“1 Samoela 17–18; 24–26; 2 Samoela 5–7: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“1 Samoela 17–18; 24–26; 2 Samoela 5–7: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
1 Samoela 17–18; 24–26; 2 Samoela 5–7
1 Samoela 17–18; 24–26; 2 Samoela 5–7
Topimaso ankapobeny
Nifanandrina tamin’ny Filistina ny Isiraelita ary nametraka fanamby tamin’izy ireo i Goliata, ilay lehilahy goavana. Natahotra ny hiatrika an’i Goliata i Saoly mpanjaka sy ny miaramilany. Rehefa tonga tany amin’ny sahan’ady hitondra sakafo ho an’ny rahalahiny tao amin’ny tafika i Davida dia nahare ny fanamby nataon’i Goliata. Nanolontena hiady amin’i Goliata i Davida. Tamin’ny alalan’ny finoana an’ Andriamanitra, dia antsamotady sy vato dimy no nandresen’i Davida an’i Goliata. Taona maro taty aoriana dia tsy maintsy nandositra an’i Saoly mpanjaka tany an’efitra i Davida. Tsara fanahy tamin’ny lehilahy iray antsoina hoe Nabala i Davida sy ny miaramilany raha mbola tany an’efitra izy ireo. Rehefa nandà tsy hanampy azy ireo i Nabala dia nikasa ny hamaly faty i Davida. Nanao fanelanelanana teo amin’ny vadiny i Abigaila, vadin’i Nabala, ary nampitony an’i Davida.
Mifantoha amin’ireo fahamarinana izay mitondra ho amin’ny fiovam-po sy manorina finoana an’i Jesoa Kristy. Rehefa nampianatra ny Mpamonjy dia nifantoka tamin’ny fahamarinana izay misarika ny mpihaino ho any Aminy sy ny Rainy Izy. Ohatra amin’izany fahamarinana manova fo izany ny fifantohana amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra, ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy, ary ny didy hitia an’ Andriamanitra sy ny rahalahintsika. Rehefa mampianatra izany fahamarinana tsotsotra momba ny filazantsara izany isika dia manampy ny hafa hanorina ny finoany an’i Jesoa Kristy ary manova ny fony ho Azy. Raha te hianatra misimisy kokoa dia jereo ny “Nampianatra fahamarinana izay miteraka fiovam-po sy manorina finoana ny Mpamonjy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy[2022], 22). Ohatra amin’ny fomba iray hanaovana izany ny ao amin’ny Lesona 74: “1 Samoela 17.”
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety ilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
1 Samoela 17
Tanjon’ny lesona: Mba hanampy ny mpianatra hiantehitra amin’ny Tompo eo am-piatrehana olana.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra toe-javatra izay mety ahitana tanora iray mila maneho herim-po. Azon’ny mpianatra atao ny manontany ny namany na ny fianakaviany mikasika ny zavatra niainany ka nitaky herim-po.
-
Fitaovana: Scotch na karazana fanamarihan-toerana hanamarihana ny halavan’i Goliata
-
Sary: Davida sy Goliata
-
Horonan-tsary: “David et Goliath” (2:36) manomboka amin’ny minitra faha-0:00 ka hatramin’ny minitra faha-1:20 sy manomboka amin’ny minitra faha-1:20 ka hatrami’ny 2:36; “I Jesoa Kristy no maha zatovo mahery” (14:11) manomboka amin’ny minitra faha-13:00 ka hatramin’ny minitra faha-13:24
-
Zavatra haseho: Vato dimy
-
Votoatin-javatra haseho: Toromarika any amin’ny faran’ny lesona
1 Samoela 25
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba hanampian’i Jesoa Kristy azy ireo hamela ny hafa.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky, hijery na hihaino ny “Hatsarana ho solon’ny lavenona: Ny lalana manasitran’ny famelan-keloka” nataon-dRahavavy Kristin M. Yee (Liahona, nôv. 2022, 36–38). Azon’izy ireo atao ny mandalina ny fampianarana iray manontolo na sombiny izay efa nosafidinao mialoha. Asao ny mpianatra hiomana hizara ny fahalalana azony mikasika ny fahazoana ny fanampian’ny Mpamonjy mba hamela ny hafa.
-
Sary: Sarin’i Jesoa Kristy
-
Votoatin-javatra haseho: Teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson
-
Horonan-tsary: “Quatre dons que Jésus-Christ vous fait” (15:03) manomboka amin’ny minitra faha-6:42 ka hatramin’ny minitra faha-7:18
Fampiharana fifehezana fotopampianarana 5
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hanao tsianjery ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ao amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy hampihatra fitsipika amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Azonao atao ny manasa ny mpianatra hisafidy sy hanomboka hanao tsianjery andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Mety ho loharano afaka manampy ny application Fifehezana Fotopampianarana. Hita ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023) ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina.
-
Votoatin-javatra haseho: Lisitr’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nohalalinina hatreto
-
Horonan-tsary: “Faites cesser les brimades” (10:23) manomboka amin’ny minitra faha-0:00 ka hatramin’ny faha-6:50 sy faha-6:51 ka hatramin’ny faha-10:23