin’ny Isiraelita alohan’ny nandraisany fanapahan-kevitra farany?
Mety hanampy amin’ny lesona manaraka ny fahalalan’ny mpianatra fa nanaja ny fahafahana misafidin’ny Isiraelita ny Tompo ary nanome torohevitra an’i Samoela mba hiantso an’i Saoly ho mpanjakan’ny Isiraely (jereo 1 Samoela 9–10).