Seminera
2 Samoela 11–12: Tsy afaka manafina ny fahotantsika amin’ny Tompo isika


“2 Samoela 11–12: Tsy afaka manafina ny fahotantsika amin’ny Tompo isika,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“2 Samoela 11–12: Tsy afaka manafina ny fahotantsika amin’ny Tompo isika,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

2 Samoela 11–12; 1 Mpanjaka 3; 6–9; 11: Lesona 77

2 Samoela 11–12

Tsy afaka manafina ny fahotantsika amin’ny Tompo isika

Portrait of Christ

Niaraka tamin’ny Tompo teo anilany, i Davida dia nandresy an’i Goliata, nahazo fandresena tao anatin’ny ady ary lasa mpanjakan’i Isiraely. Na izany aza tao anatin’ilay fikatsahany filana ara-nofo niaraka tamin’i Batseba, dia nanalavitra ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy izy ary lavo tamin’ny fisandratany (jereo ny Fotopampianarana 132:39). Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahafantatra fa tsy afaka manafina ny fahotany amin’ny Tompo izy ireo, saingy afaka mitodika any Aminy izy ireo mba handresena ny fakam-panahy.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanao lisitra ahitana ny sasany amin’ireo lainga ampiasain’i Satana hakana fanahy antsika mba hanota (ohatra, azon’ny mpianatra atao ny mamerina mamaky ny 2 Nefia 28:6–9, 20–22). Avy eo dia asao izy ireo hisaintsaina ny fomba hanampian’ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy antsika hitodika any amin’ny Tompo rehefa miatrika fakam-panahy isika.

Sahanasa fianarana azo atao

Ireo fanapahan-kevitra izay mampitodika antsika any amin’ny Tompo na mampanalavitra antsika amin’ny Tompo

A illustration showing two stick figures. one waslking away from Christ, the other, walking towards Christ

Mampisehoa sarin’ny Mpamonjy ahitana zanatsipika mandroso mankeny amin’ilay sary ary zanatsipika mandeha manalavitra an’ilay sary. Asao ny mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto: Azon’ny mpianatra atao ny manoratra ny valinteniny eo ambanin’ny zanatsipika mifanaraka amin’izany eny amin’ny solaitrabe.

  • Inona avy ireo zavatra sasantsasany izay asain’ny Tompo mba hataontsika mba hitodihana any Aminy?

  • Inona avy ireo lainga mety hampiasain’i Satana mba handresena lahatra antsika hanalavitra ny Tompo?

Mety hizara andian-teny isan-karazany toy ireto manaraka ireto ny mpianatra: “Tsy olana izany e!”; “Afaka mibebaka ianao any aoriana”; ary “Tsy mandratra na iza na iza aho.” Soraty ny eny amin’ny solaitrabe ny hoe, Tsy hisy olona hahafantatra izany, raha toa ka tsy lazain’ny mpianatra izany. Ity andiam-pehezan-teny manaraka ity dia fanasana ireo mpianatra mba hampandray anjara ny Fanahy rehefa mieritreritra ireo eritreritra ananany izy ireo rehefa manao hadisoana.

Makà fotoana hanasana ny Fanahy Masina mba hanampy anao hamantatra ireo eritreritra na zavatra atao eo amin’ny fiainanao izay mampitodika anao any amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy na mampanalavitra anao amin’Izy ireo. Rehefa mandalina ianao dia tadiavo ireo fahatsapana avy amin’ny Fanahy izay afaka manampy anao hisafidy ny hitodika any amin’Izy Ireo.

Ny fanapahan-kevitra noraisin’i Davida hanalavitra ny Tompo

Asao ny mpianatra hitadidy ireo tantara nohalalinin’izy ireo izay nampiseho fa nitarika sy nanoro lalana an’i Davida ny Tompo. Azonao atao ny mizara fa ilay tantara izay hohalalinin’izy ireo androany dia maneho ny zava-nitranga rehefa nandray fanapahan-kevitra maromaro izay nampanalavitra azy tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy i Davida.

Rehefa mamaky ny andininy tsirairay amin’ireto andian-tsoratra masina manaraka ireto ny mpianatra iray, dia afaka manainga ambony ilay teny hoe Ajanony na manao fihetsika ny mpianatra hafa rehefa hitan’izy ireo fa nandray fanapahan-kevitra izay nampanalavitra azy tamin’ny Tompo i Davida. Isaky ny mijanona ny mpianatra dia afaka mifanakalo hevitra momba ilay fanontaniana etsy ambany izy ireo.

Vakio tsara ny 2 Samoela 11:1–5 ka tadiavo ireo fanapahan-kevitra noraisin’i Davida izay nitarika azy ho any amin’ny lalan-diso.

  • Inona avy ireo fanapahan-kevitra hitanao?

Asao ny mpianatra hamorona lisitra iray eny amin’ny solaitrabe izay ahitana ireo fanapahan-kevitra noraisin’i Davida ao anatin’ireo andininy ireo ary hanisy marika izany ao amin’ny soratra masiny. Ny tsanganana havia ao amin’ilay tabilao ao amin’ity lesona ity dia ahitana ohatra momba ireo zavatra mety ho hitan’ny mpianatra.

Miatrika fakam-panahy daholo isika rehetra izay ilaintsika toherina. Noho ny fahafantarana izany dia nanome toky mahery vaika ny Tompo ao amin’ny 1 Korintiana 10:13. Vakio ity andininy ity ka tadiavo ny fanampiana nampanantenain’ny Tompo antsika.

  • Inona no hitanao?

Ity sahanasa manaraka ity dia fomba iray hanampiana ny mpianatra mba hahita fa na dia eo anatrehana fakam-panahy tahaka ireo natrehan’i Davida aza dia nanome fampianarana izay afaka manampy antsika hisoroka ny fakam-panahy sy hanalavitra ny fahotana ny Tompo. Azonao atao ny mampiseho ireto toromarika manaraka ireto mba harahin’ny mpianatra ao anatina vondrona kely na isam-batan’olona. Azonao atao, izay miankina amin’ny fahaizan’ny mpianatrao, ny mampiseho ireo soratra masina ao amin’ny tsanganana faharoa ary manitsy ilay dingana faharoa ho lasa fangatahana ny mba hamakian’ny mpianatra ny soratra masina na ireo soratra masina fa tsy hitady izany.

Vitao ny zavatra ao anatin’ireto toromarika manaraka ireto:

  1. Misafidiana fanapahan-kevitra iray na maromaro izay noraisin’i Davida ka nitarika azy hanalavitra ny Tompo.

  2. Mitadiava soratra masina iray izay ahitana na maneho ny iray amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy izay afaka manampy antsika hisoroka ny fakam-panahy sy hanalavitra safidy mitovy amin’izany.

  3. Miomàna hizara ny zavatra hitanao.

Fanapahan-kevitra noraisin’i Davida

Fampianaran’ny Mpamonjy sy ireo mpaminaniny

Fanapahan-kevitra noraisin’i Davida

2 Samoela 11:1—Nijanona tany Jerosalema i Davida rehefa nandeha tany amin’ny sahan’ny ady niaraka tamin’ny miaramilany ny mpanjaka.

Fampianaran’ny Mpamonjy sy ireo mpaminaniny

Almà 7:22; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:42

Fanapahan-kevitra noraisin’i Davida

2 Samoela 11:2—Nahita an’i Batseba teo am-pandroana i Davida ary nanohy nibanjina azy.

Fampianaran’ny Mpamonjy sy ireo mpaminaniny

Môzià 4:30; 3 Nefia 12:28–29

Fanapahan-kevitra noraisin’i Davida

2 Samoela 11:3—Nikatsaka ny hiaraka aminy i Davida.

Fampianaran’ny Mpamonjy sy ireo mpaminaniny

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:16

Fanapahan-kevitra noraisin’i Davida

2 Samoela 11:4—Fantany fa nanambady i Batseba; nampaka azy i Davida ho ao amin’ny lapany.

Fampianaran’ny Mpamonjy sy ireo mpaminaniny

Genesisy 39:9

Fanapahan-kevitra noraisin’i Davida

2 Samoela 11:4—Nandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena i Davida.

Fampianaran’ny Mpamonjy sy ireo mpaminaniny

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:23–25

  • Inona no zavatra nisarika ny sainao?

  • Inona no nianaranao mikasika ny Tompo avy tamin’ity sahanasa fandalinana ity?

Mba hamintinana ny 2 Samoela 11:6–13, dia azonao hazavaina fa rehefa fantatr’i Davida fa bevohoka i Batseba, dia nampanantsoiny mba hody avy any an’ady i Oria vadiny. Nandidy an’i Oria i Davida mba hiara-mandry amin’i Batseba mandritra ny alina mba ho hita amin’izay fa tompon’andraikitra tamin’ny fitondran’i Batseba vohoka i Oria.

Vakio ny 2 Samoela 11:14–17, 26–27 ka tadiavo ny zavatra nataon’i Davida rehefa tsy nahomby ilay drafiny mba hanafenana ny fijangajangany.

  • Inona no eritreritra na fahatsapana nanananao rehefa namaky ireo andininy ireo ianao?

Jereo ilay lisitr’ireo fanapahan-kevitra noraisin’i Davida eny amin’ny solaitrabe ary ampio hoe Niezaka nanafina ny fahotany i Davida.

Hazavao amin’ny mpianatra fa taorian’ny fahafatesan’i Oria dia naniraka an’i Natana mpaminaniny hankany amin’i Davida Mpanjaka ny Tompo. Rehefa mamaky ity fanoharana manaraka ity ny mpianatra, dia azon’izy ireo atao ny maneho an-tsary ilay tantara eny amin’ny solaitrabe na ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

Vakio ny 2 Samoela 12:1–10 ka tadiavo ny zavatra nolazain’i Natana tamin’i Davida.

  • Inona no nisarika ny sainao tao amin’io fanoharana io?

  • Inona avy ireo fahamarinana mety hianaran’ny olona iray avy amin’ny tantaran’i Davida?

    Ankoatra ireo fahamarinana hafa mety ho hitan’ny mpianatra dia antitrantero fa tsy afaka manafina ny fahotantsika amin’ Andriamanitra isika.

    Azonao atao ny manasa ny mpianatra hampifandray ny 2 Samoela 12:7–9 amin’ny 2 Nefia 9:20 sy ny Almà 39:8.

  • Nahoana no fitahiana ny tsy fahafahantsika manafina ny fahotantsika amin’ilay Raintsika any An-danitra be fitiavana?

  • Ahoana no mety hanampian’ny fahatakarana io fahamarinana io antsika hitodika any amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary hibebaka?

Raha ilaina dia azonao atao ny miresaka momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:39 ka mizara fa ny famonoana an’i Oria no fanandramana farany nataon’i Davida mba hanafenana ny fahotany. Noho io fanapahan-kevitra io dia namoy ny fisandratany i Davida. Omeo toky ireo mpianatra fa mbola tia an’i Davida ny Tompo, saingy nisy fitahiana tsy afaka ny ho azon’i Davida vokatry ny fanapahan-keviny.

Afaka mitodika indray any amin’ny Tompo isika

Asao ny mpianatra hisaintsaina mangina ny zavatra nianarany sy tsapany avy tamin’ny tantaran’i Davida. Ampio ny mpianatra hahatakatra fa noho ny fahafantaran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy antsika tanteraka, dia takatr’izy ireo ny toe-javatra iainantsika, ny antony nanaovantsika ireo safidy nataontsika, ary ny fomba hanampiana antsika hitodika any amin’Izy ireo indray.

Mety mahatsapa ho kivy ny mpianatra sasany noho ireo fahadisoana nataon’izy ireo.

5:50
5:16

Zarao ny zavatra izay nianaranao

Mba hanampiana ny mpianatra hizara ny fahatakarany ireo fahamarinana nampianarina dia hevero ny hampiasa ilay sary tany am-piandohan’ny fotoam-pianarana. Azonao asaina ny mpianatra hanao sary mitovitovy amin’izany ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Asehoy ny mpianatra avy eo ireto toromarika ireto mba hovitain’izy ireo ny zavatra ao anatin’izany.

Mifidiana, ao anatin’ny diary fandalinanao, iray amin’ireo fanapahan-kevitra noraisin’i Davida na fakam-panahy iray mety hatrehin’ny zatovo iray amin’izao fotoana izao. Alaivo sary an-tsaina hoe nanoro hevitra olona iray nieritreritra ny handray izany fanapahan-kevitra izany ianao. Misafidiana safidy roa farafahakeliny avy amin’ity lisitra manaraka ity mba hizarana ny zavatra nianaranao.

  1. Famintinana ny zavatra nianaranao androany mikasika ny tsy tokony hanafenana ny fahotana fa ny tokony hitodihana kosa any amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  2. Andinin-tsoratra masina iray izay maneho ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy sy ireo mpaminaniny momba ny fandresena ilay fakam-panahy nosafidinao.

  3. Zavatra niainanao na niainan’ny olona iray fantatrao izay nanampy anao hitodika any amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa miatrika fakam-panahy ianao.

  4. Fijoroana ho vavolombelona fohy momba ny herin’ny Mpamonjy mba hanampiana antsika handresy ny fakam-panahy sy hibebaka rehefa manota isika.

Hevero ny hamarana ny fotoam-pianarana amin’ny fijoroanao ho vavolombelona fa mahafantatra sy tia tanteraka ireo mpianatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Azonao omena toky ireo mpianatra fa na inona na inona olana atrehantsika dia tia antsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary maniry mafy ny hanampy antsika hibebaka.