Seminera
2 Mpanjaka 2–7: Topimaso ankapobeny


“2 Mpanjaka 2–7: Topimaso ankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“2 Mpanjaka 2–7: Topimaso ankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

2 Mpanjaka 2–7

2 Mpanjaka 2–7

Topimaso ankapobeny

Nomen’ny Tompo hery sy fahefana i Elisa mba handimby an’i Elia mba ho mpaminaniny. Nanasitrana tamin’ny fomba mahagaga an’i Namàna tamin’ny habokana koa ny Tompo ary nandefa kalesy afo mba hiarovana an’i Elisa tamin’ny tafika Syriana.

sary famantarana ny semineraMijoroa ho vavolombelona matetika ary asao ny mpianatra hizara ny zavatra tsapany sy ny zavatra niainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany. Rehefa maneho ny zavatra tsapany sy ny zavatra niainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany ny mpianatra dia hijoro ho vavolombelona momba ireo fahamarinana izay zarainy ao am-pon’izy ireo sy amin’ny olona hafa ny Fanahy Masina. Hita ao amin’ny Lesona 84: “2 Mpanjaka 5 ny ohatra iray maneho ny fomba hanaovana izany.

Mba hianarana misimisy kokoa momba ny herin’ny fizarana fijoroana ho vavolombelona dia jereo ny “Ny Mpamonjy dia nijoro ho vavolombelona tamin’ireo izay nampianariny” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022]).

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety ilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

2 Mpanjaka 2–4

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatakatra fa ny Tompo dia manome fahefana ireo olona izay antsoiny sy hery ho an’ireo izay manompo amim-pahamarinana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra fotoana iray izay nanompoan’izy ireo na ny olona iray fantatr’izy ireo tao anatin’ny antso iray tao amin’ny Fiangonana. Asao ny mpianatra hisaintsaina ilay fanontaniana hoe, “Oviana aho no nahita maso ny hery sy ny fahefan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny fanatanterahana ireo antso ao am-piangonana?”

  • Sary: Sarina dokotera na olona iray hafa manana anton’asa iray izay manana ny fahefana hanao ilay asa eo amin’ilay toerana hazoniny

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Sarin’i Elia sy i Elisa teo akaikin’ny Renirano Jordana

2 Mpanjaka 5

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hankatò ireo zava-madinika sy tsotra izay asain’ny Tompo ataontsika.

  • Fanomanana ny mpianatra:Asao ny mpianatra hamaky ny Almà 37:6–7 ka hitady ny zavatra azon’izy ireo ianarana momba ny zava-madinika sy tsotra. Na azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hifantoka amin’ireo zavatra madinika ataon’izy ireo matetika izay mitondra fiovana lehibe eo amin’ny fiainan’izy ireo na misy fiantraikany eo amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Votoatiny haseho: Zavamaniry iray na sarin’ny zavamaniry iray miaraka amina tari-drano alefa tsikelikely; famantarana apetraka manerana ny efitrano izay manondro faritra iray hoe “Syria”, sy faritra iray hoe “Tranon’i Elisa”, ary faritra iray hoe “Renirano Jordana”; rafi-tantara sy fanontaniana any amin’ny faran’ny lesona

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Taratasy sy hety ho an’ireo vondrona mpianatra mba hanetezana sarina rano indray mitete miisa telo izy lehibe mba hapetraka eny amin’ny solaitrabe

  • Horonan-tsary:Zava-madinika sy tsotra” (17:35) manomboka eo amin’ny mari-potoana 4:46 ka hatramin’ny 5:40, “Hahatanty ny andro ao amin’i Kristy” (10:33) manomboka eo amin’ny mari-potoana 2:30 ka hatramin’ny 4:23

2 Mpanjaka 6

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatsapa fahatokiana bebe kokoa an’ilay fikarakarana tsy tapaka sy amim-pahamalinana avy amin’ny Tompo.

  • Fanomanana ny mpianatra:Asao ny mpianatra hiomana hizara zavatra niainana iray izay nitahian’ny Tompo azy ireo na niarovany azy ireo na ny olona iray fantatr’izy ireo.

  • Votoatiny haseho: Toromarika, andinin-tsoratra masina ary teny nambaran’ny Filoha Eyring mba hanampiana ny mpianatra hameno tabilao iray; teny nambaran’ny Rahavavy Craig; toromarika sy tari-dresaka hanaovana fampiharana any amin’ny faran’ny lesona

  • Horonan-tsary: “Maso hahita” (9:44) manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:52 ka hatramin’ny 1:27