“2 Mpanjaka 5: Zava-madinika sy tsotra,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“2 Mpanjaka 5: Zava-madinika sy tsotra,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
2 Mpanjaka 2–7: Lesona 84
2 Mpanjaka 5
Zava-madinika sy tsotra
Indraindray isika dia mety tsy mahafantatra ny lanja ara-panahin’ny fanaovana ireo zavatra madinika izay asain’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ataontsika. Ao amin’ny 2 Mpanjaka 5, ny Tompo dia nanasitrana an’i Namàna, komandin’ny miaramila Syriana, tamin’ny habokana noho izy nanaraka ny torohevitra tsotra nomen’ny mpaminany mba handro impito ao amin’ny Renirano Jordana. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hankatò ireo zava-madinika sy tsotra izay asain’ny Tompo ataontsika.
Fanomanana ny mpianatra:Asao ny mpianatra hamaky ny Almà 37:6–7 ka hitady ny zavatra azon’izy ireo ianarana momba ny zava-madinika sy tsotra. Na azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hifantoka amin’ireo zavatra madinika ataon’izy ireo matetika izay mitondra fiovana lehibe eo amin’ny fiainan’izy ireo na misy fiantraikany eo amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Sahanasa fianarana azo atao
Tari-drano alefa tsikelikely
Hevero ny hampiseho sary toy ity manaraka ity na mitondrà zavamaniry ao an-dakilasy ary asehoy ny fomba fiasan’ny tari-drano alefa tsikelikely. Ny fampahalalana ao amin’ny andiam-pehezan-teny manaraka dia afaka manampy anao hanazava izany.
Ny tari-drano alefa tsikelikely dia fomba iray ampiasaina mba hanondrahana zavamaniry. Ny tari-drano alefa tsikelikely, izay tsy tahaka ireo karazana tari-drano hafa izay mahalana vao mandefa rano be dia be, dia ahitana ny fandefasana rano tsikelikely eo amin’ny tany. Ny fandefasana rano tsikelikely tsy tapaka dia mitazona ny tany ho mando eo amin’ny faritra izay tena ilain’ireo zavamaniry indrindra.
Hevero ny hizarazara ny mpianatra ho ao anaty vondrona kely mba hifanakalo hevitra momba ny valin’ity fanontaniana manaraka ity.
-
Ahoana no ahafahana mampihatra ny fitsipiky ny tari-drano alefa tsikelikely eo amin’ny fivoarantsika ara-panahy ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra?
Asao ny vondrona vitsivitsy hizara ny zavatra nifanakalozany hevitra. Avy eo dia hevero ny hampiseho ny fanombanan-tena etsy ambany sy hanasa ny mpianatra hieritreritra hoe hatraiza ny fahamarinan’izany eo amin’ny fiainan’izy ireo.
Makà fotoana hisaintsainana ireo ezaka madinika ataonao amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy anao sy ireo vokany iainanao. Saintsaino avy eo hoe hatraiza ny fahamarinan’ity teny ambara ity ho anao:
-
Fantatro ny fiantraikan’ireo zavatra madinika sy tsotra ataoko, na tsy ataoko, eo amin’ny fiainako sy ny fifandraisako amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Asao ny mpianatra mba hihaino tsara ny eritreritra sy ny fahatsapana voarain’izy ireo avy amin’ny Fanahy Masina mikasika ireo zavatra madinika sy tsotra azon’izy ireo atao mba hanamafisana orina ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Sitrana tamin’ny habokana nahazo azy i Namàna
Ny 2 Mpanjaka 5 dia ahitana ny tantaran’i Namàna, komandin’ny miaramila Syriana, izay nianatra lesona mafonja mikasika ny fanaovana ireo zavatra madinika sy tsotra asain’ny Tompo atao.
Vakio ny 2 Mpanjaka 5:1, ka tadiavo ny zavatra rehetra azonao ianarana momba an’i Namàna.
-
Inona no hitanao?
Azonao atao ny manazava fa ny habokana dia aretin-koditra mahatsiravina. Mety nahatonga an’i Namàna ho lasa nisy fery manimba tarehy izany ary mety ho niteraka fahafatesana.
Mba hanoloana ny famakian’ny mpianatra tsotra fotsiny ireto andininy manaraka ireto, dia azonao atao ny manisy mari-tsoratra famantarana ny faritra anankitelo ao amin’ny efitrano fianaranao ho hoe “Syria,” “Tranon’i Elisa,” ary “Renirano Jordana.” Manasà mpianatra manolo-tena efatra mba hisolo tena ireto olona manaraka ireto amin’ny alalan’ny famakiana mafy ireo andininy miaraka amin’izany any amin’ireo toerana voatondro. Ireo mpianatra misolo tena an’i Namàna sy ny mpanompony dia afaka mifindrafindra, fa mijanona eo amin’ny toerana misy azy ireo kosa ilay zazavavy kely mpanompo sy ilay olona nirahin’i Elisa.
-
Syria: Ilay zazavavy kely mpanompo, vakio ny andininy 2–4
-
Tranon’i Elisa: Olona nirahin’i Elisa, vakio ny andininy 9–10
-
Tranon’i Elisa: Namàna, vakio ny andininy 11–12
-
Renirano Jordana: Mpanompon’i Namàna, vakio ny andininy 13–14
Vakio ny 2 Mpanjaka 5:2–4, 9–14, ka tadiavo ny zavatra nasain’i Elisa, amin’ny maha-mpaminanin’ Andriamanitra azy, nataon’i Namana mba ho sitrana ny habokany.
-
Inona avy ireo lesona manan-danja sasantsasany azon’ny zatovo iray ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Namàna?
Ny mpianatra dia mety hilaza fahamarinana iray toy ny hoe: mitondra fitahiana lehibe ny fankatoavana ireo fanasana madinika sy tsotra omen’ny Tompo. Azonao atao ny manasa azy ireo mba hanoratra io fahamarinana io ho toy ny fanamarihana eo akaikin’ny 2 Mpanjaka 5:13–14 ao amin’ny soratra masiny sy hanisy marika ireo andian-teny ao amin’ireo andininy ireo izay mampianatra io fahamarinana io. Ny fanoratana fanamarihana ao amin’ny soratra masin’izy ireo dia afaka manampy ny mpianatra hahatsiaro ireo fahamarinana izay nianarany. Azonao atao koa ny manasa ny mpianatra mba hamaky ny Almà 37:6–7 sy hampifandray na ahanao ho soratra masina mifandray ireo andininy ireo amin’ny 2 Mpanjaka 5:13–14.
Zava-madinika sy tsotra
Ity sahanasa manaraka ity dia natao mba hanampiana ny mpianatra hamantatra ireo zavatra madinika sy tsotra nasain’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba hataontsika ary hifanakalo hevitra momba ny fomba ahafahantsika ho voatahy amin’ny alalan’ny fanaovana izany.
Ny fomba iray azo hanaovana ity sahanasa ity dia amin’ny alalan’ny fizarazarana ny mpianatra ho ao anaty vondrona kely sy ny fanomezana taratasy sy hety ny vondrona tsirairay. Asao ny vondrona tsirairay hanao sarina rano indray mitete miisa telo ka hanety izany. Ho an’ilay dingana voalohany etsy ambany dia azon’ny vondrona atao ny manoratra zavatra madinika sy tsotra izay nasain’ny Tompo mba hatao eo amin’ny sarina rano indray mitete tsirairay, ary mametraka izany eny amin’ny solaitrabe.
-
Manaova lisitra ahitana zavatra madinika sy tsotra izay nangatahin’ny Tompo mba hataontsika ka afaka ny hitondra fitahiana lehibe.
Raha ilaina, ity teny nambara manaraka ity dia afaka manampy ireo vondrona hahita ireo zavatra madinika sy tsotra izay nangatahin’ny Tompo mba hataontsika sy ireo fitahiana azontsika amin’ny alalan’ny fanaovana izany.
Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nizara ohatra vitsivitsy momba ireo zavatra madinika sy tsotra izay nasain’ny Tompo mba hataontsika.
17:36Eritrereto ny fandalinana soratra masina izay nampianarina antsika fa tokony hampidirintsika ao anatin’ny fiainantsika isan’andro. Na eritrereto ny vavaka ataon’ny tena manokana na ny vavaka ataon’ny mpianakavy amim-pandohalihana izay fomba fanao mahazatra ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany mahatoky. Eritrereto ny fanatrehana seminera ho an’ny zatovo na ny fanatrehana ny kilasin’ny institiota ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony. Na dia toa madinika sy tsotra aza ireo fomba fanao tsirairay ireo dia miteraka fivoarana sy fitomboana ara-panahy mahery vaika rehefa mandeha ny fotoana. Miseho izany satria ny tsirairay amin’ireo zava-madinika sy tsotra ireo dia manasa ny Fanahy Masina ho namana, ilay Mpijoro ho vavolombelona izay manazava antsika sy mitarika antsika any amin’ny fahamarinana. (“Zava-madinika sy tsotra,” Liahona, mey 2018)
Alohan’ny hanatanterahana ny dingana manaraka dia asao ny vondrona tsirairay hisafidy sarina rano indray mitete iray izay napetraky ny vondrona iray hafa teny amin’ny solaitrabe.
-
Halalino ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany, ka tadiavo ireo fitahiana lehibe atolotry ny Tompo raha manao izany zavatra madinika sy tsotra izany isika.
Asao ny vondrona maromaro hizara ny zavatra nianarany.
Ao anatin’ity fifanakalozan-kevitra ity dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hisaintsaina ireo zavatra niainan’izy ireo tamin’ny fanaovana zavatra madinika sy tsotra. Avy eo dia azonao atao ny manasa mpianatra manolo-tena hizara ny fomba nitahian’ny Tompo azy ireo sy ny fomba nampatanjahana ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy vokatr’izany.
Ilay tari-dresaka teo aloha dia afaka manampy ny mpianatra hizara am-bava ny zavatra tsapany sy ny zavatra niainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany. Azonao atao koa ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao na ny zavatra niainanao mikasika ny fanaovana ireo zavatra madinika sy tsotra izay angatahan’ny Tompo amintsika. Mba hahazoana fanofanana fanampiny dia jereo ny: “Mijoroa ho vavolombelona matetika, ary asao ny mpianatra hizara ireo zavatra tsapany sy ireo zavatra niainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.
Azonao atao ny mijery ny “Hahatanty ny andro ao amin’i Kristy” (ChurchofJesusChrist.org) manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 2:30 ka hatramin’ny 4:23. Azon’ny mpianatra atao ny mitady ny fomba nampatanjahana ny Rahavavy Amy A. Wright, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany sy ny fianakaviany tamin’ny alalan’ireo zavatra madinika sy tsotra nataon’izy ireo.
10:33Azonao asaina mamaky ny 2 Mpanjaka 5:15 koa ny mpianatra mba hahita fitahiana iray dia ny fijoroana ho vavolombelona azon’i Namàna tamin’ny alalan’ny fankatoavany ilay zavatra madinika sy tsotra izay nasain’ny mpaminany nataony.
Ireo zavatra madinika sy tsotra eo amin’ny fiainako
Mba hanampiana ny mpianatra hanao drafitra hankatò ireo zavatra madinika sy tsotra nasain’ny Tompo hataon’izy ireo dia asehoy ireto torolalana manaraka ireto.
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ity manaraka ity:
-
Mieritrereta zavatra madinika sy tsotra iray nasain’ny Tompo nataonao izay tsapanao fa efa ataonao tsara. Tamin’ny fomba ahoana no nampatanjahan’ny fankatoavana ny torolalan’ny Tompo ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
-
Misafidiana zavatra madinika sy tsotra izay nangatahan’ny Tompo mba hataonao ka tsapanao fa tokony hataonao tsara kokoa. Inona no hataonao mba hanatsarana ny fankatoavanao ny fanasana omen’ny Tompo? Ahoana no ahafahan’izany manamafy orina ny finoanao ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy.
Azonao atao ny manasa mpianatra manolo-tena vitsivitsy izay vonona hizara ny valinteniny mikasika ilay fanontaniana voalohany. Amporisiho ny mpianatra hanaraka ny drafitr’izy ireo mba hivoarana.