“1 Samoela 25: Manampy antsika hamela heloka ny Mpamonjy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“1 Samoela 25: Manampy antsika hamela heloka ny Mpamonjy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
1 Samoela 17–18; 24–26; 2 Samoela 5–7: Lesona 75
1 Samoela 25
Manampy antsika hamela heloka ny Mpamonjy
Mandritra ny andro iainantsika dia mety hisy olona handratra na hanafitohina ny fontsika. Notsiratsirain’ny lehilahy antsoina hoe Nabala i Davida. Amin’ny maha tandindon’i Jesoa Kristy azy dia nanelanelana ary nanampy an’i Davida hamela heloka i Abigaila, vadin’i Nabala. Afaka mianatra misimisy kokoa momba an’i Jesoa Kristy sy ny fanampiana omeny antsika isika amin’ny fampitahana an’i Abigaila sy Izy. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba hanampian’i Jesoa Kristy azy ireo hamela ny heloky ny hafa.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky, hijery na hihaino ny “Hatsarana ho solon’ny lavenona: Ny lalana manasitran’ny famelan-keloka” nataon-dRahavavy Kristin M. Yee (Liahona, nôv. 2022, 36–38). Azon’izy ireo atao ny mandalina ny fampianarana iray manontolo na sombiny izay efa nosafidinao mialoha. Asao ny mpianatra hiomana hizara ny fahalalana azony mikasika ny fahazoana ny fanampian’ny Mpamonjy mba hamela ny hafa.
Sahanasa fianarana azo atao
Ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy
Azonao atao ny mampiseho sarin’i Jesoa Kristy tahaka ilay iray tany am-piandohan’ny lesona. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny tsy feno manaraka ity. Asao ny mpianatra hampiasa ny diary fandalinany hanaovany lisitra ireo fomba mety hamenoany izany. Azonao atao ny mandefa mozika maneho fanajana mandritra ny fotoana hisainana sy hanoratan’ny mpianatra.
Noho i Jesoa Kristy, dia afaka ny … aho
Rehefa nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao hizara ny fomba namenoany ilay fehezan-teny izy ireo. Azon’izy ireo atao ihany koa ny maneho ny fahatsapany na ny finoany mikasika izay zavatra nozarainy. Asehoy ireto teny nambara manaraka ireto hanohanana na hanampiana ny lisitra nataon’ny mpianatra.
Nanoritsoritra ny zavatra azontsika rehetra atao noho i Jesoa Kristy ny Filoha Russell M. Nelson:
Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny [Mpamonjy] tsy misy fetra no ahafahanao mamela ireo izay nandratra ny fonao ary ireo izay tsy mety miaiky velively ny haratsim-panahiny nataony taminao.
Matetika no mora ny mamela heloka olona iray izay mitady famelana heloka avy aminao amim-pahatsorana sy amim-panetren-tena. Fa ny Mpamonjy dia hanome anao ny fahaizana mamela heloka na iza na iza nanisy ratsy anao na tamin’ny fomba ahoana na tamin’ny fomba ahoana. Ary avy eo dia tsy afaka hanimba ny fanahinao intsony ny zavatra mandratra nataon’izy ireo. (“Quatre dons que Jésus-Christ vous fait” [fampaherezam-panahy ho an’ny Krisimasy nataon’ny Fiadidiana Voalohany, dec. 2, 2018], Médiathèque de l’Evangile)
-
Inona no ataon’i Jesoa Kristy ho azo tanterahina amin’ny alalan’ny Sorompanavotany?
Fenoy eny amin’ny solaitrabe ilay teny nambara miaraka amin’ireto fahamarinana manaraka ireto: Noho i Jesoa Kristy dia afaka mamela heloka olona nandratra ny foko aho. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanampy an’io fahamarinana io ao amin’ny diary fandalinany raha tsy mbola tao anatin’ny lisitra nataony voalohany izany.
Davida sy Nabala
Ny 1 Samoela 25 dia ahitana tantara mampiseho fa azo ampitahaina amin’i Jesoa Kristy ny fihetsika nataon’i Abigaila vadin’i Nabala. Manampy antsika handalina kokoa momba Azy ity fampitahana ity. Antsoina hoe tandindon’i Jesoa Kristy io karazana fampitahana io indraindray. Amporisiho ny mpianatra hanasa ny Fanahy Masina hanampy azy ireo hahatakatra ny tandindon’i Kristy ao amin’ity toko ity. Mety hanampy ny mamintina ny tantara manontolo alohan’ny hanombohan’ny mpianatra ny fandalinana mba hahafahan’izy ireo mifantoka kokoa amin’ny fitadiavana izay tian’ilay tantara ampianarina mikasika an’i Jesoa Kristy.
Rehefa nandeha nakivaky tany efitra i Davida sy ny miaramilany dia nihaona tamin’ny mpanompon’ny lehilahy iray antsoina hoe Nabala izy ireo. Nandritra ny ady dia matetika no nandika ny lalàna ireo miaramila reraka mba hahazoan’izy ireo izay ilainy. Nila fanampiana sy fanohanana i Davida sy ireo miaramilany. Lehilahy manankarena i Nabala ary nanana ondry sy omby maro izy. Raha tokony hoe nanisy ratsy ireo mpanompon’i Nabala i Davida sy ireo miaramilany sady naka izay nilainy, dia naleony naneho hatsaram-panahy sy tsy naka na inona na inona tamin’izy ireo (jereo 1 Samoela 25:7, 15–16). Nandefa ny mpanompony miisa 10 mba hangataka tamim-pilaminana sakafo sy vatsy izay nilaina fatratra tamin’i Nabala i Davida (jereo 1 Samoela 25:5–9). Naniratsira an’i Davida ary nandà tsy hanampy azy sy ny miaramilany i Nabala (jereo 1 Samoela 25:10–11).
Afaka manao sarina endrika roa eo ambanin’ny teny nambara nofenoina teny amin’ny solaitrabe ianao. Asio anarana hoe Davida ny iray ary Nabala kosa ny iray. Amelao toerana hanaovana sarina endrika fahatelo eo anelanelan’izy roa ireo rehefa afaka kelikely ao kely amin’ny lesona. Eo ambanin’ilay endrika maneho an’i Davida dia azonao soratana ny hoe: Tsara fanahy tamin’ny mpanompon’i Nabala; Nitady fanampiana tamin’i Nabala. Eo ambanin’ilay endrika maneho an’i Nabala dia azonao soratana ny hoe: Naniratsira an’i Davida; Nandà tsy hanampy azy. Azonao asaina ny mpianatra hanova ny fihetseham-po misoritra eo amin’ireo endrika rehefa mamaky ireto andalana manaraka ireto izy ireo.
Asaivo mamaky mikasika an’i Nabala ny atsasaky ny mpianatra ary ny atsasany mamaky mikasika an’i Davida. Raha ilaina dia tariho ho any amin’ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy ny mpianatra hanampy azy ireo hahatakatra kokoa.
-
Vakio ny 1 Samoela 25:3, 14, 17, 25 ary jereo ny toetoetran’i Nabala.
-
Vakio ny 1 Samoela 25:13, 21–22 ary jereo ny fihetsika nataon’i Davida tamin’ny faniratsirana sy ny fandavan’i Nabala hanampy azy.
Mangataha olona izay manolo-tena avy amin’ny vondrona tsirairay avy hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny zavatra nianarany mikasika ny olona nasaina nojereny. Ohatra, azony soratana eo ambanin’i Nabala ny hoe Masiaka; Ratsy fanahy; Tsy miraharaha ny hafa. Azony soratana eo ambanin’i Davida.ny hoe Tezitra; Nahatsiaro ho natao tsinontsinona; Nitady hamaly faty. Azon’ny mpianatra soloina ny fihetseham-po misoritra eo amin’ireo endrika tsirairay hanehoana izay zavatra nianarany.
Omeo fahafahana ny mpianatra hieritreritra ny toe-javatra iainany manokana. Omeo antoka izy ireo fa tsy hasaina hizara ny valinteniny amin’ity fanombatombanana ny tena manokana ity izy ireo.
Eritrereto ny valinteny izay homenao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Oviana no nisy olona nanao tsinontsinona anao?
-
Inona ny ezaka nataonao, na ny fahombiazana azonao, na ny tolona nataonao mba hamelana heloka ilay olona tamin’ny tsy nety nataony?
Abigaila amin’ny maha tandindon’i Kristy azy
Omano ny mpianatra handalina mikasika an’i Abigaila amin’ny fampidirana ny fahaiza-manao amin’ny fitadiavana ny tandindon’i Kristy. Hazavao fa afaka mijery izay nolazainy na nataon’i Abigaila ka mampahatsiahy azy ireo an’i Jesoa Kristy, ny anjara asany, ary ny iraka nampanaovina Azy ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny mpianatra.
Ny mpanompon’i Nabala dia nanatri-maso ny fifandirana teo amin’ny tompony sy i Davida. Nampandre an’i Abigaila, vadin’i Nabala ilay mpanompo (jereo 1 Samoela 25:14–17). Raha nahare mikasika izany fifandirana izany i Abigaila dia nanao fanelanelanana ho an’i Nabala izy ary nangataka an’i Davida mba hamela heloka azy (jereo 1 Samoela 25:18–20, 23–28). Azo jerena ho toy ny tandindon’i Kristy i Abigaila. Afaka mahita ny tandindon’i Kristy isika rehefa mandalina soratra masina ary mitady ny fomba hanampian’ireo olona, na zavatra na toe-javatra mihitsy aza mba hieritreretantsika momba an’i Kristy.
Manaova sarina endrika iray eo anelanelan’i Davida sy i Nabala eny amin’ny solaitrabe. Asio anarana hoe Abigaila izany. Omeo fotoana malalaka handalinana ireto manaraka ireto samirery na ao anaty vondrona kelikely ny mpianatra.
Vakio ny 1 Samoela 25:18–19, 23–28, 31 ary tadiavo izay nolazain’i Abigaila na nataony ka mitovy amin’izay nolazain’i Jesoa Kristy na nataony. Hevero ny hanisy marika ny zavatra hitanao.
Ataovy lisitra eo ambanin’ny endrika maneho an’i Abigaila ny zavatra hitan’ny mpianatra. Mety ho ao anatin’izany valinteny izany ny hoe: Nanome vatsy maro (andininy 18); Nanaiky ho diso teo amin’ny toeran’i Nabala (andininy 24); Nangataka an’i Davida hamela azy noho ny fahadisoan’i Nabala (andininy 28); Nanao izay hanesorana ny alahelo sy ratram-po tao ampon’i Davida (andininy 31).
-
Amin’ny fomba ahoana no maha tandindon’i Jesoa Kristy an’i Abigaela?
Nizara hevi-baovao mikasika ny fahaiza-manaon’ny Mpamonjy amin’ny fanampiana antsika hamela heloka Rahavavy Kristin M. Yee ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany.
Avy amin’io tantara io, i Abigaila dia azo raisina ho ohatra na tandindona mahery vaika maneho an’i Jesoa Kristy. Amin’ny alalan’ny sorona fanavotana nataony dia afaka manamaivana antsika amin’ny fahotana sy ny vesatry ny fo feno fahatezerana Izy ary manome antsika ny fanohanana ilaintsika.
Mitovy tsy misy valaka amin’ny fahavononan’i Abigaila hitondra ny fahotan’i Nabala teo aminy no nitondran’ny Mpamonjy—tamin’ny fomba tsy hay takarina—ny fahotantsika sy ny fahotan’ireo izay nandratra na nanafintohina antsika. …
Ny fitondran’i Abigaila sakafo sy vatsy sesehena dia afaka mampianatra antsika fa ny Mpamonjy dia manolotra an’ireo izay nampijaliana sy noratraina ny fanohanana sy fanampiana ilaintsika mba hahasitrana sy hahasalama antsika. …
Tahaka ny nanampian’i Abigaila an’i Davida tsy hanana “fo tafintohina” [1 Samoela 25:31] ary hahazo ny fanampiana nilainy, ny Mpamonjy ihany koa dia hanampy anao toy izany. (“Hatsarana ho solon’ny lavenona: Ny lalana manasitran’ny famelan-keloka,” Liahona, nôv. 2022, 36–37)
Asao ny mpianatra hizara izay manan-danja taminy avy amin’ny teny nambaran-dRahavavy Yee. Rehefa mizara izany ny mpianatra dia azonao atao ny manolo ny endrika mampiseho an’i Abigaila amin’ny sarin’i Jesoa Kristy izay nasehonao teny ampiandohan’ny lesona, ary mametraka ny sarin’ny Mpamonjy eo anelanelan’ny endriky Nabala sy i Davida.
-
Ahoana no hanampian’ny Mpamonjy antsika mba hamela heloka ny hafa?
Vakio ny 1 Samoela 25:32–35 ary tadiavo ny fiantraikan’ny fihetsika nataon’i Abigaila tamin’i Davida.
-
Amin’ny fomba ahoana no mety hananantsika fihetseham-po mitovy amin’izany rehefa mandray ny fanampian’ny Mpamonjy hamela heloka ny hafa isika?
Mampiseho ny fahatakaran-javatra
Omeo fahafahana hanambara izay zavatra takany mikasika ny fahafahan’ny Mpamonjy manampy azy ireo hamela heloka ny hafa ny mpianatra. Fomba iray ahafahanao manao izany ity manaraka ity.
Vitao ao anatin’ny diary fandalinanao ity manaraka ity:
-
Manaova sarina endrika maneho ny fihetseham-ponao rehefa misy olona mandratra na manafitohina anao.
-
Manaova sary mampiseho ilay olona mety nandratra anao eo akaikin’izany sary izany.
-
Eo anelanelan’ireo sary roa ireo dia ataovy lisitra ny zavatra takatrao mikasika ny Mpamonjy ka manampy anao hamela heloka ny hafa.
Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara izay nosoratany mikasika ny Mpamonjy. Azonao atao ihany koa ny mandrisika azy ireo hizara izay nianarany niaraka tamin’ny hafa tany ivelan’ny kilasy. Ampio ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny fanampian’ny Mpamonjy antsika rehefa miezaka mamela heloka ny hafa isika.