“Fampiharana fifehezana fotopampianarana 5: Fanaovana tsianjery andalan-tsoratra masina sy fampiharana fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Fampiharana fifehezana fotopampianarana 5: Fanaovana tsianjery andalan-tsoratra masina sy fampiharana fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
1 Samoela 17–18; 24–26; 2 Samoela 5–7: Lesona 76
Fampiharana fifehezana fotopampianarana 5
Fanaovana tsianjery andalan-tsoratra masina sy fampiharana fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy
Ny fifehezana fotopampianarana dia manampy ny mpianatra hanorina ny fiainany eo amin’ny fototr’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanao tsianjery andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ao amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy hampihatra fitsipika masina hahazoana fahalalana ara-panahy.
Fanomanana ny mpianatra: Azonao atao ny manasa ny mpianatra hisafidy sy hanomboka hanao tsianjery andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Mety ho loharano afaka manampy ny application Fifehezana Fotopampianarana. Hita ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023) ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina.
Sahanasa fianarana azo atao
Famerenana fifehezana fotopampianarana: Manao tsianjery
Azonao atomboka amin’ny fanampiana ny mpianatra hahita ny maha zava-dehibe ny fanaovana tsianjery ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ny fampianarana. Fomba iray ahafahanao manao izany ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto.
-
Inona no zavatra voalohany tsaroanao nataonao tsianjery? Mbola tsaroanao ve izany izao?
-
Efa nisy fotoana ve ianao nanao tsianjery soratra masina? Inona no tombontsoa azonao tamin’ny fanaovana tsianjery izany?
-
Afaka mahatsiaro ireo fotoana nampahatsiahivan’ny Mpamonjy anao soratra masina avy amin’ny fitadidianao ve ianao?
Raha ilaina dia ampahatsiahivo ny mpianatra fa nanonona soratra masina tamin’ny toe-javatra maro i Jesoa Kristy, toy ny tamin’ny fotoana nakan’i Satana fanahy Azy (jereo ny Matio 4:4, 7, 12), rehefa nametrahana fanontaniana sarotra valiana Izy (jereo Matio 9:13; 15:4, 7–9; Marka 10:7–8), ary tamin’ny fotoana nampianarany ny Nefita (jereo 3 Nefia 22; 24–25).
Azonao atao ireto manaraka ireto hanampiana ny mpianatra hanao tsianjery ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Na misafidiana sahanasa fanaovana tsianjery hafa avy amin’ny “Sahanasa famerenana fifihezana fotopampianarana” ao amin’ny tovana.
Asehoy ny lisitra ana andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nianaran’ny mpianatra hatreto. Asao ny mpianatra hisafidy andalana iray izay tiany hatao tsianjery. Avy eo dia asao ny mpianatra hamita ireto manaraka ireto.
Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny fototra (tsara raha atao amin’ny pensiliazo). Vakio mafy ho renao izany avy eo. Rehefa voavaky dia fafao na tsipiho ny teny na isa iray na roa. Avereno vakina mafy indray. Tohizo toy izany hatrany mandrapaha voafafa ny teny sy ny isa rehetra. Avy eo dia jereo raha vitanao ny manoratra avy amin’ny fitadidianao ilay andininy sy ilay andian-teny manan-danja.
Raha ampy ny fotoana dia afaka mamerina manao izany indray ny mpianatra amin’ny andalana hafa.
Mandalina sy mampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy
Mety hanampy ny mpianatra ny manana fahafahana maro hamerenana ny fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy. Ny famerenana dia hanampy ny mpianatra handray izany fitsipika izany ao am-pony mba hahafahany mampiasa izany amin’ny fotoana ilana azy. Azonao atao ny mamerina ny fitsipika amin’ny fampiasana ny iray amin’ireo sahanasa famerenana ao amin’ny “Sahanasa famerenana fifehezana fotopampianarana” ao amin’ny tovana. Ny famariparitana ireo fitsipika dia hita ao amin’ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023).
Omeo rafi-tantara hanampy azy ireo hamaly fanontaniana mikasika ny maha zava-dehibe ny olona tsirairay amin’ny maha zanak’ Andriamanitra azy sy ny maha zava-dehibe ny fahitana sy ny fitondrana ny hafa araka ny fomban’ny Mpamonjy ny mpianatra. Vao avy nianatra fahamarinana mikasika ny toetrantsika amin’ny maha Andriamanitra ny mpianatra (jereo ny Genesisy 1:26–27), ny fomba fahitan’ny Tompo antsika (jereo 1 Samoela 16:7), sy ny tokony hiombonan’ny vahoakan’ny Tompo (jereo Mosesy 7:18).
Azonao zaraina araka izay endriny ao ity rafi-tantara ity na amboarina hifanaraka kokoa amin’ny filan’ny mpianatrao. Zavatra iray azonao atao ihany koa ny mampiasa ny horonan-tsary “Faites cesser les brimades (10:22),” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Asehoy manomboka amin’ny minitra faha-0:00 ka hatramin’ny minitra faha-6:50 ilay horonan-tsary. Ampiatoy ilay horonan-tsary avy eo ary ataovy ny sahanasa ao amin’ny lesona.
Diniho ity rafi-tantara manaraka ity:
Ao anatin’ny vondrona mpinamana matetika misetrasetra amin’ny mpianatra hafa any am-pianarana sy ao amin’ny tambajotra sosialy i Jao. Mampihomehy sy mampialavoly no fahitan’izy ireo ny zavatra ataony. Indray andro dia hitan’i Jao nadalain’ny hafa ny zandriny vavy. Hitany fa tena naratra ny fon’ny zandriny vavy. Manahy ny amin’ny mety ho voka-dratsin’izany herisetra izany amin’ny zandriny izy. Ny fahitany ny anabaviny niharan’ny herisetra dia nanampy an’i Jao hahalala zavatra tsy mbola takany teo aloha. Tsikariny ny fahatsapan’ny hafa noho ny zavatra ataony miaraka amin’ny namany. Kivy izy ary manontany tena ny amin’izay tokony hataony amin’izao.
-
Inona no fanapahan-kevitra sarotra tokony horaisin’i Jao mikasika ny fomba tokony hitondrany ny hafa? Nahoana no mety ho sarotra ny mitondra izany fiovana izany?
Mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ny fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy amin’io rafi-tantara io dia azonao asaina izy ireo hanao ireto manaraka ireto.
Misafidiana iray amin’ireo fitsipika telo hahazoana fahalalana ara-panahy izay hitanao fa mety hanampy an’i Jao. Ataovy ny sahanasa manaraka izay mifanaraka amin’ny fitsipika nosafidianao.
Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay
Ataovy lisitra ny zavatra rehetra heverinao ho tian’ny Ray any An-danitra ho fantatry Jao. Hevero ny hampianatra soratra masina toy ny Genesisy 1:26–27 sy ny 1 Samoela 16:7 izay mety hanampy azy hijery ny tenany sy ny hafa amin’ny fomba marina kokoa.
Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra
Manaova lisitra ana soratra masina na lahateny avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ka azon’i Jao hianarana hanampy azy hisafidy hibebaka sy hiova.
Azonao atao ny mandeha ao amin’ny vakizoro Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile. Mandehana ao amin’ny “Lohahevitra,” ary safidio ny lohahevitra mifanaraka amin’ny toe-javatra misy an’i Jao toy ny fiantrana, fangoraham-po, ohatra, na fibebahana. Mitadiava lahateny na fanambarana afaka mampahery na manome toromarika an’i Jao.
Raha mila fanampiana hitady soratra masina ianao dia azonao atao ny mamerina ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.
Manao asa amim-pinoana
Mba hanehoana izay azon’i Jao atao dia mamoròna tantara an-tsary misy sary telo ka hatramin’ny enina mampiseho ny fomba azony hanaovana asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy. Hevero ny fomba azon’i Jao ampiasana ny fahalalany momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ilay tantara an-tsary.
Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara izay nianarany. Angataho ny mpianatra hizara ny heviny eo am-pihainoana ireo namany.
Raha nampiseho ilay horonan-tsary ianao dia azonao atao ny mampiseho ny ambiny manomboka amin’ny minitra faha-6:51 ka hatramin’ny minitra faha-10:23. Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hilaza ny fomba nahazoan’ilay zatovolahy tombony na ny fomba nampiharany ny fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy.
Raha ilay rafi-tantara no nampiasainao dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hamorona ny ambin’ilay tantara ao anatina vondrona kely maromaro. Asao ny mpianatra hamorona ireto fizarana roa manaraka amin’ilay tantara ireto:
-
Ny fihetsik’i Jao manoloana ireo olona nnanehoana haratsiam-panahy
-
Ny fihetsik’i Jao manoloana ny namany
Omeo fotoana malalaka ny mpianatra hamaranany ilay rafi-tantara. Asao ny mpianatra avy eo hanao zavatra androany ho fampiharana ny iray na ny maromaro amin’ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy manoloana ny toe-javatra atrehany na mety hitranga aminy.
Farano amin’ny fizaranao fijoroana ho vavolombelona mikasika ny fomba hanampian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny mpianatra manoloana ny olana manokana rehefa mitodika any amin’Izy ireo izy mba hahazoana tari-dalana.