“1 Samoela 16: -Fa Jehovah kosa mijery ny fo-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“1 Samoela 16: -‘Fa ny Tompo mijery ny fo-’”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
1 Samoela 8–10; 13; 15–16: Lesona 73
1 Samoela 16
“Fa Jehovah kosa mijery ny fo”
Nanambara tamin’i Samoela ny Tompo fa i Davida no nofinidiny hisolo an’i Saoly ho mpanjakan’ny Isiraely. Tamin’ny alalan’io zavatra niainany io no nianaran’i Samoela fa hafa ny fomba fahitan’ny Tompo antsika fa tsy tahaka ny fomba fahitantsika samy isika izany amin’ny mahazatra. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fahitany ny tenany sy ny hafa tahaka ny fahitan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izany.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny 1 Samoela 16:7. Asao izy ireo hitanisa eo akaikin’ilay andininy ny fahasamihafana eo amin’ny fanomezan-danja omen’ny hafa ny olona sasany sy ny fanomezan-danja omen’ny Ray any An-danitra antsika.
Sahanasa fianarana azo atao
Hasarobidy miafina
Azonao atao ny manomboka ny fampianarana amin’ny fanampiana ny mpianatra hahatsapa fa tsy voatery ho hitantsika foana amin’ny alalan’ny fonosana eo ivelany ny hasarobidin’ny zavatra iray. Mba hanehoana izany dia azonao atao ny mampiseho zavatra roa mitovy anaty fonosana samy hafa, na zavatra roa tsy mitovy sanda anaty fonosana roa mitovy. Alohan’ny hampisehoanao izay ao anatin’ilay fonosana dia asaivo misafidy izay fonosana tiany kokoa ny mpianatra. Anontanio azy ireo ny antony nisafidianany izany fonosana izany. Asehoy avy eo ny ao anatin’ireo fonosana roa ireo.
-
Inona ny olana mety hitranga amin’ny fitsarana ny hafa, na ny fitsarana ny tenantsika, amin’izay hitan’ny masontsika fotsiny?
-
Inona no mahasamihafa ny fahitan’ Andriamanitra antsika amin’ny fomba fahitantsika samy isika antsika?
Azonao atao ny mampiseho ireto fehezan-teny entina mandini-tena manaraka ireto.
Saintsaino ary fenoy ao amin’ny diary fandalinanao ireto fehezan-teny manaraka ireto:
-
Rehefa mahita ahy voalohany ny olona raha ny fiheverako azy dia hahatsikaritra fa .
-
Mino aho fa ny Ray any An-danitra dia mahita ireto toetra ato anatiko izay tsy hitan’ny ankamaroan’ny olona hafa ireto: .
-
Raha vao mahita olona voalohany aho, ny tsikaritro matetika dia .
-
Raha afaka mahita ny hafa tahaka ny fahitan’ny Ray any An-danitra azy aho, dia manampy ahy .
Eo am-pandalinanao ny 1 Samoela 16 androany dia angataho amim-bavaka ny Fanahy Masina hanampy anao hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fahitanao ny tenanao sy ny hafa tahaka ny fahitan’ Andriamanitra izany.
Naniraka an’i Samoela hanosotra ny mpanjaka manaraka ny Tompo
Tsinjarao ho lasa vondrona mpiara-miasa maromaro ny mpianatra, mba hanomezana azy ireo ny fahafahana handray anjara mavitrika. Asao ireo mpinamana hamaky ireo andalana roa etsy ambany ary hifanakalo hevitra mikasika ireo fanontaniana manaraka izany. Alohan’ny hamakian’ny mpianatra dia alaovy antoka tsara fa fantatr’izy ireo fa noho ny tsy fankatoavan’i Saoly no nadavan’ny Tompo azy tsy ho mpanjakan’ny Isiraely (jereo 1 Samoela 13:13–14; 15:26–28).
Vakio ny 1 Samoela 16:1–5 ary jereo ny antony nanirahan’ny Tompo an’i Samoela ho any Betlehama.
-
Raha nomen’ny Tompo anao ny andraikitr’i Samoela hanosotra mpanjaka vaovao dia inona no toetra ho notadiavinao teny amin’ny zanak’i Jese?
Vakio ny andininy 6–13 ary tadiavo ny fahamarinana nampianarin’ny Tompo an’i Samoela raha nitady izay ho mpanjaka izy.
-
Inona no nianaranao avy amin’ity tantara ity ka manan-danja ho an’ny olona amin’izao vanin’andro izao ny mahatakatra azy?
Rehefa avy nizara izay nianarany ny mpinamana miara-miasa dia asao izy ireo hanoratra fahamarinana iray eny amin’ny solaitrabe miaraka amin’ny andininy nahitan’izy ireo izany.
Mety hanoratra fahamarinana samihafa amin’ny teniny manokana ny mpianatra, toy ny hoe Mahita ny zavatra izay tena mety ho vitantsika marina Andriamanitra amin’ny fijerena ny ao am-pontsika fa tsy ny endrintsika ety ivelany.
-
Inona no nianaranao avy amin’ny soratra masina sy ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana mikasika ny toetra izay manan-danja amin’ny Tompo?
-
Araka ny hevitrao dia hiovan toy ny ahoana ny fifandraisantsika amin’ny hafa raha mahita kokoa ny tenantsika sy ny hafa tahaka ny fahitan’ny Tompo antsika isika?
Ampio ny mpianatra hampitombo ny fahatakarany
Ireto safidy manaraka ireto dia fomba samihafa handalinan’ny mpianatra ny fahatakarany ny zavatra nampianarin’ny Tompo ao amin’ny 1 Samoela 16:7. Fanteno izay fomba heverinao fa tsara indrindra ho an’ny mpianatrao.
Alohan’ny hanehoana izay safidy, na ireo safidy nataonao dia hevero ny hanampy ny mpianatra hampifandray izay hohalalininy amin’ny fiainana an-davan’andro. Afaka manao izany ianao amin’ny alalan’ny fanehoana toe-javatra fohy izay azon’ny mpianatra hanolorana ny fanampiany. Azonao atao ohatra ny mangataka azy ireo hitady zavatra azony zaraina amin’ny olona mahatsiaro ho ataon’ny manodidina tsinontsinona na hanaovan’ny manodidina azy fitsarana an-tendrony. Na azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hitady zavatra azony zaraina amin’ny olona izay mahatsapa fa tsy tena mahatakatra izay mahazo azy ireo ny Tompo.
Safidy 1
Ampiaraho mba hiara-hiasa ny mpianatra. Asao ny mpianatra tsirairay handalina teny nambara hafa. Azon’ny mpianatra atao avy eo ny mizara ny zavatra nianarany amin’ilay olona niara-niasa taminy. Mety ho tianao ny mampiseho na manome dika mitovy amin’ilay teny nambara.
Nilaza toy izao ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony tao amin’ny Fiadidiana Voalohany:
Tsy miankina amin’ny harena na hatsaran-tarehy na fahasalamana na faharanitan-tsaina ananareo ny fitiavan’ny Ray an-danitra anareo. Tsy mitovy amin’ny fahitan’izao tontolo izao anareo ny fahitany anareo. Mijery ny ao am-ponareo Izy. Ary tiany ianareo satria zanany. (“Ilay dianao mahafinaritra mody any an-trano,” Liahona, mey 2013, 128)
Manazava Rahavavy Michelle D. Craig, tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany teo aloha hoe:
I Jesoa Kristy dia mahita ny olona amin’ny fomba lalina. Hitany ny tsirairay sy ny zavatra ilain’izy ireo ary ny hoe afaka ho tonga olona toy ny ahoana izy ireo. Raha toa ny hafa ka nahita mpanarato sy mpanota na mpamory hetra, i Jesoa kosa dia nahita mpianatra; raha toa ny hafa ka nahita olona iray azon’ny devoly, i Jesoa kosa dia tsy niraharaha ny fahoriana ivelany fa nanaiky ilay lehilahy sy nanasitrana azy.
Na dia ao anatin’ny fiainantsika be rotoroto aza dia afaka manaraka ny ohatr’i Jesoa isika ary mahita ny tsirairay, ny zavatra ilain’izy ireo, ny finoany, ny fahasahiranany ary izay mety hahatongavan’izy ireo. (“Maso hahita,” Liahona, nôv. 2020, 16)
Safidy 2
Azon’ny mpianatra atao ny mikaroka lisitra ahitana andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023) ho an’ireo andalan-tsoratra masina izay manampy azy ireo hahatakatra ny zavatra tsapan’ Andriamanitra mikasika antsika sy ny fahalalany tsara antsika. Afaka miara-miasa anaty vondrona misy olona efatra ny mpianatra ka samy mijery andalan-tsoratra masinaa azo ampiharina avy amin’ny iray amin’ireo soratra masina nankatoavina miisa efatra. (Mety ho ohatra amin’ireo zavatra zarainy ny Abrahama 3:22–23; Jeremia 1:4–5; Hebreo 12:9; Almà 7:11–13; Fotopampianarana sy Fenakempihavanana 18:10–11.)
Safidy 3
Ampisehoy horonan-tsary iray izay manampy azy ireo hahatakatra ny fomba fahitan’ Andriamanitra antsika ireo mpianatra na mampiseho ny fomba fahitan’ny olona iray ny hafa tahaka ny fomba fahitan’ Andriamanitra azy ireny. Asao ny mpianatra hisaina ary hiomana hizara toe-javatra avy amin’ny fiainana an-davan’andro ka azony ampiasana izay nianarany tao amin’ilay horonan-tsary. Ohatra iray azonao ampiasaina amin’izany ilay horonan-tsary “Notre véritable identité” (3:39) ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
Ireo zavatra niainan’ny tena manokana
Ity fizarana amin’ny lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fahitany ny tenany sy ny hafa tahaka ny fahitan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izany. Ny fahatsiarovana sy ny fizarana traikefa dia afaka manasa ny Fanahy Masina hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana ianaran’ny mpianatra.
Mety hanampy ny mampiseho ireto safidy manaraka ireto.
Mifantena iray amin’ireto safidy manaraka ireto ary raiso an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao ny hevitrao. Aza adinoina ny mampiditra izay nianaranao androany mikasika an’ Andriamanitra avy amin’ny soratra masina na ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana.
-
Manorata mikasika ny olona iray izay mahita ny tsara momba anao na dia mahalala ny fahalemena sy hadisoana vitanao azy izy. Inona no fiantraikan’izany amin’ny zavatra tsapanao momba ny tenanao? Mampahatsiahy inona anao momba ny fomba fahitan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy anao ny fiantraikan’izany fomba fijerin’izy ireo anao izany?
-
Manorata mikasika ny olona iray izay lasa tianao sy mahafinaritra anao noho ny fahalalanao azy kokoa. Inona no hitanao amin’izy ireny amin’izao izay mety tsy ho hitan’ny hafa na tsy hitanao tamin’ny fotoana nihaonanao taminy voalohany? Misy fahatsapana voarainao avy amin’ny Fanahy Masina ve mikasika ny fomba hanampianao azy ireo ahita ny tenany tahaka ny fomba ahitanao azy na ny fomba ahitan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy azy?
Asao izay manolo-tena ka vonona hizara izay nosoratany tao amin’ny diary fandalinany.