“2 Mpanjaka 16–25: Topimaso ankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“2 Mpanjaka 16–25: Topimaso ankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
2 Mpanjaka 16–25
2 Mpanjaka 16–25
Topimaso ankapobeny
Noho izy ireo nandika ny fanekempihavanany nataony tamin’ny Tompo ary nandà ireo mpaminany mpanompony, dia nofaizin’ny Tompo ny fanjakan’i Isiraely na ny Fanjakana Avaratra ary naely patrana. Nandresy ny Fanjakana Avaratra ny tafika Asyriana ary nentin’izy ireo ho babo ireo foko folon’i Isiraely izay mponina tao amin’ilay Fanjakana tamin’ny ankapobeny. Izany dia niteraka ilay antsoina amin’ny ankapobeny hoe ny foko folo very. Rehefa niezaka nandresy an’i Jerosalema ny Asyriana dia nangataka ny vahoakany i Hezekia Mpanjaka mba hitoky amin’ Andriamanitra. Notsimbinin’ny Tompo i Joda tamin’ny alalan’ny fandringanany ny tafika Asyriana. Taty aoriana dia nisy mpanjaka marin-toetra iray hafa, i Josia, nitarika ny Fanjakana Atsimo. Nahita ny bokin’ny lalàna izy ka nampiany ny vahoakany mba hiaina mifanaraka amin’ny didin’ny Tompo. Taorian’i Josia dia ireo mpanjaka ratsy fanahy no nanjaka tao amin’ny Fanjakana Atsimo. Noravan’ny Babyloniana i Jerosalema ary nobaboina ny mponina tao aminy.
Ampio ny mpianatra hahita zavatra mifandray amin’ny toe-javatra iainany ao amin’ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy. Rehefa nampianatra tamin’ny alalan’ny fanoharana ny Mpamonjy dia navelany hamantatra ny fomba ifandraisan’ireo fampianarana amin’izy ireo manokana ireo mpianatra. Manasa antsika ny Mpamonjy mba hitady zavatra mifandray amin’ny toe-javatra iainantsika ao amin’ireo fampianarany. Afaka manampy ny mpianatra isika hahita ny maha-zava-dehibe ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fitondrana fanampiana eo amin’ny fampifandraisana ny filazantsarany sy ny fiainan’izy ireo. Mba hianarana misimisy kokoa dia jereo ny “Nanampy ny olona hahita ny lanjan’ny fotopampianarany eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana ny Mpamonjy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022]). Hita ao amin’ny Lesona 86: “2 Mpanjaka 18–19” ny ohatra iray maneho ny fomba hanaovana izany.
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety ilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
2 Mpanjaka 18–19
Tanjon’ny lesona: Hanampy amin’ny fampitomboana ny fahatokian’ny mpianatra fa ny Tompo dia hanampy azy ireo hiatrika ny olan’izy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho tonga ao an-dakilasy miaraka amin’ny fahavononana hizara zavatra niainana iray izay nahatsapan’izy ireo ny fanohanan’ Andriamanitra nandritra ny fotoan-tsarotra iray.
-
Taratasy zaraina: “Ohatra iray maneho ny fitokiana ny Tompo”
-
Horonan-tsary: “Fantatry ny Ray any an-danitra Aho” (3:18); “Ny fitiavana tonga lafatra mandroaka ny tahotra” (19:11) manomboka eo amin’ny kaodimi-potoana 13:07 ka hatramin’ny 13:57
2 Mpanjaka 21–23
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hitodika any amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamerina hijery ireo tanjony eo amin’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina sy ny ezaka ataon’izy ireo eo amin’ny famakiana ireo toko ao amin’ny Testamenta Taloha izay nampiandraiketina azy ireo. Amporisiho izy ireo hanohy hanatratra ny tanjony na hanao, ombam-bavaka, ireo fanovana ilaina mba hahombiazana.
-
Fitaovana ilaina omanina: Asio fanamariham-pejy ao amin’ny 2 Mpanjaka 22:8 ao amin’ny Baiboly iray ary afeno ao an-dakilasy ilay Baiboly.
-
Horonan-tsary: “Josias et le livre de la loi” (12:25) manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 7:02 ka hatramin’ny 8:37 ary manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 8:37 ka hatramin’ny 10:20
2 Mpanjaka 17; 24–25
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hampiasa ny fampielezana an’i Isiraely mba hamantarana ireo toetran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny “Zavatra tokony hotadidiana: “Hiteny amin’ny Isiraely rehetra i Jesoa hoe: -Modia-” avy ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2026. Angataho ny mpianatra mba ho tonga miaraka amin’ny fahavononana hizara eritreritra na fanontaniana momba ny fampielezana an’i Isiraely.
-
Taratasy zaraina: “Ohatra iray maneho ny fitokiana ny Tompo”
-
Fitaovana ilaina omanina: Asio mari-tsoratra famantarana eny amin’ny faritra samihafa ao amin’ny efitrano fianarana hoe Fanjakana Avaratra (Isiraely), Fanjakana Atsimo (Joda), Asyria, Amerika, ary Babylona/Persia. Mamoròna mari-tsoratra famantarana mba hazonin’ny mpianatra: Foko very, Samaritana, Lehi sy ny fianakaviany, Daniela, Sadraka, Mesaka, Abed-nego, Ezekiela, Ezra, ary Nehemia.
-
Votoatiny haseho: “Ireo fanjakan’i Isiraely sy i Joda raha jerena indray mitopy- maso”
Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 6
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatakatra andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hisafidy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray izay tian’izy ireo ho takatra tsara kokoa. Amporisiho izy ireo hamaky ireo fanovozan-kevitra eny amin’ny farany ambanin’ny pejy na hampiasa rakibolana mba hitadiavana ireo teny ao amin’ilay andinin-tsoratra masina. Mety ho loharanom-pitaovana tena manampy ny application Maîtrise de la doctrine. Ny mpianatra dia afaka mahita ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022).
-
Votoatiny haseho: Lisitr’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana efa nianaran’ny mpianatra hatreto.