“1 Samoela 15: Miezaka mitandrina ny didin’ Andriamanitra rehetra,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“1 Samoela 15: Miezaka mitandrina ny didin’ Andriamanitra rehetra,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
1 Samoela 8–10; 13; 15–16: Lesona 72
1 Samoela 15
Miezaka mitandrina ny didin’ Andriamanitra rehetra
Na dia ny hitari-dalana sy ny hanome fifaliana antsika aza no antony anomezan’ Andriamanitra antsika ny didiny dia mety ho alaim-panahy ihany isika hanao toy ny nataon’i Saoly manoloana ny didiny. Nomen’ Andriamanitra toromarika mazava tsara tamin’ny alalan’i Samoela mpaminany momba ny adiny tamin’ny Amalekita i Saoly sy ny miaramilany. Nitandrina ny didin’ Andriamanitra sasany i Saoly sy ny miaramilany saingy nihevitra fa tsy nanan-tsiny tamin’ny tsy fankatoavana ireo didy hafa. Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fiezahana hankatò ny didin’Andriamanitra rehetra.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra antony mety mahatonga ny olona hisafidy ny tsy hankatò ny didin’ Andriamanitra. Azon’ny mpianatra atao ny manoratra lisitra ao amin’ny findainy na manoratra izany amin’ny taratasy kely. Asao ny mpianatra hitondra ny listra nataony ao an-dakilasy.
Sahanasa fianarana azo atao
Trano fisotroana kafé
Hevero ny hanomboka ny fampianarana amin’ny fampitahana ny toe-javatra ahafahantsika maka izay rehetra tiantsika sy ny toe-javatra tsy ahafahana manao izany. Azonao atao ny mampiseho karazan-tsakafo na sary mampiseho karazan-tsakafo. Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe azony hohanina daholo ireo sakafo ireo.
-
Inona amin’ireo sakafo ireo no safidinao hohanina? Iza amin’ireo no safidinao tsy hohanina? Nahoana?
Vakio ity teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson ity ary tadiavo ny tokony tsy hampitovy ny fankatoavantsika ny didin’ Andriamanitra amin’ny fomba fisafidianantsika ny sakafontsika:
[Manàna] finoana hitandrina ny didin’ Andriamanitra rehetra amin’ny fahafantarana fa izy ireny dia nomena [hitahiana] ireo zanany ary [hitondrana] fifaliana ho azy ireo. Hodidin’ny olona izay mifidifidy izay didy hotandremany [sy] tsy hiraharaha ireo didy hafa izay safidiany ho dikaina [ianao]. Antsoiko hoe fandraisana ny fankatoavana samy maka izay tiany izany. Ny fanaovana io fisafidifidianana io dia tsy mety. Hitarika any amin’ny fahoriana izany. Mba hiomananao hihaona amin’ Andriamanitra dia tsy maintsy mitandrina ny didiny rehetra ianao. Mitaky finoana ny fankatoavana azy ireo, ary ny fitandremana ny didiny dia hampahatanjaka izany finoana izany. (“Hatreho am-pinoana ny ho avy,” Liahona, mey 2011, 34)
Asao ny mpianatra hamintina izay nampianarin’ny Filoha Nelson mikasika ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra rehetra ho lasa fehezan-teny iray milaza fahamarinana. Ampio ny mpianatra mba hita fahamarinana toy ny hoe mitondra fifalina ny ezaka hitandrina ny didin’ Andriamanitra rehetra na ny hoe mitondra fahoriana ny mifidifidy hoe inona no didin’ Andriamanitra tokony hotandremana ary hilaza izany amin’ny teniny manokana.
-
Nahoana ny olona iray no mety hisafidy ny tsy hitandrina ny didin’ Andriamanitra sasany?
Diniho ny fomba fankatoavanao manokana ny didin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fisaintsainana mangina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no ataonao rehefa mandre didy na fenitra izay tsy tena azonao antoka hoe tianao ny hitandrina azy?
-
Hatraiza ny maha-zava-dehibe aminao ny fiezahana hankatò ny didin’ Andriamanitra rehetra?
Eo am-pandalinanao androany dia katsaho ny fanampian’ny Fanahy amin’ny fahatakarana ny maha-zava-dehibe ny fiezahana hankatò ny didin’ Andriamanitra rehetra.
Ny safidin’i Saoly mpanjaka
Azonao atao ny mamintina na mamaky ireto andiam-pehezan-teny manaraka ireto hanampiana ny mpianatra hahatakatra ireo zava-nitranga nitarika ho amin’ny 1 Samoela 15.
Taorian’ny nitenenan’ny Tompo an’i Samoela mba hamelany ny Isiraelita hanana mpanjaka dia nitarika an’i Samoela hanosotra tovolahy iray antsoina hoe Saoly ho mpanjaka ny Tompo (jereo 1 Samoela 8–10). Rehefa nahazo fandrahonana fa hotafihan’ny Filistina i Saoly dia tsy nankatò ny Tompo izy fa nanolotra fanatitra izay tsy azony natao (jereo 1 Samoela 13:8–9). Nampianatra an’i Saoly ny vokatr’izany tsy fankatoavana izany avy eo i Samoela (jereo 1 Samoela 13:10–14). Ao amin’ny Toko 15 dia mahita zavatra mitovy amin’izany isika ny amin’ny tsy fanarahan’i Saoly antsakany sy andavany ny toromarika nomen’ny Tompo.
Vakio ny 1 Samoela 15:1–3, 7–9 izay nanomezan’ny Tompo didy mazava tsara an’i Saoly sy ny miaramilany. Rehefa mamaky ianao dia tadiavo hoe iza tamin’ny didin’ny Tompo no nofidian’i Saoly sy ny miaramilany hankatoavina ary izay nofidiny tsy hankatoavina.
Azonao atao ny mampahatsiahy ny mpianatra fa tsy fantantsika avokoa ny antony rehetra nandidian’ Andriamanitra an’i Saoly sy ny miaramilany handrava tanteraka ny Amalekita sy ny biby fiompiny. Kanefa fantatsika fa tonga lafatra Andriamanitra ary tia ny zanany rehetra Izy, ary mbola afaka mianatra lesona manan-danja avy amin’ny zavatra nataon’i Saoly manoloana ny didin’ Andriamanitra isika.
-
Amin’ny fomba ahoana no mety ho nanampian’ny fahamarinana nampianarin’ny Filoha Nelson an’i Saoly sy ny miaramilany?
Toe-tsaina sy fanamarinan-tena
Ity sahanasa fianarana manaraka ity dia mety hanampy ny mpianatra hamantatra toe-tsaina sy fanamarinan-tena izay mety mitarika ho amin’ny tsy fankatoavana an’ Andriamanitra. Azon’ny mpianatra atao ny mamita ilay sahanasa anaty vondrona na mamita izany samirery.
Taorian’ny ady nifanaovana tamin’ny Amalekita dia niresaka tamin’i Saoly i Samoela mikasika ny tsy fankatoavany sy ny tsy fankatoavan’ny miaramilany.
Vakio 1 Samoela 15:13–24 ary tadiavo ny toe-tsaina sy ny fanamarinan-tena izay namporisika ny safidin’i Saoly tsy hankatò ny didin’ Andriamanitra.
Azon’ny mpianatra soratana eny amin’ny solaitrabe ny zavatra hitany. Mety hilaza izy ireo fa i Saoly dia:
-
Nandainga mikasika ny tsy fankatoavany (andininy 13, 20).
-
Niezaka nanamarina ny tsy fankatoavany (andininy 15, 21).
-
Nanome tsiny ny hafa noho ny zavatra nataony (andininy 15, 21).
-
Lasa feno avonavona (andininy 17).
-
Tsy nanao ho laharam-pahamehana ny zavatra nanan-danja indrindra (andininy 22).
-
Sahiran-tsaina kokoa ny amin’ny hevitry ny hafa mihoatra ny fankatoavana an’ Andriamanitra (andininy 24).
Azonao atao ny manasa ny mpianatra hampitaha ny toe-tsain’i Saoly sy ny fanamarinan-tenany amin’ny toe-tsain’ny Mpamonjy sy ny zavatra nataony ao amin’ny Matio 26:36–39. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany momba ny fankatoavana avy amin’ny ohatra nomen’ny Mpamonjy.
Hevero avy eo ny hizara ny mpianatra ho vondrona maromaro. Asao izy ireo hanao ity lisitra manaraka ity.
Ataovy lisitra ny sasany amin’ireo didy izay mety inian’ny olona ankehitriny tsy jerena na tsy raharahina.
Angataho ny vondrona tsirairay hisafidy iray amin’ireo didy ao amin’ny lisitra nataony. Asao izy ireo hamorona rafi-tantara ahitana zatovo iray mety halaim-panahy tsy hakantò ilay didy amin’ny fanana ireo toe-tsaina sasany na fanamarin-tena sasany tahaka izay hitan’ny mpianatra ao amin’ny 1 Samoela 15. Na azonao atao ihany koa ny mijery ny “L’honnêteté : À prendre au sérieux !” (4:46), ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Atsaharo eo amin’ny minitra faha-1:27 ilay horonan-tsary ary asao ny mpianatra hampiasa ny toe-javatra niainan’ilay zatovovavy hamoronana rafi-tantara. (Azonao aseho ny fehin-kevitr’ilay horonan-tsary rehefa avy mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra.)
Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto miaraka amin’ny olona ao anatin’ny vondrona misy azy amin’ny fampiasana ilay rafi-tantara.
-
Ahoana no mety ahatonga ny olona iray ao anatin’ity toe-javatra ity ho alaim-panahy hampiasa ny toe-tsaina na ny fanamarinan-tena izay nampiasain’i Saoly?
-
Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ny safidy ny hankatò na ny handika ny didy hitondra fifaliana na fahoriana any aoriana any?
-
Inona ny fampianarana ao amin’ny filazantsara mifanaraka amin’izany izay mety hanampy antsika hisafidy ny hankatò an’ Andriamanitra raha sendra toe-javatra toy izao?
fitiavan’ Andriamanitra
Nanampy antsika ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mba hahatakatra ny antony mahatonga ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy manome antsika lalàna izay andrandrainy mba hankatoavintsika:
Ny fitiavan’ny Ray sy ny Zanaka dia omena maimaim-poana saingy mifono zavatra antenaina sy andrasana aminao koa. … [Hoy] ny Filoha Nelson, “Ny fitiavana mandrakizain’ Andriamanitra ho antsika sy ny faniriany ny hahatongavantsika amin’izay rehetra tokony hahatongavantsika no antony tanteraka nanomezany ireo lalàny.”
Noho Izy Ireo tia anao dia tsy te hamela anao amin’ilay hoe “ny maha-anao anao” Izy Ireo.” Noho Izy Ireo tia anao dia iriany ny hanananao fifaliana sy fahombiazana. Noho Izy Ireo tia anao dia maniry ny hibebahanao Izy Ireo satria izany no lalana mankamin’ny fahasambarana. Safidinao anefa izany, manaja ny fahafahanao misafidy Izy Ireo. Tsy maintsy misafidy ny hitia, hanompo, ary ny hitandrina ny didin’ Izy Ireo ianao. Dia afaka hitahy anao amin’ny fitahiana sesehana Izy Ireo sady hitia anao ihany koa. (“Ny fitiavan’ Andriamanitra,” Liahona, Nôv. 2021, 18)
-
Inona no hozarainao avy amin’io teny nambara io amin’ny olona mahatsapa fa tsy tena manan-danja ny didin’ Andriamanitra?
-
Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny fitandremana didin’ Andriamanitra iray manokana anao “hanana fifaliana sy fahombiazana”?
Misafidy ny hankatò ny didin’ Andriamanitra rehetra
Mety ho tianao ny milaza amin’ny mpianatra fa ny safidy nataon’i Saoly handà ny torohevitr’ Andriamanitra dia nahatonga an’ Andriamanitra hanoro hevitra an’i Samoela hitady mpanjaka vaovao hisolo ny toeran’i Saoly (jereo 1 Samoela 13:14; 15:28).
Mba hanampiana ny mpianatra haneho ny fahatakarany ny maha-zava-dehibe ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra dia azonao atao ny mampiseho ireto torolalana manaraka ireto.
Misafidiana iray amin’ireto sahanasa manaraka ireto mba hovitaina ao anatin’ny diary fandalinanao:
-
Alaivo sary an-tsaina hoe manana namana Olomasin’ny Andro Farany ianao izay manamarin-tena amin’ny tsy fankatoavana ny sasany amin’ireo didy. Efa nanery anao hanao hanao toy izany. Soraty izay tianao hotsaroana avy amin’ity lesona ity mba hanampy anao hanaraka ny didin’ Andriamanitra.
-
Fenoy ny banga: Te hankatò ny didin’ Andriamanitra aho satria . Ny tiako hotsaroana avy amin’ny zavatra tsapako na nianarako androany dia .
Azonao atao ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao mombany fitahiana azonao tamin’ny fiezahana hankatò ny didin’ Andriamanitra.