Seminera
1 Mpanjaka 6–9: Nanorina ny Tranon’ny Tompo i Solomona


“1 Mpanjaka 6–9: Nanorina ny Tranon’ny Tompo i Solomona,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“1 Mpanjaka 6–9: Nanorina ny Tranon’ny Tompo i Solomona,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

2 Samoela 11–12; 1 Mpanjaka 3; 6–9; 11: Lesona 79

1 Mpanjaka 6–9

Nanorina ny Tranon’ny Tompo i Solomona

Holiness To The Lord The House of The Lord Signs Languages

Amin’izao androntsika izao dia lasa mora kokoa ny fandehanana any amin’ny tempoly manerana izao tontolo izao, saingy tsy toy izany foana izany hatrizay. Nanana tranon’ny Tompo hitoetra maharitra ihany tamin’ny farany ny Isiraelita tamin’ny fanorenana ny tempolin’i Solomona, toerana ahitana fa ny Mpamonjy mihitsy no “hitoetra ao amin’ny zanak’Isiraely” (1 Mpanjaka 6:13). Ny fampanantenan’ny Mpamonjy dia tanteraka koa amin’izao androntsika izao noho ny tempoly miely maneran-tany. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hampitombo ny fahatakarany fa tranon’ny Tompo ny tempoly.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitondra sarina tempoly iray any akaikin’ny misy azy na tempoly iray tiany indrindra. Afaka miomana izy ireo mba hizara ny antony maha-manan-danja ny tempoly ho azy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny tempoly dia tranon’ny Tompo

Mba hanombohana ny fotoam-pianarana dia asao ny mpianatra hamaly ity rafi-tantara manaraka ity (na zavatra mitovitovy amin’izany izay mifanaraka amin’ny zavatra ilain’ny kilasinao).

Alaivo sary an-tsaina hoe mahita sarina tempoly vaovao izay aorina eo amin’ny faritra misy anao i Angela namanao ary manontany hoe:

  • Nahoana ny Fiangonanareo no manorina tempoly?

  • Inona no tsy mampitovy ny tempoly amin’ireo trano fiangonana hafa izay anareo?

Hevero ny hangataka ny mpianatra hieritreritra hoe manao ahoana ny fahatokian-tenan’izy ireo eo amin’ny famaliana ireo fanontanian’i Angela. Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra tsapany.

Taorian’ny fanokanana ny Tempolin’i Praia Cap Vert dia nampianatra ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Former Official portrait of Elder Neil L. Andersen of the Quorum of the Twelve Apostles, 2010, August.   Replaced September 2019.

Ny tempoly dia tena tranon’ny Tompo ara-bakiteny mihitsy. Avelao hilentika tsimoramora ao anatin’ny fanahinao ireo teny ireo. Tranony izany. (“The House of the Lord—Recent Messages from Prophets, Apostles, and Other Church Leaders”, newsroom.ChurchofJesusChrist.org, aog. 13, 2023)

Asao ny mpianatra mba hanoratra ity fahamarinana ity ao amin’ny diary fandalinany sy eny amin’ny solaitrabe: Ny tempoly dia tranon’ny Tompo.

Makà fotoana hanarahana ny fanasan’ny Loholona Andersen mba hamela io fahamarinana io hilentika tsimoramora ao amin’ny fanahinao rehefa mamaly ity fanontaniana manaraka ity ao anatin’ny diary fandalinanao ianao.

  • Midika inona aminao ny hoe tranon’ny Tompo ny tempoly?

Rehefa mandalina ianao anio, dia asao ny Fanahy Masina mba hanampy anao hampitombo ny fahatakaranao ny tempoly ho tranon’ny Tompo. Ampidiro ao anatin’ny diary fandalinanao ny zavatra ianaranao mandritra ny lesona.

Mety hanampy ny manome toky ireo mpianatra fa na dia tsy ho voavaly androany aza ireo fanontaniana manokana ananan’izy ireo momba ny tempoly, dia hanohy hanome fitaomam-panahy amin’ny ezaka ataon’izy ireo sy hitarika ny ezaka ataon’izy ireo ny Fanahy Masina mba hianatra bebe kokoa momba ny tranon’ny Tompo.

Mandidy ny olony hanorina ny tranony ny Tompo

Solomon's Temple and Modern Temple

Teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, ny Tompo dia nandidy ny vahoaka mba hanorina tabernakely azo lanjaina sy vonjimaika mba hitahiana ny zanak’i Isiraely (jereo ny Eksodosy 25:1–8). Rehefa nifandimby ny taranaka maro taty aoriana, tamin’ny fotoana nanjakan’i Solomona Mpanjaka, dia tsy mbola nisy tempoly hitoetra maharitra naorina ihany.

Mba hanampiana ny mpianatra hahita zavatra mitovy eo amin’ny didin’ny Tompo mba hanorenana ny tranony tamin’ny vanim-potoanan’ny 1 Mpanjaka 6–9 sy amin’izao androntsika izao, dia afaka mampiseho sarin’ny tempolin’i Solomona sy izay tempoly maoderina akaiky indrindra anao ianao.

Ny fomba iray hanampiana ny mpianatra hahita ireo zavatra mitovy eo amin’ireo tempoly fahiny sy ireo tempoly amin’izao androntsika izao dia ny fampisehoana ity tabilao ity manaraka ity.

Misy sahanasa amin’ny alalan’ny tabilao miisa telo aroso ao amin’ny lesona. Azonao atao ny mieritreritra fomba samihafa hoentin’ny mpianatra mandalina ny tabilao tsirairay. Ho an’ity sahanasa amin’ny alalan’ny tabilao voalohany ity, dia hevero ny hanasa ny antsasaky ny mpianatra ao an-dakilasy handalina ireo andininy ao amin’ny tsanganana “Andron’i Solomona” ary ny antsasany iray hafa handalina ireo andininy ao amin’ny tsanganana “Androntsika”. Rehefa avy nandalina ireo andininy ireo ny mpianatra dia afaka mizara ny zavatra hitany amin’ilay mpianatra miara-miasa aminy izy ireo izay nandalina ireo andininy avy tao amin’ilay tsanganana mifanohitra amin’izany.

Ny fomba iray hafa handrindrana ilay sahanasa dia ny fizarana ny mpianatra ho vondrona telo ka omena tabilao iray ny vondrona tsirairay. Afaka miara-mandalina ny mpianatra ary misafidy mpitondra teny iray mba hamelabelatra ilay fizarana nosahanin’ny vondrona misy azy amin’ny iray kilasy. Any amin’ny fiafaran’ilay famelabelarana dia afaka mizara ny fomba ahafahan’ireo lohahevitra nohalalinin’izy ireo manampy amin’ny famaliana ireo fanontanian’i Angela izy ireo.

Rehefa mandalina ireto andininy manaraka ireto ianao dia tadiavo ireo fampianarana izay afaka manampy anao hanazava ireo fampanantenan’ny Tompo ho an’ireo tempoly fahiny sy amin’izao fotoana izao. Ampidiro ao amin’ny zavatra nampidirinao tao amin’ny diary fandalinanao ny zavatra hitanao.

Andron’i Solomona

Androntsika

Andron’i Solomona

2 Samoela 7:4–6

1 Tantara 22:5–11

1 Mpanjaka 5:5; 6:1

Androntsika

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119–120

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:10–16

  • Inona no nianaranao momba ny maha-zava-dehibe ny tempoly amin’izao fotoana izao?

Mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny fomba hanohizantsika ny fanarahana ny torolalan’ny Mpamonjy mba hanangana tempoly amin’izao fotoana izao, dia hevero ny hampiseho horonan-tsary ahitana ny mpaminany amin’izao fotoana izao izay manambara tempoly vaovao mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Raha tsy izany dia azonao atao ny mizara ny sasany amin’ireo antontan’isa mikasika ny tempoly izay hita ao amin’ny Liste des temples ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Ny tempoly dia natokana ho an’ny Tompo ho tranony

Taorian’ireo fito taona nanorenana azy dia vita sy notokanana ny tempolin’i Solomona.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra fa ny vavaka fanokanana ny tempoly dia azo avy amin’ny alalan’ny fanambarana ary tehirizina ao amin’ireo firaketana an’ny Fiangonana, dia hevero ny hizara ohatra iray maneho vavaka fanokanana iray amin’ny iray kilasy. Ny vavaka fanokanana ny tempoly am-perinasa tsirairay dia afaka ny ho hita amin’ny alalan’ny fisafidianana ilay tempoly avy ao amin’ny Liste des temples ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Ho an’ity sahanasa amin’ny alalan’ny tabilao ity dia azonao atao ny mampiseho ireo andininy ary manasa ny mpianatra handalina ilay antsasany mifanohitra amin’ilay tabilao izay nohalalin’izy ireo teo aloha ary hizara amin’ny mpianatra miara-miasa aminy izay nandalina ilay antsasany iray hafa. Misy fanontaniana mitondra any amin’ny fifanakalozan-kevitra omena mba hanampiana ny mpianatra hizara ny zavatra hitany.

Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto izay avy amin’ny vavaka fanokanana ny Tempolin’i Solomona sy ny Tempolin’i Kirtland mba hitadiavana ireo fitahiana nangatahin’i Solomona sy ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny Tompo.

Andron’i Solomona

Androntsika

Andron’i Solomona

1 Mpanjaka 8:29–30, 35–40

Androntsika

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:10–18

  • Mety ho toy ahoana ny endrik’ireo fitahiana mitovy amin’izany amin’izao fotoana izao rehefa miomana sy mitsaoka ao amin’ny tranon’ny Tompo isika?

Azonao atao ny manazava fa taorian’ny fanokanana ny tranon’ny Tompo dia niaina ny fisehoan’ny heriny tamin’ny fomba miavaka ny vahoaka. Ity tabilao ity dia mety ho fotoana feno fanajana ho an’ireo mpianatra mba hanaovana fandalinan’ny tena manokana araka izay azo atao.

Rehefa mamaky ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ianao dia asao ny Fanahy Masina hanampy anao haka sary an-tsaina ny mety ho fahatsapana nananana raha nanatri-maso ireo zava-nitranga ireo.

Andron’i Solomona

Androntsika

Andron’i Solomona

1 Mpanjaka 9:1–3

2 Tantara 7:1–3

Androntsika

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:2–10

  • Inona avy ireo zavatra niainanao na niainan’ny olona iray fantatrao izay nandray anjara tamin’ny fanokanana tempoly iray?

  • Ahoana ny fomba nahatsapanao ny herin’ny Mpamonjy avy amin’ilay fananana ny tranony eto an-tany amin’izao fotoana izao?

Mety ho tsara ny manazava fa nanomboka tamin’ny fanokanana ny Tempolin’i Kirtland dia nohiraina isaky ny fanokanana tempoly manerana an’izao tontolo izao ny hira ao amin’ny fihirana “Ny Fanahin’ny Ray”. Azon’ny mpianatra atao ny mihira na mihaino io hira io ka hitady ny zavatra ianarantsika momba ny Tompo sy ny tranony. Azonao atao ny mijery horonan-tsary ahitana amboaram-peo na vondrona iray mihira hira toy ny “The Spirit of God” (5:32) avy ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

5:32

Manehoa fahatakarana

Mba hanampiana ny mpianatra haneho fahatakarana dia azonao atao ny mampiseho ireo fanontanian’i Angela tany any am-piandohan’ny lesona.

Eritrereto ny fomba ahafahan’ireo lesona nianaranao androany manampy olona iray tahaka an’i Angela mba hahatakatra tsara kokoa ny tanjon’ny tempoly. Valio miaraka amin’ny mpianatra miara-miasa iray na ao anatin’ny diary fandalinanao ireo fanontaniana.

  • Nahoana ny fiangonanareo no manorina tempoly?

  • Inona no tsy mampitovy ny tempoly amin’ireo trano fiangonana hafa izay anareo?

Asao ny mpianatra hanao fanazaran-tena hampianatra mpianatra miara-miasa iray mikasika ny zavatra nianaran’izy ireo avy tamin’ny fandalinana ny momba ny tempolin’i Solomona sy ireo tempoly amin’izao fotoana izao. Ny fanomanana ny mpianatra ho an’ity lesona ity dia nanoro hevitra ny mba hitondran’ny mpianatra sarin’ny tempoly anankiray izay akaiky ny misy azy ireo na sarin’ny tempoly anankiray izay tena tian’izy ireo. Raha nitondra sary ny mpianatra dia azonao atao ny manasa azy ireo hampiseho izany amin’ny iray kilasy ary hizara ny antony maha-manan-danja izany tempoly izany amin’izy ireo. Azonao atao ny mizara ny zavatra tsapanao momba ny Mpamonjy sy ny tranony any amin’ny famaranana ny fotoam-pianarana.