Seminera
2 Samoela 11–12; 1 Mpanjaka 3; 6–9; 11: Topimaso ankapobeny


“2 Samoela 11–12; 1 Mpanjaka 3; 6–9; 11: Topimaso ankapobeny,’” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“2 Samoela 11–12; 1 Mpanjaka 3; 6–9; 11: Topimaso ankapobeny,’” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

2 Samoela 11–12; 1 Mpanjaka 3; 6–9; 11

2 Samoela 11–12; 1 Mpanjaka 3; 6–9; 11

Topimaso ankapobeny

Samy nanomboka ny fitarihany an’i Isiraely tao anatin’ny fianteherana tamin’ny Tompo i Davida Mpanjaka sy i Solomona zanany lahy, ary samy nomena ireo fitahiana lehibe avy Aminy izy ireo. Indrisy anefa fa nampanalavitra azy tamin’ny Tompo ireo fanapahan-kevitra noraisin’i Davida ka namoy ny fisandratany izy. Nandritra ireo taona voalohandohany nanjakan’ny Mpanjaka Solomona, ny faniriana feno fanetrentena nananany mba hanana fahendrena sy fitarihana ary fitahiana avy amin’ny Tompo dia nahatonga azy ho mendrika ny hanangana ny tempoly, ilay tranon’ny Tompo.

sary famantarana ny semineraAsao ny mpianatra hiaina ny zavatra izay ianaran’izy ireo. Rehefa mianatra ny filazantsaran’ny Mpamonjy ny mpianatra dia afaka manampy azy ireo hamantatra ireo fanovana ilain’izy ireo atao ny Fanahy Masina. Ny fanasana hamerina hijery ireo tanjona napetrak’izy ireo teo aloha dia afaka manampy koa ireo mpianatra hahita ny fivoarany sy hanaovany ireo fanitsiana ilaina. Hita ao amin’ny Lesona 80: “Tombano ny fianaranao 5” ny ohatra iray maneho ny fomba hanaovana izany.

Raha te hianatra bebe kokoa momba ny fomba nanaovan’ny Mpamonjy izany dia jereo ny fizarana “Ny Mpamonjy dia nanasa ny hafa hiaina ny zavatra nampianariny ao amin’ny (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 26).

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety ilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

2 Samoela 11–12

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahafantatra fa tsy afaka manafina ny fahotany amin’ny Tompo izy ireo, saingy afaka mitodika any Aminy izy ireo mba handresena ny fakam-panahy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanao lisitra ahitana ny sasany amin’ireo lainga ampiasain’i Satana hakana fanahy antsika mba hanota (ohatra, azon’ny mpianatra atao ny mamerina mamaky ny 2 Nefia 28:6–9, 20–22). Avy eo dia asao izy ireo hisaintsaina ny fomba hanampian’ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy antsika hitodika any amin’ny Tompo rehefa miatrika fakam-panahy isika.

  • Sary haseho: Sarin’i Jesoa Kristy miaraka amin’ny olona iray mitodika any Aminy ary olona hafa manalavitra Azy

  • Votoatiny haseho: Toromarika roa karazana mba hotanterahin’ny mpianatra manokana na ao anaty vondrona; tabilao momba ireo fanapahan-kevitra noraisin’i Davida

1 Mpanjaka 3

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatakatra fa ny Tompo dia hanome antsika fahaiza-manao mba hanatanterahana ny asany.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanoratra zavatra izay ezahan’izy ireo atao mba handraisana anjara ao amin’ny asan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Asao ny mpianatra hangataka ombam-bavaka amin’ny Ray any An-danitra ireo fitahiana izay ilain’izy ireo mba hanampiana Azy hanatanteraka ny asany

  • Votoatiny haseho: Sary tsotra maneho “anao” sy ny “asan’ny Tompo” izay sarahina amin’ny alalan’ny elanelana lehibe; soratra masina sy fanontaniana ho an’ny fandalinana ataon’ny isam-batan’olona na ny vondrona

  • Taratasy zaraina:Mandraisa anjara ao amin’ny asan’ny Tompo

1 Mpanjaka 6–9

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hampitombo ny fahatakarany fa ny tempoly dia tranon’ny Tompo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitondra sarina tempoly iray any akaikin’ny misy azy na tempoly iray tiany indrindra. Afaka miomana izy ireo mba hizara ny antony maha-manan-danja ny tempoly ho azy ireo.

  • Sary: Tempolin’i Solomona sy tempoly iray any akaikin’ny toerana misy ny tena

  • Votoatiny haseho: Ny fanontanian’i Angela tany am-piandohan’ny lesona; tabilao telo ahitana soratra masina ho an’ny fandalinana ataon’ny isam-batan’olona sy ny vondrona momba ny andron’i Solomona sy ny androntsika

  • Horonan-tsary:The Spirit of God” (Fanahin’ny Ray)

Tombano ny fianaranao 5

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hisaintsaina ireo tanjona napetrak’izy ireo sy ny fivoarana izay niainan’izy ireo nandritra ny fandalinany vao haingana ny Testamenta Taloha.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny fivoarany ara-panahy mandritra ny seminera amin’ity taona ity. Amporisiho izy ireo hanombantombana ny ezaka nataon’izy ireo amin’ny alalan’ny famerenana mamaky ireo zavatra nosoratana tao amin’ny diary, ireo soratra masina nasian’izy ireo marika, ary ireo fanamarihana noraketin’izy ireo an-tsoratra.

  • Sary: Fanehoana an-tsary iray izay maneho ny fitombon’ny voa iray ho lasa zavamaniry; tempoly iray; i Samoela zazalahy maheno ny feon’ny Tompo