“2 Mpanjaka 6: –Ny momba antsika,–” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“2 Mpanjaka 6: –Ny momba antsika,–” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
2 Mpanjaka 2–7: Lesona 85
2 Mpanjaka 6
“Ny momba antsika”
Rehefa voahodidin’ny tafika Syriana, dia nihiaka tamin-tahotra ny mpanompon’i Elisa mpaminany hoe: “Ahoana no hataontsika?” (2 Mpanjaka 6:15). Nankahery ilay mpanompony i Elisa tamin’ny alalan’ny fanampiana azy hamantatra ny fanampian’ny Tompo. Afaka mahazo fampaherezana toy izany koa isika rehefa mianatra mamantatra ny fanampian’ny Tompo. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa fitokiana bebe kokoa an’ilay fikarakarana tsy tapaka sy amim-pahamalinana avy amin’ny Tompo.
Fanomanana ny mpianatra:Asao ny mpianatra hiomana hizara zavatra niainana iray izay nitahian’ny Tompo azy ireo na niarovany azy ireo na ny olona iray fantatr’izy ireo.
Sahanasa fianarana azo atao
Mamantatra ny fikarakarana avy amin’ny Mpamonjy
Mba hanombohana ny lesonao dia hevero ny hanao sarin’olona tsotsotra eo afovoan’ny solaitrabe.
Ny soratra masina dia feno fampanantenan’ny Mpamonjy ho an’ny olona izay miezaka manompo Azy. Mba hakana sary an-tsaina ny iray amin’ireo fampanantenana ireo dia manaova sarin’olona tsotsotra eo afovoan’ny pejy ao amin’ny diary fandalinanao ary asio mari-tsoratra famantarana hoe Izaho izany.
Vakio avy eo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:88, ary ataovy sary manodidina ilay sarin’olona tsotsotra nataonao ny fahitanao ao an-tsaina an’ireo fampanantenan’ny Tompo.
Azonao atao ny manasa mpianatra iray hampiditra eo amin’ilay sary eny amin’ny solaitrabe ny zavatra nataon’izy ireo sary tao amin’ny diarin’izy ireo, ka hanazava ny antony nahatonga azy ireo nanao izany sary izany. Azonao asaina ny mpianatra hafa mba hampiditra zavatra hafa izay mety ho nataon’izy ireo sary. Raha tsy izany dia azon’ny mpianatra atao ny mizara sy manazava amin’ny mpifanolobodirindrina aminy ny sary nataon’izy ireo .
-
Inona araka ny eritreritrao no mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny olona iray raha toa ka afaka nahafantatra ireo fampanantenana ireo izay nitranga teo amin’ny fiainany izy ireo?
-
Nahoana no mety ho sarotra ny mahita na mamantatra ireo fitahiana sy fiarovana avy amin’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika?
Mety hanampy ny mijoro ho vavolombelona fa ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy dia mandray anjara amim-pahavitrihana eo amin’ny fiainan’ny mpianatra tsirairay.
Saintsaino hoe hatraiza ny fahaizanao mamantatra ny fandraisan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy anjara eo amin’ny fiainanao. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:
-
Afaka mamantatra fomba iray farafahakeliny izay hitahian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy anao na hiarovan’izy ireo anao ve ianao? Raha afaka ianao dia ahoana no hanaovan’izy ireo izany?
-
Inona no toe-javatra iray izay atrehanao eo amin’ny fiainanao izay mety hanampy anao hamantatra tsara kokoa ny fitahiana sy ny fiarovana avy amin’izy ireo?
Rehefa mandalina ny 2 Mpanjaka 6 ianao dia asao ny Fanahy Masina hanampy anao hamantatra ireo fomba hitahian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy sy hiarovan’ Izy ireo anao.
Fanampiana avy any an-danitra
Hevero ny hanazava ity fampahalalana manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitry ny 2 Mpanjaka 6.
Nandritra ny fotoana iray nisian’ny ady teo amin’i Isiraely sy i Syria dia nifanakalo hevitra mangingina tamin’ireo mpanompony momba ny drafitra hiatrehany ny ady ny mpanjakan’i Syria. Na izany aza, ny Tompo dia namerimberina nanambara ilay drafitr’i Syria tamin’i Elisa mpaminany izay nampitandrina ny mpanjakan’i Isiraely avy eo. Rehefa hitan’ny mpanjakan’i Syria izany dia nandefa tafika mba hisambotra an’i Elisa izy (jereo ny 2 Kings 6:8–13).
Misafidiana fomba iray mahomby handalinan’ny mpianatra ireto andininy manaraka ireto mba hanampiana azy ireo hahita ireo fitsipika mitondra fiovam-po. Ohatra, mety hanampy ny mpianatra ny manao fandalinana avy amin’ny fomba fijerin’ny mpanompon’i Elisa. Afaka miato tsindraindray izy ireo ary mieritreritra ny zavatra mety ho tsapan’izy ireo raha toa ka teo amin’ny toerany izy ireo. Azon’ny mpianatra atao koa ny mamaky miaraka na ao anaty vondrona kely, ka samy hafa ny mpianatra mamaky ny ampahany misy an’i Elisa, sy ny ampahany misy ny mpanompon’i Elisa ary ny ampahany misy ny mpanjakan’i Isiraely.
Mety hanampy ny fanazavana fa i Samaria no renivohitry ny fanjakan’i Isiraely.
Vakio ny 2 Mpanjaka 6:14–23, ka tadiavo ny fomba nitahian’ny Tompo sy niarovany an’i Elisa sy ny mpanompony.
-
Inona no zavatra nanaitra anao avy tao amin’ilay tantara?
-
Inona avy ireo fahamarinana avy amin’io tantara io izay mety ho manan-danja amintsika amin’izao fotoana izao?
Hevero ny hizara ity fahamarinana manaraka ity raha toa ka tsy mbola nizara fahamarinana mitovy amin’izany tamin’ny alalan’ny teniny manokana ny mpianatra: Afaka manampy antsika hamantatra ireo fitahiana sy fiarovana avy Aminy eo amin’ny fiainantsika ny Tompo.
-
Inona araka ny eritreritrao no fiantraikan’ny fahafantarana ireo fitahiana sy fiarovana avy amin’ny Tompo teo amin’i Elisa sy ny mpanompony?
Mamantatra ireo fitahiana sy fiarovana avy amin’ny Tompo
Mba hanampiana ny mpianatra hamantatra ireo fomba sasantsasany ahafahan’ny Tompo mitahy sy miaro azy ireo dia azonao atao ny mizarazara azy ireo ho tsiroaroa na ao anaty vondrona kely ho an’ity sahanasa manaraka ity.
Fanamarihana: Homena fahafahana handinihana ilay lisitra noforonin’izy ireo tao amin’ity sahanasa ity ny mpianatra ao amin’ny Lesona 96: “Tombano ny fianaranao 6.”
Manaova lisitra izay ahitana ireo fomba samihafa mety hiambenan’ny Tompo sy hikarakarany antsika. Mitanisà zavatra maro azonao eritreretina ao anatin’ny roa minitra.
Aorian’ilay roa minitra dia afaka manasa azy ireo mba hitady hevitra fanampiny izay azon’izy ireo ampidirina avy ao amin’ny Môzià 24:13–15; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3; 38:7 ianao na soratra masina hafa mety atolotrao. Azonao atao koa ny mizara ity teny nambaran’ny Filoha Eyring manaraka ity.
Nampianatra izao manaraka izao ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany momba ny fanampian’ny Tompo:
Tahaka an’io mpanompon’i Elisa io dia maro kokoa ny momba anao noho ireo izay hitanao manohitra anao. Ireo izay momba anao dia tsy ho hitan’ireo masonao amin’ny maha-olombelona anao. Hanohana anao ny Tompo ary indraindray dia hanao izany amin’ny alalan’ny fiantsoana ny hafa hijoro eo anilanao. (“O Ye That Embark,” Liahona, Nov. 2008, 58)
Hevero ny hanasa ireo vondrona hifandimby hizara ohatra avy amin’ny lisitra nataon’izy ireo ka soratanao na soratan’ny mpianatra manolo-tena eny amin’ny solaitrabe izany. Azonao atao ny mamela ireo vondrona hanohy hizara mandra-pahavoazara ireo hevitra miavaka rehetra.
Asao ny mpianatra hizara ohatra izay azon’izy ireo eritreretina avy ao amin’ny soratra masina izay niambenan’ny Tompo na nikarakarany olona tamin’ny alalan’ireo fomba notanisaina teny amin’ny solaitrabe.
Rehefa mifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto ianareo dia azonao atao ny misafidy ny hizara ny fotoana namantaranao ireo fitahian’ Andriamanitra na ny fanampiany teo amin’ny fiainanao.
-
Inona no mety mahatonga ny sasany amin’ireo fitahiana avy amin’ny Tompo ireo ho sarotra kokoa ny mamantatra azy noho ny hafa?
-
Oviana ny Tompo no nitahy na niaro anao na ny olona iray fantatrao tamin’ny iray tamin’ireo fomba ireo?
-
Inona no ampianarin’io zavatra niainana io anao mikasika ny Tompo?
Manokatra ny masontsika
Hevero ny hamarana ny lesona amin’ny alalan’ny fampisehoana ity teny nambara sy toromarika manaraka ity.
Ny Rahavavy Michelle D. Craig, izay tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany taloha, dia nanazava ny zavatra azontsika atao raha toa isika ka sahirana amin’ny fahitana ny fiasan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika:
Tahaka ilay mpanompo dia mety hisy ny fotoana izay hahatsapanao ny tenanao ho sahirana amin’ny fahitana ny fiasan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao—fotoana izay hahatsapanao fa ianao dia tsy afa-mihetsika—ary fotoana izay hitarihan’ireo fitsapan’ny fiainana an-tany anao hanetry tena. Miandrasa ary matokia an’ Andriamanitra sy ny fotoanany satria afaka matoky ny fony amin’ny fonao manontolo ianao. Kanefa misy lesona faharoa eto. Ry rahavavy sy anadahy malala, ianareo koa dia afaka mivavaka mba hanokafan’ny Tompo ny masonareo hahita ireo zavatra izay tsy hitanareo tsara. (“Maso hahita,” Liahona, nôv. 2020)
Hevero ny hamaly ao anatin’ny diary fandalinanao ity fanontaniana manaraka ity:
-
Inona no nianaranao androany izay manampy anao hahatsapa fitokiana fa miambina sy mikarakara anao ny Tompo?
Mijoroa ho vavolombelona momba ny fitiavan’ny Tompo sy ny fahafahany manampy ireo mpianatra hamantatra ny fanampiany eo amin’ny fiainan’izy ireo.