Seminera
2 Mpanjaka 17; 24–25: Ny fampielezana an’i Isiraely


“2 Mpanjaka 17; 24–25: Ny fampielezana an’i Isiraely,”Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“2 Mpanjaka 17; 24–25: Ny fampielezana an’i Isiraely,”Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

2 Mpanjaka 16–25: Lesona 88

2 Mpanjaka 17; 24–25

Ny fampielezana an’i Isiraely

A group of youth reading scriptures together in Florida.

Matetika ny mpaminany sy ny hafa no miresaka momba ny fanangonana an’i Isiraely. Mba hahatakarana ilay fanangonana dia afaka manampy aloha ny mahatakatra ny antony nampielezana an’i Isiraely. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampiasa ny fampielezana an’i Isiraely mba hamantarana ireo toetran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny “Zavatra tokony hotadidiana: “Hiteny amin’ny Isiraely rehetra i Jesoa hoe: -Modia-” avy ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2026. Angataho ny mpianatra mba ho tonga miaraka amin’ny fahavononana hizara eritreritra na fanontaniana momba ny fampielezana an’i Isiraely.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny fampielezana an’i Isiraely

Alohan’ny fotoam-pianarana dia azonao atao ny manisy marin-tsoratra famantarana ny toerana samihafa ao amin’ny efitrano fianarana ho toy ny hoe Fanjakana Avaratra (Isiraely), Fanjakana Atsimo (Joda), Asyria, Amerika, ary Babylona/Persia.

  • Nahoana ary oviana no mety ho mariky ny fitiavana avy amin’ny ray aman-dreniny ny famaizana ny zanaka iray?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:1, ka tadiavo ny zavatra tsapan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mikasika ny olona izay ilain’ Izy ireo ahitsy na faizina.

Imbetsaka i Isiraely ao amin’ny Testamenta Taloha no nikomy tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ka nilana fanitsiana. Izany dia niteraka ny antsoina hoe fampielezana an’i Isiraely. Rehefa mandalina ny fampielezana an’i Isiraely ianao dia tadiavo ny fomba nanehoan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny fitiavan’izy ireo.

Ao anatin’ireo fizarana roa manaraka ao amin’ny lesona dia handehandeha manerana ny efitrano fianarana ireo mpianatra mba hahatakarana ny fomba nampielezana an’i Isiraely.

Zarao ho vondrona roa mitovy ny mpianatra. Asaivo mifindra eny akaikin’ilay faritra ao amin’ny efitrano fianarana izay nomena anarana hoe Fanjakana Avaratra (Isiraely) ny vondrona iray, ary ilay vondrona iray hafa eny akaikin’ny Fanjakana Atsimo (Joda).

Azonao atao ihany koa ny mampiseho sary “Ireo fanjakan’ny Isiraely sy i Joda raha jerena indray mitopy maso,” toy izay ny mpianatra hivezivezy manodidina ny efitrano fianarana. Afaka mamaky andininy mitovy ny mpianatra, ary afaka mifanakalo hevitra mikasika ireo fanontaniana izay mitovy koa, avy ao amin’ny lesona, saingy araho fotsiny ity kisary ity.

Fanjakan’i Isiraely tany Avaratra

Teo amin’ny 975 taona talohan’i J.K, taorian’ny nahafatesan’i Solomona dia lasa mpanjaka i Rehoboama zanany lahy. Nampitondrain’i Rehoboama zioga mavesatra ny vahoaka. Nikomy tamin’i Rehoboama ny folo tamin’ireo foko ary nanaraka an’i Jeroboama (jereo ny 1 Mpanjaka 12:6–11, 19–20). Izany fisarahana izany dia niteraka ny Fanjakana Avaratra sy Fanjakana Atsimo.

Vakio ny 2 Mpanjaka 17:7–18, 22–23, ka tadiavo ny zavatra nitranga tamin’ny Fanjakan’i Isiraely tany Avaratra.

  • Inona no nitranga tamin’izy ireo ary nahoana no nitranga izany?

    Hazavao fa rehefa nandresy ny Fanjakan’i Isiraely tany Avaratra i Asyria ka naka ny maro tamin’ireo Isiraelita niverina tany Asyria, dia nanomboka ny fampielezana an’i Isiraely izany. Angataho ny ankamaroan’ny mpianatra izay nijoro teo akaikin’ilay faritra hoe Fanjakana Avaratra (Isiraely) hifindra eny amin’ilay faritry ny efitrano nomena ny anarana hoe Asyria. Hazavao fa matetika isika no miantso ireo foko ireo hoe ireo foko very amin’i Isiraely. Azonao omena an’ireo mpianatra izay nifindra teny Asyria ny mari-tsoratra famantarana hoe Foko Very. Azonao omena ireo mpianatra izay mijanona ao Isiraely ny mari-tsoratra famantarana hoe Samaritana. Azonao atao ny manazava fa ny Samaritana dia Isiraelita amin’ny ampahany ary Jentilisa amin’ny ampahany (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Samaritana,” Médiathèque de l’Évangile).

  • Ahoana no hamintinanao ny antony nampielezana an’i Isiraely?

Ny mpianatra dia mety hahita fahamarinana toy ny hoe: Noho i Isiraely nandà ireo mpaminany sy nivadika tamin’ny fanekempihavanana nataony tamin’ny Tompo, dia naeliny manerana ny firenena rehetra izy ireo.

Fanjakan’i Joda tany Atsimo

  • Inona no nianaranao hatreto momba ny Fanjakan’i Joda tany Atsimo, ka tafiditra ao anatin’izany ireo mpanjaka izay nanjaka tao?

Asao ny mpianatra hizara izay tantara tadidiny. Ohatra, mety hiresaka momba an’i Hezekia Mpanjaka na i Josia Mpanjaka izy ireo. Raha manao izany izy ireo dia azonao atao ny mamorona mari-tsoratra famantarana ho an’ny mpanjaka tsirairay ary manasa ny mpianatra hihazona izany ambony. Amporisiho ny mpianatra hizara ny fomba nitahian’ny Tompo ireo mpanjaka ireo sy ny vahoaka noho ny finoan’izy ireo Azy. Ireo mpanjaka roa ireo dia samy nanjaka taorian’ny nandresen’i Asyria ny Fanjakan’i Isiraely.

Mety hanonona an’i Lehia sy ny fianakaviany koa ny mpianatra. Raha manao izany izy ireo dia asao hizara ny zavatra fantany. Raha tsy manao izany izy ireo dia azonao atao ny mangataka azy ireo hanao izao manaraka izao. Azonao atao ny mamorona mari-tsoratra famantarana hoe Lehia sy ny fianakaviany mba hohazonin’ny mpianatra vitsivitsy.

Vakio ny 1 Nefia 1:4, ka tadiavo hoe iza koa no nonina tao amin’ny Fanjakan’i Joda.

Vakio ny 1 Nefia 2:1–4; 18:22–23, ka tadiavo ny zavatra nitranga tamin’io fianakaviana io.

  • Inona avy ireo fitahiana azontsika avy amin’ny Ray any An-danitra noho ny fitarihan’ny Tompo an’i Lehia sy ny fianakaviany hiala tao Jerosalema izay anisan’ny fampielezana?

Angataho ireo mpianatra izay mihazona ny mari-tsoratra famantarana hoe Lehia sy ny fianakaviany hiala eo amin’ilay hoe Fanjakan’i Joda ka hankeny amin’ilay faritra ao amin’ny efitrano fianarana nomena ny anarana hoe Amerika.

Vakio ny 2 Tantara 36:17–20, ka tadiavo ny zavatra nataon’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, tamin’ireo mponina tao Jerosalema fotoana fohy taorian’ny nandehanan’i Lehia sy ny fianakaviany.

Angataho ireo mpianatra sisa ao amin’ny Fanjakan’i Joda mba hifindra eny amin’ilay faritra ao amin’ny efitrano fianarana izay maneho an’i Babylona/Persia. Teo anelanelan’ny 605 sy 587 taona talohan’i J.K. dia nitondra Jiosy maro nankany Babylona ny Babyloniana sy nanao fahirano an’i Jerosalema ary nandrava azy tamin’ny farany (jereo ny 2 Mpanjaka 24:8–16; 25:1–12, 21; Jeremia 52).

Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hilaza anaran’olona vitsivitsy izay lasa tany Babylona no niafarany. Raha mila fanampiana izy ireo dia azonao omena mari-tsoratra famantarana misy ny hoe Daniela, Sadraka, Mesaka, Abed-nego (jereo ny Daniel 1:1–7), ary Ezekiela (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Ezekiela,” Médiathèque de l’Évangile).

Vakio ity famintinana manaraka ity. Hazavao fa nijanona tao Persia ny Jiosy sasany (jereo ny Etera 2:5–7). Angataho ny mpianatra sasany ao Babylona/Persia mba hiverina eny amin’ilay faritry ny efitrano fianarana maneho ny Fanjakan’i Joda. Azonao atao ny mamorona mari-tsoratra famantarana hoe Ezra sy Nehemia mba hoentin’ny mpianatra vitsivitsy izay nifindra nankeny amin’ny Fanjakan’i Joda. Hianatra misimisy kokoa momba an’i Ezra sy i Nehemia ireo mpianatra any aoriana.

Nandresy an’i Babylona ny Persiana teo ambany fitarihan’ny Mpanjaka Kyrosy. Nanodidididina ny 537 taona talohan’i J.K. teo dia notaomin’ny Tompo ny fanahin’i Kirosy Mpanjakan’i Persia mba hanome lalana ny Jiosy hiverina any Jerosalema ka hanorina indray ny tempoly (jereo ny 2 Tantara 36:22–23; Jeremia 29:10–14; Ezra 1:1–3). Tao anatin’ireo taona nanaraka izany dia niverina tany Jerosalema i Ezra sy i Nehemia ary ny hafa mba hanampy amin’ny fanorenana indray ny tanàna sy amin’ny famitana ny tempoly (jereo ny Ezra 7:6–8; Nehemia 2:1–11).

Tsy very velively ny zanaky ny Ray any An-danitra eo anatrehany

Azonao atao ny manamarika fa maro tamin’ireo vondrona ireo no tsy nahafantatra ny zava-nitranga tamin’ireo vondrona hafa. Very ireo vondrona hafa ireo raha ny fomba fijerin’izy ireo.

Vakio ny 3 Nefia 17:4, ka tadiavo ny zavatra nozarain’ny Mpamonjy tamin’ny Nefita nandritra ny asa fanompoana nataony teo anivon’izy ireo.

  • Inona no misarika ny sainao ao anatin’io andininy io?

Azonao atao ny manamarika fa na dia naely aza i Isiraely dia nampiasain’ny Tompo ilay fampielezana ny vahoakan’ny fanekempihavanany mba hitahiana ireo firenena izay nampielezana azy ireo (jereo ny “Ny fampielezana an’i Isiraely” eo ambanin’ny “Isiraely” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, Gospel Library). Azonao atao ny manamarika fa ny “hatsaram-panahy” ao amin’ny Isaia 54:8 dia fandikana ny hoe hesed. Raha mila fanazavana fanampiny momba ny lanjan’ny Hesed dia jereo ny lahatsoratry ny Filoha Nelson “Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay,” Liahona, ôct. 2022, 5–6.

Vakio ny Deoteronomia 4:27–31 sy ny Isaia 54:7–10, ka tadiavo ny zavatra nampanantenain’ny Tompo fa hataony ho an’i Isiraely naely patrana.

  • Inona avy ireo toetra hitanao ao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa mianatra momba ny fampielezana an’i Isiraely ianao?

Hevero ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fitiavan’ny Ray any An-danitra ny zanany rehetra sy ny fampanantenany hanangona an’i Isiraely naely patrana.