“1 Samoela 17: Davida sy Goliata,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“1 Samoela 17: Davida sy Goliata,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
1 Samoela 17–18; 24–26; 2 Samoela 5–7: Lesona 74
1 Samoela 17
Davida sy Goliata
“Mbola zaza” i Davida raha nandeha hiady tamin’i Goliata, izay “efa mpiady hatrizay niainany” (1 Samoela 17:33). Na izany aza anefa dia nampiova zavatra ny fahalalan’i Davida fa homba azy ny Tompo. Ankehitriny dia mahazo hery isika ao anatin’ny olana rehefa miatrika izany miaraka amin’i Jesoa Kristy. Afaka manampy ny mpianatra hiantehitra amin’ny Tompo rehefa miatrika olana ity lesona ity.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra toe-javatra izay mety ahitana tanora iray mila maneho herim-po. Azon’ny mpianatra atao ny manontany ny namany na ny fianakaviany mikasika ny zavatra niainany ka nitaky herim-po.
Sahanasa fianarana azo atao
Ilay Goliata eo amin’ny fiainako
Alohan’ny hanombohan’ny fampianarana dia hevero ny hametaka scotch na karazana fanamarihan-toerana hafa eny amin’ny rindrina izay mampiseho ny halavan’i Goliata (tokony ho 3 metatra eo ho eo).
Asehoy ilay sary tany ampiandohan’ny lesona.
-
Inona no fantatrao mikasika ny tantaran’i Davida sy i Goliata?
Asao ny mpianatra vitsivitsy hijoro sy hampitaha ny halavany amin’ny halavan’i Goliata eo amin’ny rindrina. Entano izy ireo haka sary an-tsaina hoe tahaka ny ahoana ny mifanatrika amin’i Goliata.
Manaova sary olona goavana vita amin’ny tsipika eny amin’ny solaitrabe izay maneho an’i Goliata. Asio anarana hoe Olana atrehintsika izany. Asao ny mpianatra hanao lisitry ny olana atrehin’ny zatovo eo akaikin’ilay sary olona goavana vita amin’ny tsipika eny amin’ny solaitrabe.
-
Inona ny sasany amin’ireo olana—kely na lehibe—atrehin’ny zatovo ankehitriny?
Rehefa nahavita ilay lisitra ahitana ireo olana maromaro teny amin’ny solaitrabe ny mpianatra dia asao izy ireo hanao sary olona goavana vita amin’ny tsipika ao amin’ny diary fandalinany ary hanome anarana izany hoe Olana atrehako. Azon’ny mpianatra atao ny manoratra ny olana atrehany manokana eo akaikin’ilay sary olona vita amin’ny tsipika nataony. Asaivo misaintsaina mangina ireto zavatra manaraka ireto ny mpianatra:
Saintsaino izay olana mety atrehanao eo amin’ny fiainanao. Misafidiana iray amin’izany hifantohanao androany. Eritrereto hoe hatraiza ny fahatsapanao fahatokiana fa hanampy anao amin’io olana io ny Tompo. Raketo ao anatin’ny diarinao ireo eritreritra tonga ao an-tsainao.
Rehefa mandalina ny 1 Samoela 17 ianao dia asao ny Fanahy Masina hanampy anao hahalala ny fomba hanasanao ny Mpamonjy hanampy anao hiatrika ny olanao.
Finoana mandresy ny tahotra
Mba hanampiana ny mpianatrao hahatakatra ny votoatin’ity tantatra ity dia azonao atao ny mizara izay antsimpirian-javatra ao amin’ity andiam-pehezan-teny manaraka ity izay mety tsy nozarain’ny mpianatra tany am-piandohana.
Niady tamin’ny Filistina ny Isiraely tamin’izany. Nanao fanamby ilay mpiady Filistina antsoina hoe Goliata. Nilaza izy fa raha misy Isiraelita iray mandresy azy amin’ny ady ifaninanan’olon-droa dia hanaiky ho babo ary hanompo an’i Isiraely ny Filistina. Fa raha mandresy kosa i Goliata dia hanompo ny Filistina i Isrealy. Tonga sy niantsy ady tamin’ny Isiraelita nandritra ny 40 andro i Goliata. Natahotra i Saoly mpanjaka sy ny miaramilan’i Isiraely. Tonga hanatitra sakafo ho an’ireo rahalahiny izay miaramila tao amin’ny tafika i Davida. Reny fa niantsy ady tamin’ny miaramilan’i Isiraely i Goliata (jereo 1 Samoela 17:1–25).
Vakio ny 1 Samoela 17:26 ary tadiavo ny valinteny nasetrin’i Davida rehefa reny fa niantsy ny miaramilan’i Isiraely i Goliata.
-
Inona no nanaitra anao tamin’ny valinteny nasetrin’i Davida?
Mba hanampiana ny mpianatra handalina ity andinin-tsoratra masina manaraka ity dia azonao atao ny manasa mpianatra entanim-panahy miisa telo hamaky ny tenin’ireo mpandray anjara dia i Saoly mpanjaka, i Davida ary ilay mpitantara.
Vakio ny 1 Samoela 17:31–37 ary tadiavo ny nahatonga an’i Davida ho tena nahatoky an’ “Andriamanitra velona” (andininy 36).
Mba hanampiana ny mpianatra haka sary an-tsaina izany andalana izany dia azonao aseho ny horonan-tsary “David et Goliath” manomboka amin’ny minitra faha-0:00 ka hatramin’ny minitra faha-1:20. Hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org vokoa io horonan-tsary io.
-
Inona no nianaran’i Davida mikasika ny Tompo ka nahatonga azy ho sahy hanohitra an’i Goliata?
Ny fanampiana ny mpianatra hilaza ireo fitsipiky ny fiovam-po amin’ny teniny manokana dia mampitombo ny fahatakarany ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany. Fomba iray hanaovana izany ny fametrahana fanontaniana fanaraha-maso ny fivoarana rehefa avy mizara ny fanazavany ny mpianatra. Ohatra amin’izany ity fanontaniana manaraka ity.
(Raha mila fanofanana fanampiny mikasika ny fanampiana ny mpianatra hilaza fitsipiky ny fiovam-po dia jereo ny “Mifantoha amin’ireo fahamarinana izay mitondra ho amin’ny fiovampo sy manorina finoana an’i Jesoa Kristy” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.)
-
Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny zavatra nianaran’i Davida mikasika ny Tompo antsika rehefa miatrika ny olantsika isika?
Iray amin’ireo fitsipika izay mety lazain’ny mpianatra amin’ny teniny manokana ny hoe rehefa miantehitra amin’ny Tompo isika dia hanampy antsika hiatrika ny olantsika Izy.
Miantehitra amin’ny Tompo
Vakio ny 1 Samoela 17:38–51 ary tadiavo ireo fomba nianteheran’i Davida tamin’ny Tompo raha niatrika an’i Goliata izy. Hevero ny hanisy marika ny zavatra hitanao.
Raha mamaky anjara asa hafa ao amin’ny tantara ny mpianatra dia afaka manohy manao izany ho an’ireto andininy ireto izy ireo. Ho an’ny anjaran’i Goliata dia afaka manampy mpianatra iray hafa ianao.
Azonao atao ihany koa ny mamarana ity horonan-tsary manaraka ity: “Davida sy Goliata” manomboka amin’ny minitra faha-1:20 ka hatramin’ny minitra faha-2:36.
-
Ahoana no fomba nanehoan’i Davida fa niantehitra tamin’ny Tompo izy?
Mety hanana valinteny samy hafa ny mpianatra, toy ny hoe nesorin’i Davida ny fitaovam-piadian’ny mpanjaka ary nisafidy hampiasa vato sy antsamotady ho fiadiana izy (andininy 39–40) na hoe rehefa nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy izy (andininy 45–47). Asao ny mpianatra hanazava ny fomba nanehoan’ny fihetsika tsirairay fa i Davida dia niantehitra tamin’ny Tompo.
Miatrika ny olantsika
Hevero ny hampiseho vato dimy na manao sarina vato dimy eny amin’ny solaitrabe (jereo 1 Samoela 17:40). Afaka maneho fomba entintsika miantehitra amin’ny Tompo ireo vato ireo rehefa miatrika olana isika. Azonao atao ny manambatra ny mpianatra ho tsiroaroa na ho vondrona kelikely rehefa manaraka ity tormarika manaraka ity. Azon’izy ireo atao lisitra eny amin’ny solaitrabe akaikin’ilay vato ny valinteniny.
Misafidiana iray amin’ireo olana notanisaina teny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny hoe Olana atrehintsika.
Mitadiava fomba dimy, mahakasika manokana ilay olana nosafidinao, entin’ny olona iray miantehitra amin’ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy eo am-piatrehana izany olana izany. Hifanakalozy hevitra ny antony nisafidiananao ny fomba tsirairay.
Asao ny mpianatra izay mazoto hizara ny fifanakalozan-kevitra nataony.
-
Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy anao na ny olona fantatrao hiatrika olana?
-
Inona ny dingana nataonao na nataon’ilay olona mba hahazoany ny fanampian’Izy Ireo?
Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fomba azon’i Jesoa Kristy anampiana antsika rehefa miatrika olana isika:
Raha mijoro eto ny Mpamonjy androany, dia haneho ny fitiavany tsy manam-pahataperana ho anareo Izy, ny fahatokiany tanteraka anareo. Hilaza aminareo Izy fa vitanareo io. Afaka manorina fiainana feno fifaliana sy fahasambarana ianareo satria i Jesoa Kristy no herinareo. (“I Jesoa Kristy no maha zatovo mahery,” Liahona, nôv. 2022, 12)
-
Inona no zavatra fantatrao mikasika an’i Jesoa Kristy ka afaka manampy anao hatoky Azy kokoa manoloana ny olana atrehinao?
Miatrika ilay Goliata eo amin’ny fiainantsika manokana
Asehoy ireto torolalana manaraka ireto.
Eritrereto ny olana manokana nosoratanao tao amin’ny diary fandalinanao teo aloha teo. Mitadiava fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina hanampy anao hisafidy fomba iray farafahakeliny entinao miantehitra amin’ny Tompo manoloana ny olana.
Manaova sarina vato iray na maromaro ao amin’ny diary fandalinanao. Soraty izay kasainao hatao sy ny fomba hanaovanao izany eo akaiky na ao anatin’ilay vato.
Asao ny mpianatra vitsivitsy izay vonona mba hizara.
Mijoroa ho vavolombelona mikasika ny fahafahana sy ny fanirian’ny Mpamonjy hanampy ny mpianatra hiatrika olana. Ambarao ny fahatokianao momba ny fahaizan’ny mpianatra miatrika ny olany miaraka amin’i Jesoa Kristy.