“1 Mpanjaka 12–13; 17–22: Topimaso ankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“1 Mpanjaka 12–13; 17–22: Topimaso ankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
1 Mpanjaka 12–13; 17–22
1 Mpanjaka 12–13; 17–22
Topimaso ankapobeny
Nandritra ny mosary iray dia nangataka mpitondratena iray tao Zarefata ny mpaminany Elia mba hanome azy ny sakafo sisa tao aminy. Nanao asa tamim-pinoana ilay mpitondratena ary notahin’ny Tompo izy ka tsy ho ritra ny diloilony ary tsy ho lany ny safakony. Nangataka an’ireo mpisoron’i Bala mba hanao fifaninanana iray i Elia mba hanaporofoana fa ilay Andriamanitr’i Isiraely ihany no hany Andriamanitra marina. Nandatsaka afo avy any an-danitra ny Tompo mba hamaliana ny vavaka nataon’i Elia sy handreseny ao anatin’ilay fifaninanana.
Jereo ireo toetra tahaka ny an’i Kristy ao amin’ny mpianatra. Ao anatin’ny ezaka ataontsika mba hanampiana ny mpianatra hitovy kokoa amin’i Kristy, dia afaka manampy azy ireo hahita ny fivoarana lehibe efa tratrarin’izy ireo ny fanasongadinana ireo toetra tahaka ny an’i Kristy hitantsika ao amin’izy ireo. Hita ao amin’ny Lesona 82: “1 Mpanjaka 18” ny ohatra iray momba an’io fahaiza-manao io. Mba hahitana hevitra hafa momba ny fomba hahazoana fanentanam-panahy mba hanampiana ny mpianatra hitovy kokoa amin’i Kristy dia jereo ny “Ampio ny mpianatra hinia hiezaka ny hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022]. 9).
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
1 Mpanjaka 17
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hanao asa amim-pinoana bebe kokoa an’ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanarahana ny tenin’ireo mpaminany.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitady zavatra izay nasain’ny Tompo mba hataontsika amin’ny alalan’ny mpaminaniny sy ny fampanantenana nomeny raha manao izany isika. Asao ny mpianatra ho tonga any an-dakilasy miaraka amin’ny fahavononana hizara.
-
Votoatiny haseho: Ilay sahanasa fampifandraisana izay manomboka ny lesona
-
Horonan-tsary: “Élie et la veuve de Sarepta,” (10:12) manomboka eo amin’ny mari-potoana 4:09 ka hatramin’ny 10:06.
1 Mpanjaka 18
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatsapa faniriana bebe kokoa hanaraka ny Tompo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra fotoana iray na mihoatra izany teo amin’ny fiainany izay nahafantaran’izy ireo fa tena misy ny Ray any An-danitra na i Jesoa Kristy, na fotoana nahatsapan’izy ireo ny herin’Izy ireo teo amin’ny fiainany. Na azon’izy ireo atao ny mieritreritra ny zavatra azon’izy ireo atao mba hahitana raha toa ka tena misy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary raha toa ka tokony hanaraka tanteraka Azy ireo izy ireo.
-
Fitaovana ilaina omanina: Mampiasà plastika mpampiraikitra na fitaovana hafa ka manaova tsipika roa eo amin’ny tany toy ny zanatsipika izay mifanohitra ny lalany; taratasy iray ho an’ny mpianatra tsirairay araka ny aseho etsy ambany.
-
Horonan-tsary: “Élie et les prêtres de Baal” (2:16)