Seminera
1 Mpanjaka 3: Omen’ny Tompo fitahiana isika mba hanatanterahana ny asany


“1 Mpanjaka 3: Omen’ny Tompo fitahiana isika mba hanatanterahana ny asany,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“1 Mpanjaka 3: Omen’ny Tompo fitahiana isika mba hanatanterahana ny asany,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

2 Samoela 11–12; 1 Mpanjaka 3; 6–9; 11: Lesona 78

1 Mpanjaka 3

Omen’ny Tompo fitahiana isika mba hanatanterahana ny asany

Norway: Youth Social Media 2020: Savannah Andrewsen

Moa ve ianao efa nieritreritra ny fomba anampian’ireo fitahiana voarainao avy amin’ny Ray any An-danitra anao mba hanatanterahana ny asany? Taorian’ny nahafatesan’i Davida rainy dia notendren’ny Tompo ho mpanjaka vaovaon’i Isiraely i Solomona. Noho ny faniriany hanome voninahitra ny Tompo, dia nitady fitahiana amim-panetrentena izay hampitombo ny fahafahany manompo ny Tompo sy ny Isiraelita amim-pahamarinana i Solomona. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra fa ny Tompo dia manome antsika fahaiza-manao mba hanatanterahana ny asany.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanoratra zavatra izay ezahan’izy ireo atao mba handraisana anjara ao amin’ny asan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Asao ny mpianatra hangataka ombam-bavaka amin’ny Ray any An-danitra ireo fitahiana izay ilain’izy ireo mba hanampiana Azy hanatanteraka ny asany

Sahanasa fianarana azo atao

Manaiky amim-panetrentena ireo fahalementsika

Mba hanombohana ny fotoam-pianarana dia manaova sary tahaka ity manaraka ity eny amin’ny solaitrabe. Afaka mandika ilay sary ao amin’ny diary fandalinany ny mpianatra. Avy eo dia asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana avy ny fomba nentin’ny Mpamponjy nanasana antsika mba handray anjara ao amin’ny asany?

  • Ahoana avy ny fomba mety hahatsapan’ny zatovo iray ho tsy ampy fahazaina eo amin’ny fanompoana ny Tompo?

Hevero ny hanasa ny mpianatra hitanisa eo amin’ny faritra eo anelanelan’ireo sary ny fomba sasany mety hahatsapan’ny zatovo iray ho tsy ampy fahaizana. Mety hahita ahiahy toy ny tebiteby, fahamenarana, fahatsapana fahasahiranan-tsaina na tsy fahampiana fahaiza-manao ny mpianatra. Asao avy eo ny mpianatra mba hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto.

Eritrereto ny vitsivitsy amin’ireo fanasana nomen’ny Tompo anao mba handray anjara amin’ny asany.

  • Inona no ahiahy anananao momba ny fahafahanao manatanteraka ireo fanasany?

  • Hatraiza ny fahatokianao ny fahafahan’ny Tompo manampy anao handresy ireo ahiahy anananao?

Rehefa mandalina ianao androany, dia asao ny Fanahy Masina hanampy anao hahatakatra ny fomba hanampian’ny Tompo anao hanatanteraka ny asany.

Naniry ny hanjaka amim-pahamarinana i Solomona Mpanjaka

Zarao amin’ny mpianatra fa rehefa maty i Davida Mpanjaka dia nofidin’ny Tompo i Solomona zanany lahy mba ho mpanjakan’i Isiraely (jereo ny 1 Mpanjaka 1:11–13). Tia ny Tompo i Solomona ary naniry ny ho mpanjaka marin-toetra (jereo ny 1 Mpanjaka 3:3). Azonao ovaina hoe Solomona ilay mari-tsoratra famantarana eo amin’ilay sarin’olona tsotsotra eny amin’ny solaitrabe ary ovao hoe Te ho mpanjaka marin-toetra ilay etsy amin’ny faritra ilany.

  • Inona no mety ho zavatra handrasana mba hataon’ny mpanjaka marin-toetra iray?

  • Inona no mety ho tsapan’i Solomona rehefa nanolo ny rainy mba ho mpanjaka izy?

Hevero ny hampiseho ireto andinin-tsoratra masina sy fanontaniana manaraka ireto. Azonao atao ny mizarazara ny mpianatra hiara-hiasa tsiroaroa. Asaivo vakin’ny iray amin’ireo mpianatra miara-miasa ny 1 Mpanjaka 3:5–9 ary asaivo vakin’ilay iray hafa ny 1 Mpanjaka 3:10–14, dia asaivo mifampizara ny valinteniny izy ireo.

Vakio ny 1 Mpanjaka 3:5–9 ka tadiavo ireo fitahiana nangatahan’i Solomona tamin’ny Tompo.

  • Inona no nisarika ny sainao mahakasika ny zavatra nangatahin’i Solomona? Inona avy ireo toetra tahaka ny an’i Kristy nasehon’i Solomona?

Vakio ny 1 Mpanjaka 3:10–14 ka tadiavo ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo an’i Solomona.

  • Ahoana no nahafahan’ny “saina hendry sady mahiratra” (andininy 12) sy ny “harena sy voninahitra” (andininy 13) nampitombo ny fahafahan’i Solomona nanompo ny Tompo tamim-pahamarinana?

  • Inona no notakin’ny Tompo tamin’i Solomona mba ho mendrika ireo fitahiana ireo? (andininy 14).

Fintino ho toy ny fanambarana fahamarinana ny zavatra niainan’i Solomona niaraka tamin’ny Tompo.

Mety hahita fahamarinana toy izao ny mpianatra: Rehefa miaiky amim-panetrentena ireo fahalementsika isika sy mikatsaka ny fanampian’ny Tompo mba hitahiana ny hafa dia hampitombo ny fahafahantsika manatanteraka ny asany Izy. Mety hanampy ny fanoratana io fahamarinana io eny amin’ny solaitrabe sy ny fanasana ny mpianatra hanisy marika ireo andian-teny izay mampianatra io fahamarinana io.

Vakio ity teny manaraka nambaran’ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) ity, ka tadiavo ny fampanantenana nomena ireo rehetra izay vonona ny handray anjara amin’ny asan’ny Tompo.

Official portrait of President Thomas S. Monson, 2008.

Izao anefa, mety misy sasany aminareo efa saron-kenatra mihitsy na mihevitra ny tenany ho tsy mahay mamaly ny [Tompo] araka ny tokony ho izy. Tsarovy fa ity asa ity dia tsy ahy sy anao irery. Asan’ny Tompo izy ity, ary rehefa irahin’ny Tompo isika, dia tokony hahazo ny fanampian’ny Tompo. Tsarovy fa halehibeazin’ny Tompo ny toerana hahazakana ny enta-mavesatra apetraka eo amin’izany. (“To Learn, to Do, to Be,” Liahona, nôv. 2008, 62)

  • Ahoana no mety hanampian’ny fampianaran’ny Filoha Monson ny olona iray izay niahiahy momba ny fahafahany manompo ny Tompo?

Azonao atao ny manao sarina tetezana eo anelanelan’ny lafy tsirairain’ny sary eny amin’ny solaitrabe ary manisy mari-tsoratra famantarana hoe Ny fanampian’ny Tompo eo amin’izany. Asao hanao sarin-javatra mitovitovy amin’izany ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ny mpianatra.

Ny Tompo dia hampitombo ny fahafahantsika manompo Azy

sary famantarana ny semineraAzonao atao ny manampy ny mpianatra hampitombo ny fahatakarany io fahamarinana io. Ny fomba iray hanaovana izany dia ny fampiasana ilay taratasy zaraina hoe “Mandray anjara amin’ny asan’ny Tompo.” Azonao hetezana eo amin’ny antsasany ilay taratasy zaraina ary asao ny mpianatra hisafidy ilay fizarana izay mifantoka amin’ny ampahan’ilay fahamarinana izay tian’izy ireo hianarana bebe kokoa. Azon’ny mpianatra atao ny miasa samirery na miaraka amin’ny mpianatra roa na telo hafa izay nisafidy ilay fizarana mitovy amin’ny azy.

Aorian’ny sahanasa fandalinana dia asao ny mpianatra hamaly ity fanasana manaraka ity.

Jereo ilay sary ao amin’ny diary fandalinanao tany am-piandohan’ny fotoam-pianarana. Soraty ombam-bavaka ny fahalemena iray na roa izay tsapanao fa mety hanakana anao tsy hanompo bebe kokoa ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy. Asao ny Fanahy Masina hanampy anao hamantatra ireo fitahiana azonao angatahina amin’ny Tompo izay afaka manampy anao handresy ireo fahalemena ireo.

Manehoa fahatakarana

Omeo fahafahana ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany. Afaka manasa ny Fanahy Masina izany mba hijoro ho vavolombelona fa marina ny zavatra zarainy. Ity sahanasa manaraka ity dia fomba iray hanampiana ny mpianatra hanao izany.

Alaovy sary an-tsaina hoe misy namana iray mizara ny tebitebiny mikasika ny fandraisana antso vaovao ao amin’ny paroasy na sampana misy anao. Raha miainga avy amin’ny zavatra nohalalininao androany dia inona no hozarainao ka afaka manampy ilay namanao?

Azonao atao ny manasa mpianatra manolo-tena hizara amin’ny iray kilasy. Hevero ny hamporisika ireo mpianatra hitondra any an-trano ilay taratasy zaraina nomena azy ireo ary hizara ny zavatra nianarany amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana iray. Azonao atao ny mijoro ho vavolombelona momba ny herin’ny Tompo sy ny fahavononany hanome antsika ny zavatra ilaintsika mba hiarahana miasa amim-pahatokiana Aminy ao amin’ity asa lehibe ity.