Seminera
2 Mpanjaka 21–23: I Josia Mpanjaka sy ny Bokin’ny Lalàna


“2 Mpanjaka 21–23: I Josia Mpanjaka sy ny Bokin’ny Lalàna,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“2 Mpanjaka 21–23: I Josia Mpanjaka sy ny Bokin’ny Lalàna,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

2 Mpanjaka 16–25: Lesona 87

2 Mpanjaka 21–23

I Josia Mpanjaka sy ny Bokin’ny Lalàna

King Josiah Reads the Book of the Law to the people

Efa nanontany tena ve ianao hoe mety ho nanao ahoana ny fiainanao raha tsy nanana ny soratra masina ianao? Rehefa niala tamin’ Andriamanitra ny fanjakan’i Joda, dia tsy noraharahaina ny “bokin’ny lalàna” (2 Mpanjaka 22:8, 11) ary very tao amin’ny tempoly tamin’ny farany. Nandritra ny fanavaozan’i Josia ny tempoly dia hitan’i Hilkia mpisorona ny bokin’ny lalàna ka novakin’i Josia tamin’ny vahoaka izany. Nanampy an’i Josia Mpanjaka sy ny vahoakany hitodika indray tany amin’ny Tompo ny soratra masina. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hitodika any amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamerina hijery ireo tanjony eo amin’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina sy ny ezaka ataon’izy ireo eo amin’ny famakiana ireo toko ao amin’ny Testamenta Taloha izay nampiandraiketina azy ireo. Amporisiho izy ireo hanohy hanatratra ny tanjony na hanao, ombam-bavaka, ireo fanovana ilaina mba hahombiazana.

Sahanasa fianarana azo atao

Fiainana tsy misy soratra masina

Alohan’ny fotoam-pianarana dia hevero ny hametraka fanamariham-pejy ao anatin’ny Baiboly iray ao amin’ny 2 Mpanjaka 22:8. Afeno ao an-dakilasy ilay Baiboly mba hampiasaina any aoriana ao amin’ny lesona.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana misy banga manaraka ity:

  • Ho nanao ahoana ny fiainanao raha tsy nisy ny ?

Hevero ny hanome tapa-taratasy kely iray ho an’ny mpianatra tsirairay. Asao izy ireo hanoratra zavatra iray azo tsapain-tanana na zavatra atao izay fantatry ny rehetra izay afaka mameno ny banga amin’ilay fanontaniana. Ohatra, afaka manoratra teny izy ireo toy ny hoe kiraro, na borosy nify, na sekoly, na fanatanjahan-tena. Ampidiro ao anatina vondrona kely maromaro ireo mpianatra. Asao izy ireo hifanakalo hevitra momba ny fomba hamaliany ilay fanontaniana raha toa ka fenoina amin’ny teny nosoratan’izy ireo izany. Rehefa nahavita nizara ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo handinihana amim-pahanginana izao manaraka izao:

Saintsaino ireo zavatra niainanao manokana rehefa misaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto ianao:

  • Ho nanao ahoana ny fiainanao raha tsy nisy ny soratra masina?

  • Inona no fiantraikan’ny fandalinanao ny soratra masina nataonao vao haingana teo amin’ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Azonao atao ny manasa mpianatra manolo-tena vitsivitsy hizara ny valinteniny. Mba hanatevenana ny fifanakalozan-kevitra dia azonao atao ny mampiseho ity teny nambara manaraka ity.

Ny Loholona D.Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra ny filantsika ny soratra masina.

Portrait of Elder D. Todd Christofferson.  Photographed in March 2020.

Ireo izay tsy manana na tsy miraharaha ny tenin’ Andriamanitra voarakitra dia hitsahatra tsy hino Azy sy hanadino ny tanjon’ny fisian’izy ireo amin’ny farany. (“The Blessing of Scripture,” Liahona, May 2010, 33)

Any aoriana any, ao amin’ny lesona, dia hanana fahafahana hamantatra sy hizara andinin-tsoratra masina ary hisaintsaina ny tanjon’ny fandalinan’izy ireo manokana ireo mpianatra. Azonao atao ny manamboatra ny ampahany amin’ity lesona ity mba hanomezana fotoana ampy hiatrehana ireo fizarana dia ny “Fizarana ataon’ny mpianatra” sy “Tanjona eo amin’ny fandalinana soratra masina”.

Ny fiantraikan’ny soratra masina

Rehefa nandeha ny fotoana dia very ny soratra masina ary nanalavitra ny Tompo ny fanjakan’i Joda. Teo ambany fitondran’ny mpanjaka Manase sy Amona dia nirotsaka tamin’ny fanompoan-tsampy sy ireo fomba fanao ratsy hafa ny vahoaka, ka tafiditra tao anatin’izany ny fanaovana sorona zanaka (jereo ny 2 Mpanjaka 21). Taorian’ny fahafatesan’i Amona dia natao mpanjaka i Josia zanakalahiny tamin’ny fahavalo taonany. Marin-toetra i Josia. Tamin’ny taona fahavalo ambin’ny folo nanjakany dia nandamina ny vola hanakaramana ireo mpiasa hanamboatra ny tempoly tao Jerosalema i Josia (jereo ny 2 Mpanjaka 22:1–7).

Raha toa ianao ka nanafina Baiboly iray talohan’ny fotoam-pianarana dia azavao fa misy soratra masina very any amin’ny toerana iray ao an-dakilasy. Asao ny mpianatra hitady izany. Angataho ilay mpianatra nahita ilay Baiboly mba hitady ilay fanamariham-pejy. Omeo ireto toromarika manaraka ireto avy eo:

Vakio ny 2 Mpanjaka 22:8–13, ka tadiavo ny zavatra nitranga nandritra ny fanamboarana ny tempoly.

  • Inona no hitan’i Hilkia mpisorona?

  • Inona no navalin’i Josia Mpanjaka rehefa avy nandre ny teny tao amin’ilay boky, na ny soratra masina izy?

Nanapa-kevitra i Josia fa hamaky ilay boky amin’ny vahoakan’i Jerosalema rehetra (jereo ny 2 Mpanjaka 22:14–20; 23:1–2).

Azonao atao ny manampy ny mpianatra haka sary an-tsaina ny zavatra novakin’izy ireo amin’ny alalan’ny fijerena ny “Josias et le livre de la loi” (12:25) manomboka eo amin’ny kaodim--potoana 7:02 ka hatramin’ny 8:37. Hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org io horonan-tsary io.

12:25

Vakio ny 2 Mpanjaka 23:1–3, ka tadiavo ny fiantraikan’ny famakiana ny soratra masina teo amin’i Josia sy ny vahoakany. Hevero ny hanisy marika ny zavatra hitanao.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fiantraikan’ny fandalinana ny soratra masina eo amin’ny fiainantsika?

Ao anatin’ireo hevi-baovao zarain’ny mpianatra dia mety hahita izy ireo fa ny fandalinana ny soratra masina dia afaka manampy antsika hitodika any amin’ny Tompo amin’ny fontsika manontolo. Azo soratana eny amin’ny solaitrabe izany ary resahina mandritra ny ambin’ny lesona.

Mba hahatakarana tsara kokoa io fitsipika io dia azon’ny mpianatra atao ny manatanteraka ity manaraka ity miaraka amin’ny mpianatra iray miara-miasa aminy. Afaka mandalina andian’andinin-tsoratra masina iray ny mpianatra tsirairay. Avy eo dia afaka mifampizara ny zavatra nianarany ny mpianatra mpiara-miasa ary mifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana miaraka amin’izany.

Rehefa nianatra zavatra avy tamin’ny soratra masina i Josia sy ny vahoakany ary nitodika tany amin’ny Tompo dia nentanim-panahy izy ireo hanao fanovana teo amin’ny fiainan’izy ireo. Vakio ireo andinin-tsoratra masina nampandraiketina anao, ka tadiavo ireo fanovana nataon’izy ireo.

Mpianatra 1

2 Mpanjaka 23:4, 24.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nila nandrava ny sampiny rehetra ny vahoaka mba hitodihana any amin’ny Tompo amin’ny fony manontolo?

  • Ahoana no ahafahan’ny fandalinana soratra masina manampy antsika hanalavitra ireo fitaoman-dratsy eo amin’ny fiainantsika?

Mpianatra 2

2 Mpanjaka 23:21–22.

  • Inona no fombafomba ara-pivavahana narahan’i Josia sy ny vahoakany indray taorian’ny namakiany ny soratra masina?

  • Ahoana no ahafahan’ny fandalinana soratra masina manampy antsika hahatsiaro ny Mpamonjy sy hiaina ny filazantsarany?

Azonao faranana amin’ny alalan’ny fijerena ny Josias et le livre de la loi manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 8:37 ka hatramin’ny 10:20 ny tantaran’i Josia.

12:25

Fizarana ataon’ny mpianatra

Ity ampahany amin’ny lesona ity dia natao ho an’ny fisaintsainana manokana sy ny fizarana. Afaka mizara ny fomba nanampian’ny soratra masina (na ahafahan’ny soratra masina manampy) azy ireo hitodika any amin’ny Tompo ny mpianatra.

Ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985) dia nampianatra ny fiantraikan’ny fandalinana soratra masina teo amin’ny fiainany:

Portrait of President Spencer W. Kimball. He is holding an open book in his hands.

“Hitako fa rehefa ataoko tsizarizary ny fifandraisako amin’ Andriamanitra, ary rehefa toy ny hoe tsy misy sofin’ Andriamanitra mihaino, ary tsy misy feon’ Andriamanitra miteny, dia tena lavitra tokoa aho, tena lavitra. Rehefa miroboka ao anatin’ny soratra masina aho dia mihafohy ny elanelana ary miverina ny aim-panahy. (Teachings of Presidents of the Church: Spencer W. Kimball [2006], 67)

Mitadiava andinin-tsoratra masina izay nanampy (na afaka manampy) anao hitodika any amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Mety ho avy amin’ny fandalinanao manokana ny soratra masina izany, na ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina, na leson’ny seminera teo aloha, na mety ho andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izany. Miomàna hizara izao manaraka izao:

  • Ahoana no nanampian’io andinin-tsoratra masina io (na ahoana no ahafahan’izany manampy) anao hitodika any amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny fonao rehetra?

Rehefa vonona hizara ny mpianatra dia asao ny rehetra hanoratra ny andinin-tsoratra masiny eny amin’ny solaitrabe manodidina ilay fahamarinana hitan’izy ireo tany aloha. Mangataha mpianatra manolo-tena maro mba hamaky ny andalan-tsoratra masin’izy ireo sy hizara ny hevi-baovao hitany na ny zavatra niainany. Raha ilaina dia azonao atao koa ny mizara andinin-tsoratra masina izay nanampy anao hitodika tany amin’ny Tompo.

Hevero ny hanondro ireo andalan-tsoratra masina eny amin’ny solaitrabe izay tsy mbola nozaraina. Azonao atao ny manontany raha toa ka vonona ny hizara ireo mpianatra izay nanoratra izany. Na azonao atao ny manasa ny iray kilasy hamaky ilay andinin-tsoratra masina sy hifanakalo hevitra momba ny fomba ahafahan’izany manampy antsika hitodika any amin’ny Tompo.

Rehefa mizara ny mpianatra dia azonao atao ny mametraka fanontaniana fanaraha-maso mba hamporisihana ny hisian’ny fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy. Ohatra, afaka manontany ianao hoe: “Moa ve misy olona hafa efa niaina zavatra mifandray amin’izany andalan-tsoratra masina izany? Vonona ny hizara izany ve ianao?” na “Inona avy ireo eritreritra sy fahatsapana nanananao rehefa nifampihaino ianareo?”

Tanjona ho an’ny fandalinana soratra masina

Hevero ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao mba hahafahan’ny mpianatrao miaina zavatra mitovy amin’ny zavatra niainan’i Josia rehefa nandalina ny soratra masina izy (jereo ny 2 Mpanjaka 23:25). Asao ny mpianatra hamerina hijery ny tanjon’izy ireo eo amin’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina sy ny fivoaran’izy ireo eo amin’ny famakiana ireo toko nampiandraiketina ao amin’ny Testamenta Taloha. Omeo fotoana izy ireo hisaintsainana ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Moa ve ianao mahatsapa fa manampy anao hitodika tanteraka any amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny tanjonao eo amin’ny fandalinana soratra masina amin’izao fotoana izao? Raha eny, dia ahoana no nahitanao izany? Raha tsia, dia inona no fanovana hataonao?

  • Inona avy ireo zavatra manan-danja niainanao tamin’ny alalan’ny famakiana ireo toko ao amin’ny Testamenta Taloha izay nampiandraiketina anao? Inona no hataonao mba hahazoana antoka fa vitanao ireo vakiteny nampiandraiketina?

Amporisiho ny mpianatra hanohy ny ezaka ataon’izy ireo handalina ny soratra masina isan’andro.