“1 Mpanjaka 18: Misafidy ny hanaraka ny Tompo,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“1 Mpanjaka 18: Misafidy ny hanaraka ny Tompo,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
1 Mpanjaka 12–13; 17–22: Lesona 82
1 Mpanjaka 18
Misafidy ny hanaraka ny Tompo
Manao ahoana ny fanolorantenanao hanaraka an’ Andriamanitra? Mba hanehoana fa ny Andriamanitr’i Isiraely no hany Andriamanitra marina, dia nangataka an’ireo mpisoron’i Bala mba hanao fifaninanana iray i Elia. Namaly ny vavaka nataon’i Elia ny Tompo ary nandresy tamin’ilay fifaninanana. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa faniriana lehibe kokoa hanaraka ny Tompo.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra fotoana iray na mihoatra izany teo amin’ny fiainany izay nahafantaran’izy ireo fa tena misy ny Ray any An-danitra na i Jesoa Kristy, na fotoana nahatsapan’izy ireo ny herin’Izy ireo teo amin’ny fiainany. Na azon’izy ireo atao ny mieritreritra ny zavatra azon’izy ireo atao mba hahitana raha toa ka tena misy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary raha toa ka tokony hanaraka tanteraka Azy ireo izy ireo.
Sahanasa fianarana azo atao
Afaka manaraka hery mitarika anankiroa ve isika ao anatin’ny fotoana iray?
Mampiasà plastika mpampiraikitra na fitaovana hafa ka manaova tsipika roa eo amin’ny tany izay mifanohitra ny lalany araka ny aseho etsy ambany. Angataho ny mpianatra iray mba hijoro eo afovoan’ny toerana izay mampifanakaiky ny faran’ireo tsipika ary mba hametraka ny tongotra iray eo amin’ny tsipika tsirairay.
Asaivo mamindra kely ilay mpianatra sady miezaka mandeha eo amin’ireo tsipika anankiroa. Anontanio azy ireo ny halavan’ny fotoana tsapan’izy ireo fa mety hahombiazan’izy ireo. Raha ilaina dia hazavao fa na dia mety ho vitan’ny olona iray aza ny mandeha lavidavitra kely eo amin’ireo tsipika roa ireo dia tsy haharitra ny fahombiazan’izy ireo na tsy ho afaka ny hamindra tsara eo amin’iray amin’ireo fitsipika ireo izy ireo.
Asao hiverina eny amin’ny toerany ilay mpianatra.
Ho an’ity lesona ity, ny tsipika iray dia afaka maneho ny lalan’ny Tompo, ary ilay iray hafa dia afaka maneho ireo hery mitarika hafa izay tsy mifanaraka amin’ny lalan’ny Tompo.
-
Inona avy ireo fomba sasantsasany ataontsika izay maneho fa manandrana manaraka ny Tompo sy ireo fitaomana hafa ao anatin’ny fotoana iray isika?
Nangataka an’ireo mpisoron’i Bala mba hanao fifaninanana i Elia
Fintino ny andiam-pehezan-teny etsy ambany na raha tsapanao fa mety amin’ny mpianatra dia asehoy ilay hoe “Élie et les prêtres de Baal” (2:16), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:07 ka hatramin’ny 0:33.
Ao amin’ny 1 Mpanjaka 18 dia naniry ny mba hanoloran’ny fanjakan’i Isiraely tena tanteraka amin’ny Tompo i Elia. Efa telo taona izay no lasa hatramin’ny nampiasan’i Elia ny fahefana mamehy izay nohazoniny mba hampisy hain-tany eo amin’ny tany (jereo ny 1 Mpanjaka 17:1). Saingy nanohy nitsaoka andriamani-kafa i Isiraely ka anisan’izany i Bala (jereo ny 1 Mpanjaka 18:18). Nangataka ireo mpaminany sandok’i Bala sy ireo mpaminany sandok’i Aseraha an-jatony maro i Elia mba hanao fifaninanana eny amin’ny Tendrombohitra Karmela mba hanehoana hoe i Bala sa i Jehovah no Andriamanitra marina (jereo ny 1 Mpanjaka 18:19). Niresaka tamin’ny olona i Elia talohan’ny niantombohan’ilay fifaninanana.
Vakio ny 1 Mpanjaka 18:21 ka tadiavo ny tenin’i Elia tamin’ny olona. Ilay teny hoe hiroa saina tao anatin’ity toe-javatra ity dia midika hoe misalasala.
-
Inona no nasain’i Elia nataon’ny olona?
Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namerina nilaza io teny nambaran’i Elisa io toy izao:
Amin’izao fotoana izao dia mety hiteny i Elia hoe:
Na ny Andriamanitra Raintsika any An-danitra dia misy, na Izy tsy misy, kanefa raha misy Izy dia mivavaha Aminy.
Na i Jesoa Kristy ilay Zanak’ Andriamanitra, no ilay Mpanavotra an’izao tontolo izao nitsangana tamin’ny maty, na tsy Izy izany. Saingy raha Izy izany, dia manaraha Azy. (“Mafy orina sy mifototra ao amin’ny finoana an’i Kristy,” Liahona, nôv. 2018, 30)
-
Inona no nisarika ny sainao tao anatin’ireo teny nambaran’i Elia sy ny Loholona Christofferson?
Asao ireo mpianatra hizara ny eritreriny. Ireto ny fahamarinana sasantsasany azontsika ianarana:
Ny Tompo dia manome fahafahana antsika hisafidy ny hanaraka Azy na ireo andriamani-kafa sy ny lalana feno faharatsiana an’izao tontolo izao.
Rehefa fantatsika fa misy ny Ray any An-danitra ary i Jesoa no Kristy dia tokony hanolo-tena ny hanaraka Azy Ireo isika.
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Hatraiza ny finoako fa manana Ray any An-danitra sy Mpamonjy aho?
-
Manao ahoana ny fanolorantenako hanaraka Azy Ireo?
-
Inona no mety hanakana ahy tsy hanolo-tena hanaraka Azy ireo tanteraka?
Rehefa manohy ny fandalinanao ianao dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahafantatra ny fomba mety handresenao izay sakana mety hanakana anao tsy hanaraka tanteraka ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy.
Ny fifaninanana teo amin’i Bala sy i Jehovah
Vakio ny 1 Mpanjaka 18:23–24 ka tadiavo ireo fepetra notakina tamin’ilay fifaninanana teo amin’i Elia sy ireo mpaminany sandok’i Bala.
Ireo mpisoron’i Bala no nanandrana voalohany ka niantso ny andriamani-kafany nandritra ny ora maro. Vakio ny 1 Mpanjaka 18:26–29 ka tadiavo ny zavatra nitranga.
-
Inona no hitanao?
Raha sahirana eo amin’ny fanakarana ireo andininy ireo ny mpianatra dia hevero ny hampiseho ny “Élie et les prêtres de Baal” manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:33 ka hatramin’ny 1:19.
Ho an’ity sahanasa manaraka ity dia hevero ny hanome fe-potoana ny mpianatra, eo amin’ny dimy minitra eo, mba hamakiana ireo andininy sy hanatanterahana ity toromarika manaraka ity. Hamafiso fa tsy ilaina atao tonga lafatra ny sary atao.
Mba hahafantarana ny zavatra nitranga rehefa niantso an’ Andriamanitra i Elia dia vakio ny 1 Mpanjaka 18:30–39. Makà taratasy iray avy eo ary zarao roa izany. Ataovy sary eo amin’ilay antsasaka taratasy ny zavatra nitranga rehefa nanomana ny sorona hatolony sy niantso an’ Andriamanitra i Elia.
-
Inona no ho neritreretinao sy ho tsapanao raha teo ianao?
-
Inona no mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Tompo sy ny fahavononanao hanaraka Azy?
Ho an’ity sahanasa manaraka ity dia omeo fe-potoana eo amin’ny dimy minitra eo ny mpianatra. ChurchofJesusChrist.org
Soraty na ataovy sary eo amin’ilay antsasaka taratasy iray hafa ny momba ny fotoana iray na mihoatra izany teo amin’ny fiainanao izay nahafantaranao fa tena misy ny Ray any An-danitra na i Jesoa Kristy, na nahatsapanao ny herin’Izy ireo teo amin’ny fiainanao. Na azonao soratana na atao sary ny momba ny zavatra azonao atao mba hahitana raha tena misy Izy Ireo ary raha toa ka tokony hanaraka tanteraka Azy ireo ianao.
Rehefa vitan’ny mpianatra izany dia hevero ny hanome fotoana misimisy ho an’ireo mpianatra manolo-tena mba hizarany ny zavatra nataon’izy ireo sary na nosoratan’izy ireo raha toa ka tsy tsiambaratelo mikasika azy ireo izany. Ny famporisihana mpianatra maro hizara dia afaka manome fomba fijery isan-karazany sy manampy ny mpianatra hafa hahafantatra ny fahafahan’ireo fahamarinana nianaran’izy ireo hisy fiantraikany eo amin’izy ireo. Mety hahasoa koa ny fametrahana fanontaniana toy ireto eto ambany manaraka ireto.
-
Nahoana no manampy anao eo amin’ny fanolorantenanao hitsaoka sy hanaraka ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy ny fisaintsainana ireo zavatra niainanao manokana mikasika ny fahitana ny herin’Izy ireo teo amin’ny fiainanao?
-
Nahoana araka ny eritreritrao no mendrika ny harahina tanteraka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Mpamonjy?
Diniho ireo toetra tahaka ny an’i Kristy ao amin’ireo mpianatra ary zarao ny zavatra tsikaritrao. Afaka manampy amin’ny famporisihana ny mpianatra hanohy hiezaka ny hanakaiky kokoa ny Tompo ianao rehefa manasongadina ireo fomba nivoarany na nanaovany safidy tsara. Ho an’ity lesona ity dia hevero ny hanasongadina ireo fomba tsikaritrao fa nentin’ireo mpianatra nanao safidy mba hanarahana ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny fiderana azy ireo noho ilay safidy hanatrika seminera, handalina ny tenin’ny Tompo ary hikatsaka ny hanakaiky kokoa ny Tompo. Mety ho tafiditra ao anatin’izany koa ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izay tsikaritrao tao amin’ny mpianatra. Mba hianarana bebe kokoa momba izany dia jereo ny “Ampio ny mpianatra hinia hiezaka ny hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy.” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.
Mba hamaranana ity lesona ity dia soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny zavatra tsapanao momba ny fanarahana tanteraka ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahatadidy sy haneho ny zavatra tsapanao. Azonao ampidirina ao ny zavatra tianao hatao na hotadidina noho ity lesona ity.
Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy sy ireo fitahiana azo avy amin’ny fanarahana tanteraka Azy ireo.